ny andriamanitr'i Bush

1. LazaDaddy ( 10/10/2007 00:41)
mampihorikoditra ny namerenan'i George Bush ilay hafany mampitovy laharana an'i Kelimalaza sy i Boudha, i Jehovah Andriamanitra, i Dagona, i Baal, sns... satria iray ihany hono ireo.

http://www.inthedays.com/peace-and-safety/bush-all-religions-pray-to-same-god/

novalian'i fijo ny 12/10/2007 20:38
2. cutie ( 10/10/2007 01:04)
politika daholo zany e :)
3. prime ( 10/10/2007 11:03)
Tena raha vakiana tsara ilay valin-tenin\'i Pdt Bush d manokatra adihevitra...

Ilay izy aloha d discours politique feno, ka tsara raha ilay angle politique no ijerena azy voalohany (sady ireo mpitondra fivavahana toa nanamafy an\'io tamin\'ny kiana nataony fa tsy réligieux iny fa politique satria Bush leader politique fa tsy réligieux hoy ry zareo)...

Fa ny tiako lazaina (tsy sanatria mi-cautionné izay nolazain\'i Bush) dia ny tantara ao amin\'ny soratra masina... fa anisan\'ny \"klan\" ngeza indrindra ao amin\'ny Islam ny taranak\'i \"Ismaela\"... nefa d Andriamanitra iray ihany no nivavahan\'i Ismaela sy Isaka... na d taranaka voafidy aza ny iray... ka io no nampidiran\'i Bush an\'ilay hevitra politika hoe Andriamanitra iray ihany... (sa ahoana ny fahitanao azy???)

LD> Fa tsy d tena voalaza ao kosa hoe mitovy amin\'i Kelimalaza sy Dagona sns... sa izaho no tsy mamaky tsara?

Mazotoa dia mahereza...
4. niryna ( 10/10/2007 11:14)
prime:

Tena raha vakiana tsara ilay valin-tenin'i Pdt Bush d manokatra adihevitra...

Ilay izy aloha d discours politique feno, ka tsara raha ilay angle politique no ijerena azy voalohany (sady ireo mpitondra fivavahana toa nanamafy an'io tamin'ny kiana nataony fa tsy réligieux iny fa politique satria Bush leader politique fa tsy réligieux hoy ry zareo)...

Fa ny tiako lazaina (tsy sanatria mi-cautionné izay nolazain'i Bush) dia ny tantara ao amin'ny soratra masina... fa anisan'ny "klan" ngeza indrindra ao amin'ny Islam ny taranak'i "Ismaela"... nefa d Andriamanitra iray ihany no nivavahan'i Ismaela sy Isaka... na d taranaka voafidy aza ny iray... ka io no nampidiran'i Bush an'ilay hevitra politika hoe Andriamanitra iray ihany... (sa ahoana ny fahitanao azy???)

LD> Fa tsy d tena voalaza ao kosa hoe mitovy amin'i Kelimalaza sy Dagona sns... sa izaho no tsy mamaky tsara?

Mazotoa dia mahereza...

Izaho koa dia mitovy hevitra amin'izany ary tsy hitovy velively mihitsy ny Atra hivavahana
niryna:

Lohateny : Re : Fanjakan'Andriamanitra Vs fanjakan'ny Satana!!
LIOKA 11

22 Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy.

23 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.



5. ikaretsaka ( 10/10/2007 13:06)
aamiko koa dia politika daholo izany e.
ohatran'ilay "iraika lahy taloha"
nanana "pagode" nefa mamaky teny tsara ao @ lasapelin'i Semigany t@ izany andro izany e
6. Herimiafina ( 10/10/2007 17:21)
Laza? Ny tsy azoko dia ho an'iza marina hono io tenin'i Mr Bush io? Ho an'ny Kristiania sa ho an'ny Silamo, raha tsy raisiko aloha ny fiangonana hafa.

Raha ny hevitro dia tokony ho ny silamo no iantefan,ny hafany satria dia lasa manahirana be mihintsy ilay fiaraha-monina any ampiasana rehefa injay misy tavaratra iaray miresaka tsara sy mifankahazo tsara amin'ny tena ka mametraka ilay fanontaniana mahasosotra aty aoriana hoe: "inona kay no finoanao ry HM?"
Ary dia tena tsikaritra amin'izay fa manomboka mifosa sy mihisakisaka izy raha vatany vao mamaly ny tena hoe "Kristianina aho".

Na ry zalahy samy ry zalahy aza lasa mifampiresaka teny arabo tsy fantatra izany, hita hoe mifosa, dia misy iray mody manontany indray avy eo hoe: "i Madagasikara ve tany silamo"?

