Mankarary ny mason'ny tia tena ny mahita ny mpino

21. fijo ( 18/10/2007 21:24)
izay,safidy io
22. steeeel ( 18/10/2007 23:10)
Ny olombelona dia nomena safidy.
Zava-dehibe ny safidy saingy.....
Manaraka ny pyramide an'i Abraham Maslow ihany koa ny resaka spiritualité, miovaova arakaraky ny halavirana vitanao eo amin'ny fiainana.
Raha nisafidy ho athé i X dia izay izany no filany amin'izao fotoana izao ary misy tantarany ny nahatonga azy ho teo.
Raha nisafidy ho mpino ny zavatra iray koa i Y dia tahak'izay ihany koa ny fandehany fa tsy hoe i X tokony ho toa an'i X raha omena ny expériansan'i X na i X tokony ho tahaka an'i Y raha nomena ny expériensan'i Y.
Misy tantarany sy antony maro tsy voatanisa ny mahatonga ny zava-drehetra arakan'ilay mpanoratra momba ny resaka Fahefana izay (Fred P. Gale).
23. LazaDaddy ( 19/10/2007 03:46)
Mankarary ny maso ny mahita ny mpino
Inona ny antony? Sao dia ilay mpino no manome fanafitohinana, misetrasetra, manambany ny hafa, miavonavona, mankahala, sns...?


24. xxx ( 19/10/2007 05:06)
ary sao dia mpino iray no namely ka ny mpino rehetra no lazaina manafitohina?
25. majesty ( 19/10/2007 05:12)
Hoy fijo:
safidy letsy io an,de misafidiana izay tiana,fa fantaro izay safidiana


Dia tena mahazo antoka ve isé fa mahay misafidy???
ohatra:asiako vola madinika ariary folo ato anaty tanako ilany,dia tsy asiako na inona na inona ao amin'ny ilany,dia ho tena azon'isé antoka ve raha asaiko hisafidy isé fa ilay tanana misy an'ilay vola madinika no ho safidin'isé.:D

26. Herimiafina ( 19/10/2007 05:23)
Ka raha izay indray mety tsy vola be no tadiaviny fa izay vola hahafahany mividy café sy mofo fotsiny, izany hoe afampo foana izy e, théorie des jeux io.
27. naritsimba ( 19/10/2007 05:27)
Ny mahatonga ny olona hankahala ny kristiana matetika dia: Ny kristiana dia tsy arakaraky ny zavatra lazainy sy toriany no asehony @ fihetsiny andavanandro.
ohatra: iza amintsika no efa nahafoy ny ainy hamonjeny ny sakaizany?
Aza gaga raha toa ka mitàna ny finoany @ resaka zavatra"objet" na materialy ny olona ankehitriny, izany hoe ny hita maso sy azo tsapain-tanana.
28. Jeankely ( 19/10/2007 05:29)
Hazavao indray ary ilay "Games theory" e? Mihamahay tsara isiaka avy eo=))=))=))
29. niryna ( 19/10/2007 06:01)
rabilabila:

1 - Raha vao resaka fanajana ny maha olona dia tsy hita intsony ny tsy mpino. Ho an'ny siantifika ohatra dia lasa objet ny olona, sns...


Mba omeo ohatra kely raha tsy mahadiso fa toa mahagaga ihany ilay affirmation!!!
Ary adinonao i Bill Gates (AT) ,i Steeve Wozniak (AT),i Camus , i Albert Jacquard ,i Richard Dawkins ,.........raha izay olona nitondra izay mba mahametimety ny fiainana ihany no lazaiko na ara-kevitra izany na ara-tsiansa ?


2 - Amin'ny tany misy didy jadona na te hanjaka tokana dia ny finoana no foanany voalohany, ary ny mpitondra fivavahana no fahavalon'ny mpitondra voalohany...


Ary ny théocratie moa izany mba ahoana ?



3 - Gandhi mpino (na tsy kristiana aza), Martin Luter, Romeo... ireo rehetra irao dia nohenjehana ary maty martiry noho ny fiarovana ny rariny sy ny marina.



