Ilay taranak'i Davida ara-nofo

1. ari.malala ( 12/10/2007 13:55)
Mba mangataka fanazavana azafady, fa tsy azoko ny tian'io hira io tenenina: ao @ Matio 1 no misy ny filazana ny razan'i Jesoa dia misy hoe
ary Jakoba niteraka an'i Josefa vadin'i Maria izay niteraka an'i Jeso, ilay atao hoe Kristy.
araka ny efa fantatsika rehetra nefa dia virjiny i Masina Maria no niteraka an'i JEsoa. Ka eo no tsy azoko, raha ny fahazoako an'izany hoe taranaka ara-nofo izany izao dia hoe izy mintsy no ray ni concevoir ilay zaza. Tsy izany nefa ny cas eto fa ilay ray dia mpitaiza fotsiny iany, ka mba azavao re nys aiko azafady e! inona no tian'ilay hoe taranaka ara-nofo tenenina? misaotra mialoha. (iangaviako izay hamaly hoe zaza sary sns ts hamaly azafady)
novalian'i niryna ny 17/10/2007 04:37
2. deric ( 12/10/2007 14:02)
Na dai tsy zanak'i Maria tamin'i Josefa aza i Jesoa dai tsy foana ny maha mpivady azy roa ireo; ary tena niteraka an'i Jesoa tokoa i Maria; noho izany amin'ny maha vadin'i MAria azy no no maha rain'i Jesoa azy, dia amin'ny alalan'izany no itondrana ny tantaram-pirazanana.
3. tsaramaso ( 12/10/2007 16:23)
Masina Davida razamben'Andriamanitra ????!!!!!! hahahahahaah !!!!!
4. fijo ( 12/10/2007 20:00)
ari malala an,aza mety voarebireby wa,fa tsy misy niteraka tsy nanao izany.ary tsy virja intsony izy rehefa niteraka.ny rainy sisa tadiavina
5. xxx ( 12/10/2007 20:24)
(iangaviako izay hamaly hoe zaza sary sns ts hamaly azafady

ari malala an,aza mety voarebireby wa,fa tsy misy niteraka tsy nanao izany.ary tsy virja intsony izy rehefa niteraka.ny rainy sisa tadiavina

Mba asio fanajana ny hafa ihany rehefa tsy mahay manaja tena e!
6. fijo ( 12/10/2007 20:30)
ka fanazavana io ko.tsy miteny aho hoe zazasary eto
7. tsimiandravola ( 12/10/2007 20:54)
ari.malala:

...Ka eo no tsy azoko, raha ny fahazoako an'izany hoe taranaka ara-nofo izany izao dia hoe izy mintsy no ray ni concevoir ilay zaza. Tsy izany nefa ny cas eto fa ilay ray dia mpitaiza fotsiny iany, ka mba azavao re nys aiko azafady e! inona no tian'ilay hoe taranaka ara-nofo tenenina? misaotra mialoha. (iangaviako izay hamaly hoe zaza sary sns ts hamaly azafady)

1)Minoa fotsiny ihany...
2)Sambatra izay noana sy mavesatra entana ary votsa saina...
3)Raha tsy mitovy amin'ny zaza ianao dia tsy handova ny fanjakan'ny lanitra...
....
Conseil-ko ho anareo kristianna=aza dia mametraka fanontaniana velam-pandrika ho anareo samy ianareo re ê!

Fa ahoana koa izao no ahazahoanao antoka fa hisy hahavaly fanontantaniana toa io?Amin'izay indray ilay valiny mety ho azonao efa nobahananao sahady (zaza sary) tsy havaly!

