Tsy maintsy mandainga ve ny mpanao politika ?

21. LazaDaddy ( 18/10/2007 04:18)
fijo:
raha ny finoan ano tafiditra ao amin'ny pilitika di avao miha loza be
Ny tena zava-doza dia ny politika mialokaloka ambadiky ny finoana, izao iaraha-mahita izao ny vokany


22. xxx ( 18/10/2007 04:56)
raha ny finoana no tafiditra ao amin'ny pilitika di avao miha loza be. Ny tena zava-doza dia ny politika mialokaloka ambadiky ny finoana, izao iaraha-mahita izao ny vokany


tokony olona tsy mino n'inon'inona no atao mpitondra izany.
23. Jeankely ( 18/10/2007 07:30)
Tsy mino n'inoninona ahoana koa izany? Tsy mino ny tenany, tsy mino ny ho aviny, tsy mino ny fahavitan'ny tetk'asany sa inona izany? Sa tsy mino ny vadiny? Vao mainka angidina mandehandeha ve?
24. fijo ( 18/10/2007 19:34)
xxxx hafaka mino ny mpitondra,io safidy manokana,fa tsy tokony hafangarony ny finoany manokana sy ny asany maha mpitondra azy.

laza,le fangaro mihintsy ry ise no ratsy an.efa hatry ny ela ny tantara no nanaporofo izany
25. LazaDaddy ( 19/10/2007 00:23)
fijo:
laza,le fangaro mihintsy ry ise no ratsy an.efa hatry ny ela ny tantara no nanaporofo izany
izay anie ilay ataoko hoe politika mialokaloka @ finoana e. Finoana Kristianina no resahiko an. Ny finoana Kristianina mantsy feno tanteraka ary tsy mety mifangaro na @ inona na @ inona (na sampy, na clairvoyance, na politika,...). Matoa ianao mahita izany "mifangaro" izany dia manahy aho hoe mpisandoka anarana ny hitanao.
26. Jeankely ( 19/10/2007 04:47)
Misy fetezany ny tsy filazana ny marina rehetra raha toa ka olona mitana andraikitra ianao. Misy ny vaovao avoaka ary misy ny miandry fotoana. Ny resaka mangarahara dia tena ilaina saingy izany tsy midika fa aseho daholo na ny zavatra mbola tsy masaka aza. Ny filazam-baovao dia farany ilaina hampandrosoana fa ny olana ho an'ny Malagasy sasany hoy aho dia ny tsy fahaizana mandray sy mamakafaka ny vaovao. Indraindray koa aza efa omena azy ny vaovao fa izy no variana @ zavatra hafa. Ohary @ ataona fa tsy lazainao angazety daholo izay rehetra ho taterahinao @ manaraka satria afabaraka raha tsy tafavoaka ary misy ny tsy manantsaina afatsy ny hamingana. Misy fetra ny filazana ny Marina.
27. LazaDaddy ( 19/10/2007 05:22)
JeanKely> angamba ito adihevitra ito tsy miompana @ hoe tokony lazaina daholo ve ny marina rehetra? Ny resaka eto dia hoe: "mifandray @ lainga ny politika"!
28. Jeankely ( 19/10/2007 05:46)
Ny dikan'ny lainga anjaranao no manazava azy fa na tany aiza na tany aiza misy fikafika foana. Samy mamokatra menaka ary samy tia anondrana ohatra na misy fifanakaloazana hevitra sy fiaraha-miasa aza dia ao ambadika misy fikafika foana. Izay no atao hoe Politika. Ny lainga indray dia ianao no tena mpandainga voalohany fa mba diniho ny avoakan'ny vavanao sy ny hataonao ary ny nataonao.
29. fijo ( 19/10/2007 21:53)
ekeko io voalazan'i jkely io.
30. Herimiafina ( 20/10/2007 03:47)
Amin'ny resaka politika mantsy dia tsy misy ny marina tsy azo disoana, ary tsy tonga lafatra 100% ny zavatra rehetra lazaina, ka noho izany betsaka koa ny mety ho fandikan'ny olona ny zavatra rehetra ho voalaza.

Raha miteny izao ny iray hoe: "simba ny làlana ka tokony hamboarina", dia misy fomba fandikana maro mivoaka avy eo mipoitra, toy ny hoe:
-ny entrepreneur naheno hoe: hanome vola antsika hanamboaran-dàlana hono ileiry.
-ny Maire naheno hoe: route communale io simba io simba io ka tadiavin'ileiry hamoaka vola ny Kaominina hanamboarana azy.
-ny vahoaka amin'ny tanana hafa mety naheno hoe: ny ary hono no homena vola hanamboaran-dàlana fa ny aty mety tsy hahazo.

Torak'izany no karzana interprétation izay miha-maro rehefa ny fahaizana amampahalalala no tsy ampy, mariky ny mbola tokony ho ezaka hatao amin'ny fanabezana.

Dia torak'izay ilay izy, ny tsy fitenenana zavatra mazava tsara dia fomba iray entina hi-manipuler-na olona, ary izay ny politika, suspens.

Ilay tebiteby, ilay fahasosorana vokany no marika voalohany hahafantarana fa tena tafiditra tsara ao anatin'ilay hevitra novohizina ny olona. Ny tsy firaharahian'ny olona kosa dia tena zava-doza ho an'ny mpanao politika izay manambara fa leo ny olona ary tsy concerné intsony. :@
31. Jeankely ( 20/10/2007 06:59)
Io voalazanao io no naverimberiko foana hoe loza ho an'ny Firenena ny fisarahan'ny vahoaka sy ny mpitondra satria tsy misy miditra ao antsainy na tsy raharahiany izay ataon'ny mpitondra. Avy eo anefa izy ihany no voa satria ny mpitondra mahazo izay azony fa ny vahoaka no mifafa. Izay no nilazako fa tsy tokony hialana mihintsy ireo fa tomorina akaiky tsy ahafahany manao izay daninin'ny kibony. Tsy mifankatakatra moa fa samy be andrina ka izay fidonany fidonany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0694