Ny fanahin'ny fahamarinana.
21. soanja
(
14/10/2007 13:47)
niryna:
soanja marina izany fa Atra irery no mahalala ny ao am-po tsy miafona.Fa amiko azo raisina amin'ilay fanoharana ihany koa ireo teneniko ireo ka.
Ohatra ihany koa izao ary hiaraha-mahalala ny sampy,ireo olona mpanankarena any amintsika ,sy ireo mpanampy ny fiangonana dia manao alafaditra sy mamono omby eo amin'ny fasana ary feno ra eny ambony fasana.Mandray roa izany ny kristiana,mivavaka ,dia avy eo manao sampy.Kanefa efa voalazan'ny baiboly ilay izy.
dia ahoana ny saina sy ny eritreritra hiatrika amin'Atra amin'izany?
Tsy mety azon'i Niryna ny teniko.
Raha hanompo sampy ianao dia tsy mety izany e. Tsy eken'Andriamanitra izany. Mazava ny fahamarinan'Andriamanitra amin'izany. Na Andriamanitra na sampy fa tsy mandray roa.
Ny randrana no resahiko eto no tiako omenao fanazavana amiko raha mazoto i Niryna.
Tokony hirandrana ve ny olona iray sa tsia?
22. prime
(
15/10/2007 12:46)
soanja> ny fahitako azy dia mandray roa ny tenin'Andriamanitra raha mikasika ny "randrana"...
Ny resaka randrana ankoatr'izay toa tsy dia manisy olana izany loatra ny tenin'Andriamanitra...
Ka marina tokoa fa tsy anjaran'ny hafa ny mitsara ny antony hirandranana fa ilay mpino no mila mandinin-tena lalina tokoa... raha tsy mino moa dia mazava ho azy fa na hirandrana izy na hanao haingo manao ahoana mbola hisy fotoana iantsoan'Andriamanitra azy...:)
- ny iray efa nambarako fa mikasika ny "fomba" fanompoana sampy izay anisan'ny fady iray mihitsy ny tsy firandranana rehefa manao asa fanompoana na miantso fanahy sns...
- ny faharoa dia ny resaka fijejojejoana nentin'ny apostoly sy ny mpianatra nananarana ny mpino, mba hifantoka amin'ilay tena "anaty" fa tsy ho variana amin'ilay tena "ivelany"...
Ny resaka randrana ankoatr'izay toa tsy dia manisy olana izany loatra ny tenin'Andriamanitra...
Ka marina tokoa fa tsy anjaran'ny hafa ny mitsara ny antony hirandranana fa ilay mpino no mila mandinin-tena lalina tokoa... raha tsy mino moa dia mazava ho azy fa na hirandrana izy na hanao haingo manao ahoana mbola hisy fotoana iantsoan'Andriamanitra azy...:)
23. soanja
(
16/10/2007 13:40)
Hazavao kely anie ry PRIME le mandray roa fa ny mandray roa na oka na tsy oka sa samy tsy ok ?
Amiko mantsy tsy volazanao ny hoe mirandrana ilay zazavavy na vehivavy satria mila randranina ny vola noho ny hateviny loatra ka lasa mandany fotoana refe amifoha handeha hiasa na hianatra. Tsy tafiditra ao anatin'io ny hajejoana sy ny fanompoantsampy. Io ny ahy no fanontaniako. Ok sa tsy ok ve io raha amin'ny mahaKristianina.
Izay no ilazako hoe jereo akaiky ny resaka kolotsaina a anaty baiboly raha tany Israely ohatra de tsy nilaina io satria malama ny volony ary mora hogona. Noho izany fijejoana ny firandranana fa tsy zavatra ilaina hanamorana ny fiainana.
Ny fisainana entina hanompoana an'Andriamanitra no zavadehibe! zany hoe izy irery ihany no mahalala izay any anatin'ny tsirairay ary ny fahamarinana dia Azy irery ihany.
Ny tsoaka tiako alaina dia hoe ny fahamarinanana atoron'ny Fanahy no araho sy banjino ary aza manahy ny an'ny hafa satria hafa ny fisehony any amin'ny hafa. Tsy nataon'Andriamanitra mitovy tanteraka isika mianakavy ary Izy irery ihany no mahalala ilay nohariany.
Amintsika lalandava anie ny Fanahin'Izy Tompo ho torolalana mahasoa.

24. prime
(
17/10/2007 10:11)
soanja:... ireo mandray roa nolazaiko ireo no tsy ankasitrahan'ny tenin'Andriamanitra... firandranana noho ny fanompoan-tsampy sy ny fijejojejoana... mitovy hevitra angamba isika eo...
Hazavao kely anie ry PRIME le mandray roa fa ny mandray roa na oka na tsy oka sa samy tsy ok ?
soanja:... etoana dia mbola mitovy koa ny voalazantsika fa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mametra ny antony irandranana ankoatra iretsy voalaza etsy ambony... valiny raha tianao ho fantatra kokoa tamin'ny nambarako dia : ok...
Amiko mantsy tsy volazanao ny hoe mirandrana ilay zazavavy na vehivavy satria mila randranina ny vola noho ny hateviny loatra ka lasa mandany fotoana refe amifoha handeha hiasa na hianatra. Tsy tafiditra ao anatin'io ny hajejoana sy ny fanompoantsampy. Io ny ahy no fanontaniako. Ok sa tsy ok ve io raha amin'ny mahaKristianina.
soanja:... itoviako hevitra tanteraka satria tsy nofaritan'ny soratra masina fa efa nambarako... ireo lafiny roa nolazaiko ireo ihany no voalazan'ny soratra masina tsy ankasitrahan'Andriamanitra (na dia tsy dia tena lalàna feno aza hoe tsy azo atao mihitsy), ny ankoatr'izay dia araka ny fitarihan'ny fanahy masina ny mpino tsirairay...:)