ovay ny famindra

1. voniala ( 08/10/2007 09:39)
mba misy tsetsatsetsa tsy haritsa kely fa mba ampio aho hiaraka hamerina azy injay:lol:aiza ve ka tsy misy henatsa ntsony izy ity fa eny rehetra eny dia hita foana:ity vehivavy miboridanjidana ity é!intony lahilahy mikavina sy be teny ratsy intony.MITARAINA NY TANY.Aiza moa no tsy maro ny zazavavy voaholana;ny zazalahy miditsa any am-poja.Tokony hiverina na hitodika mankany aoriana isika;fahiny,hono,tsy nisy voaholana izany ny vehivavy,vitsy no lehilahy voafonja(tsy manefa adidy matoa voafonja).Tsy midika akory izany hoe hiemotsa injay ary ve?...ka raha ajoso ary de ajoso ho aiza?hiboridana sy hiteniteny foana eny imason'ny olona?ka raha samy hanjoso ihany aleo HANDROSO @ FAMINDRANA FAMINDRA A!kouny é!!!!
novalian'i Jeankely ny 11/10/2007 09:59
2. ravatorano ( 08/10/2007 10:04)
fita wa !
3. Fiffi ( 08/10/2007 10:25)
fa miboridana ahoana kay zany ? :roll: heu....de ahoana zany ny bandy kely tsy mba hanaraka lamaody am mitondra kavina ? :roll::-D:-D:-D
heu...zah koh kalou tsy de tian'ireny lhl manao kavina ireny fa....(mba manaraka lamaody hono zareo eh !):wink:
4. bozyboleta ( 08/10/2007 10:46)
Zay le fandrosoana hono ko!
Efa lafo koa zao ny metatry ny lamba de ze mahatako-kenatra sisa. De zay no mahafohy ny zipo hatreny ampoto-pe, de na ny amboniny aza efa ny nono sisa no takonana fa ny kibo sy ny foitra sy ny lamosina efa tsy araka tsony fa mandany lamba.
Na ny slipy koa aza nge efa ze “tokony” sisa no takonana e!:-D

Raha ny any an-dafy aloha ngamba mety hoe tsisy zany mifampijerijery zany fa samy manao ze tiany, fa raha ny eto M/kara kosa tena mbola tsy zakan’ny sain’ny gasy mitsy ny mahita olona hafahafa zany. Hafahafa satria miavaka @ besinimaro.
Fa saingy mampatahotra satria raha mitohy zao de hivadika ny rasa fa le hafahafa ndray no mitady ho lasa besinimaro.

Ny tenin-dratsy ndray de mankalilo sofina fa tsy lehibe tsy kely samy manao daholo, ary tsisy saranga koa fa na olona mihaja zao aza de loto no mivoaka ny vavany.

5. Jeankely ( 08/10/2007 11:23)
Ny teny ratsy efa ao anaty Diksionera vaovao=))=))=)). Nisy antony io. Ny loza dia ilay manao zipo fohy tsy voaholana satria fatatry ry zalahy fa efa sahy. Avy mahita ny patiny izy dia ary amin'ny olona tsy maninona no manolana. Zava-doza tokoa. Ny sasany aza ao antrano no manolana avy mahita nofo-pe tao ivelany angamba. Tandremo ihany.
6. ari.malala ( 08/10/2007 13:11)
na ny ankizy kely aza efa ampanaovina an'ilay akanjo miboridandridana ko! ampanarahana lamaody e! hany ka rehefa lehibe izy dia toy ny zavatra normal aminy ilay miakanjo fohy kely, miboridandriidana, miseho fotra sy kibo... dia izany ve no fandrosoana? fandrosoana mankaiza?
7. Veloo ( 08/10/2007 19:49)
dia izany ve no fandrosoana? fandrosoana mankaiza?


