andrebabe3 filma malagasy

1. ravatorano ( 13/10/2007 08:36)
efa hitanareo v io film io
ny sary aloha dia tena ùmilay b
ny toerana nakana ilay film ihany koa tena mahavariana mihitsy
amiko ny indro kely dia eo amin'ny feo somary milentika izany sy tsy dia mazava tsara
ireo mpilalao ny tantara koa efa maro no za-draharaha indrindra fa ny troupin-dry donga sy ry zézé kely ry zalah olona kely izany
mahafinaritra sy mety ilay film amin'ny akapobeny
tohizo fa tsara e !
=D=D=D=D
2. fanaina ( 13/10/2007 11:26)
ny efa hitako le 1 sy 2 fa le nivaoka farany io mbola!!!

mafinaritra le izy ka.
3. dasy ( 13/10/2007 13:20)
nahoana no tsy misy mba manome anay ny film malagasy ho jerena eto ? andreba 3 , malok'ila 2 na afa ohatra !
misaotra !
4. karinah ( 14/10/2007 04:22)
ravatorano:

efa hitanareo v io film io
ny sary aloha dia tena ùmilay b
ny toerana nakana ilay film ihany koa tena mahavariana mihitsy
amiko ny indro kely dia eo amin'ny feo somary milentika izany sy tsy dia mazava tsara
ireo mpilalao ny tantara koa efa maro no za-draharaha indrindra fa ny troupin-dry donga sy ry zézé kely ry zalah olona kely izany
mahafinaritra sy mety ilay film amin'ny akapobeny
tohizo fa tsara e !
=D=D=D=D
Izaho nahita ny 1 sy 2,feno tovovavy tsara tarehy kely, na dia fohy2 aza.:-P


5. karinah ( 14/10/2007 04:24)
fanaina: marina izany kah!:wink:
6. ravatorano ( 15/10/2007 09:26)
efa novoaka ny andrebabe3 kah
ny toerana nanaovana ilay tournage aloah dia tena fatratra e
dasy< raha tsy mahazo alalana amin'ny producteur tsy azo avoaka hojerenareo sy ho an'ny be sy ny maro eto kosa ilay izy kanou
karinah< sao dia ry vazimba kely aza no lazaindry fa tovovavy fohikely :-P:-P:-P
7. karinah ( 15/10/2007 16:37)
ie, dia misy vazimba ihany koa ilay filma!8)
8. ravatorano ( 16/10/2007 10:34)
eny wa karinah e
:-*
9. sarobidy ( 29/10/2007 14:01)
ny toerana nakana ilay film ihany koa tena mahavariana mihitsy


