Fanamelohana mafy indrindra mpitondra fivavahana...

1. prime ( 10/10/2007 07:30)
Mampalahelo nefa indrisy... mampandinin-tena lalina ny toy izao ny amin'ny fanompoana an'Andriamanitra...

http://www.moov.mg/actualite.php?articleId=330157
novalian'i prime ny 22/10/2007 09:02
2. Mandefitra ( 10/10/2007 08:45)
Misy oha-pitenenana zay manao hoe :
"Na sakako na sakan'olona, refa vandana de kary".
Tsy tokony asiana fanavakavahana, fa zay rehetra mandika lalana mahazo ny sazy mifandraika @ zay.Tsy tokony ho saron-tsaromana satria hoe mpitondra fivavahana.
Ny Kristianina no tokony ohatra tsara alaina tahaka ...
ITimoty 4:12 aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino hianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondrantena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana
3. prime ( 10/10/2007 09:00)
Mandefitra> misaotra r'ise a...:)

"Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan'ny ondriko sy ny nahatongavan'ny ondriko ho rembin'ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko," Ezekiela 34:8

Mila fandinihan-tena lalina ny asa fanompoana an'Andriamanitra satria adidy goavana amin'Izy Andriamanitra fa tsy amin'ny samy fiangonana sy ny samy olombelona fotsiny ihany... maneho indrindra ny mahasaro-pady ny asan'ny fanahy...
4. tywa68 ( 10/10/2007 09:28)
Mandefitra : ilay fanamelohana mafy azony no tena mampalahelo satria noho io maha mpitondra fivavahana azy io no nahatonga azy voaheloka mafy, atao exemple na tsy ampy aza ny porofo !

Nefa firy² no avela na mody tsy jerena satria hommes d'état "mahalala olona" sy be vola !

Misy fiangarana ihany e :lol:
5. prime ( 10/10/2007 10:26)
tywa68> mampalahelo tokoa... miombon-kevitra aminao aho fa ilay hoe tsy ampy porofo angamba tsy mitombina satria voalaza fa voaporofo hatr@ tena missions nataony fa tsy asa pastorale nefa mitonona ho pretra izy rehefa manao ny asany...:(
6. ravatorano ( 10/10/2007 10:51)
marina ilay hoe na kariko na karin'olona izay vandana dia saka ! hihihihi! nivadika kely iny !
rehefa manao fahadisoana ianao dia mijinja ny nafafinao kosa aloha e ! amin'ny maha olombelona an 'ilay pretra dia mbola tao aminy ilay asa ratsy toy ny fialonana ny fanavakavahana ary ny fampijaliana olona.Toejavatra ohatran'izao indrindra no mahatonga ny olona sasany manejika mafy ny ketolika nefa tsy azo avy dia atao ao anaty harona anakiray indray mandeha izany ary aoka averiko fa ireo mpitondra fiangoana ireo dia olombelona aloha vao voaatso hanao ny fanompoana an'Andriamanitra;
7. prime ( 10/10/2007 11:26)
ravatorano> Tena mitombina tanteraka ilay fanamarihana... fa ny tiako anontaniana anao dia hoe, aiza ho aiza amin'ny asa fanompoana ary izany ny fandinihan-tena lalina mikasika ny antson'Andriamanitra?
8. niryna ( 10/10/2007 11:37)
tywa68:

Mandefitra : ilay fanamelohana mafy azony no tena mampalahelo satria noho io maha mpitondra fivavahana azy io no nahatonga azy voaheloka mafy, atao exemple na tsy ampy aza ny porofo !

Nefa firy² no avela na mody tsy jerena satria hommes d'état "mahalala olona" sy be vola !

