fomba fiteny

1. ratonga ( 09/10/2007 13:58)
Efa misimisy ihany angamba ny mahafantatra ny position-ko momba ity fivavahana sy finoana ity eto amin’ny sera², izaho aloa dia notaizaina tamin’ny fiainana kristiana fony kely, fianarana, katesizy ets.. nony taty aoriana anefa nohon’ireo boky maromaro mikasika ny fifavahana novakiko (histoires des religions, implication des religions quant à la conquête des nouvelles terres, colonisations ets..) sy ny akamaroan’ny foto-kevitra mbola tazonin’ny finoana katolika (contre la contraception, célibat des prêtres sns…) dia naleoko niataka, fa na dia izany aza misy notazonoko ihany ny zavatra nampitaina tamiko tahakan’ny fitiava-namana sy ny manodidina, la générosité, le travail sur la perfectionnement intellectuel et social, la pratique de la solidarité sns … . Fa ahoana ny hevitrareo fa mba lasa ihany ny heritreritro tsy ela izay, na tsy mino intsony aza aho izao dia mbola voatazona ihany mantsy ny expression sasany ohatran’ny hoe andrémanitr’ô rehefa taitra iny ny tena, na ko hoe si dieu le veux, na hafa mitovitovy an’izany fa tsy tadidiko avy, fa lasa fiteny fotsiny le izy sans y croire vraiment.
novalian'i fijo ny 12/10/2007 20:45
2. pissoa ( 09/10/2007 14:21)
Ny hevitro : hi hi hi - raha azoko tsara ny soratrao dia niataka ianao rehefa nisy tsy nampilamina anao (na ny sainao, na ny vatanao sns) tao, fa rehefa misy mahataitra anao kosa eny anivon'ny fiainana eny, na misy zavatra katsahinao dia mbola tsy afaka ao ambavanao ihany Andriamanitra :-D:-D:-D

Sans y croire vraiment ??? miteniteny foana foana izany ? :-D
3. ratonga ( 09/10/2007 14:37)
:-Dtena izay mintsy miteniteny foana :lol::lol:
4. Fiffi ( 09/10/2007 14:48)
"ratonga":
hoe andrémanitr’ô rehefa taitra iny ny tena
heu.....zao nefa no voalazan'baiboly an :
"Eskodosy 20 : 2-17 : "Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany."
"
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m46c83cb7d0aca

"ratonga":
na ko hoe si dieu le veux
heu....tsy fantatro raha lasa hoe fiteny fotsiny sisa io;...amiko kalou de matoa miteny an'io de mbola ao zany le fanantenana......

de amiko , matoa mbola milaza an'io am le fanantenana de mbola misy zany le finoana fa tsy very tanteraka......"raha sitrapon'Andriamanitra de....." "enganié"
5. ikaretsaka ( 09/10/2007 14:54)
Nitovy isika ry ratonga, izaho koa nanao comparative religion tany am-pianarana no.... vao mainka nahaliana ahy nanao theology sy .... nahitako hoe .. aleoko ihany katolika... ny ahy tsy noraisiko tany@ le resaka conquette, satria na izao aza anie misy conquette resaka ambadiky ny religion fa tsy mivantana be ohatran\'ny taloha intsony e!
ilay theologically speaking fotsiny dinihina! dia ampitovio @ fo tsy miangatra
Raha mi reconsider mamerina ilay comparative indray:wink::-D?
6. hery ( 09/10/2007 15:12)
Mahagaga :-)

Izaho koa namakivaky (sy nandalina tsara) an'ireny boky novakianao ireny (histoires des religions, implication des religions quant à la conquête des nouvelles terres, colonisations ets..) ary tsy ny tantara taloha ihany fa hatramin'izao. (pedophilie etsy sy eroa, scandales etsy sy eroa)... fa tsy nihataka fa vao maika miditra.

Sao dia tsy vahaolana ilay nihataka? (abandon, faharesena, cf. Luther)

Sao vao mainka tokony hiditra be be kokoa?

