Oniversité tsara indrindra!!!!

41. Herimiafina ( 10/10/2007 05:41)
Jeankely:

Ny zanatany Frantsay dia tia hiaro an'io Renimalala io @ lafiny rehetra.


Efa tsy dia mitombina intsony angamba io amin'izao vanin'andro izao kah. Jereo ireny zavatra nitranga tany Cote d'Ivoara ireny miampy ny fimenomenoman'ny olona avy amin'ny zanatany frantsay fahiny, ireny filazana nataon'ny mpitondra frantsay ireny momba ny zavatra tsara nentin'ny fanjanahantany, izay nokianin'ny manampahaizana amerikana momba ny sosialy izay nahita fa tsy nitondra afatsy vokadratsy ny fanjanahantany raha ny resaka soutien au développement socio-ekonomika no jerena, noho ireo lazaina hoe toetra (structure) izay nolovain'ireo mpitondra taty aoriana ary mbola tsy nisolo hatramin'izao. sns.

Mbola anisan'ny structure goavana tafapetraka ihany koa ny hoe "des générations de psycho-nevrosés" na raha adika "ireo soavaly tapa-kofehin'ny fanjanahantany", izay karazan'olona nampandoalihana sy nohambaniana lava ka mibolila rehefa tafavoaka ny tsindry azo lena nahazo azy nandritry ny 60 taona mahery, ary mamerina ny fomba nitaizana azy tao anatin'ny colonialisma amin'ireo zanaka amanjafiny. Miteraka karazan'olona kanosa, mandefitra lava, sarokenatra ary matahotra ny ho bedy isaky ny manana heritreritra hanao zavatra.

Izay sy izay no voatanisa tamin'ilay colloque iray izay momba ny vokadratsin'ny fanjanahantany raha bangoina eto mahatonga io fisitahana amin'i LaFrantsa io. miala tsiny fa nivoana kely fa amin'ny manaraka atao sujet hafa mihintsy! :^):@


42. bozyboleta ( 10/10/2007 09:20)
Marina mitsy io lazain'i HM io.
Any Afrika toa an'i Côte d'Ivoire lazainao io efa be ny tonga saina @ voka-dratsin'ny fanjanahatany. Fa raha ny gasy de mbola tena maro koa no misolelaka sy miaro ny frantsay araky ny lazain'i Jeankely. Jereo fotsiny eto koh!:wink: Tsy omena tsiny fa tafiditra lalina le fandemen-tsaina hany ka tsy mety misokatra intsony le maso e!

29. Mpandefa : Jeankely [ Valio ] 08-10-2007 11:08:34
Lohateny : Re : Oniversité tsara indrindra!!!!
Tsy donto izany ny mpianatra nivoaka ny Université Malagasy. Porofon'izany dia mahavita fianara tsara ny zaza avy eny rehefa manohy an-dafy. Ny hafa nianatra t@ lazaina katraka aza mbola be no verezin'ny mpianatra Malagasy. Izaho mino fa raha mivoatra ara-pitaovana dia manana zaza mahavoabe ny tanana. Samy mahita fa azo atao aoriana ny zana-bazaha rehefa miaraka mianatra. Sa ahoana indray?

Za miombon-kevitra aminao jeankely.
Efa nisy ihany resaka nilazako teto fa raha tena hianatra marina no ialan'ny gasy eto M/kara de tsy any Frantsa mitsy no alehany. Ary @ zao de efa tena betsaka ny gasy tafiditra any @ ireny University malaza ireny.
43. xxx ( 10/10/2007 09:42)
bozyboleta:


Efa nisy ihany resaka nilazako teto fa raha tena hianatra marina no ialan'ny gasy eto M/kara de tsy any Frantsa mitsy no alehany. Ary @ zao de efa tena betsaka ny gasy tafiditra any @ ireny University malaza ireny.



Mety ho marina daholo izany fa ilay moyens koa manery ny mpianatra malagasy ho any Frantsa . Mila vola BE DIA BE anie ve tafiditra @ ireny université any US ireny e, ny ao Frantsa mety moramora kokoa, na dia ny 1ère installation fotsiny aza, afaka mifanampy @ havana efa mba ao na ohatr'izany
44. bozyboleta ( 10/10/2007 11:03)
Eeee!
De ny ankamaroany mi-fail avy eo.
Ny ankamaroan’reo lazaiko hoe tena vonona hianatra de maka Masters aty aloha avy eo manao 3e Cycle any ivelany. Sahy miteny za fa tena mora ny ahitana University any ivelany @ io ary tsy mila vola be.
45. Herimiafina ( 11/10/2007 03:14)
Ny faritra francophone any amerika avaratra izay miteny frantsay no sady mbola mora kokoa ny ecolage amin'ny oniversité dia ny province an'i Québec.
Ny fianarana dia teny frantsay sy aglisy fa ny systèeme dia système amerikana ary reconnus n'aiza n'aiza erak'i Amerika ny diplaoma (Ny fianarana ho dokotera no raisiko ohatra eto).

