Tsy maintsy mandainga ve ny mpanao politika ?
1. niainalynx
(
12/10/2007 10:48)
Lasa ihany ny saiko mandinika ny zava-misy eran-tany fa tena tsy misy sahy milaza ny marina avy hatrany ny mpanao politika amin'ny toe-javatra mitranga e ! Te hiteny mitsy aho hoe tsy honnête ve zany ny mpanao politika sa resaka éthique sa tsy fantatro e !
Misokatra ny ady hevitra e !
Misokatra ny ady hevitra e !
répondu par Jeankely le 20/10/2007 06:59
2. ravatorano
(
12/10/2007 11:00)
zany aza hoe mpanao politika
ny mpanao politika dia matetika miantehatra ami'ny fanaovanaan ronono antavy mba hahazahoany toerana fa misy koa anefa mba manatanteraka izay nohveriny fa nolazainy ihany tamin ny fotoana nitadiavany ilay seza fa mahalana izany
ny politika ho andry zareo efa tena favo aminy dia ny lainga tsara lahatra no fitaovana entina miainga
indrindra fa ny eto amitsika eto madagasikara !
jereo fotsiny izay mpitondra rehetra nandalo teo firy tamin ny resaka politika nataony hampandrosoana ny firenena no efa mba vitany sy notanterahany
izay ange ilay nahatonga ny fitenenana hoe ny kianjan'ny 13 mai natao hanaovana "demagogie politique " é
:wink:

3. niainalynx
(
12/10/2007 11:06)
Raha ny famaritana ataon'ny dictionnaire mantsy ny atao hoe politika dia "c'est l'art de gouverner l'Etat" ka raha izany no izy dia tsy maintsy mandainga zany ve vao mahatondra firenena ????????:^)8O:?
6. Samoana
(
12/10/2007 13:54)
Na tsy misy aza ny vaha-olana dia tsy maintsy mamorona ny tsy misy hatrany @ alalan'ny resabe ny mpanao politika. Ohatra akaiky i sarkô ao lafrantsa (" homme de séduction mais aucune solution " hoy ny gazety politika miresaka momba azy:-D )
7. fijo
(
12/10/2007 21:32)
ka politika anie de resaka izany e.tsimaintsy mahita valiny ianoa,na di aefa ita izao aza fa lavaka.de io arakaraky ny mpihaino azy ihany.
na isika izao aza no eo ,mba toa izay ihany koa ka
na isika izao aza no eo ,mba toa izay ihany koa ka
8. ravatorano
(
13/10/2007 08:29)
zany v ra fijo
za zany tsy ho eo mihitsy satria za raha mahita hoe lavaka io tsy hitsambikina na hampitsambikina olona ao za kanou
:wink:
za zany tsy ho eo mihitsy satria za raha mahita hoe lavaka io tsy hitsambikina na hampitsambikina olona ao za kanou
:wink:
9. Herimiafina
(
14/10/2007 04:58)
niainalynx:
Lasa ihany ny saiko mandinika ny zava-misy eran-tany fa tena tsy misy sahy milaza ny marina avy hatrany ny mpanao politika amin'ny toe-javatra mitranga e ! Te hiteny mitsy aho hoe tsy honnête ve zany ny mpanao politika sa resaka éthique sa tsy fantatro e !
Misokatra ny ady hevitra e !
Ny lainga dia anisan'ny fitaovana iray fampiasa rehefa manao politika. Ny lanjany indray dia miankina amin'ny niveau d'éducation sy ny toetoetry ny olona entina.
Heritrereto hoe inona no zavatra mitranga raha ohatra kah misy fahasimbana ny fiara-manidina iray ary tsy maintsy apetraka haingana dia haingana ao anatin'ny filaminana mba tsy hisian'ny loza. Toanga ve dia hilaza ny mpanamory hoe: "hianjera isika ry mpandeha malala fa mivavaha!" Tsia! Tsy hiteny izany mihintsy izy fa hoy izy hoe: "samia milamina fa misy olana kely ara-teknika saingy voafehinay soa amantsara". Ny antony dia satria raha mikorontana ny mpandeha dia mety ho faty hifamono na tapaka lalandrà ao aoriana ao nefa mety hisy chance tsy hahatongavan'ny loza.
Dia tahatahaka an'izany koa ny politika, raha hoteneninao amin'ny baranahiny amin'ny vahoaka izao ny marina rehetra dia mety hitarika ady antrano sy korontana izany.