:-)
7. rijadolly ( 09/10/2007 15:52)
fa na dia izany aza misy notazonoko ihany ny zavatra nampitaina tamiko tahakan’ny fitiava-namana sy ny manodidina, la générosité, le travail sur la perfectionnement intellectuel et social, la pratique de la solidarité sns …

Aminao rantonga Nisy anireo ve tao amin'ilay boky novakinao reo izay nahatonganao latsaka kely,Kely hoy aho satria mbola betsaka tavela ao anatinao matoa ianao mahantso ny anaran'Andriamanitra.Hinoako anefa fa raha nisy aza dia tsy naharesilahatranao noho ny taloha.Mbola misy ny fotoana hiverenana rehefa navelaNY andinika ianao.
Ohatry ny olona mpiteny ratsy koa dia azon'io.manolotena hiovafo izy nefa tafateny ratsy tampoka satria mbola ao anatiny ilay fanahy mampiteny ratsy azy.Mbola tsy nihorina tsara izy izany.
Izany hoe raha i Ratonga izany dia tsy azo atao hoe NIATAKA fa mbola misy fanahy miady ao aminy fa anjarany sisa.
8. diamondra27 ( 09/10/2007 16:35)
voalaza ao @ baiboly we: raha manana fikasàna ianareo dia lazao we: ""SI Dieu veut fa tsy fantatrareo ny avoakan'ny ampitso...

9. fijo ( 09/10/2007 20:44)
le miteny ania rehefa tsy ao le finoan atsy olana e.misy izao miteny hoe "tay" nefa tsy ratsy ny sainy tsy olana izay,
le ho emial ana vao miha miditra rehefa avy mamaky boky,io samy manana ny safidiny.za koa izao de naleoko niala fa tsy nisintaka fotsiny,fa le fitaizana "toetra azotao"iny anie tsy ratsy e
10. rabilabila ( 09/10/2007 20:51)
Ianareo koa efa mahalàla ny position-ko momba ny \"finoana \" .
Ary rehefa mahita ilay famelabelarana ataon\'i ratonga aho dia mahatsiaro tampoka ilay hiran\'i Brel milaza hoe:

Moi qui n\'ai jamais prié dieu
que lorsque j\'avais mal au dents
............................
Moi qui ai prié le satan que lorsque j\'etais amoureux
..............................

Hery >>

A propos de Luther (moine),en effet ,apprécier-ko ilay démarche -ny niezaka nitsangana ,ary niziriziry tamin\'ny heviny momba ny \"réforme\" tokony ataony ao anatin\'ny eglizy : \" il suggère que la vocation de tout un chacun n’est pas de chercher Dieu mais de s’incarner dans le monde\".Parfait!!! Mais qu\'est-ce qu\'il a fait ,mitovy amin\'ny rehetra ihany , raha ny momba ny fanenjehana ny tsy mitovy hevitra aminy taty aoriana (niaraka tamin\'i Calvin).
Marihiko fa ny théorie-n\'i Luther dia miverina indrindra any amin\'ny \"Ray\" izany hoe \"ny testamenta taloha \"
Le 25 août 1538, il dit : «vous ne devez pas avoir de pitié pour les sorcières, quant à moi je les brûlerais\"

Par ces positions antisémites ,il a été utilisé par les nazis pour revendiquer leurs crimes .

I Hery moa nilaza fa namaky ny histoires des religions (6 livres dans la collection folio),sao dia tokony ampiana kely resaka siansa na philosophie ?:wink:

Teraka AT daholo isika sady niboridana , ny fanabehazan\'ny ray aman-dreny no nahatonga antsika ho kristianina na silamo , na nandàla ny fomban-drazana ( satria izay no dominant , ara-poto-kevitra, any Madagasikara ) , avy eo anjaran\'ny tsirairay no manoritra ny làlany . Sa tsy marina izany ?
Ny tiako lazaina dia ny \"tsy finoana \" dia démarche personnelle ,izay résultats -n\'ny reflexion n\'ny tsirairay (ka tsy misy tokony hanomezan-tsiny ).