Inona no dikan'izany enquete be izany hoy ianao? :^)
7. fijo ( 10/10/2007 19:58)
za kosa mahita fa marina io voalazan'i lobolobo io,samy zavatra iray tsy hita nefa hinoana fa mahavita be no hivavahana ka,aiza no hiavahany ????
8. ikaretsaka ( 10/10/2007 21:56)
dia mahagaga tokoa an.. rehefa samy Kristianina (na booobaka be aza ny fizarazaran'ny kristiana izao) dia hoe :"Andriamanitra 1 ihany"

rehefa Jiosy sy silamo dia hoe "andriamanitra 1 ihany" satria samy ilay Andriamanitr'i Abrahama

ny jiosy sy ny arabo mifampanao contraire sy samihafa fomba ary niady ... tsy manao probleme

da ny kristianina, rehefa mody izy samy izy de hoe 1 ihany.. kanjo ny ao ambadika....

aoka izay hoa, miverena amin'izay
9. LazaDaddy ( 10/10/2007 22:04)
prime> Ny silamo no mety voaresaka matetika tao fa ny tenin'i Bush dia tena fijangajangana lehibe hoe:

"whether they be Muslim, Christian, or any other religion, prays to the same God".
10. ikaretsaka ( 10/10/2007 22:17)
ka io no tsy azoko, maninona no rehefa hoe
whether they be protestants, Catholics, or any other denomination, prays to the same God, de mety?
11. tsaramaso ( 11/10/2007 01:43)
Ny andriamanitry ny silamo misandoka fotsiny no mba hoe Andriamanitr'i Abrahama ihany !!!!!! tssssssssss !!!!! Ialao hoa io fivavahana silamo io !!!!!!!

Fa amin'i Bush izany :
masoandro = volana = rajako = ombivavy = satana !!!!!!! hahahahaahahah !!!!!!!!!!!
12. LazaDaddy ( 11/10/2007 04:17)
ikaretsaka:
ka io no tsy azoko, maninona no rehefa hoe
whether they be protestants, Catholics, or any other denomination, prays to the same God, de mety?
Iza no nilaza t@ ikaretsaka fa mety izany sa ikaretsaka no namorona an'io? :)


13. Rasiligaoma ( 11/10/2007 04:26)
Misambotra resaka aho fa tsy maharitra:mahagaga8O
na samy "kristianina: aza izany izany dia samihafa ny Andriamanitra ivavahana?
Lasa samihafa i Jesosy sy Jeso, Andriamanitra Ray sy Zanahary sy Andrianananahary
Hay ve e
Misaotra nampahafantatra!
14. LazaDaddy ( 11/10/2007 04:29)
fa inona izany hoe Kristianina?
15. Rasiligaoma ( 11/10/2007 04:44)
Ankoatran'ny katolika
protestanta , loterianina, anglikanina, batista. metodista, advento, mormons, eglizin'ny tompo, episkopaly, church of christ, gospel evanjelika, biblika, MRE Rhema, Tanin'Anandrano, assemble de dieu, apokalipsy, jesosy mamonjy, karismaniaka, patekontista, calvinista, quakers, sekta atsy sy denominations atsy, born again, maty again, kristianina vaovao, alliance an'izao sy izao, dia misy ilay teniteny sinoa isaky ny elakelan-trano ireny ka church ihany no soratra eo.
16. LazaDaddy ( 11/10/2007 04:49)
:) hay ve ka izany no fahazahoanao ny hoe "Kristianina"! :)
17. Rasiligaoma ( 11/10/2007 05:20)
ie:
1)misy ny tena naorin'ilay hoe Kristy mihitsy,
nataony ho vatany sy ratsambatany eto an-tany sy nivavahany mba ho iray ihany sy nolazainy fa na ny vavahadin'ny helo aza tsy haharesy azy!dia izy no nanendry ilay mpiandry ondry io hoe fahanano ny zanak'ondriny sy ny reniondriny.
io vala io dia Iray mandrak'izao, sy nivavahany sy namelany hafatra, izy manokana no nifidy ny ampiandry azy (ohatran'ny nifidianany ny ampianany 12 lahy) dia io mbola mijoro sy misy rafitra sy structure tsara be, vala 1, tsy mbola rava na mananika aza ny amboadia sy ny ondry sasany mitarika, satria mihaino ny feon'ny tompony sy ny mpiandry azy ny ondry ao !

