Nahandro gasy rehefa mody?
21. soanja
(
15/10/2007 15:55)
mangabe:
soanja:
-Zah raha vao any Dago de tsaramaso lena na petipoa sy henakisoa no tiako satria aty aminay tsy misy tsaramaso lena no sady tsy fihinako le hena refa aty.
-Amanahogo sy voanio ary amin'ny 67ha.
-Trondro gasy natao saosy.
- godrogodro
- oram-baranga
- Amalona
-Romazava sy ny lokomeky atono
- Kaja pika.
godrogodro...ela izay tsy nihinanako godrogodro izay (sento)
Mora be ny manamboatra io godrogodro io raha hianatra ianao fa zah tsy manamboatra satria tsy lany de very fotsiny. Lazao aho raha mila re7 an.:-*
23. soanja
(
16/10/2007 12:59)
Ny Fanaovana Godrogodro raha ny ahy dia atao ady gasy foana.
Zavatra ilaina: kobam-bary malefaka efa vita sivana, lafarinina kelikely, karibonetra kely iray rantsana, siramamy na siramamy mena, ary ranonom-mboanio, rano kelikely, menaka tsotra fandrahoana. Azo atao koa manisy cannelle sy vanille extract na voatetika madinika ny koba.
Alaina tsatokaty dia afangaro ao ny zavatra ilaina rehetra afatsy ny menaka. Laroana tsara ny koba tsy hisy vaingambaingany loatra nefa koa tsy ranoana be loatra. Hafanaina ao anaty vilany cocoty ny menaka. Dia arotsaka ny koba rehetra. Asiana afon-tsaribao mirehitra tsara aloha ny 20 minitra voalohany ambony sy ambanin'ny vilany (zany hoe ny tampony), ary rehefa avy eo dia ahena ny afon-tsaribao ao ambany fa ny eo ambony no ampiana tsara saingy tsy atao mirehitra midonaka loatra. Avela hiketrika mandritra ny adiny iray eo. Rehefa afaka adiny iray tamin'ny afo malefaka tsy maty ambany dia esorina amin'izay eo amin'ny fatana ary havela hangatsiatsiaka ao anaty vilany ihany.
Rehefa mangatsiatsiaka dia sokafana ary ahohoka ny vilany dia afaka tao ilay godrgodro. Silao hahazo daholo ny rehetra dia mazotoa.
Tsy mbola nanao an'io tamin'ny lafaoro aho koa dia miala tsiny fa saribao ihany no ady eo an! :-*:-*

24. sipagasy
(
16/10/2007 19:20)
mmhh matsiro izy izany, fa ratsy ngaha raha congelena ilay godrogodro? dia ahanaina kely anaty micro onde avy eo rehefa hihinana??
ary andramako io dia teneniko anareo,
ehhhh soa nja ann! ahoana akia ny fatrany????
:-*:-*(l):-*:-* daholo e!!!
ary andramako io dia teneniko anareo,
ehhhh soa nja ann! ahoana akia ny fatrany????
:-*:-*(l):-*:-* daholo e!!!
25. soanja
(
17/10/2007 09:35)
sipagasy:
mmhh matsiro izy izany, fa ratsy ngaha raha congelena ilay godrogodro? dia ahanaina kely anaty micro onde avy eo rehefa hihinana??
ary andramako io dia teneniko anareo,
ehhhh soa nja ann! ahoana akia ny fatrany????
:-*:-*(l):-*:-* daholo e!!!
Asa aky na tsara raha frozen le izy na tsia. Mino aho fa mety ka. zah no tsy mbola nanao fa laniko moramora eo de leo aho de ariako ny ambiny. de iny tsy tiako iny manary sakafo iny.
Le fatrany aky de hoe kobam-bary roa kapoaka de ny lafarininy tapa-kapoaka , ny siramamy izay mahamamy hihihi asa aky fa ny ahy adigasy de izay mahamety azy fa tsy atao feno be fotsiny ny vilany fa mila toerana hiakaran'ny godrogodro refa handrahoana ilay izy.
maztoa ary e. :-*:-*:-*(l):-*:-*:-*
27. tsikih
(
09/01/2008 23:33)
mahate ihinana daholo ireo sakafo ireo zany !!! fa zà mbola mahita voanjobory, ravitoto, mangahazo,saonjo,katsaka, trondro,vily,saosisy gasy sy kitoza ihany aty ! fa ny tena tiako hoanina dia ireny tsok sinoa ireny !!masikita be trafony amin'ny hazo kely sy saosy voanjo,ron'akoho gasy, ramanonaka sy mokary,kobandravina, anandrebaka sy anamadinika malemodemoka tsara, hummm... asa fa ireny anana maina vidina any cachan ireny ny ahy ohatry ny enjana be zany, tsy haiko angamba ny mahandro azy !!
28. Annah2010
(
09/08/2008 16:00)
Ary hono ho aho. Misy vily maina ve any Tana ? Te hanafatra patsa mena sy vily maina aho mantsy dia vary mena avy any amin'ny faritany @ izay tsy misy vato. I