Raha ny amiko manokana dia voavakiko daholo ireo boky lazainareo ireo ,sy ireo boky rehetra manaitra ny eritreritra rehetra ary miampy ny fianarana natao . Tsoriko ary tsy menatra aho ny milaza fa ny Raibeko dia Pasitera ary raha misy angamba olona lolohaviko an-tampon\'ny loha dia IZY ;satria izy dia tsy nametra mihitsy ny fanontaniana apetraka aminy ary namela anay hitady làlan-kafa raha toa izy ka tsy mahavaly ny fanontaniana .Je l\'adore pour ça , Dadabe ,pas Pasteur ,mais Dadabe .Anecdote kely fotsiny :Ny hira fanevanay mianakavy dia : Izay mahakolokolo no manana ny soa , Zahao ny tanimboly \'zay fatratra tokoa ,Jereo ireo voninkazo \'zay fatratra tokoa ...... ary ny andininy voalohany ihany ; avy eo ny tsirairay maneho ny heviny amin\'io tononkira io ,ary libre tanteraka amin\'ny interpretation-ny .:lol:


Io philosophie io foana no tiako vohizina eto amin\'ny serasera rehefa mandray anjara aho :Tsy misy olona mahalàla kokoa ny fahamarinana ,tsy misy olona mahalàla ny tokony atao (na tsy atao ) ,fa ny fahendrena ,amiko, dia ny mizara lalandava izay mba takatry ny sain\'ny tena : Io amiko ilay hoe : \" Izay mahakolokolo no manana ny soa \" Izay ihany no contribution-ko eto , raha misy manome hevitra ahy ,ka heveriko fa misy tsy ampy ,dia mitondra ny anjara birikiko aho , tsy manery n\'iza na iza aho hanaraka ny hevitro , fa manome kosa izay heveriko fa \" AUTO- DEFENSE INTELLECTUELLE \" mba tsy ahatonga ny saina ho voasasa amin\'izay hevitra rehetra mandalo( Hany ka na ny mitovy hevitra amiko aza indraindray voatery lazaiko ampahibe-maso ny tsy mapitombona ny heviny ).

Mety somary HS aho , fa tsy maninona , aty inoako fa tsy hanome tsiny ahy i Ratonga .

Misaotra.

11. ratonga ( 09/10/2007 23:32)
Misaotra anareo rehetra namaly teto @ny dinika, ho anareo izay mihevitra fa manonononompoana ny anaran’andrémantra aho dia ny voalazan’i fijo angamba no ohatra mazava sy amafisiko, ary refa tena nandinika marina aho dia to tsy nisitaka tokotrany fa tena niala mihintsy.
rabilabila:
Teraka AT daholo isika sady niboridana , ny fanabehazan'ny ray aman-dreny no nahatonga antsika ho kristianina na silamo , na nandàla ny fomban-drazana ( satria izay no dominant , ara-poto-kevitra, any Madagasikara ) , avy eo anjaran'ny tsirairay no manoritra ny làlany . Sa tsy marina izany ?
Ny tiako lazaina dia ny "tsy finoana " dia démarche personnelle ,izay résultats -n'ny reflexion n'ny tsirairay (ka tsy misy tokony hanomezan-tsiny ).

