iza no mibaiko?
1. LazaDaddy
(
17/10/2007 01:28)
jeankely atsy ambadika atsy:
ny Demony no mibaiko fa tsy ny herin'ny fahamarinana ka izay no mahatonga an'i Madagasikara sahala izao.
novalian'i Jeankely ny 22/10/2007 03:02
2. Jeankely
(
17/10/2007 01:37)
Raha raisina singany sahala an'io dia mety hivadika hafa ny tiana holazaina. Ny fanonantaniana novaliako dia ny hoe FA MANINONA NO MBOLA SAHALA IZAO MADAGASIKARA NEFA BETSAKA FIANGONANA. Namaly aho fa tsy ny Fiangonana no ratsy fa ny Malagasy no baikon'ny Demony ka na ny soa tonga aza mivadika ho fahalemena. Eran-tany dia mamoaka olona malaza ny Fiangonana saingy mivadika zavatra hafa izany ho an'ny Malagasy na mahay aza ilay olona. Saika nandalo fivavahana ireo mpitondra nifanesy nefa tsy miaina ny tena fahamarinana ka tsy izany ve no BAIKON'NY DEMONY? Andriamanitra manampy ary Fitiavana fa isiaka no hafahafa ary mahagaga fa manontany hoe AIZA ANDRIAMANITRA nefa ny toetra ratsy.
3. LazaDaddy
(
17/10/2007 01:41)
tsy ny Fiangonana no ratsy fa ny Malagasy no baikon'ny Demony
Saika nandalo fivavahana ireo mpitondra nifanesy nefa tsy miaina ny tena fahamarinana ka tsy izany ve no BAIKON'NY DEMONY?
=> Demony = mpitondra nifanesy?
4. Jeankely
(
17/10/2007 01:45)
Izay fomba fahitanao azy dia samy manana ny fandraisany azy. Matoa ny vahoaka tsy rototra, tsy mifidy, tsy tia fivoriam-pokonolona, tsy tia resaka politika dia misy antony. Mampalahelo anefa fa araka ny hialany vao mainka izy potika. Amiko dia tomorina akaiky ary tsy avela anao izay daninin'ny kibony ny mpanao politika tia tena. Rehefa samy tsy mahatakatra moa dia aleo samy mirefarefa eo fa ny mpanao politika miterikiho ihany.
5. LazaDaddy
(
17/10/2007 01:49)
Matoa ny vahoaka tsy rototra, tsy mifidy, tsy tia fivoriam-pokonolona, tsy tia resaka politika dia misy antony.Sao dia mba efa miandrandra ny Fanjakan'ny lanitra izy fa tsy te hifidy "demony hibaiko" azy ireo intsony?
6. Jeankely
(
17/10/2007 01:53)
Ny fanjakan'ny lanitra any andanitra ary @ manaraka. Mbola ny eto antany izao aloha raha resaka fibaikona sy fitondrana anontanianao.
7. LazaDaddy
(
17/10/2007 01:55)
kanefa hoy i Jesosy hoe: "The Kingdom of heaven is at hand,....I am coming soon" sns...
8. LazaDaddy
(
17/10/2007 01:56)
dia rehefa mivavaka i Jeankely manao hoe: "ho tonga ety an-tany anie ny fanjakanao tahaka ny any an-danitra" :)
10. Jeankely
(
17/10/2007 05:39)
Tsy ny mpanamboatra lalana no Demony fa izay manao ny ratsy ary mahatonga ny laharan'i Madagasikara sahala izao. Izay no resaka fa tsy hoe iza na iza. Rehefa mahavita soa ianao dia madio ny eritreritrao. Ny mpanao vinany no mahana. Hita mazavabe fa betsaka ny zavatra tsy mandeha @ loniny hatramin'izay.
11. lagoon
(
17/10/2007 08:14)
Ny ahy ry zalahy dia izao a!Efa niteny i RANAVALONA fa hampitondra faisana antsika ity fivavahana kristianina ity.Efa nilaza izy fa hamotika ny firenena raha havelantsika ny fomban-drazana sy mivadika finoana isika.
Mba karoy ange @ internet ange ny origines ny fivavahana kristianina e!!Tsy misy mahasamihafa azy @ Culte du Baal sy Moloch.
Tadidio tsara fa nony saika rava ny fanjakana Romana dia lasa nivadika kristianina mba hahafahany nanomehery vao² @ fanjanahan-tany.

12. toovs
(
17/10/2007 19:32)
lagoon:

hahaha, omeo source an'ity hevitra soratanao ty ah ry lagoon fa zavatra resahiko amin'ny olona io saingy lazaindry zareo fa zah ndray no tsy mahalala an'Atra refa manakiana ny fihatsarambelatsihin'ny kristiana. Inona moa no fikan'ny misionera tany dago raha tsy nanao mpitsikilo. nisava ranon'Ando irey mba hahafahan'ny fanjakana naniraka azy miditra mora foana eto dago.