Misy fiangarana ihany e :lol:

hitakou
Sady ny hazo avo halan'ny rivotra.:cry: mivavaha ho azy mba ho voavela ny helony na izay hafafinao ihany aza no ho jinjainao.
9. ikaretsaka ( 10/10/2007 13:02)
ny Tompo ihany no mahalala e!
Iza no mahalala raha any am-pigadrana any indray no nanirahany azy indray?
mety inty aho Iraho aho fa isika no tsy mahazo azy!
10. pissoa ( 10/10/2007 17:19)
:-D:-D:-D
11. fijo ( 10/10/2007 19:47)
aoka aloha hazava kosa fa tamin'ireny fotoan'ny jadona tao argentina ireny;dia be ny mpitondra fivavahan akaotlika no nanohana sy nanampy be ny mpitondra jadona.matoa izy lasa any dia meloka izany.ny mpiaro azy anie tsimaintsy misy hambara foana e,io mahazatra.
fa tsy irery io olona io,fa mino aho fa mbola misy maro ao.aza hadino fa tamin'ny fotoana nitondran'i hitler anie ka tsy mazava ny fihetsika sy ny fironan'ny papa tamin'izanay andro izany e.fa iny resaka hafa
12. mbaliana ( 10/10/2007 20:27)
fijo> fa raha tsy zany ve i Pape Jean Paul II nifona tamin'ireo zay niharitra ny mafy tamin'ireo pretra na mpitondra fivavahana katolika ... na izany anefa aoka tsy tokony ho jamban' ny eo ambany maso ianao satria tsy ireny no inoanay fa Andriamanitra(miaraka amin'i JK sy ny FM) irery ihany...
13. fijo ( 10/10/2007 20:31)
za koa aloha tsy manafangaro ny pretra rehetra e.misy ary maro no manao io toetra io,fa misy koa tena olona tsotra sy mahafinaritra ary manaja ny hevitry ny sasany
14. ikaretsaka ( 10/10/2007 22:02)
dia izay izany Ra fijo ho'a an, mety any ampigadrana hoa no nanendren'Andriamanitra hanompoan'ilay pretra azy bebe kokoa e! mety novainy any fotsiny ny monasterany
15. tsaramaso ( 11/10/2007 01:57)
Fanamelohana mafy indrindra mpitondra fivavahana...

tsleeeeeeeee !!!!!! satria nitondra fivavahana lery de voaheloka ????!!!! tsssssssssss
16. ikaretsaka ( 11/10/2007 02:01)
fa raha mpitondra inona lery de tsy voaheloka lety? mpitondra tsaramaso? kleeeeeee tsssssssss!:-D
17. tsaramaso ( 11/10/2007 02:13)
zany de manendrikendrika fotsiny an'le fitsarana le !!!!!!! klehhhhhhh !!!!!! hahahahaahaa
18. niryna ( 11/10/2007 04:02)
mbaliana:

fijo> fa raha tsy zany ve i Pape Jean Paul II nifona tamin'ireo zay niharitra ny mafy tamin'ireo pretra na mpitondra fivavahana katolika ... na izany anefa aoka tsy tokony ho jamban' ny eo ambany maso ianao satria tsy ireny no inoanay fa Andriamanitra(miaraka amin'i JK sy ny FM) irery ihany...



=D=D^:^
19. Mandefitra ( 11/10/2007 08:02)
Prime:
Mila fandinihan-tena lalina ny asa fanompoana an'Andriamanitra satria adidy goavana amin'Izy Andriamanitra fa tsy amin'ny samy fiangonana sy ny samy olombelona fotsiny ihany... maneho indrindra ny mahasaro-pady ny asan'ny fanahy...

de hoy Petera hoe:
IPET 5:
1 Koa ny amin'ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman'ny loholona sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe:
2 Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo [araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy;
3 tsy ho mpanjakazaka amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran'ny ondry
.
4 Ary rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba hianareo.

Asa 5:29 Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
20. vavolombel ( 11/10/2007 09:07)
ela nitorahana lery ka nahavoa mason'angatra,olona efa lehiba tsy mba manaja tena,olona mba mahalala soratra masina,dia manao sahala amin'io,
voalaza teo hoe:mety any ampigadrana izy no manao ny asa fanompoany an'Andriamnitra bebe kokoa>> inona no asa fanompoana bebe kokoa ao am-pigadrana,tsy misy tranon-kenatra angah?inn no hotoriny ao? mba olona voaheloka tsy amim -pahamarinana no hanao an'izany fa tsy pretra jiolahy sahala am'ity!mba tokony hijery ny otany izy fa tsy hanao toriteny lava ao nefa hadinony ny tenany!
tokony mametra-pialana lery amin'ny maha pretra azy fa mandoza!,hafa ny pretra manelaka ,hafa koa ny an'ity!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.875