Mamonjy ny olona Atra eny fa na dia mpanota aza:Jiolahy!

1. niryna ( 14/10/2007 06:04)
Raha tsy Izy no nomba antsika,taiza re izaho na hianao amin'izao fotoana izao e?
Poa-maso ity olona iray misy ireny solomaso lamba mainty ireny ny masony iray.Maso iray ihany izany no mijery .Nanontaniako azy ny antony:
Tamin'ny fahatanorako aho hoy izy,feno fanavakavahana ny tanananay ka tsy maintsy manana ekipa vao afaka mandeha irery raha tsy izany maty.Andian-jiolahy izany no filaza azy (gangster).Tsy vitan'ny miady lava fa nanao izay karazana ditra ihany koa hoy izy.Indray andro sendra niady izahay tonga dia natorak'ity fahavalonay iray tsy fanta-piahaviana teny amin'ny masoko ny kapoakana-soda maranitra ary nahazo ny masoko.Raikitra ny ady ary nisy feo niantso ahy hoe mitsangana hianao.(tsy mbola mpivavaka aho tamin'izany hoy izy).Narahako ilay feo ary vao nitsangana aho dia tonga indray ny daroka sy felaka narivorivo nataon'ilay iray.Nitsangana ihany aho nihaino ilay feo(.^:^ hoy izy sady nitomany izy namafa ilay maso misarona lamba mainty).Izay no niandoako ,naheno feo aho niantso ahy,nanaraka aho,raha tsy nanaraka ilay feo aho ,efa maty aho ohatr'izay.Mamonjy ny olona mpanota Atra hoy izy eny fa na dia jiolahy aza aho dia novonjeny tao anatin'ny tsy finoako sy tsy fahalalako Azy.

SALAMO 124

1 Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2 Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.

3 Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;

4 Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;

5 Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka
.

6 Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin'ny nifiny.

7 Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin'ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.

8 Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.


Raha tsy Atra no momba antsika taiza re izaho na hianao amin'izao fotoana izao e?

(l)niryna
novalian'i niryna ny 17/10/2007 04:08
2. niryna ( 15/10/2007 02:13)
Mbola miteny amintsika Atra avy amin'ny alalan'ny feo mibitsika ao anatin-tsika,ny anjely ,ny olona izay nirahiny ho toy ny anjely,ny Fanahy Masina.Maro ny olona nitrangan'izany ary mbola hitrangan'iay ihany koa
Nitondra fiara ity rangahy ary tsy nahita ilay iray avy any an-kaviany nirimorimo be.Nisy feo hono niteny azy hoe mijanona ... .ary dia nijanona tokoa izy.Nijery aho hoy izy fa tsy nisy olona teo akaikiko.
Ity iray ity koa efa noresahiko angamba,nitondra fiara ihany koa ity ramatoa ary vaky ilay pneu-ny,teo amin'ilany nisy rangahy niteny azy hoe vaky ny pneu-nao fa mijanona.Nijanona izy ary io rangahy io no nanamboatra ny pneu-ny.Andeha hisaotra an'ilay olona izy kanefa tsy hitany ilay olona.Tsy nisy taratra nahitany ilay fiara hoe lasa.
3. niryna ( 16/10/2007 05:16)
Ho antsika izay mbola tsy manana na tsy mbola nahita experience dia mila mivavaka isaky ny manao zavatra na hiteny amin'ny olona izay manome fanafitohinana antsika.
Tsy miady amin'ny olona isika na namana na fianakaviana ,na mpiara-miasa fa ilay fanahy ratsy ao ambadika izay nanao fitaovana ampiasainy ireo olona ireo no hiadivan-tsika avy amin'ny alalan'ny tenin'Atra.Mahereza daholo
4. tsiafoi1 ( 16/10/2007 10:12)
Tia ny olombelona rehetra Andriamanitra satria Izy no nahary sy namorona Azy, na dia ny mpanota faran'izay ratsy indrindra aza.

