Isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra

1. niryna ( 16/10/2007 05:33)
Ho antsika rehetra:Mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.


12 Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra [lanitra].

13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.

14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,

15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo;

16 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika marehitra rehetra izay alefan''ilay ratsy.

17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;

18 ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra[/b]
Efesiana 6:10-18.

Mahereza daholo ary aza kivy na maro aza ny fahavalo mitady hamingana hanala ny tenin'Atra ato.
(l)niryna

novalian'i niryna ny 17/10/2007 03:57
2. sarobidy ( 16/10/2007 07:27)
Waouhhh misaotra indrindra nampahery:-*
3. tsiafoi1 ( 16/10/2007 10:03)
Misaotra Nyrina a, ilaina ny toy izao fa matetika tsy mahajery bible akory noho ny rythme eo amin'ny asa sy ny fiainana
4. diamondra27 ( 16/10/2007 10:55)
marina mihintsy izany ry niryna fa ny fanahy ratsy no iadivana fa tsy ny olona, misaotra nampahatsiahy
ça tombe à pic

zay le afafazo ny voa na @ fotoana na tsia fa tsy fantatra zay hahavokatra

merci
5. diamondra27 ( 16/10/2007 11:01)
"rien est impossible à Dieu mais tout est possible à ce qui croit"

de minoa fotsiny ihany fa dia horesinao foana io fanahy ratsy io refa miaraka @ Atra enao e!

courage
6. tsiafoi1 ( 16/10/2007 11:05)
Diamondra27 : ka ny olona indraindray mety ampiasain'ilay ratsy, de le ratsy no hankahalaina fa tsy ny tenan'ilay olona nanao izany.

7. niryna ( 16/10/2007 15:11)
sarobidy:

Waouhhh misaotra indrindra nampahery:-*


Tsy misy fisaorana ka.Ireto misy web amin'ny teny anglisy sady manampy amin'ny fianarana teny no mihaino soratra masina no mahazo hery sy tanjaka ny vatana sy ny fanahy.Tsy manenina hianareo raha mijery kely fotsiny aza.Fidio fotsiny izay tianareo sy mifanaraka ny sainareo satria olombelona ihany koa izy ireo.Fa hitako sy mihaino an'ireo isan'andro aho dia mba zaraiko anareo.
http://www.backtothebible.org/
http://www.equip.org/
http://www.intouch.org
http://www.joycemeyer.org
http://www.edyoung.org
8. niryna ( 16/10/2007 15:13)
tsiafoi1:

Misaotra Nyrina a, ilaina ny toy izao fa matetika tsy mahajery bible akory noho ny rythme eo amin'ny asa sy ny fiainana


Mahereza hatrany aky an,tsy misy fisaorana fa ny Tompo no hisaorako satria raha mba te hanao zavatra aza aho raha tsy omeny hery inona no ataoko eo.
9. niryna ( 16/10/2007 15:15)
diamondra27:

marina mihintsy izany ry niryna fa ny fanahy ratsy no iadivana fa tsy ny olona, misaotra nampahatsiahy
ça tombe à pic

zay le afafazo ny voa na @ fotoana na tsia fa tsy fantatra zay hahavokatra

merci

milala mamafy voa foana isika fa tsy maintsy misy maniry foana,iny no jerena fa tsy ny ratsy lasa lamokany.
Hoy i Paoly hoe izy no mamafy,ny mpianatr'i kristy hafa no mandena fa Andriamanitra no mampitombo ilay voa.

10. niryna ( 16/10/2007 15:16)
diamondra27:

marina mihintsy izany ry niryna fa ny fanahy ratsy no iadivana fa tsy ny olona, misaotra nampahatsiahy
ça tombe à pic

zay le afafazo ny voa na @ fotoana na tsia fa tsy fantatra zay hahavokatra

merci

Fanitsiana kely fa miala tsiny
mila mamafy no tiako ho tenenina oops:oops:

11. niryna ( 16/10/2007 15:32)
Ny hafatra izany dia izao:
-Miady foana isika fa tsy mora kivy na dia hafafan'ireo satana aza ny teny hoe tsy misy Atra,tsy misy kristy.
Ireo ilay fanahin'ny anti-christ izay tonga tsikelikely hanakivy antsika.
-Miady isika amin'ny alalan'ny herin'ATra fa tsy amin'ny herin'ny tenantsika irery.
Miady isika fa tsy matanjaka intsony satana fa efa fahavalo resy.
-Andriamanitra efa nanangana an'i kristy tao anatin'ny fahafatesana ,efa naharesy ny fahafatesana Izy ary isika kristiana koa dia maharesy izany fahafatesana izany raha tena mino Azy amin'ny fo manontolo.
-toy ny miaramila isika ka mila vonona foana.
-Fantaro ny fahavalonao:ny fihetsika ataony mety handratrana anao,ny tetik'adiny.
-ny ran'i kristy no efa nanadiovana antsika,koa aza matahotra fa hafafazo ny tenin'Atra izy fa tsy tian'ny satana ny tenin'ATra(izany no antony hamakiana ny baiboly)
*** Tsy mahita an'i satana vatana isika satria fanahy ratsy,fanahy maloto tsy hita maso no miady amintsika/manana fahefana hanao zavatra mahagaga koa izy fa misy fihafarany izany.
Fa amin'i kristy kosa dia afaka miady isika na visible na invisible.
**** Satana/anjelin'izao tontolo izao/demony avy any amin'ny afobe no tonga isa- minitra mitady harapaka izay manaiky azy, tsy olona na fianakaviana na mpiray-tam-po na ny vady na ny zanaka na ny namana na ny mpiara-miasa na iza na iza fa hery ao ambadik'ireo koa manomboka androany izany isika dia tsy tokony ho tezitra na hanome halahelo ireny olona ireny ,tokony mivavaka haingana mba hiala amin'izy ireny ny satana.
Satan is not the person but he is the bad spirit behind the person.:twisted::twisted::cry:
12. ikaretsaka ( 16/10/2007 15:56)
-Miady foana isika fa tsy mora kivy na dia hafafan'ireo satana aza ny teny hoe tsy misy Atra,tsy misy kristy.

aza asina ady izany...

"fa fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony" hoy ilay hira izay
13. niryna ( 16/10/2007 17:21)
ikaretsaka:

-Miady foana isika fa tsy mora kivy na dia hafafan'ireo satana aza ny teny hoe tsy misy Atra,tsy misy kristy.

aza asina ady izany...

"fa fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony" hoy ilay hira izay

tolona ny fiainana no tiako lazaina ry ika,aiza ary hianao izany? Tadidio fa mitolona amin'ny herin'ny satana isika,ary ireo mpankahala an'i kristy. Na isika miaraka amin'i kristy na isika tsy miaraka aminy.

14. fijo ( 16/10/2007 20:56)
ka io finoana io anie letsy ka ady lava e,vao miresaka finoan adefa misy ady ao,hatrany amboalohany no efa izay
15. cutie ( 16/10/2007 21:43)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 16-10-2007 22:56:42
Lohateny : Re : Isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra
ka io finoana io anie letsy ka ady lava e,vao miresaka finoan adefa misy ady ao,hatrany amboalohany no efa izay

zay mitovy finoana ihany no tsy miady :-D:-D:-D
16. fijo ( 16/10/2007 21:54)
misy migidraka ihany na mitovy ao aza ko.katolika romana sy ortodox izao mifanjevo.protes sy kato moa tsy lazaina.nefa samy mpanaradia an'i lery aby anie e.
eo ampisotroana ny rany isika ngamba vao hiavana
17. niryna ( 17/10/2007 03:43)
fijo:

ka io finoana io anie letsy ka ady lava e,vao miresaka finoan adefa misy ady ao,hatrany amboalohany no efa izay

Aza ela fangataka andro ary hianao ra fijo malala fa sasatra miandry anao kristy.
iny misy vavaka nalefan'ny olona ho antsika omeko anao

xxx :

