Ny fanahin'ny fahamarinana.

1. soanja ( 07/10/2007 15:20)
Amiko dia very aho raha hikatsaka amin'ny fahamarinana amin'ny saiko.
Ny fomba hikatsahako ny Fahamarinana dia amin'ny lalan'ny fitaritan'ny fanahy.
Satria efa nomen'Andriamniatra torolalana isika hikatsaka io fahamarinana io:
Dia ilay Jesoa, Fanahy!
Katsaho Jesoa fa izy hanoro anao ny Fahamarinana. Ao aminy ny fanahin'ny fahamarinana.
novalian'i prime ny 17/10/2007 10:11
2. sipagasy ( 07/10/2007 15:54)
Marina fa izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana, fa izoa e! raha mandika ny baiboly izany satia ao ny boky loharanon'izany dia midika fa tsy mandeha am-pahamarinana??
3. ikaretsaka ( 07/10/2007 16:01)
"I found that I believed in the action of the Holy Spirit, but in a limited sphere; in me the Spirit could not call forth from the organ all the melody he wished; some of the pipes did not function, because they had not been used."

"Tsapako fa mino ny Asan'ny Fanahy Masina aho, saingy somary voafetra ihany, Io Fanahy ato amiko io , dia tsy mahahira ny hira sy ny naoty rehetra amina zava maneno anakiray araka izay notadiaviny, misy notes tsy nandeha mihitsy, satria tsy mbola nampiasaina"
Jean Paul 2

Seek not to understand that you may believe, but believe that you may understand.

"Aza mieritreritra ny hahazo sy hi compre aloha vao hino, fa minoa aloha vao hahazo sy mi compre"
St Augustin
4. kalina80 ( 07/10/2007 18:57)
Marina tokoa izany , mila marina @ alalan'ny fanahy isika fa tsy @ alalan'ny saina
5. ikaretsaka ( 07/10/2007 19:29)
sipagasy:

Marina fa izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana, fa izoa e! raha mandika ny baiboly izany satia ao ny boky loharanon'izany dia midika fa tsy mandeha am-pahamarinana??

mandika hoe mi copier sa mandika hoe tsy manaraka?
Amiko aloha dia tsy ny baiboly loatra ihany no loharanon'izany fahamarinana sy fiainana, fa "IZY (A/tra) MIHITSY".
raha IZY no dikaina dia izay no tena tsy mety raha amin'ny conscience.
ny @ mandika ny teniny manko, misy teniny BEDABE tsy voalaza ao anaty baiboly koa (na izao tontolo izao aza hono tsy ho ampy hanoratana azy ) , ka iny dia anjaranao no mieritreritra, miaraka @ finoanao, sy ny conscience-nao

6. salmo1 ( 07/10/2007 19:57)
Raha olona tsy mpino, inn no hataonao? kanefa izy aza milaza fa tsisy nininn ao ambadikiny fahafatesana, zany oe: ny fanahy aminy manokana dia tsy misy = Zero.

Kanefa betsaka ireny olona ireny dia manana ny atao oe: fahamarinana ihany, noho ireo mpande mivavaka isakiny Alahady.

zah mpino ah, fa saingy ny akabeazany namako d tsy mirara lôtra an-le ao Ambony :lol: ^:^
Mba manana akama mpino ihany aho aty fa tena ny akamaroany dia feno fitsarambelatsihy no betsaka aminy. Zany oe: tao hitako tsara fanahy kokoa ny tsy mpino noho ny mpino amin'ny lafony ray :lol:
Kanefa izy ireny dia vokisan'ny Tenin'Andriamanitra isan'andro.

Izao fotsiny e. Isika rehetra tsy misy tanteraka, na salama sy manakarena be aza isika. Ny ahy fotsiny dia izao: manaova ny tsara dia minoa Azy dia izay angamba dia mety havonjy antsika.

La Biblia dice: Ary amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana.
7. pissoa ( 07/10/2007 20:05)
amen :-D:-D:-D
8. soanja ( 07/10/2007 21:12)
ikaretsaka:

"I found that I believed in the action of the Holy Spirit, but in a limited sphere; in me the Spirit could not call forth from the organ all the melody he wished; some of the pipes did not function, because they had not been used."

"Tsapako fa mino ny Asan'ny Fanahy Masina aho, saingy somary voafetra ihany, Io Fanahy ato amiko io , dia tsy mahahira ny hira sy ny naoty rehetra amina zava maneno anakiray araka izay notadiaviny, misy notes tsy nandeha mihitsy, satria tsy mbola nampiasaina"
Jean Paul 2

Seek not to understand that you may believe, but believe that you may understand.

