Torimaso
27. rinja
(
16/10/2007 14:39)
Lalina ny manjo rehefa tsy matory. Mila izany aho izao. Ny mijery plafôn foana no atao raharaha. Sasatra ny manoaka rehefa atoandro ny andro. HIta ho reraka ihany na dia mahavita an-tsakany sy an-davany ny asa aza.
Mila torohevitra raha misy mahita. Misaotra mialoha
Mila torohevitra raha misy mahita. Misaotra mialoha
28. niryna
(
20/10/2007 03:09)
Mampa-hantitra sy mampi-ketrona ny tsy ampy tori-maso ary rehefa mitohy izany dia voan'ny aretim-bavony ny olona.Raha efa zatra matory adin'ny 5 hianao dia efa zatra ny vatanao kanefa tsy ampy ilay tori-maso,7-8 no feno ny tori-maso.Ny ahy isaiko foana dia alefako ny alarme vao mifoha aho 71/2-81/2.:lol:
29. niryna
(
20/10/2007 03:12)
rinja:
Lalina ny manjo rehefa tsy matory. Mila izany aho izao. Ny mijery plafôn foana no atao raharaha. Sasatra ny manoaka rehefa atoandro ny andro. HIta ho reraka ihany na dia mahavita an-tsakany sy an-davany ny asa aza.
Mila torohevitra raha misy mahita. Misaotra mialoha
Ny fanafody haingana? Ny ahy mamaky boky na baiboly dia rehefa henoko hoe reraka ny masoko dia matory aho ary tsy enoko intsony raha tsy maneno ny alarme.
Mivoaka aho alohan'ny atory dia tsy mitsangatsangana intsony,rehefa tsy mety mahita tory dia mianatra mamoaka sy mampiditra fofonaina atao lavabe,tsy manisy 1-10 akory aho dia renoka
30. ikaretsaka
(
20/10/2007 19:08)
rehefa tena tsisy fika ny dodo dia miompia mouche tsetse dia asaivo kakeriny kely isaky ny te hatory!