Fanamelohana mafy indrindra mpitondra fivavahana...

21. prime ( 11/10/2007 11:43)
Mandefitra> misaotra r'ise a... ho voninahitr'Andriamanitra anie izany tenin'Andriamanitra voalazan'ise izany no sady ho famelombelomana ny fanahy ihany koa... ^:^
22. fijo ( 11/10/2007 20:18)
ika an,sao dia vao miha loza tokoa no ahazo an'i lery io ,raha any ampigadrana no mbola hitory teny???manahy aho le
23. pissoa ( 11/10/2007 20:27)
prime:

Mampalahelo nefa indrisy... mampandinin-tena lalina ny toy izao ny amin'ny fanompoana an'Andriamanitra...

http://www.moov.mg/actualite.php?articleId=330157


tsy io zany ny mafy indrindra raha samy kristianina no mifampiresaka ... saingy tsisy mahita ny lisitry ny lasa any amin'le tena mafy ! sady koa refa tsy vedety dia tsy mivoaka an-gazety :wink::-D:-D:-D
24. fijo ( 11/10/2007 20:52)
kay lery kosa te hovedety izany ko
25. prime ( 16/10/2007 13:00)
pissoa> mba omeo ohatra tokoa amin'ilay tena mafy hoe... tena izy fa tsy fanoharana...:)
26. ikaretsaka ( 16/10/2007 16:14)
mbola betsaka be mihitsy ry prime an!
na ny fiangonana miafina tany chine taloha fotsiny aza, sy t@ andron'ny talibans..

olona tsotra sy mompera mitondra "hostia" tsy mbola voahasina hanaovana lamesa any amin'ireny faritra ireny no tonga dia tifitra variraraka eny @ lohany!

Misy koa ao Afrika ao Pretra iray mbola mijaly hatramin'izao fa tsy nilaza secret de la confession ana olona halan'olona anankiray!

http://www.esprit-et-vie.com/breve.php3?id_breve=143
27. fijo ( 16/10/2007 22:14)
ka lery kosa izany manohitra ko.ny pretra nefa tamin'ny andron'ny fanjanahana tany mada nisy nanome sopapa ny mpitondra vazaha,iero izay avy nikofesy tao aminy.
28. prime ( 17/10/2007 11:12)
Ika> Zavatra samihafa no resahin'ise... raha ny fijoroana vavolombelona tokoa ny amin'ny fampijaliana na ny famonoana mihitsy nahazo noho ny fijoroana amin'ny finoana dia maro tsy voatanisa na dia ireo maritiora fotsiny aza... iombonako hevitra amin'ise... (ary raha izany dia efa voasoratra fa tsy maintsy lalovan'ny mpino rehetra tsy an-kanavaka...)

Ny an'ity mpitondra fivavahana tany amerika atsimo ity dia heloka bevava firaisana tsikombakomba tamin'ny hery famoretana ka mahavoaheloka azy mafy toy izao, nefa nampiasàny ny maha-mpitondra fivavahana azy... ka voalazan'ny mpilaza vaovao fa nahazoany ny sazy mafy indrindra...

Fa ny tian'i pissoa ambara (raha tsy diso ny fandraisako azy) dia ny hoe maro ny mpitondra fivavahana no voasazy mafy noho ity iray voambaran'ny mpilaza vaovao ity noho ny heloka vitany... dia hoy aho hoe mba ambarao!
29. prime ( 18/10/2007 12:09)
Manoloana ny antson'Andriamanitra dia maro tokoa ny fanapahan-kevitra tsy maintsy raisina... fa ny mampalahelo amin'ny tranga toy izao dia tsy ilay mpitondra fivavahana fotsiny intsony fa ireo olona marobe niharan'ny tsy fahamendrehana rehetra ka mety nahavery fanahy maro mihitsy aza...
30. pissoa ( 18/10/2007 15:36)
prime:

pissoa> mba omeo ohatra tokoa amin'ilay tena mafy hoe... tena izy fa tsy fanoharana...:)