"Aza mieritreritra ny hahazo sy hi compre aloha vao hino, fa minoa aloha vao hahazo sy mi compre"
St Augustin

Azavao kely anie Ranadahy fa somary misy tsy azoko ny tianao lazaina . Misaotra mialoha.

9. ikaretsaka ( 08/10/2007 02:27)
soanja: raha tsy ampiasaina ny fanahy masina dia lasa "limited sphere" ianao e! let it work on you! avelao izy "hitendry ny notes rehetra"!
io ilay hoe Andriamanitra tsy manampy ny tsy manampy ny tenany moa sa ahoana ilay ohabolana iny?

10. prime ( 08/10/2007 12:41)
Marina io lazain'i soanja io, sady tsy analàna no tsy anampiana... Jesosy mihitsy no fahamarinana, Izy rahateo no niteny an'izany... ka ny "inverse" dia azo tohizana na dia tsy voasoratra aza... tsy vitan'ny hoe fahamarinana fotsiny Izy, fa sady lalana ihany koa no fiainana mankany amin'Andriamanitra Ray...

soanja> ny manahirana amin'ny teny gasy fotsiny dia tsy mazava tsara fa mila miverina any amin'ny teny fototra niaingany ilay teny...

Ny fahamarinana io mantsy dia misy heviny maro raha ny soratra masina no jerena, indray maka Jesosy no niteny: "aoka ho marina ianareo raha mitsara...", fahamarinana iray io fa "justice" no mahalaza azy kokoa... etsy ankilany indray Kristy mampianatra momba ny fahamarinana hoe raha marina amin'ny kely indrindra dia ho marina amin'ny lehibe ihany koa, sady misy resaka fitokisana ao no misy resaka marina="honnêteté" raha fitantanana no itondràn'ny Tompo ny fampianarana... ary raha miteny Izy hoe "Izaho no... fahamarinana..." dia tena ilay "vérité absolue" mihitsy no tsindriany amin'ny maha-Andriamanitra Azy koa...

Izany hoe raha miresaka "fahamarinana" ara-teny malagasy dia tsara raha miverina amin'ny teny fototra fa tsy "vérité" ihany no lazain'ny soratra masina, fa "honnêteté" sy "justice" ihany koa ary mbola mety hisy heviny hafa aza... tsy mifanohitra akory fa mifameno saingy samihafa hevitra fototra...
11. Rasiligaoma ( 08/10/2007 14:18)
izay izany: mba honnette dia ampiasao foana ny marina fa aza variana mamitak'olona
12. soanja ( 09/10/2007 05:31)
Prime> miankina amin'ny zavatra resahina foana ka. Tsy maintsy ho voatondro ao hoe inona no marina amin'iny ka amiko tsy ny teny na vocabulaire no olana amin'io fa ny fisainana ao anatiny tokony hanana lojika hoe inona ny marina raha efa nofaritana ny atao hoe marina rehatra azon'ny be sy ny maro.

Ny hany olana kely fotsiny amiko rah resaka baiboly azafady raha miditra kely amin'io dia ny tsy fifandanjan'ny fahamarinana amin'ny resaka kolotoraly sy ny finoana ka zary mampisahotaka ny be sy ny maro. Amin'iny sarotra be ny mahita ny marina satria ny tantara nitranga tao Israel nefa ny zavatra ampiharina ao Afrika ohatra.
ex. raisiko amin'izany dia ny resaka randram-bolo. Tsy tsara ny mirandrana ao anaty baiboly, voalaza ao tokoa izany fa amin'ny fomba hafa, nefa ny vehivavy Afrikana tena mila mirandrana satria sarotra hogona be ny volony. De aiza ny marina eo???
Io no antony mila fakana fandanjalanjana ny marina ka ny fitarihan'ny Fanahy Masina ihany no hanome fanazavana momba an'io amin'ny tsirairay.
13. prime ( 10/10/2007 07:54)
soanja> manaiky ny nambaranao aho kah... fa ny tiako nomarihana fotsiny, raha resaka fahamarinana ara-pitsaràna na ara-pitantanana no isehoan'ny tranga iray dia mitombina tanteraka ny voalazanao satria afaka mandinika "ara-lojika" na "fisainana anaty" hoy ianao (eo ambany fiahian'ny fanahy masina mazava ho azy)... io mantsy raha mbola alalinina kokoa dia mihamanatona ilay filozofia malagasy momba ny "rariny sy ny hitsiny"... ka tsy resaka lahabolana no tena tiako ahatongavana fa ilay hevitra fototra mihitsy...

fa ilay fahamarinana resahin'i Kristy hoe "Izaho no... fahamarinana..." tena fahafenoana feno, tsy analàna, tsy anampiana... ka azo ampanarahana kolon-tsaina sy fivoarana araka ny toetr'andro fa Andriamanitra manambara ny mahaIzy Azy ka na ny olombelona mino na tsy mino...

