toroy hevitra
1. nikopol
(
19/10/2007 11:28)
Efa ho herin-taona mahery izay no nivadianay nefa hatramizao dia tsy mety mitoe-jaza mihintsy ilay vadiko. Mba miezaka ihany aho na andro na alina fa dia tsy misy vokany mihintsy.
Izy aloha dia azo lazaina fa mahavita ny raharaha isan-karazany amin’ny maha-vehivavy azy. Tsy misy azo kianina ny momban’ny pasoka, ny fikarakarana sakafo sy ny fanadiovan-trano, na ny fandraisana ireo namako.
Fa mba lehilahy ihany ny tena ary manomboka mavesatra ny mason’ny olona amin’ilay tsy fananana taranaka, indrindra fa ireo mpiara miangona. Ka diso ve aho raha mieritreritra ny hisaraka aminy hamerina azy any amin’ny ray amandreniny?

novalian'i melody ny 26/10/2007 22:02
2. cutie
(
19/10/2007 11:31)
Ka diso ve aho raha mieritreritra ny hisaraka aminy hamerina azy any amin’ny ray amandreniny?
tsy diso:-D:-D:-D:-D:-D:-D
3. mandrindra
(
19/10/2007 11:33)
ny mason'ny olona ve no mavesatra amin'i nikopol sa ny fitiavan'i nikopol no nihena?
efa nandeha nijery mpitsabo ve ianareo ahafantarana hoe maninona ravehivay no tsy mety mitoe-jaza? jereo sy zahao aloha izay azo atao rehetra.

4. sakaizakely
(
19/10/2007 11:35)
ary sao dia diso "lalana" niko no tsy maha mety azy ?
na mba ampifamadiho indray ny rasa e ! niko indray no mipasoka sy manokona dia avela madama hivalapatra eo @ canapé de misotro beksa ;-)

5. salmo1
(
19/10/2007 11:43)
nikopol:
Ka diso ve aho raha mieritreritra ny hisaraka aminy hamerina azy any amin’ny ray amandreniny?
Elah ihany io less! sôde mampiresaka ary elah zany? :-D
6. Belle
(
19/10/2007 12:29)
Efa mba nitsapa ve ianao hoe sao dia ianao koa no tsy miteraka fa tonga dia ilay vadinao no lazainao fa momba? Fombam-pisainan'ny lehilahy gasy mantsy io. Tsy mijery ny lafiny rehetra fa tonga dia manondro ny vehivavy foana raha vao resaka tsy fananan-janaka. Efa nozahanareo marina tokoa ve ny mety ho fototry ny olana rehetra, sa tonga dia tombatombana hoe ilay ramatoa mihitsy no tsy miteraka?
Na izany aza nefa dia tokony mba maka ny hevitry ny vadinao koa ianao fa tsy tonga dia manapaka irery. Ny fijerin'ny fiangonana sy ny manodidina ve no hakanao fanapahan-kevitra ho an'ny fiainanao? Dia mamaly aho hoe: mba rahoviana ihany aza isika no tsy hiraharaha intsony ka hiatrika ny fiainana amin'ny maha-isika antsika, fa tsy hihaino sy hiankina foana amin'ny vavan'ny mpiara-monina sy ny manodidina? Mahonena!

7. tsaramaso
(
19/10/2007 12:31)
Fa mba lehilahy ihany ny tena ary manomboka mavesatra ny mason’ny olona amin’ilay tsy fananana taranaka, indrindra fa ireo mpiara miangona.Ny vadin'ny mpiara-miangona iterahana refa zany ry lety a !!!!!! hahahhahahah !!!!!
8. simplex
(
19/10/2007 13:01)
sao dia mazoto minana silgoma izy? na bombo?
ireny zavatra mamimamy ireny ony tsy mampiteraka kanou :)
9. cutie
(
19/10/2007 13:01)
Ny vadin'ny mpiara-miangona iterahana refa zany ry lety a !!!!!! hahahhahahah !!!!!
=))=))=))=))=))=))=))=))
10. sitlo
(
19/10/2007 13:08)
Nandinika kely aho aloha, dia avy eo nandinika indray, dia nandinika indray.
Farany aho miteny hoe: sao dia izy no tokony hisaraka amin'ialahy?