Vavaka ho anao androany

Vavaka ho anao androany Iza no mampamirapiratra ny kintana amin'ny
> >hatsarany rehetra ? Iza no mampikoriana ny renirano ? Ianao koa, tsy
> >mila miady mafy vao tafita amin'ny fiainana, satria ny tsara indrindra no
> >mendrika ho anao sady voaomana ho anao . Mifikira amin'izay irin'ny
> >fonao, fa ho tanteraka izany. Amena ! Ny maso izay mamaky ity hafatra
> >ity, tsy ho tojo amin'ny ratsy Ny tanana izay handefa ity hafatra ity
> >amin'ny hafa, tsy ho sasatra foana Ny vava izay hanonona ny amena
> >aorian'ity vavaka ity, hitsiky mandrakariva. Miorena amin'ny
> >fitiavan'Andriamanitra ! Tsy hanjavona ny nofinao Tsy ho rava ny
> >fikasanao Tsy ho foana ny anjaranao Izay irin'ny fonao, dia ho azonao
> >tokoa, amin'ny anaran'i Jesoa. Tonony mafy ny amena. Hahafantatra ny
> >anaranao sy ny adiresinao ny fanambinana alohan'ny faran'ity volana ity.
> >Raha mino ianao, alefaso amin'ny namanao rehetra ity. Tsy misy mandeha
> >mantsaka vao maraina ka mitondra rano maloto mody Androany, hadio anie
> >ny fiainanao, hiadana sy hanelatrelatra tahaka ny loharano vao maraina.
> >Ny fahasoavan'Ilay Tompo Tsitoha anie hanohana anao, hampaharitra ary
> >hanome izay rehetra ilainao, araka ny hareny ao amin'ny voninahitra.Amena.
> > Ho andro tsara ho anao anie ity andro ity, amin'ny anaran'i Jesoa. Ny
> >sitrapon'Andriamanitra anie tsy hitondra anao na oviana na oviana any
> >amin'izay tsy hahitanao fahasoavana sy fiarovana. Hisy zava-tsoa ho
> >tonga aminao androany, zavatra izay efa nantenainao. Tsy vazivazy
> >izany, fa handray ny Tompo ianao ary hampandroso ny fiainanao amin-kery ny
> >asan'Andriamanitra tsy azo sakanana. Fitahiana maharesy ny ozona rehetra
> >no ho azonao amin'ny anaran'I Jesoa. Gaga ve ianao hoe nandefasako ity
> >hafatra ity ? Androany maraina, nandondona tao amin'ny varavaran'ny
> >lanitra aho, ary nanontany ahy Andriamanitra : "anaka, inona no tianao
> >hataoko aminao?" Dia hoy aho hoe : "Ray ô!´, arovy ary tsofirano ilay
> >handray ity hafatra ity" Nitsiky Andriamanitra ary namaly hoe :
> >"tanteraka ny hatakao" Izay nahazo maimaim-poana aoka hanome
> >maimaimpoana, ka handefa ity vavaka ity amin'ny namany.
AMEN
Mahereza mikatsaka ny fahamarinana hatrany
18. niryna ( 17/10/2007 03:46)
cutie:

Mpandefa : fijo [ Valio ] 16-10-2007 22:56:42
Lohateny : Re : Isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra
ka io finoana io anie letsy ka ady lava e,vao miresaka finoan adefa misy ady ao,hatrany amboalohany no efa izay

zay mitovy finoana ihany no tsy miady :-D:-D:-D



^:^^:^:=D=D satria mitovy ny tady lokanga,sady mitovy ny hivavahana.
Asaivo mitory sy mijoro vavolombelona ireo tsy mino an'i kristy hilaza ny nataon'ireo olona hinoany
19. niryna ( 17/10/2007 03:57)
fijo:

misy migidraka ihany na mitovy ao aza ko.katolika romana sy ortodox izao mifanjevo.protes sy kato moa tsy lazaina.nefa samy mpanaradia an'i lery aby anie e.
eo ampisotroana ny rany isika ngamba vao hiavana



MPITORITENY 3
1 Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra aty ambanin'ny lanitra.

2 Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana ny nambolena;

3 Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana;


Dia andao ho tohizana amin'ny fiainana:ao ny mino an'Atra ao ny mankahala sy manenjika Azy.

Ao ny mino dia voavonjy,ao ny vao maika tsy ti -hihaino ny tenin'Atra fa malilo ny sofiny ka dia ho very izy.
dia tohizo fa misy lafy ratsiny sy tsara daholo ny fiainana,fa izay mino an'Atra irery ihany no tsy mba mitaintaina amin'ny fiainany.

LIOKA 12

22 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanareo, izay hotafinareo.

23 Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.

24 Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va hianareo?

25 Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany,na dia kely monja aza!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0801