Afobe :-D:-D:-D
31. pissoa ( 18/10/2007 15:38)
Fa ny tian'i pissoa ambara (raha tsy diso ny fandraisako azy) dia ny hoe maro ny mpitondra fivavahana no voasazy mafy noho ity iray voambaran'ny mpilaza vaovao ity noho ny heloka vitany... dia hoy aho hoe mba ambarao!

tsy zany no tiko nambara fa efa io nosoratako io ihany : misy mafy noho io ny sazy, saingy tsy nivoaka gazety izay voasazy any :-D:-D:-D
32. fijo ( 18/10/2007 22:01)
aleo aho hoany amin'ny afo be ary fa efa manomboka tokoa izao ny hatsiaka
33. bosista ( 19/10/2007 10:02)
:-D
34. prime ( 19/10/2007 11:54)
pissoa> ny misy dia voaheloka aman-taonany... fa ilay mandrapahafaty dia io no voalohany... ny voaheloka ho faty koa no efa nisy fa izany tsy mbola mafy noho ny mandrapahafaty...

fijo> anenenan'ise anie izany tenin'ise izany e...
35. fijo ( 19/10/2007 21:39)
prime,minoa ise fa tsy hanenina aho ka,hitondrako hena any de hisy azy ny kitonotono amorom patana ny anay any.eo ianareo lanin'ny hatsiaka eo
36. niryna ( 20/10/2007 02:04)
fijo:

prime,minoa ise fa tsy hanenina aho ka,hitondrako hena any de hisy azy ny kitonotono amorom patana ny anay any.eo ianareo lanin'ny hatsiaka eo

Raha amiko aloha dia tsy afaka ny hifamaly na handresy lahatra anao aho satria na mino hianao na tsia,tsy afaka ny hanala ny Herin'Atra mihitsy hianao.
Avy amin'inona izany?
Avy amin'ny fahagagana nataony.
Asa 4:16
13 Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy.

14 Ary nony nijery ny lehilahy izy efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny:roll::oops:.
15 Ary rehefa nasainy niala teo amin'ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy
16 ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.
(niala any ny teti-dratry :roll:)
Na mino hianao na tsia tsy azo lavin'izao tontolo izao ny fahagagana nataon'ireo mpianatr'i kristy.
1000 no naheno sy nahita ireo mpianany nilatsahan'ny FM ary ny 300 tamin'ireo no nibebaka.

ASA 3
2 Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan-andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly;

3 nony nahita an'i Petera sy Jaona efa hiditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.

4 Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.

5 Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.

6 Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangatsangàna.(Izay mino dia ny ataon'i kristy koa no mbola ataony hatramin'zao):D:D

7 Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny.

8 Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana sy niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra.

9 Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra.
=D^:^

13 Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesosy Mpanompony , Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa.
14 Fa hianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;:snif::snif:

19 Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo,

Asa 4
4 Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy.

Iray no nisitranina ary dimy arivo no nino.Izay ilay fahagagana tsy voaalan'ireo tsy mpino satria mbola manao fahagagana ihany i Kristy hatramin'izao.

37. prime ( 22/10/2007 09:02)
fijo> raha izay moa no safidin'ise, akory atao fa malalaka ise... Andriamanitra nefa dia tsy mitsahatra miantso ny tiany hiverina Aminy mandrakariva, ary mbola miala nenina, mbola milaza an'ise mandrakariva hoe "tia an'ise Jesosy"... tsy sitrany ny hahavery ny tiany indrindra ho any amin'ny helo, tsy natao ho an'olombelona ny any ary tsy zakan'olombelona ny fiainana any fa natao ho an'ilay fanahy ela, rain'ny lainga sy ny anjeliny marobe...

Andriamanitra ilay be famindrampo mbola manokatra ny fahasoavany ka miantso ny olona rehetra hiverina Aminy, ao amin'ilay tena fiainana, ilay tena fiadanana, ilay tena fahasoavana, ilay tena fitiavana tsy hita lany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2588