2) misy kosa indray ilay nanorin-tena tao aminy
na niangaviany ho iray aza dia lasa nania amin'ny saim-patany any:cry:! satria leoleo tamin'ilay mpiandry ondry satria mety tsy navelany nihinana ny bozaka tokony ho sakafo hitsinjovana ny amin'ny ririnina ohatra na mialona fa ilay ondrilahy itsy no nampanarahahiny ilay ondrivavy ireroa, dia lasa mandeha any (manao zaza mpandany) dia mody ilay fiteny hoe "ondrin'i dada ihany aho" no asesika ao an-doha sy ao an-dohan'ireo marivo salosana tiana hanaraka ny tena, , rehefa misy tsy tiana anaty ao anaty vala dia tsy ny olana no ravana fa ny vala! dia misy vala etsy sy eroa sy miparitaka ohatran'ny omby an-kijana, dia tonga ny amboadia (sy ny dahalo) lasa sy lany any, na rava ho azy, na mitambatra kely aloha hiady amin'ny ambodia iray dia misaraka kely indray!

oay saika adino, ny boky sy ny planin'ilay vala voalohany amin'io io no nindramina sy ampiasainasy lazaina hoe hanorenana vala fahatramin'izao tsy nisy rafitra mazava loatra tena nijoro hatramin'izao, fa ny tafo atsy no misy azy, ny ciment atsy no misy azy , ny fantsika atsyno misy azy!

18. prime ( 11/10/2007 11:13)
rasiligaoma, ikaretsaka> Andriamanitra miasa ary velona mandrakariva... raha zohina ny tianareo ahatongavana dia mivohy mafy ny politikan'i Vatikano mikasika ny "eokominisma"... tsy misy maharatsy izany fa ilay "argumentation"'nareo no somary ivereno kely fa tsy maharesy lahatra loatra... raha arahina tsara ny filozofia entinareo dia na Kritsy aza izany kay tokony nijanona tao amin'ny synedriona ary nihazona ny fivavahana jiosy nefa iza no nahitsy ary tsy nety nahitsy hatramin'ny farany tao an-tempoly? moa tsy ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ary ny sadoseo? moa Kristy vao nanomboka ny asany dia tsy efa "sekta" ("sekta nazareana toa an'i Jaona mpanao batisa"... io teny sekta io mantsy no fiteny mandrakariva mikasika ireo fiangonana maro fifohazam-panahy...)? ary moa Kristy tsy efa nananatra mafy ny mpianany ny amin'ny masirasiran'ny fariseo sns...? ary farany fa tsy ny kely indrindra, raha i Petera no tianareo ambara mikasika ny fiangonana voalohany dia tsara miverina ao amin'ny tantara ianareo fa tsy tany Rôma no niforonan'ny fiangonana voalohany fa tany Jerosalema... izany hoe raha zohina sy arahina ny lojikanareo dia tokony miverina amin'ny katolisisma ortodoksa izay ao Jerosalema ny foibeny anankiray, ny fiangonana kristiana fa tsy amin'ny EKAR velively...:)
19. ikaretsaka ( 11/10/2007 15:09)
PRIME> Mivoana kely ianao ka ampatsiahivina kelu

Tadidio fa samihafa ny secte sy ny religion: (theologiquement parle) Raha mamaky ny edisiona vaovao an\' ny Encyclopedia theologica dia izao no voalaza ao (ataoko dikan-teny malalaka

Ny atao hoe sekta dia fiangonana kely marobe nefa mihambo hoe 1 ihany ny inoan\'izy ireo: ohatra ireo zana-piangonana kristianina

Ny atao hoe religion kosa dia ny Jiosy Silamo sy ny Baha\'i sy ny Kristianina (ilay tany amboalohany) .Zavatra samihafa HAFA mihitsy no inoan-dry zareo!
Ohatra hoe ny Jiosy sy ny silamo tsy mino fa Andriamanitra i JK dia mino fivavahana 2 samihafa mihitsy hoe ny 1 misy an\'i Mahomet ny 1 ireo patriarka, ny Baha\'i manambatra ireo rehetra ireo na ny kristianina aza fa tsy mino koa ny maha andriamanitra an\'i Jesoa!
20. ikaretsaka ( 11/10/2007 15:41)
momba an\'i roma sy jerosalema.
Asa hafa i Prime no mody fanina amin\'ny tantara na ahoana fa
1) zanatany Romanina aby iny faritra rehetra iny ka lasa ni deplace niakandrefana any @ renivohitry ny romanina ry zareo apostoly (Piera sns) ary tao izy no natao maritiry! \'ny andron\'i Piera, na ny tany andrefana (Roma0 na ny tany Antsinanana (Jerosalema) dia i piera sy izay notendreny ho dimbiny no nekena fa mpiandry voalohan\'ny fiangonana.
Dia nandeha ny Konsilin\'i Nicea (taona 325)

dia tonga ny Arabo silamo ( ny Ottomans) nanao takeover an\'i jerosalema sy nanisy bloc (empire) be nanelanelana an\'i zy roa tonta (kristianina tandrefana sy tantsinanana) dia lasa tsy nifandray intsony ry zareo.

fa izao lasa mifandray indray ka,sady efa miezaka mafy amin\'izany! ary raha tsy mahita fiangonana katolika romanina ianao dia afaka mandeha tsara any @ orthodoksa ary tsy bedy, vice versa, satria samy manome hajany ny Eokaristia izy roa ireo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3132