Ankoatr'izay dia ny olona koa matetika manonofy mana latsaka avy any andanitra sy paradisa antany daholo ary tsy miraharaha ny atao hoe "realité", ka raha tsy mampanantena azy zavatra mifandraika amin'ny zavatra tadiaviny ianao na dia impossibla aza izany tsy hahazo ny fony.
Ny fanafodiny, dia mandehana mianatra daholo mba tsy hivarotan'ny olona saka beloha intsony :^):@
10. pissoa
(
14/10/2007 11:28)
Mpandefa : niainalynx [ Valio ] 12-10-2007 12:48:34
Lohateny : Tsy maintsy mandainga ve ny mpanao politika ?
Lasa ihany ny saiko mandinika ny zava-misy eran-tany fa tena tsy misy sahy milaza ny marina avy hatrany ny mpanao politika amin'ny toe-javatra mitranga e ! Te hiteny mitsy aho hoe tsy honnête ve zany ny mpanao politika sa resaka éthique sa tsy fantatro e !
Misokatra ny ady hevitra e !
Ka tsy manao politika aza mila mandainga knoo ... maika fa hanao politika ! :-D:-D:-D
12. rabaradaka
(
15/10/2007 06:42)
Lay hoe mandainga aloha dia fomba fitenintsika fa ny marina dia ny hoe tsy ny marina rehetra akory no filaza. Sa asaiko lazain'i Pety ny zava-nisy marina tany Andohanatady Fianarantsoa dia hidoboka na i Ravalo aza ?? zay no tinareo ?
13. niainalynx
(
15/10/2007 08:20)
Lazao rabaradaka dia ho hita eo a ! Fa mba ahoana aloha ny hevitrareo amin'io biographie an dRavalomanana hivoaka tsy ho ela io a ? Nareo mantsy toa sahy nilaza hoe tsy nianatra izy !!!!!
14. fijo
(
16/10/2007 20:43)
io voalazan'i herimiafina io.fomba firesaka no filaza azy fa tsy lainga,nefa moa dia takondainga no tena izy.fa lainga ilaina io.ary tsimaintsy mampiasa an'io izay te hanao politika;raha hampakatra vidim bary dia mila fomba filaza azy fa tsy hoe ampiakariko io.serasera ihany io ravato an
15. Jeankely
(
17/10/2007 05:42)
Ny Politikan'ny Malagasy angamba tsy dia mitovy @ Politika eran'tany izay ahitana fivoarana. Ny politika maloto no tena hain'ny Malagasy
16. LazaDaddy
(
17/10/2007 06:45)
mahafinaritra rehefa samy mandinika sy tonga saina isika namana :).
Raha aravona ny hevitra eo ambony rehetra dia manambara fa tsimaintsy tafiditra @ politika ny lainga na @ fomba miharihary na misarotsarona.
Ny Tompo anefa mananatra mafy (na mpino na tsy mpino) hoe "aza mandainga" (=> aza miray tendro @ politika).

17. Jeankely
(
17/10/2007 07:21)
Izaho aloha tsy manaraka be fahatany izany satria na samy misy risoriso sy ny fikafika aza dia mihazakazaka ny firenena sasany ary mirefarefa ny sasany. NOhon'ny fahaizana mametsifetsy fa tsy fahaizana mampivoatra ny Fireneny. Ny azy sy ny fianakaviany mitombo fa ny fireneny ditsoka. Rehefa misy fitondrana koa dia misy Politika koa aza miray tendro @ politika ve midika hoe tsy tokony hisy politika sa inona? Ny fahaizana mitondra zavatra hafa. Ny mpanao politika Malagasy nefa dia mangarikarika ary mihevitra azy ho dadany sy miavona @ vahoaka nefa tsisy zavatra vita misongadina akory. Ny tarehy fotsiny no marikivikivy mingentrongetroka @'ny zero. Tsy mijery ny vitan'ny Ministra sahala azy any ivelany.
19. Jeankely
(
18/10/2007 02:11)
Raha tia hivoatra haingana dia maka referance @ vitan'ny firenena efa mandroso fa tsy variana @ samy donto. Ny Politika tsy maintsy misy fikafika ary tsy misy afaka handa fa ny firenena sasany mihazakazaka be ny sasany mirefarefa tanteraka. Misy izany ny Politikan'ny VENDRANA.