13. toovs
(
17/10/2007 19:39)
ovian ny gasy vao halala-tsaina ka hanaiky hoe ny inoana kristiana de tsy midika velively fa hoe manara-dia an'i jesoa? na koa hoe raha miteny fa tsy mety ny finoana kristiana de midika fa tsy manaraka an'i jesoa? tadidio fa tsy vitan'ny miteny fotsiny hoe kristiana sy manaraka finoana kristiana de olona mendrika izay an. ny zavatra ataonao amin'ny fiainanao no maha mpanaraka an'i jesoa anao fa tsy ny teny teneninao sy ny fikambanampinoana misy anao.
be ary misy ny gasy tsy tao anatin'ny finoana kristiana nefa nanana toetra sy fihetsika mahate ho tia sy tia Fitiavana lay lehibe indrindra ary mitsinjo ny mpiara-belona aminy an.
be ary misy ny gasy tsy tao anatin'ny finoana kristiana nefa nanana toetra sy fihetsika mahate ho tia sy tia Fitiavana lay lehibe indrindra ary mitsinjo ny mpiara-belona aminy an.
14. fijo
(
17/10/2007 20:39)
toovs sy lagoon,midira nareo mitsamy ao amin'ny resaka finoan afa ao no tena miady hevitra ity zavatra mafonja voalazanareo eto ity
15. LazaDaddy
(
18/10/2007 00:02)
lagoon:1) Ilay "sources" itokisanao aloha dia tsy azo antoka: internet.
Mba karoy ange @ internet ange ny origines ny fivavahana kristianina e!!Tsy misy mahasamihafa azy @ Culte du Baal sy Moloch.
2) Enga anie ka vokatry ny tsy fahafantarana no nanaovanao an'io fampitahana io fa tsy fankahalana be fahatany.
lagoon:nivadika ho EKAR ary ny andro fety fanompoany ny sampiny navadiny ho andro Krismasy sns...
Tadidio tsara fa nony saika rava ny fanjakana Romana dia lasa nivadika kristianina mba hahafahany nanomehery vao² @ fanjanahan-tany.
16. Jeankely
(
18/10/2007 01:59)
Tsy ny Christian no miantsara ivelan-tsihy fa maro hitan'ny voamason'ny rehetra ny firenena mivoatra miaraka @ Christian. Ny Malagasy no tsy mahay maka ny maminy fa ny toetra fiantsaram-belantsihy no iamasoany. Ny tantara izay nipetraka mbola ao antsainy ka ny fivavahana tsy mandeha @'ny loniny. Ohatra alohan'ny nidiran'ny mpanjanaka dia nisy rafitra teto Madakasikara. Ny teto Antananarivo fotsiny no raisiko ohatra aloha dia io hita ambony io fa tsy nankasitraka ny finoana Chriatian ny Mpanjaka satria vizana ary foana ny fahafahany rehetra. Ny sarangan'olona sasany afaka niakatra sy nivoatra ary afaka mahay nohon'ny taranany. Ireo izay tafiditra ao @ fiangonana dia mbola ao antsainy ny zavatra maro ka tsy mandeha @ loniny ny vavaka
18. xxx
(
18/10/2007 04:53)
tsita tsony hoe iza no tena anjely dia iza no tena devoly fa na ny devoly aza toa miseho anjely daholo, mandrebireby sain'olona sy manaratsy ny zavatra tsy takatra
19. Jeankely
(
18/10/2007 07:20)
Ianao anjely izao devoly. Tsy mitomany anjely mihintsy raha izahay. Ny revin-demony mihintsy no ataonay manintsinitsy io. Soa nisy ny serasera.
20. toovs
(
18/10/2007 14:17)
LazaDaddy:
lagoon:1) Ilay "sources" itokisanao aloha dia tsy azo antoka: internet.
Mba karoy ange @ internet ange ny origines ny fivavahana kristianina e!!Tsy misy mahasamihafa azy @ Culte du Baal sy Moloch.
2) Enga anie ka vokatry ny tsy fahafantarana no nanaovanao an'io fampitahana io fa tsy fankahalana be fahatany.
lagoon:nivadika ho EKAR ary ny andro fety fanompoany ny sampiny navadiny ho andro Krismasy sns...
Tadidio tsara fa nony saika rava ny fanjakana Romana dia lasa nivadika kristianina mba hahafahany nanomehery vao² @ fanjanahan-tany.
zarandrangahy ity aza misy hanaratsiana ny EKAR; hono hoah, tam zany ny protestanta inona. ary EKAR ve no fiantsona ny finoana neken'ny Rômana tam zany.