iza no mibaiko?

21. fijo ( 18/10/2007 19:24)
ndao wa nareo hoatsy ambadika fa tssss
22. xxx ( 18/10/2007 19:52)
aza mibaiko ary raha demony ary refa demony de mifanaraha amin'ny demony fa aza ny mino no enjehina
23. mandrindra ( 18/10/2007 20:46)
demony, anjely, demony, anjely, vazaha mody miady indray ireo fa samy mahita ny tombotsoany :-D:-D:-D
24. steeeel ( 18/10/2007 23:14)
LazaDaddy:

jeankely atsy ambadika atsy:
ny Demony no mibaiko fa tsy ny herin'ny fahamarinana ka izay no mahatonga an'i Madagasikara sahala izao.



Inona no maha-demony ilay mibaiko, iza no baikony, hazavao fa tsy azonay!
25. LazaDaddy ( 19/10/2007 00:29)
toovs> filazana ny zava-nisy ara-tantara (izay disoan'i lagoon) no nataoko. Raha raisinao ho fanaratsiana ny filazana ny zava-misy dia anjaranao no misaina hoe inona ilay "ratsy"?

26. Jeankely ( 19/10/2007 04:26)
Iza no tokony hanazava i Jeankely sa i LazaDaddy? Efa niteny aho io ambony io fa tsy ny soratro rehetra no napetrany ka mety tsy ho azo na mety mivadika zavatra hafa. Io misy miteny tsy mazava io avy eo.
27. Herimiafina ( 19/10/2007 05:00)
Tsy mifangaro indray ve ny finoana sy ny politika ry ireto marina? :@:^)
28. Jeankely ( 19/10/2007 05:12)
Mifameno ny Finoana sy ny Politika aminay aloha. Na inona inona hevitra sy tetika avoaka tsy araham-pinoana @nay zava-poana.
29. fijo ( 19/10/2007 21:45)
raha vao mifangaro wa ireo dia loza mitatao
30. Jeankely ( 20/10/2007 02:59)
Ka efa hita fa mitady resaka ivelan'ny tena izy foana ny rehetra fa tsy ny tena hazakazaka no atao. Izireo no mampiditra resaka fivavahana ary hita moa fa nasiandreo resaka fivavahana na ny tolona rehetra nataon'ny Malagasy aza nasiana fandroahana Demony. Resaka fandaniana andro sy fandrebirebena no tena betsaka @'izay variana tsy mikaroka izay mahasoa.
31. Herimiafina ( 20/10/2007 03:38)
Misy sehatra mety tsy azo hanafangaroana ny politika sy ny finoana, misy kosa anefa sehatra tokony hiarahany, anjaranao ny mitady sy mamakafaka an'izany.
Ny finoana mantsy dia mbola mety azo raisina ho toy ny kiltioran'ny tany iray, ka raha tsinotsinoavinao io rehefa ianao no mitondra ao dia aza manantena ny handeha lavitra.
32. Jeankely ( 20/10/2007 06:46)
Culture @'ny ahoana indray ary ity? Fa Christian angaha ny Malagasy taloha sa Culture inona? Ireo tany Silamo sahalan'i Indonesia, Malasya tsy Silamo koa Taloha dia culture ahoana izany?
33. Herimiafina ( 20/10/2007 15:03)
Nivadika indray ny resaka, inona no atao hoe culture?
na ny fomba fihinananao hanina aza dia mety ho efa culture, jereo ny phillipinos izay tena saropiaro amin'ny fomba fitazomany sotro. Iny fomba iny nefa tsy efa nisy taloha be fa fomba fanao efa taty aoriana rehefa nentin'ny sivilizasiona ny sotro.

Tsy voatery ny zavatra taloha be no atao hoe fomba fa izay rehetra structure mifandray amin'ny monde de vie.
34. xxx ( 20/10/2007 17:19)
ny Kabbale ny Torah, dia mifandray amin'io culture io nefa dia mifandray amin'ny finoana ihany koa. élément socio-culturel angamba no azo hilazana ny finoana raha izany fa tsy tena culture akory. miavaka mihintsy mantsy izy, misy ny culture, ny us et coutume, ny rite et moeurs, misy koa ny croyandce et religion, etc, ataovy hoe fomban'ny tany raha manahirana ilay hoe culture.
35. Jeankely ( 21/10/2007 05:30)
Mazava be Raxxx. Mbola mitombona ihany ilay hoe tia mifanazava ary mandalina ny zavatra tsy dia mankaiza ny mpandalina. Avy eo manonatany ny fianarana nianaran'ny Mpitondra nefa na ny tenany aza tsy mahavaly hoe fa naninona no tsy mbola nisy Malagasy nahazo Nobel Prize hatramin'izao? Satria variana mandinika ny tsy alehany na ny dinika efa vitan'olona na dinika tsy manaraka vanimpotoana ilaina azy.
36. xxx ( 21/10/2007 17:12)
ny mpanodindresaka angamba no marimarina kokoa no betsaka fa tsy ny mpandinika zvatra tsy misy ilana azy, satria ny zavatra tsy misy ilana azy tsy resahana raha tsy eo ny mpanodindresaka. =))
37. Jeankely ( 22/10/2007 03:02)
Mazava fa azo ahodina mora foana ny resaka rehefa tsy misy ilaina azy na tsy mavesadanja.=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1519