Giordano Bruno nodorana velona , Galilé ,Darwin (mbola enjehina hatramin'izao via procès dans la "plus grande démocratie du monde ").


H.S Bill Gates tsy io ve no nanitatra ny ordinateur ?
Nisy nanontany ahy tany amin'ny sujet hafa tany niresaka hoe ny ordinateur dia noforonon'ny homosexual.???? koa maninona no manoratra mifandray.Tsy fantatro mihitsy izay tiany ho tenenina. kanefa ny ordinateur efa nisy efa hatrin'ny elabe





30. niryna ( 19/10/2007 06:08)
rabilabila:

ka raha windows moa ny anao dia misaora an'i Bill Gates ,ary raha Mac kosa ,dia misaora an'i Wosniak . Mino aho fa tsy mila ahy akory ianao amin'izany .


efa novalianao ny fanontaniako fa misaotra.Inona fotsiny no hidiran'ny homosexual amin'io.Tany amin'ny sujet hafa fa H.S kely azafady a(Bill Gates ) sa ilay anarary mitovy hoe gay :-$ ilay Gates?


31. Jeankely ( 19/10/2007 08:27)
Tsy Bill Gates fa bilabilagay
32. rabilabila ( 19/10/2007 20:00)
30. Mpandefa : Jeankely [ Valio ] 19-10-2007 10:27:17
Lohateny : Re : Mankarary ny mason'ny tia tena ny mahita ny mpino
Tsy Bill Gates fa bilabilagay



C'est petit et c'est minable,m'enfin!!! Bof!!
33. fijo ( 19/10/2007 20:01)
hoy laza,"sao dia ilay mpino no manao izay hanafintohana"fanontanian tsara apetraky ny tsiray ray amin'ny tenany io,fa tsy ny mpino ihany.ary vitsy ny mpino no mba mametraka io fanontaniana io.jereo fa eo ambany dia efa misy mitsikera le izy nefa zavatra marina io voalaza io.

majesty.
raha hoe tanana ilany misy vola ny ilany tsy misy kisendrasendra izany.
fa raha zavatra samy tsy mbola nisy nahita,toa ity andriamanitra terena hisy ity,dia tsy misy hoe manana safidy marina.na izahay tsy mpino na ianareo mpino.fa eo dia safidy fotsiny hoe hino aho,na tsy hino.samy tsy misy hafaka hilaza isika hoe tena misy io,na tena tsy misy io,na dia samy resilahatra amin'ny safidiny aza
34. rabilabila ( 19/10/2007 20:18)
Olona no ni-conçevoir ny ordinateur ,Alan Turing no anarany.Il est homo et alors!!!!!

Asa indray na inona no important aminareo ohatran'ilay hoe "kristianina aloha ,izay vao alaina vady "(siozé ary ambadika ary ).
35. fijo ( 19/10/2007 20:25)
ka eto anie ry bilabila raha ny kristianina no manavaka dia masina e
36. xxx ( 20/10/2007 12:55)
Averina ilay fanontaniana: inona ny olombelona ho an'ny tsy mpino?
37. steeeel ( 20/10/2007 20:27)
farito tsara fa tsy voatery hitovy hevitra daholo ny tsy mpino rehetra, resaka humanisme indray angamba izany.
38. xxx ( 22/10/2007 12:21)
Olona no ni-conçevoir ny ordinateur ,Alan Turing no anarany.Il est homo et alors!!!!!

Ka inona ny ifandraisan'ny maha homo azy sy ny resaka ordinatera? Raha tsy homo ve izy dia tsy afaka ni-conçevoir ny ordinateur? Ohatra ny mivilana be izy izany rabila an!
39. rabilabila ( 22/10/2007 19:31)
i niryna no nampiditra resaka homo ry xxx fa tsy izaho a!!
Izaho tsy manana an'izany olana izany !!!
40. fijo ( 23/10/2007 22:11)
fa inona ko any olombelona amin'ny mpino?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.093