Atteinte à l'integrité morale et physique!

1. xxx ( 18/10/2007 02:21)
Misy afaka hanazava ahy an'io ve? inn no mahasamy hafa azy amin'ny diffamation public? ary inn nofanenjehana azoko hatao raha tratran'io aho. misaotra mialoha.
novalian'i ds ny 19/10/2007 11:28
2. ds ( 18/10/2007 23:38)
Intégrité physique :
Zo momba ny fiarovana ny vatatenan'ny tsirairay manomboka amin'ny fahaterahana ka hatrany am-pasana.
Intégrité morale :
Zo momba ny fiarovana ny toe-batana sy toe-tsaina amam-panahin'ny tsirairay.
- Zo amin'ny fiarovana ny fiainan'isam-batan'olona (vie privée)
- Zo amin'ny fiarovana ny sarin'ny tena (droit à l'image)
- Zo amin'ny fiarovana ny haja amam-boninahitry ny tsirairay (droit à l'honneur).
Ity farany ity no hiavian'ny "diffamation" rehefa misy fanalam-baraka na fanaratsiana olona.
Inona no azo hatao :
- manangona porofo
- mametraka fitoriana eny amin'ny polisy na manoratra mivantana any amin'ny fampanoavana
Vokatra :
- Sazy vola sy figadrana
- onitra.
3. xxx ( 18/10/2007 23:43)
misaotra betsaka an'i ds.
mazava tsara ilay izy saingy mbola misy fanontaniana kely:
-fanaratsiana image sy ny haja amamboninahiny ve ny fitantarana ny zavatra fantatra momba azy amin'ny mpiara-monina izay tsy menatry ny handatsa sy manameloka ary manala ny fitokisany amin'ny tena.

misy mantsy ny tena hoe ratsy natao ka raha nivoaka aza dia tena sazy, misy kosa ny fanendrikendrehina na dia tsy nanao ny ratsy aza.
4. ds ( 19/10/2007 11:17)
Tsy azo atao ny mitantara (vava, boky, sary, sns) ny fiainan'isam-batan'olona na manaratsy na tsia raha tsy mahazo alalana avy amin'ny tompony. Ohatra hoe fantatra nijangajanga ny olona iray dia avoaka gazety na aterineto. Fa izay indray tsy voatery ho diffamation akory.
Ny fanendrikendrehana mazava ho azy fa tsy azo atao satria manaratsy sy manala baraka (diffamation).
5. ds ( 19/10/2007 11:28)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.213