Mikasika ny fifandrindran'ny kolon-tsaina amin'ny voalazan'ny baiboly dia ekena fa varavarana misokatra ho amin'ny adihevitra tokoa izany... saingy raha tena alalinina ny baiboly dia tsy manitsakitsaka velively mihitsy ny kolon-tsaina... ny tena olana mikasika an'io (raha ny fahitako azy) dia raha kolon-tsaina manitsaka ny voninahitr'Andriamanitra no manahirana ny mampiharina azy... milaza ohatra mikasika ny firandranan'ny vehivavy moa ianao, raha toa ka resaka "commodité" na "hygiène" hoe sarotra fihogoana sns... toa tsy misy olana loatra angamba fa ny nahatonga ny soratra masina nanindry ny momba an'iny ohatra dia resaka finoana mihitsy... fa ny amin'ny fomba amam-panao sy ny fanompoam-panahy (eto Madagasikara mikasika ny vazimba, kalanoro, fanahin'andriana... ohatra fotsiny) eny amin'ny doany sy ny toerana masina samihafa dia misy antony ara-panahy mihitsy ny firandranana... mba manatreha ianao alahamady be na fanompoam-be na fitampoha dia ho azonao ny tiako ambara... ary ny tena mahasaropiaro an'Andriamanitra indrindra (manomboka any amin'ny bokin'ny genesisy ka hatrany amin'ny apokalipsy) dia ny fanompoan-tsampy... tsy mandefitra mihitsy Andriamanitra ny amin'io (crime de lèse-majesté) ny amin'ny fampitoviana Azy amin'ny zavatra nohariany na ny fampirafesana Azy amin'ny sampy... fa na ny zanak'Israely, olom-boafidy sy firenena masina aza tsy ananan'Andriamanitra fiantràna mihitsy ny amin'io rehefa mivadika Aminy...
14. soanja ( 10/10/2007 14:51)
Prime> Izay indrindra mantsy ry Prime e.

Tsy ny ety ivelany ny zava-dehibe fa ny intention n'ilay olona raha manao zavatra iray izay ka izy irery ihany no mahalala na marina takian'Andriamanitra aminy ve io sa ilay mahamety ny fony ka hanompoany zavatra hafa, toy ny sampy ohatra.
Ny ao anaty no zavadehibe ary hita taratra ety ivelany.

Fa raha hirandrana izy satria handeha hianatra dia tsy hitako ny olana. Nefa milaza aminao aho fa firifiry moa ny ankizy vavy bedy raha manao izany izy satria tsy mifanaraka amin'ny finoana iraisana.
Amiko izay tsy voatery intsony miankina amin'ny abidian'ny baiboly ny tian'Andriamanitra hiainantsika fa ny foto-keviny dia efa hhaintsika. Ny Fanahy Masina hitarika antsika dia ho tody amin'ny Fahamarianana ao amin'ny kristy isika!
15. fijo ( 10/10/2007 20:59)
ekeko tokoa ilay "intention"amin'ny zavatra atao.fa io tsy voatery hoe marina eo anatrehan'andriamanitra ve????tsy voatery ho marina aminyvao hotsapako hoe tsara.
16. fijo ( 10/10/2007 21:00)
ohatra,ny mpino integrista raha mamono olon aizy"silamo io na kristianina"aminy dia marina eo anatrehan'andriamanitra iny.fa amiko tsy marina amiko io na marina aminy aza
17. prime ( 11/10/2007 10:11)
fijo> mitombina tsara ny fanamarihan'ise... fahiny ny zanak'Israely dia tsy mandroso an'ady raha tsy manao fanatitra dorana manoloana ny tany fiadiana ary iay bako raisina avy amin'Andriamanitra eo dia tanterahina ara-bakiteny... (teo no nahavoa an'i Saoly mpanjaka ka nialan'Andriamanitra taminy na dia Andriamanitra mihitsy aza no nanosotra azy ho mpanjaka)
18. niryna ( 13/10/2007 05:48)
soanja:

