Tsy mahavita azy ny mpanohitra!
1. ronaldo09
(
16/10/2007 11:58)
Raha nataoko izaho samy irery ny fanadihadiana momba ny fifidianana ho depiote ny 23 sept teo ary raha ny vokatra izay hita fa nanjakan'ny TIM dia mazava hatrany fa tsy mahovoka ny mpanohitra ny fitondrana .Amiko tsy dia ny vava na ny resaka atao no maha-panohitra fa misy fanadihadiana aary mila fahamalinana tsara!
Amiko raha mahay ny mpanohitra ary miray hina dia mora dia mora ny manitona ny vahoaka tsy homba ity fitondrana ity ,saingy eo ny tsy firaisan-kina sy ny fitiavan-tena ary fisaratsarahana ka manjaka tokana ny TIM .Tsy mety mihitsy ho an'i Madagasikara ity antoko ity fa tokony ho Bipartisme toa an'i Amerika sy Anglisy dia izay ! Saingy ny olana dia mbola tsy zakan-tsika izany .
Noho izany tsy hitako ny antony anadaniana ron-doha hanoherana nefa io aza ny Anenimiera roa fa anjakan'ny TIM ny eny Tsimbazaza zao de hiady irery angamba izay ho mpanohitra,ny eny @ Anenimiera-ndoholona moa raha hisy ny fifidianana dia ho TIM 100% izany fa tsy hisy ady hevitra !
Koa aleo mijery sy mitazana fa inona ary no ho toherinao eo ,ny vahoaka ara ty lasa nakany amin'ny TIM ko.....Zay no ilazako hoe tsy mahavita azy ny mpanohitra!!!!

novalian'i sarobidy ny 02/11/2007 12:35
2. madera2
(
16/10/2007 17:40)
Marina izany ! Ka ny mpanohitra mifanimpaka toa valala an-karona ka inona no hambaran'ny vahoaka izay te-haneho ny heviny @ alalan'ny latsa-bato Fa aleo manara-drenirano ,aleo maty rahampitso toy izay maty androany , aleo koa mihinakely toy izay mandry fotsy dia samia tahian'A/tra e!