Volabe tokoa ny mianatra amin'ny oniversité amerikana izany saingy ny tsara fantarina dia misy zavatra azo hangatahana betsaka mba hampihena ny vola haloha sy hahatakaran'ny tia fianarana izany.

Misy ny stipend, ny alumni, ny assistanship, sns, na ny fangatahana hiditra chaire de recherche sady mianatra.
46. Herimiafina ( 11/10/2007 03:15)
Ity misy iray ohatra, na dia efa somary tarata aza fa miala tsiny!

Harvard University/The Harvard Academy for international and area studies Bourses Ira Kukin et du Pew Charitable Trusts.

Clientèle cible : Doctorat.
Montant : US$25,000.
Date limite : 15 Octobre 2007.
Domaine(s) d'étude(s) : Sciences Sociales.
Nombre de bourses : 4 à 6.

Renseignements et formulaires :
www.wcfia.harvard.edu/academy

Admissibilité :
Aucune restriction quant à la citoyenneté; provenir d'une université accréditée par Harvard; être prêt à poursuivre des études doctorales à l'université de Harvard dans un programme visant les personnes engagées dans une carrière universitaire axée par le moyen de l'un ou l'autre des sciences sciales sur l'étude d'une région particulière du monde.

Critères de selection :
Fournir un curriculum vitae, une liste de publication et un relevé de notes officiel; faire un exposé d'au plus 1 000 mots du projet et des objectifs de la recherche; faire un exposé d'au plus de 500 mots sur l'impact de l'admission à l'Académie sur l'évolution de la carrière.

Adresse:
The Academy Scholars Program
Center for International Affairs
603 Coolidge Hall
1737 Cambridge Street
Cambridge, MA 02138 USA
Téléphone : (617) 495-2137.

Dia mazotoa izay hanao! :^):@
47. Papoose ( 11/10/2007 06:15)
fa maninona aza no nataony olona hanao doctorat ihany:roll:
48. Jeankely ( 11/10/2007 08:28)
Edrey re ry Papoose ee! Ny fiainana dia Win-Win. Tsy fantarao ve fa mahazo ny research nataonao izy ary ianao nahazo vatsimpianarana. Fa iza no milaza aminao fa dia ny fanolorana vatsimpianarana dia midika fa asa soa fotsiny dia lasa ianao mody rehefa vita ny fianaranao? Misy takalony ny rehetra. Na any Madagasikara aza dia betsaka no miteny hoe ho karamaina ve ny ankizy hianatra rehefa mangataka fampisondrotana vatsimpianarana ny tanora. Satria tsy fantatra ny tena dikany fa dia mieritreritra fotsiny hoe mianatra sady mahazo vola. Asa na mazava ny tiako hambara na misavoana. Efa voalazan'ny teo ambony ireo fa dia tena lafo vidy ny research.
49. Papoose ( 13/10/2007 20:40)
Edrey re ry Jeankely ee!fa iza no nilaza anao fa za dia niteny fa "ny fanolorana vatsimpianarana dia midika fa asa soa fotsiny dia zah mody rehefa vitany fianarako?" Hvtrao manokana io dia tazony ho anao, na ovay ny fiteny hoe hvtrao le izy fa aza atao hoe za no nihevitra azy satria fanontaniana no napetrako.

Miombon-kvt aminao aho fa win-win ny fiainana, fa tsy mijanona eo irery, mety ho win-lose, lose-lose koa nefa arakaraka ny circumstances misy!

Mazava amiko tsara ny tianao ambara fa mahatalanjona ahy ny hvtrao mamaky diso ny eritreritro angamba raha izay no mora ilazana azy, mba fanontaniana iny ny ahy. Fantatro koa fa lafo ny research, ary tena lafo vidy fa ny tiko ahatongavana dia mba nataoko arak'izay tratrako ny application raha tsy doctorat no teo!:wink:
50. Jeankely ( 17/10/2007 07:13)
Misaotra ry Papoose ooo. Win-Win rehefa mahay fa rehefa tsy mahay manararaotra ny fahasoavana (Opportunity) tonga dia anjarany ny azy. Ka ianao tsinona nanontany hoe fa manino no Doctorat ihany no mahazo.
Raha mahay ianao mba valio fa tsy arako satria ny French system dia Bacc, licence, maitrise, DEA, 3eme Cycle, Doctorat izay tsy haiko ny fifandanjany @ ilay Bachelor, Master, PhD. Efa mba nijery dictionary mantsy ny tena taloha ka nilaza hoe nana Master nony avy eo nasain-dry zalahy namerina Master fa tsy Master izany ny Maitrise-ko hoy reo. Izany hoe inona ny DEA sy ilay manaraka?
51. Papoose ( 18/10/2007 15:05)
Tena tsy fantatro sadyny equivalence an'ireo satria na ny annees scolaire normale aza dia efa tsy mitovy dia sarotra amiko ny mampifanandrify be hoe ny zao @ frantsay de zao @tsy frantsay!
Sady za teo @bacc ihany dia tsy nifantoka t@ equivalence n'izay mety ho tohiny

Googleo e!:wink:
52. Jeankely ( 19/10/2007 04:23)
Ka any aminao aho no tia ahazo fanazavana kano oooo! Misy haiko ihany fa tia ahalala ny an'ny sasany aho satria misy tsy mitovy.
53. Herimiafina ( 19/10/2007 04:51)
Miala tsiny miditra amin'ny dinikareo mitsam fa anisan'ny fanontaniana nanahirana ahy koa io resaka ekivalansa io fahiny fa ankehitriny izy vao mazava amiko ka dia zaraiko eto.