Prime> miankina amin'ny zavatra resahina foana ka. Tsy maintsy ho voatondro ao hoe inona no marina amin'iny ka amiko tsy ny teny na vocabulaire no olana amin'io fa ny fisainana ao anatiny tokony hanana lojika hoe inona ny marina raha efa nofaritana ny atao hoe marina rehatra azon'ny be sy ny maro.
ka ilay lojikan'ny zanak'olombelona anie efa tsy manaraka ny baiboly intsony e.Efa milaza ohatra ny olona kristiana ankehitriny hoe manana ny fahalalany daholo ny olona dia aty amintsika no tena betsaka an'io.Dia miditra hatrany @ politika ilay izy satria tiana hofidiana ireo olona dia manaiky,dia lasa mivoana daholo.Raha ny tena moa no voan'izany tsy ho mora fa dia asa no atao sady mivavaka ireo izay voan'izany.
Ohatra hoe ao anaty baiboly:nampiraisin'Atra ny lahy sy ny vavy,tsy nisy resaka mihitsy ao hoe olona mitovy ,norarany ny lahy manambady lahy,ny vavy manambady vavy,ny olona manambady biby.Efa fantany izany ary efa nataon'ireo taranaka taloha fa tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra izay manao izany kanefa dia vao maika feno ka na ny fiangonana avy aza dia manaiky an'izany,mitso-drano ireo atao mariazy,tsy sahy miteny izany ao anaty toriteny fa sao lasa ireo olona ireo,milahatra ireo tsy mahazo misoratra,mihazakazaka manatona izay state manaiky izany:cry:.Lasa mivoana izany ilay izy.Fahafahana moa ilay izy Dia tena sarotra tokoa ka asa na fanahy inona no hiditra amin'izany na fahamarinana ahoana fa dia anjaran'ny tsirairay no mitady izay mahafaly sy ahazoany ny fanjakan'ny lanitra.Miteny fotsiny raha mahazo miteny fa izay mihaino sy manaiky moa dia izy ihany no ahazo tombotsoa.Ny marina rehetra koa moa mandratra sy manahirana.
Ohatra iray ihany io.Ao ny pantaloha,miankina ny toerana io,miankina ny fo mifona sy mitory an'Atra io .Ny pantaloha tiako ho tenenina eto dia ny hoe raha akanjo mifinjifinjy kosa ve no hoentina hiditra ny fiangonana tsy hanome fakam-panahy ny hafa hianao?Tsy misy maharatsy ny pantaloha intsony,mangatsiaka ny andro,manao pantaloha double aza indraindray.Saingy ny lalana dia natao ary ny mahalala ny lalana izany dia tokony manaraka ny lalana,ny tsy mahalala dia ny asa ataony no hitsarana azy.Ny saina no mahalala ny tsara sy ny ratsy,ny tokony atao sy ny tsia.
Toy izany ihany koa ny mifady sakafo,efa notenenin'i Kristy izany fa efa nomena tso-drano isika.Izay mivoaka ao amin'ny fo no maloto hoy izy fa tsy izay miditra ny vava kanefa hatramin'izao dia mbola maro no milaza fa maloto ny kisoa.Alefaso aty ihinanay azy ny pork-chop ohatra ho an'ireo izay tsy mihinana.:miam::miam:

19. soanja ( 13/10/2007 22:08)
niryna:

Mety tsy azon'i Niryna ny tiako resahina.

Ny marina resahiko eto dia ny marina resahin'i baiboly, ny fahamarinana izay eritreretintsika Krsitianina fa nosoritan'Andriamanitra harahintsika , izay ao anaty baiboly. Tsy miresaka fahamarinana (ethics sns) hafa ankoatr'izay aho eto.

Zany hoe raha efa mpamaky an'io baiboly io foana i Niryna dia tsy hametraka fanontaniana lava intsony na afaka manambady ny mitovy fitaovam-pananahana na tsia. Noho izany tsy hiresaka ny fahamarinana heverin'ny olombelona miala ny baiboly aho fa ny fahamarinana voalazan'ny baiboly no resahina eto.

Ny tiako resahina dia hoe raha hirandrana aho dia misy lojika ao hoe satria tiako hilamina ny voloko, tsy hanampotoana handradrana isanandro na hiogo volo lava aho satria makiana ny voloko, mahatsara tarehy ahy ny voloko mirandrana sns zany hoe hevitr'olombelona io, inona anefa no lazain'i baiboly eo no resahiko momba ny firandranana??
Fa raha hirandrana aho fa hisy fanompoana na fitampoha androany dia eo no resakay sy Prime? azondry?
Ny saina entinao na nanomananao hiatrehana zavatra anakiray no zavadehibe amin'ny zava-drehetra satria iny Anndriamanitra irery no mahalala an'iny fa tsy isika no hitsara ivelany.

20. niryna ( 14/10/2007 05:30)
soanja marina izany fa Atra irery no mahalala ny ao am-po tsy miafona.Fa amiko azo raisina amin'ilay fanoharana ihany koa ireo teneniko ireo ka.
Ohatra ihany koa izao ary hiaraha-mahalala ny sampy,ireo olona mpanankarena any amintsika ,sy ireo mpanampy ny fiangonana dia manao alafaditra sy mamono omby eo amin'ny fasana ary feno ra eny ambony fasana.Mandray roa izany ny kristiana,mivavaka ,dia avy eo manao sampy.Kanefa efa voalazan'ny baiboly ilay izy.
dia ahoana ny saina sy ny eritreritra hiatrika amin'Atra amin'izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0503