Mitovy hevitra aminao, tena tsy HS mihintsy ny resakao ka, amiko dia mazava sy mitombona ary nanampy izay tiako lazaina=D^:^
12. rijadolly ( 10/10/2007 09:31)
Fisaorana ny omeko ny Ray aman-dReny izay nampianatra ny zanany any amin'ny lalana tena izy.Inoako fa samy nisaotra tohy izany daholo isika rehetra izay nahtsapa ny soa nataon'izy ireo.Tonga marina angamba ny andro fahalehibiazana ka tsy haka hevitra any amin'izireo intsony isika ka milaza fa diso ny fitaizany.MIverena manont&any azy ireo anie raha tsy vao maika aza izy manamafy ny fitaizany taloha é.Tsy te-hanandratsy aho.Rha izany hevitrareo izany no hitazainareo ny zanakareo amin'izao fotoana izao.hoy aho hoe aza gaga raha ho avy ilay fotoana anadinan'zanakareo izany fampianarana izany aminareo.Nefa kosa raha sadaikatra ianareo hampianatra ny zanakareo izany dia hatsaharo hatreo fa izay ilay IZY.
13. pissoa ( 10/10/2007 17:22)
ratonga:

:-Dtena izay mintsy miteniteny foana :lol::lol:

sao dia teniteny foana koa ity dinika ity ?
:-D:-D:-D:-D:-D


14. rabilabila ( 10/10/2007 19:15)
Salama jiaby!!

Inona no atao hoe:"lalana tena izy " ?
Oviana no nisy nilaza fa "diso " ny fitaizany? Amiko tsy diso mihitsy ny fitaizany rehefa tsy " pensée unique " no nampianariny ,ary tsy nanao tapi-maso ny zànany izy "hihinana ilay vokatry ny arbre de la connaissance"
Ny anjaran'ny ray aman-dreny ,amiko,dia ny mametraka "balises" fa tsy "rindrina avo be " ,manome fahendrena , manome fahalalàna ( ny informations rehetra na fivavahana io na siansa na filozofy .......),manome ny zavatra rehetra ahafahan'ny zanany manovo ireo fahalalàna ireo . Ny RAD raha niteraka dia efa mahafantatra sahady fa indray andro dia hikopak'elatra ny zanany ,ka na inona na inona làlana alehan'ny zanany ,dia efa vitany ny adidy ( mety tsy ampy angamba hoy izy ) ,ary anjaran'ny zanaka ny manohy arak'izay zavatra nentina ,sy notovozina ho an'ny génération manaraka .

ARY NY FAHENDRENA DIA TSY EXCLUSIVITE N'NY MPIVAVAKA.
Aoka ho izy ireo ihany (RAD io)no hitsara rehefa mijery ireto zanany .