Kanefa aoka tsy ho adino fa eto amin'ity planeta ity koa ilay Fahavalon'Andriamanitra de Losifera sy ny apahatelon'ny anjely rehetra nazera tany an-danitra : Izy ireny de tsy mikendry afatsy ny hamongona sy handrava izay Tsara sy namboarin'Andriamanitra. Anisan'izany izaho sy ianao, koa MIAMBENA AMIN'NY VAVAKA MANGINA
5. niryna ( 16/10/2007 15:37)
tsiafoi1:

Tia ny olombelona rehetra Andriamanitra satria Izy no nahary sy namorona Azy, na dia ny mpanota faran'izay ratsy indrindra aza.

Kanefa aoka tsy ho adino fa eto amin'ity planeta ity koa ilay Fahavalon'Andriamanitra de Losifera sy ny apahatelon'ny anjely rehetra nazera tany an-danitra : Izy ireny de tsy mikendry afatsy ny hamongona sy handrava izay Tsara sy namboarin'Andriamanitra. Anisan'izany izaho sy ianao, koa MIAMBENA AMIN'NY VAVAKA MANGINA

sady mitady haripaka izy.Isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra
Ny hafatra izany dia izao:
-Miady foana isika fa tsy mora kivy na dia hafafan'ireo satana aza ny teny hoe tsy misy Atra,tsy misy kristy.
Ireo ilay fanahin'ny anti-christ izay tonga tsikelikely hanakivy antsika.
-Miady isika amin'ny alalan'ny herin'ATra fa tsy amin'ny herin'ny tenantsika irery.
Miady isika fa tsy matanjaka intsony satana fa efa fahavalo resy.
-Andriamanitra efa nanangana an'i kristy tao anatin'ny fahafatesana ,efa naharesy ny fahafatesana Izy ary isika kristiana koa dia maharesy izany fahafatesana izany raha tena mino Azy amin'ny fo manontolo.
-toy ny miaramila isika ka mila vonona foana.
-Fantaro ny fahavalonao:ny fihetsika ataony mety handratrana anao,ny tetik'adiny.
-ny ran'i kristy no efa nanadiovana antsika,koa aza matahotra fa hafafazo ny tenin'Atra izy fa tsy tian'ny satana ny tenin'ATra(izany no antony hamakiana ny baiboly)
*** Tsy mahita an'i satana vatana isika satria fanahy ratsy,fanahy maloto tsy hita maso no miady amintsika/manana fahefana hanao zavatra mahagaga koa izy fa misy fihafarany izany.
Fa amin'i kristy kosa dia afaka miady isika na visible na invisible.
**** Satana/anjelin'izao tontolo izao/demony avy any amin'ny afobe no tonga isa- minitra mitady harapaka izay manaiky azy, tsy olona na fianakaviana na mpiray-tam-po na ny vady na ny zanaka na ny namana na ny mpiara-miasa na iza na iza fa hery ao ambadik'ireo koa manomboka androany izany isika dia tsy tokony ho tezitra na hanome halahelo ireny olona ireny ,tokony mivavaka haingana mba hiala amin'izy ireny ny satana.
Satan is not the person but he is the bad spirit behind the person.

6. fijo ( 16/10/2007 21:20)
taiza isika rah atsy naheno azy???fa ny razantsika ngaha nahalala azy nefa niaina tsara tsy naninona.
7. niryna ( 17/10/2007 04:08)
fijo:

taiza isika rah atsy naheno azy???fa ny razantsika ngaha nahalala azy nefa niaina tsara tsy naninona.


Naheno an'iza aloha no lazainao e,ary iza no hivavahanao fa tsy maintsy manana daholo ny olona?
Lazao anay hoe izay zavatra nataon'ilay atra kely hivavahanao taminao?
Ny anay kristiana mantsy nahavita zavatra maro tsy takatry ny sainao eritreretina.Ary kristy Jesosy no anarany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0522