11. pissoa
(
19/10/2007 14:27)
mandrindra:
ny mason'ny olona ve no mavesatra amin'i nikopol sa ny fitiavan'i nikopol no nihena?
efa nandeha nijery mpitsabo ve ianareo ahafantarana hoe maninona ravehivay no tsy mety mitoe-jaza? jereo sy zahao aloha izay azo atao rehetra.
=D=D=D
:-D:-D:-D:-D:-D
12. millenium
(
19/10/2007 14:29)
Nico, vao herin-taona ve ianao no nanandrana dia hoe leo sahady ny olona sasany aza 4 na 5 taona vao mahazo zaza,aza atao réference ao an-tokantrano ny hoe fijerin'ny any ivelany fa tsy mety,manankorontana ny tokantranonareo io.Moa ianareo ve vita mariazy? @ ILAY VOADY TEO @ ALITARA MANTSY MISY AN'ILAY HOE : "N'INONINONA MANJO ANAY DIA HITIA SY HANAJA......sns" koa aza mivadika @ fifanekena natao, fa henoin'Andriamanitra daholo ny natao tao an-tranony surtout ny vadinao tsy nijangajanga no nisarahanao t@ fa mbola resaka izany,misy valiny ny zavatra rehetra fa aza manao ratsy @ olona tsy manan-tsiny ohatr'izany.Tiavo izy raha mbola tia anao izy ary miala nenina fitsaboana rehetra alohan'ny hanapahana hevitra sao manenina ,fa tsarovy fa ny ratsy atao @ olona tsy manan-tsiny ohatra an'ireny dia misy tody daholo.Anjaranao miheritreritra.
13. mandrindra
(
19/10/2007 14:30)
pissoaaaako, midobodoboka be mahitsy ny foko fa nomenao tehaka mirefodrefotra be aho :oops:
14. miako
(
19/10/2007 14:31)
Aza mora kivy izany fa misy aza ange efa ho 5 taona nivadiana vao mitoe-jaza e§ Ny mahagaga mantsy amin'izao andro iainantsika izao dia be dia be ny cas toy io. Mila miaritra kely ry se a! Tonga eo ihany io. Ny vavaka koa ange manova zavatra e! Tsy vahaolana aloha raha izao ny misaraka raha izay no hevitr'ilay hoe hamerina azy any amin'ny ray amandreniny. Manantona dokotera manokana misahana izany ary aza adino ny mivavaka.
Mahereza
Mahereza
15. booboo
(
19/10/2007 14:35)
Niko > rehefa tsy mety na ny andro na ny alina dia ataovy @ mangiran-dratsy iny indray e !
18. jemimah
(
19/10/2007 14:47)
nikopol ty angaha mifoaka moly zany ve no antony hisarahana @ zanak'olona
19. xxx
(
19/10/2007 15:08)
nikopol:
Efa ho herin-taona mahery izay no nivadianay nefa hatramizao dia tsy mety mitoe-jaza mihintsy ilay vadiko. Mba miezaka ihany aho na andro na alina fa dia tsy misy vokany mihintsy.
Izy aloha dia azo lazaina fa mahavita ny raharaha isan-karazany amin’ny maha-vehivavy azy. Tsy misy azo kianina ny momban’ny pasoka, ny fikarakarana sakafo sy ny fanadiovan-trano, na ny fandraisana ireo namako.
Fa mba lehilahy ihany ny tena ary manomboka mavesatra ny mason’ny olona amin’ilay tsy fananana taranaka, indrindra fa ireo mpiara miangona. Ka diso ve aho raha mieritreritra ny hisaraka aminy hamerina azy any amin’ny ray amandreniny?
mialà da amin'izay ilay vadinao mba mahazo bandy mbola be atody. Ny an'i ngahy angamba lany... :D, na tsy mandaitra intsony.