Misaotra.
15. naughtyboy ( 10/10/2007 20:03)
iaraha mahalala toetra voajanahary ny olmbel ny mampiasana ny akorandrika fiarovana na sehatra arabatana na fitiavana na saina (auto defense intellectuelle zao no oh. eto)@ zay zv manohitohina ny filaminany rehetra de asorina avy atrany io no nampikisaka andratonga @ fivavahana,misy milaza fa
fanasana loha tsotra zao hevitra mo terabary ka samy milaza zay mahadiavolana ny sainy,hajaina daoly izay hevitra rehetra aseho ampanajana
akotrany zv tsara rehetra notovozonyfahalalandraolmbel de efa nisy ny loharano nipoirany izy reny zay nampindrana tsika fotsiny zao rehetra zao (na fahendrena na fahalalana sns..)satria afaka 120 taona de mijanona ao ambany rangolahy
aoka alo azava fa za tsy mpitoriteny oul manazava hevitra tsotra ny position-ko @ fivavahana za ,
na de tsy mpamonjy fiangonana isak\'alahady aza za sy tsy mandalina ny baiboly de mahalala efa nisy ela ny namorona sy mikarakara izao rehetra izao,fahatsapana tany anaty io(fanahy)zay vao tonga ny saiko taty aorina fa Andriamanitra nahary io(fiandohana sy fiafarana)nony nifangaro t@ fitaizampinoana kristianina samihafa ,misy ny sedra isankarazany manamafy na manala azy io nefa de sahiko ny milaza tsy voasasa ny lohako ary tsy zioga na mafy aza ndray2 ny fandalinampinoana,fantatro fa tsy afaka ato amiko tsony fa any anaty fanahy(tsy saina akory)mandrapikipiny maso sy ny aorina zay
16. fijo ( 10/10/2007 20:14)
za vao saika hiteny.
fa nahoana no lazaina fa "misy lalana tena izy"???????inon aio lalana io????
izahay koa anie tsy nitsikera hoe ratsy ny nitaizany anay e.nahalalana ny ratsy sy ny tsara izy,fa ny finoan ano tsy arahanay,satria izahay nijery amin'ny fomba hafa kokoa noho izy.izay.
17. niryna ( 11/10/2007 04:40)
Ampianaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza ka na dia lehibe aza izy dia tsy hiala aminy io nanazarana azy io.
Atra dia manome fahasoavana ny taranaka mamdimby izay mino azy ary manozona ny taranaka mandimby izay tsy mino azy ihany koa.Izany akory tsy midika fa dia ho lasa tsy vanona ireo taranaka tsy mino rehetra ireo.Misy ilay chaine namatotra toy ilay lehilahy nofatorana chaine ngezabe ny tongony fa tsy nahaleo azy izany noho ny fanahin'ny demonia tao anatiny.Kanefa rehefa tonga kosa i kristy ka nanafaka azy tamin'ny siogan'ny satana dia tapaka ilay chaine ary tapaka hatreo koa ny fandraisan'ny satana andraikitra tamin'ny fiainan'ilay lehilahy.Toa izany ihany koa isika.Samy mandray izay tandrifiny fa ny rar tsy nanolo-bato mafana ho antsika,nikatsaka ny nahasoa antsika izy.Nahatsara antsika izany ary dia nanohy nanatona an'Atra isika,tsy nampianariny ny soratra masina moa ny sasany dia ireny indray no manapaka ilay fatotra manangeja ataon'ny satana ary lasa kristiana satria iny olona iny no manapaka ilay chaine mba ho vonjen'Atra ny taranany aty aoriana.Maro be io.Toy ireo izay nomena fahalalan'Atra kanefa nivadika.Tapaka ilay fatotra a ! Voavonjy ny fanahy ! Afaka ny gadra! Anjarantsika indray no mandimby ny tsara nataon'ny rar-ny ho an'ny taranaka mandimby!Ny faniriana dia ny ho voavonjy daholo ny fanahy saingy ny saonjo iray lohasahy tsy ilaozan'izay maningana miaka-piakarana kanjo mikodiadia lasa ary ambany ary e,misafotofoto tsy mahafantatra ny lalana tokony alehany na ny antony mahatonga azy misy fahabamgany ao amin'ny fiainany ka mahatonga azy tsy ho faly na tsy manana fo madio fa dia manana toetra negatif hatrany.oops.:D
18. ratonga ( 11/10/2007 16:20)
niryna:

Ampianaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza ka na dia lehibe aza izy dia tsy hiala aminy io nanazarana azy io.

marina io voalazanao io fa tsy ho voatery ao @ fivavahana ihany akory vô ahitana an'io fahendrena io!!!:°)
Miala tsiny aho ry niryna ra somary mivantambatana fa io resaka demonia sy chaines sy ny oe tonga ranona nanafaka azy tamin'ny siogan'ny satana dia tapaka ilay chaine, io mihintsy amiko no atao wé mitenitenifoana;-)
niryna:
misafotofoto tsy mahafantatra ny lalana tokony alehany na ny antony mahatonga azy misy fahabamgany ao amin'ny fiainany ka mahatonga azy tsy ho faly na tsy manana fo madio fa dia manana toetra negatif hatrany

ianao izany dia miheritreritra fa wé misy fahabangana ny fiainan'izay tsy mino ny inoanao, sô dia mitsaratsara fôna fahatany kosa aza izato izy:evil:
19. cutie ( 11/10/2007 17:16)
ratonga
efa lava be le tantara ato tsy arako:-D
20. ratonga ( 11/10/2007 20:21)
:lol:resaka fivavahana sy finoana ihany ato é:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0487