zoky ravato: :D korazy ndray a fa aty aminay ny ankamaroanle toerana nakana anle film, fa tsara aloha le film é, tiko, ny mpitsikera mo tsy omena tsiny fa manjary tsisy atao ry zareo raha tsy mitsikera fa avelao ry zareo hanao ny asany :wink:
10. fasaly ( 30/10/2007 14:20)
:-D:-D:-D:-Dsomary hitako kely ilay film io ry ravatorano fa tsy nijery tanteraka aho tamzà tany fa nividy film epizôda telo amin'io ka nahita an'ity dinika ity aho vao tsaroako hoe hay tokotrany moa zà nitondra an'io ka misaotra nanome hevitra fa hande hijery an'io mahitsiny aho zao:-D
ilay film "PIRATY" no efa hitako fa mampmé ihany:-D
11. kofbay ( 01/11/2007 09:43)
Ny tsikera sy ny kiana koa aloha dia mbola tokony atao maromaro mihintsy ho an'ny film gasy e! ilay fandokafana ranofotsiny mantsy no tsy mampivoatra an-dry zalahy! ekeko aloha hoe tena nisy fivoarana be mihintsy izy raha oharina ny film gasy taloha toan-dry ilo tsy very, tabataba, sns..., saingy toa nijanona tampoka teo amin'ny stade iray indray, lasa izay manana camera rehetra izao dia manao film daholo. Na dia eo aza ny fivoarana ara-tekinika dia tena matetika tena mahakivy mihintsy ny texte! Ny serie TV moa dia tena mankarary sofina mihintsy fa tahakan'ny hoe izay mireska rehetra dia toy ny mpiady an-tsena daholo, tsy misy resaka normal mihintsy fa dia fifamaliana rano fotsiny! toy izany koa ny modelisation na personnage, matetika dia lasa ridicule: ohatra hoe lazaina fa miliaridera ilay personnage, kanefa ny fiara ampiasaina amin'io dia 305, dia ny salon ordinera be, dia restaurant aleha mitovy cadre amin'ny gargote, olona roa no mirevy dia mitsangana eo ambony latabatra daholo ny coca, limonade, fanta, labiera, sprite GM daholo!dia ny etat an'ilay botokely sy ilay deba be tsy mifanalavitra fa dia ny iray fotsiny no tsy maintsy atao vendrana rehefa miteny! ny hafa indray dia frime rano fotsiny, ny daba, moto, trano, varatrabe daholo, fa ilay personnage indray no tsy a la hauteur!tonga dia kobo be hoe tsy mi colle amin'ilay decor ilay.
Fanapepona tena ilaina io raha misy mpanao film ato fa tsy hoe fitiavana hanatsatso fotsiny, satria izahay mba mino ihany fa tokony mba ahatratra ny kalitao tahaka ny film sinoa farafaharatsiny isika tsy ho ela! jereo ireo sonoa nampalaza tampoka ny film sinoa naneran-tany, toa an-dry John Woo, Woo Ping (choregraphe de combat), Tsui Hark sns
12. kofbay ( 01/11/2007 10:12)
somary diso pejy aho, fa tsy andrebabe akory no tiako holazaina teo fa ny amin'ny ankapobeny! vao namorona dinika aho hoe ny film gasy aiza ho aiza, ka azontsika hidirana koa
13. xxx ( 01/11/2007 15:32)
Marina mitsy izany ry kofbay ah!
izaho koa mahita ny film gasy aloha fa mbola tsy any...ny voto-aton'ny film tsy tafa mitsy....
izay afaka manao film dia manao daholo.
Samborina eny an-dalana aza , raha vao mahita sipa bikàna dia efa antsoina hoe afaka manao film ve????
efa mba hitako ihany ilay fifaninana manao theatre amin'ny fandharana tv fa na izany aza mbola lavitra ihany ny gasy amin'ny film...ny qualité izany no tsy ao mihintsy...voalazanao mihintsy hoe tsy mifanaraka .....:-D
14. ravatorano ( 02/11/2007 10:17)
amin'ny ankapobeany aloha dia marina maridrano y voalazan'i kofboay teo e
aiza ka mahantra izao no toerana misy ilay olona anakiray nefa dia manao ireny akanjo sy tennis lafo vidy sy raitra ireny amizay ny pozy dia tena tsy mampiseho ilay fahantrana akoriny
mampimé maagaga e
fa tsy haiko aloha fa maro amin'ireo mpikirakira film malagasy no manao an'izay
:x:wink:
15. eprom ( 12/11/2007 12:15)
Desole ravatorano, nahita ny fiandohan'io film io aho fa tsss....naleoko natory.

1) tsy aleon'i telma ve manao pub. Tsy mety amiko mintsy ty film gasy pub deguisé ity.
2) Science fiction sa inona le film, iza @ télé gasy no manana ireny fitaovana raitra ireny? Minibus v no hoentina vavatenina-Ambatondrazaka? Aoka marina...
3) momba ny decor, alan'ny afovoantany no itako amin'iny fa tsy de le ala atsinanana loatra.
16. xxx ( 12/11/2007 12:31)
Ka izao critiques avy aty amintsika izao anie no andrasana hanatsaràna azy e, any amintsika anie tsy misy sekoly mampianatra teatra e, dia mianatra miandalana eo, miainga avy @ critique n'ny mpijery
17. ravatorano ( 20/11/2007 10:59)
eprom < mariana aloha fa tena feno pub foana ny ankamaroan'ny film malagasy.
Ao anatin'ilay film mihitsy an hatramin'ny pate jaune aby v rangah ny an'ny sasany ato pub anaty film
fa na izany aza efa miezaka ihany ry zareo e
ny tena mahavariana ahy dia ilay tsy fahaizana manapaka sary nefa anie tsy maintsy jerena aloha ireny alohan'ny hamitana azy farany e ka asa raha tsikaritry zareo teknisianina izay na tsia fa za zao maly nahita an'ilay parapaingo mandeha ami'ny matv iny fa tena tankina wa za nefa efa mba mahavoa ihany ireo lazaina fa tekinisianina amin'iny
fa misy sary mipoitra tampoka izany , ao indray ny miverina fa tsy mitovy ny plan ary ny iray tsisy feo
tena gina gina aho hoy ny hiran'i poopy izay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1359