Ny marina izao no filiation
7 mirahalahy ry boanarjesy (ry mesia mirahalahy avy),zanak'i Jodan'i Gamala,zanak'i Ezekiasin'i Gamala,zanak'i Matatiasin'i Gamala (makabé).Ry zareo ireo dia mpikambana ao amin'ny antoko PNJ (parti national judaika) mikatsaka ny sezan'i Jerosalema izay lasan'dry Heroda mianakavy(=la bête qui vient de la mer) tohanan'ny ampira Romanna(=La bête qui vient de terre).
Noho izany fifaninanana sy fifandrafesana izany dia mangotraka ny ady:na ady amin'ny kobay sy ny sabatra izany na ady amin'ny alalan'ny programam-pinoana (Apokalipsa)...
Jereo tsara fa mbola betsaka no tavela ao anaty baiboly ahafahana mamantatra ny taim-bava fanaon'dry Boanarjesy (ohatr=veux tu seigneur que nous invoquions le feu du ciel pour les consumer?...Je suis venu ,non pas pour apporter la paix mais le glaive...

Mbola betska dia betsaka (ankoatry ny sceaux ,coupes,sy ny trompettes n'ny Apokalipsa) no azo lazaina fa dia avela isika no hikaroka...




8. tsaramaso ( 12/10/2007 23:46)
fa taranak'iza ara-nofo i Jesoa ????!!!!!!!
9. niryna ( 13/10/2007 03:57)
tsaramaso:

fa taranak'iza ara-nofo i Jesoa ????!!!!!!!

Iza no heverinao Azy?


10. niryna ( 13/10/2007 04:11)
ari-malala a>Ny tantara ao amin'ny baiboly no hitondrako azy ka anjaranao no mijery sy mamadika ilay baiboly an.:D
Ao anaty baiboly iray manontolo dia misy tantaran'i Kristy daholo(TT sy TV)
Misy hifandraisany ilay izy ary izay dia efa hilazana fa Atra Izy ary tonga tety an-tany Izy naka endrika olombelona ka izany koa noho nahatonga Azy niantso ny Rainy isaky ny nisy nahazo Azy
Raha ara-nofo Izy dia ao amin'ny Matio sy Lioka no hanazavako anao izay mba kely fantatro
* Ao @ Matio dia miresaka fa Kristy dia Mesia,Mpanjaka
Zanak'Atra velona(Son of Living God) Mt 16:16
Ny Jiosy izay nino dia nahafantatra fa Mesia izay niandrasany hatrizay Izy.Dia milaza ihany koa fa avy t@ taranak'i Abrahama Izy (Gen 12:3),Zanak'i Davida(Mat 1:1-17)
Voaporofo ihany koa izany raha ara-nofo ny:
ny nahaterahany (Mt 1:22-23),ny toerana nahaterahany(Mt 2:5-6),toerana nipetrahany(Mt 2:23)
11. niryna ( 13/10/2007 04:30)
Ao @ Lioka indray izay hilazana fa Mpamonjy ny olona Izy dia mitantara ny taranaka niandohany,nahaterahany ,ny fahazazany,ny fiainany, ny nitoriany teny,ny nahafatesana, ary ny nijanganany tamin'ny maty.
Ato @ Lioka dia mitantara hatrany amin'ny hoe taranak'i Adama Izy ao @ Lk 3:23-38
Izy no nomen'Atra izao tontolo izao mba hanavotra ny olona amin'ny fahotana(Jaona 3:16)
Izay zavatra voasoratry ny mpaminany tao amin'ny Testamenta Taloha izany dia tanteraka avokoa tao amin'ny T.V.

Amin'ny maha Atra Azy dia nanana fifandraisana tamin'ny FM izy ary dia io mbola manampy antsika kristiana hatramin'izao io FM io.Mivavaha aminy mba omeny fahalalana ny teniny isika.Sarotra ho an'ny tsy mpino mantsy no ahalala ny tenin'Atra sady toa tsy omeny azy ireo ihany koa ilay izy:cry:
Ny TT dia nanambara fa ho avy ny Mesia ( Isaia 61:1-2)

12. niryna ( 13/10/2007 04:57)
Farany raha ara tantara:
Matio sy Lioka dia manambara fa tonga tety an-tany Izy tamin'ny alalan'ny fahagagana nataon'Atra Rainy avy amin'i Maria izay mbola virijiny izy tamin'izany fotoana izany ao @ Mt 1:18-23.
Satria Izy dia masina(holy)Lk 1:35sady tsy mba nanana fahotana dia mendrika nataon'Atra ho fanatitra velona ho n'izao tontolo izao Izy.Indray mandeha ihany fa tsy misy intsony no atao sorona.Fahiny dia biby no natao fanatitra fa rehefa tonga tety an-tany kosa i Kristy dia Izy no nanaovana fanatitra.:roll:

Mba hanamafy izany voalazako izany dia saiky niresaka an'i Kristy TT sy ny TV.^:^

Nateraky ny vehivavy Izy Gen 3:15- Gal 4:4
Taranak'i Abrahama Gen 12:3-Mat 1:1
Taranak'i Izaiaka Gen 17:19-Lk 3:34
Taranak'i Jakoba Nom 24:17-Mt 1:2
Avy ao @ zanadionan'i Juda Gen 49:10-Lk 3:33
Taranak'i Davida Isaia 9:7- Lk 1: 32-33
Teraka tao Betlehema Mika 5:2-Lk 3:4-7
Mesia Dan 9:25-Jaona 1:41
Naterak'i Maria virijiny Is 7:14- Lk 1:26-31
Antsoina hoe Emanoely na Atra miaraka amintsika(God is with us) Isa 7:14-Mt 1:23
Mahereza hatrany mikatsaka ny marina fa araka ny handalinantsika ny tenin'Atra no hanomezany ny FM hampianatra antsika :*
Ho Azy Irery anie ny voninahitra
13. fijo ( 16/10/2007 22:00)
ka ny baiboly anie ry niryna tsy hay izay tena resahany e
14. niryna ( 17/10/2007 04:31)
fijo:

ka ny baiboly anie ry niryna tsy hay izay tena resahany e

Angaha nisy nahay tany an-kibon-dreniny.Nofidin'Atra isika ary vao tany ambohoka dia efa fantany ny ho avintsika.Saingy toy ny zavatra rehetra io fijo a,rehefa mangetaheta ny tenin'Atra foana isika dia faly sy mazoto mamaky ny teniny dia tena henonao miresaka aminao tokoa ilay Atra mahery.Omeny hery ny tena ary efa nahita aho olona nilaza izy fa efa in-efatra noho izy no namaky ny baiboly kanefa tsy mety azony.Mety marina izany kanefa kely ny finoako,hay izy nanana fankahalana be tao anatiny tao.Ary toa tsy nivavaka intsony izy ka vao maika sarotra be ny mifampiresaka aminy fa toheriny daholo ny tenin'Atra rehetra.Mivavaha ary mangataha aminy,eny fa na dia tsy mino aza hianao asaivo miseho aminao Izy raha tena misy.(experience daholo ny finoana indrindra raha tsy mino azy isika,mino moa dia sambatra na dia tsy mahita aza hoy Izy.

15. niryna ( 17/10/2007 04:37)
fijo:

ka ny baiboly anie ry niryna tsy hay izay tena resahany e

fijo a izao fontsiny ihany no lazaiko anao.Ny baiboly dia asehon'Atra ny maha Atra Azy.Asehony antsika ny tokony atao sy ny tokony ho tandremana.Tsy mitovy ny boky rehetra izy,misy fanoharana no hilazany antsika satria maro ny zavatra mety tsy takatry ny sain-tsika.Misy tena nisy ilay izy dia toy ny Israely niala tany Egypta ireny.Niteny nivantana tamin'ny mpaminana maro Izy ary mbola miteny amintsika ihany koa Izy.Raha hijery tantara fitiavana hianao,misy ao.Raha nijery ady,fanambadiana,fijangajangana,fiarahan'ny biby sy ny olona,fiarahan'ny lahy samy lahy sy ny vavy,fitiavana madio,famelan-keloka,fitiavana ny fahavalo sns... Izay zavatra tadiavinao sy olana misy amin'ny fiainana rehetra dia voalaza ao daholo.
Tezitra hianao ? Misy manoro an'izany ao anaty baiboly ao,ny fomba tsy tokony atao sy ny fomba hialana izany.
Misy maty ny fianakaviana? Misy andian-teny ao manome hery sy tanjaka ary fampaherezana anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0609