Ny fanabeazana fototra (primaire) dia mitovy avokoa.
Ny ambaratonga faharoa koa dia misy itovizany saingy miampy taona iray ny an'ny système amerikana. Izany hoe ny sixieme na T6 amin'ny frantsay dia segonderaI, ny cinquieme na T7 dia segonderaII, ny quatrieme NA t8 dia segonderaIII, ny troisieme na T9, dia segondera.IV, raha manala BEPC ny frantsay eo dia ny amerikana kosa mbola manohy segonderaV.

Ny Lycée (FRANTSAY) dia High School (USA) na CEGEP (QUEBEC) no tena marina na dia tsy manaiky an'io aza ny Frantsay, ny BAccalaureat izany dia mitovy ny Diplome d'Études collégiales na ny DEC na ny High school diploma, na tsy manaiky aza ny frantsay.

Rehefa eny amin'ny Université indray dia:

-Ny undergraduate Certificate=BTS, DTU, DEUG, DUEL, DEUSII.

-Ny Bachelor's degree=licence na maitrise na ingéniorat amin,ny systèeme frantsay.

-Ny Graduate Studies Diploma=DESS.

-Ny Master's degree (Masters of Art, masters of Science, matsers of Philosophy, MBA....)=DEA na DESS.

-Ny Philosophae Doctorat Ph-D= Doctorat nouvelle thèse = Doctorat 3eme cycle vaovao.

Marihina fa ho an'ny frantsay tonga any amerika dia manaiky an'io ny amerikana fa ny amerikana tonga ao frantsa kosa toa ampifilafilaina be hono, ka na manana Masters Of Science aza dia asiandry zareo mamerina maitrise hono, ny manana Ph-D mitondra grady DEA rehefa mampianatra any amin,ny systeme francophone.:^):@
54. Jeankely ( 19/10/2007 06:04)
Misaotra anao fa ilain'ny tanora ireo rehefa tia hanohy ny fianarany @'ireo sytemes roa ireo izy. Fitia mifamaly ny azy satria rehefa tonga any @ systeme Angalisy ny voalazanao averindreo ary tsy dia asiany sira sahala izay koa izany rehefa tonga any @ Pararantsay ny voalazanao dia voafilafila. Ny tena olan-tsika moa amiko dia hoe ny Malagasy nianatra sy nandrato fianarana t@'ireo ary miverina mody sy miasa any Madagasikara. Ny asa dia hainao fa tsena io izay manantona dia manaiky izay atolotra ary izay antsoina na nafarana tsy manaiky raha tsy mahazo karamabe. Tsy mitovy ireo.
55. Papoose ( 20/10/2007 20:35)
ka na manana Masters Of Science aza dia asiandry zareo mamerina maitrise hono


Raha za no american dia aleoko mijanona aty @taniko raha zany le!antitra eo am-pamerenana eo ihany!
56. Jeankely ( 21/10/2007 05:59)
Asa io ry Papoose a. Rehefa ianao no mitomany hiasa any aminy na aiza na aiza dia manaraka izay atolony. Raha hilain'ny olona kosa ianao ary hafarany dia mahazo mihoatra nohon'ny teran-taniny ary mety avo 10 heny aza. Tsena ny asa. Raha Malagasy nianatra tany Amerika ary lasa mitady asa any Pararantsa angamba no mety hisy olana sy mitady equivalence. Raha asa noforoninao inona moa no equivalence @'izany?
57. Papoose ( 21/10/2007 20:00)
Marina zany!
Fa raha ohatra hoe asa experience tsotra fotsiny toy ny hoe mba te hiasa au niveau international dia hitako voa mafy raha hamerina! Tena aleo ihany afarana raha izany raha mba manana chance!
58. Jeankely ( 22/10/2007 02:55)
Tsena io ry Papoose a ! na ianao nozahavina noho ianao manana fahaizana manokana na ianao mitsambikina manaraka izay hatolotra anao. Ho an'ny Malagasy sasatry ny karama ambany dia ambany any Madagasikara moa na karama farany tsotra andafy aza betsaka aminy koa matetika tsy dia miady fa manaiky avy hatrany izay tolorana.
59. ikaretsaka ( 22/10/2007 03:00)
fa aoka koa fa samihafa ny enseigner sy ny eduquer an..
io ko aza adino rehefa misafidy itony 'tsara indrindra" itony
60. Jeankely ( 22/10/2007 13:31)
Mbola tokony hazavaina tompoko fa tsa mahay tenim-paratsay izahay ooo. Inona no mahasamihafa ireo o?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5231