ari mankany an-davaka aky isika raha mbola mitohy izao a:-*:-*:-*
8. Herimiafina ( 08/10/2007 19:52)
Aza omena tsiny fa pays tropicale dia miakatra aloha be ny hormone e!
tsy hitanareo angaha i Bresil, zazavavy vao 13 taona dia efa 3 anaka sady samihafa ray! :^):@
9. dongadonga ( 08/10/2007 19:59)
ka mafana ny andro ko:{:{
10. ari.malala ( 09/10/2007 07:36)
d raha mafnaa ve ny andro de miborodaka an-dalam-be?
11. ravatorano ( 09/10/2007 10:34)
izany no antsoina hoe fandrosoana amin'izao fotoaan izao raha tsy manao an'izany ianao,na ny tanora ankehitriny na vavy na lahy dia antsoina hoe"tsy maaraka", ny ray amandreny izay tsy mamapanao na misakana ny zananay tsy hanaraka an'ireny moa dia valian'ny zanany tsotra hoe tena tsy maharaka nareo izany ange ry Dadabe ravatorano e ! aiza ary zany !
dia maro no tankina tsy mahateny fa dia tonga amin'ilay fitenenana hoe ho aiza moa e efa zao no fandrosoana koa dia araho arabakiteny eo e !
manahirana ihany izy ity e
sarotra ny mijery tena ka vao maika v hijery n olokafa indray ,
12. Antsatnk ( 09/10/2007 11:05)
Ka izany no anstoina hoe fandrosoana hono kou!Samy manana ny fandrosoany koa io fa na izany na tsy izany tsy mety aloha ireny eh!Sa tsy izany!!!
13. bozyboleta ( 09/10/2007 11:40)
Tsy koi na lazaina tsy maharaka aza. Tsy ny fanaovana an’reny fitafiana tsy maotina reny akory no ilazana fa mandroso. Diso hevitra beeeeeeee!
Raha mbola RAD gasy normaly de tsy hanaiky ny hanaovan’ny zanany an’reny boridandridana reny. Misy ny an’ny sasany atao ary ambany be ary le pataloha mba ampisehoana le tatoo ao @ ambany lamosina ao nefa efa miseho mihitsy le tataka ao aoriana ao.
Marikoriko aza ny mijery azy nefa izy mihevitra fa milay. Zany miakatra ny bus zany moa, aoka fotsiny…
Ary mahagaga koa fa misy efa vavy antitra efa version plissée mbola manao akanjo hatreny ampoto-pe sy zemanfou ihany. Te-ho tanora fa tanora lany andro!!! De ahoana no ahaizan’ireny miteny ny zanany nefa aza izy manao?
Mba misy zavatra sahaza ny taona fa tsy hoe lamaody de nde hatao.
Zay mantsy le fakana tahaka be fahatany de ny farany manaonao foana.
14. ari.malala ( 09/10/2007 12:48)
ka izay mantsy! za aleoko mints tenenina hoe ts maharaka toy izay hanao an'ity fatin-draha tsy manendrika rehetra ity! Fa ny mahagaga ahy dia izao, ny ray aman-dreny @ zao fotoana izao v tsy manana autorité am zanany tsony sa aona, satria raha mamaky ny voalazan'i zoky Ravatorano aho dia toa manaraka am-bokony sy manaiky izay tenenin'ny ankizy zany ny RAD amzao fotoan izao?
mantsy i zoky Ravatorano hoe:
ny ray amandreny izay tsy mamapanao na misakana ny zananay tsy hanaraka an'ireny moa dia valian'ny zanany tsotra hoe tena tsy maharaka nareo izany ange ry Dadabe ravatorano e ! aiza ary zany !
dia maro no tankina tsy mahateny fa dia tonga amin'ilay fitenenana hoe ho aiza moa e efa zao no fandrosoana koa dia araho arabakiteny eo e !
15. Herimiafina ( 09/10/2007 21:54)
dia izany ve ny fandrosoana? fandrosoana makaiza?


Tsy misy idiran'ny fandrosoana mihintsy amiko ny fomba fiakanjo.
Olana avy amin'ny ado io. Rehefa ado ianao dia manan toe-tsaina rebelle kely izay sady manambany ny atolotra rehetra fa mankafy izay rehetra heverina ho voarara, manao tsy maty manota sady tia miantso ny fijerin'ny rehetra (centre du monde), anti-social kely ary manao izay rehetra heverina ho mampiavaka amin'ny sarababem-bahoaka.

Voaporofo ara-psykolojika io fa ny faritra mandrindra ny rationalité na ny raison ao amin'ny atidoha (manaraka ny tapi-kandrina) no mbola tsy ary tsara ary tsy mikambana tsara raha tsy any amin'ny 20 taona mihoatra ilay adolescent. :^):@
16. LazaDaddy ( 10/10/2007 00:59)
voniala> mahonena tokoa io toe-javatra io kanefa dia amporisihin'ny fiarahamonina, ny gazety sy filazam-baovao isan-karazany.

bozyboleta> tsy mendrika io na aiza na aiza, na Madagasikara na any ivelany. http://www.click2houston.com/news/14284329/detail.html ohatra izao ny zava-mamoa fady nivoaka tany Houston t@ Asabotsy lasa teo. Ankizy 12-15 taona mamoa fady ao an-dakilasy eo anatrehan'ny besinimaro :evil:
17. niainalynx ( 10/10/2007 10:08)
Ny ahy tsotra be no valiny : na fandrosoana na tsia, rehefa tsy mety amin'ny toetsaiko sy toepanahiko ary ny fiainako manontolo dia tsy ataoko e ! Tsy mampaninona ahy ny atao hoe tsy maharaka satria mety amiko zany fa ny olona no tsy mahazaka ny tiako e ! Sa Ahoana?
18. xxx ( 10/10/2007 14:21)
Hay ve mba misy mitovy fijery sahala amin'izao ihany isika ato. Mahafinaritra.
Taloha rehefa misy resaka sahala amin'izao dia mianga avy any ry tovovavy isany ny ekipany rehetra mamely manao hoe: "tery saina e", "tsy te hivoatra e" sy ny sisa e.
19. Veloo ( 10/10/2007 18:17)
Tsy misy idiran'ny fandrosoana mihintsy amiko ny fomba fiakanjo.


za ndray dia tsy manaiky an;io
20. pissoa ( 10/10/2007 18:53)
xxx : :-D:-D:-D

Eny hoy aho Ramalagasy, Malagasy be fivoarana ... :-D:-D:-D

ilay jereo eto nomen'i LazaDaddy koa tena :^):^):^) :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1952