Ahoana koa izany?

41. prime ( 26/10/2007 10:43)
ikaretsaka:
mitondra aho fa tsy izany no teniteneniko eran-tany eran-danitra ry prime a...
... ka ny fanontanianao tsy mampiseho mihitsy izany kanooo...
niryna:
zioga izany efa samy manana ny ziogany avy isika nefa mbola nampianao zioga hafa indray ny anao satria heverinao fa ho maîtriser-nao ilay situation
dia...
ianao:
Damnation ve iizany sa 'tody" ilay zioga lazain'i Diams?
... raha tena mino an'i Kristy ve ianao dia sahy hametraka izany fanontaniana izany?
ikaretsaka:
ary tsy hoe rehefa olona mpino dia izao ny "etiquette" dia rehefa tsy mpino dia izao no "etiquette". ny finoana dia mivelatra sy malalaka.
... ka ilay "étiquette" tsy misy fa ny tsirairay rehefa abaribarin'ny tenin'Andriamanitra ny tsy fahamarinany sy ny otany dia misy ny mibebaka ary mifona haingana miverina amin'i Kristy... misy ny manamarina sy mitady hevitra sy fahendrena eto amin'izao tontolo izao maro entina hanamarinan-tena ary entina anenjehana ny zanak'Andriamanitra... dia rehefa tsy manaiky ny tenin'Andriamanitra ireto farany dia izy ihany no mitsara tena ho azy sy manava-tena ho azy satria ilay tenin'Andriamanitra lasa misata azy sy mampibaribary ny tsy fahamarinany eo ambony loha...
42. fijo ( 26/10/2007 21:54)
iza moa no milaza fa tena tenin'andriamanitra ny ao anaty baiboly
43. prime ( 30/10/2007 12:01)
fijo> ao anaty baiboly no misy ny soratra masina ary ao anatin'ny soratra masina no manambara ny tenin'Andriamanitra araka izay nambaran'ny Fanahy Masina...

hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy :

"Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana," II Timoty 3:16
44. fijo ( 30/10/2007 23:26)
izao lazaina.ao anaty baiboly no misy ny soratra masina aminay.io aminay io tendreo tsara,satria io tsy masina amin'ny rehetra
45. niryna ( 01/11/2007 05:05)
prime:
ny tsy fahamarinany sy ny otany dia misy ny mibebaka ary mifona haingana miverina amin'i Kristy... misy ny manamarina sy mitady hevitra sy fahendrena eto amin'izao tontolo izao maro entina hanamarinan-tena ary entina anenjehana ny zanak'Andriamanitra... dia rehefa tsy manaiky ny tenin'Andriamanitra ireto farany dia izy ihany no mitsara tena ho azy sy manava-tena ho azy satria ilay tenin'Andriamanitra lasa misata azy sy mampibaribary ny tsy fahamarinany eo ambony loha...

miombon-kevitra koa aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0073