mitady azy aho

21. tsaramaso ( 05/10/2007 13:35)
iiiiiiiii !!!! misy miombon-kevitra le !!!! tsssssssssssss
Aleo i tsaramaso hiova hevitra ndray ra zany !!!!! hahaahahaaa
22. hantakely ( 08/10/2007 09:05)
[u]iiiiiiiii !!!! misy[b] miombon-kevitra le !!!! tsssssssssssss
Aleo i tsaramaso hiova hevitra ndray ra zany !!!!! haha:-ahahaaa

:-D:-D:-D

Tsy azoko mihintsy koa ianao ity ry tsaramaso sy voanjobory
23. xxx ( 08/10/2007 11:30)
tsaramaso:

mitady azy aho
Hatao inona ???!!!!!!!!! iiiiiiiiiiiiiiiii



mitovy hevitra koa fa rehefa te handeha izy ka inona no hitadiavana azy? Hiverina sa hiady ao an-trano???
Matoa izy lasa dia tsy nisy fitiavana intsony ka inona no hitadiavana azy? Hanabe problm ve sa hifanazava? @ inona??? Havelao izy handeha fa tsy faly izy matoa nandeha! Tsy tianay ianao ary io no tsy tantinao!
24. menjjaa ( 09/10/2007 13:26)
tsaramaso:

mitady azy aho
Hatao inona ???!!!!!!!!! iiiiiiiiiiiiiiiii


Izao ry tsaramaso a,mitady azy aho satri vadiko izy ary tena mbola TIAKO.Ary efa niaona izahay taorian'ny fivoahan'ny didy ary nanamafy tamiko izy fa hody ary izaho nifona taminy raha toa nisy zavatra tsy zakany(marihiko fa ny antony nametrahany divorce dia ny fomba fiteniko izay marary ndraindray ary io ny motife nentiny)ary nanomboka teo dia tsy hitako intsony izy ary izaho vonona ny handray azy.Koa ampio re raha itanao sy fantatrao e miangavy an-tanandroa ra sitrakao fa tena miasa ny saiko
25. menjjaa ( 09/10/2007 13:44)
eto aho dia amaly anareo rhtra.Izaho dia efa nitady azy tany @havany ary nilaza fa tsisy maita azy ary teo dia nanao avis de recherche dia tsita izy dia nandefasana convocation tany @havany ny polisy dia tonga ny baviny ary nanamafy fa tsy naita azy,ny ampitson'io dia tonga ny ttasy mikasika ny divorc(marihana fa ni antony dia resaka fitenenako mahery aminy ary io ihany)ary tonga izy tamin'io ary izy irery dia taorian'io dia nihaona izahay ary nanome toky anay izy fa hody alohan'ny 28/09/07 teo niandry izahay tsy tonga izy.MARIHIKO ETO FA TIAKO IZY ARY MBOLA VONONA AHO HANDRAY AZY AO ANTOKATRANO ARY RAHA SANATRIA TSY HODY INSONY DIA MBA TE HIRESAKA AMINY AHO SATRIA VADIKO IZY ARY MBOLA VADIKO.AMPIO AHO RE
26. menjjaa ( 09/10/2007 13:58)
Dia rehefa hitanao izy dia inona no hataonao aminy ? forcer-na hiverina @ taloha (miray trano) sa hifampiresaka mazava ny @ hatao sa inona ?
Tsy manaraby mihitsy zà a :-*, fa mety hanampy anao ireo fanontaniana ireo....
(:(:(:(:(l)(l)Izao re ry booboo a raha itako izy dia hotiaviko toy ny teo aloha ary tsy manana eritreritra ny hiady aminy aho na hiforcer azy fa sitrapony io fa mivavaka aza aho ny hodiany ato antranonay(nefa tokony hazava zay tena antony nandaozany anay)tsy midika akory izany hoe higidraka aho FA AMIKO DIA TSY MISY ZAVATRA TSY HO VITAN'NY RESAKA SY FANAZAVANA TSOTRA TSY MIAFARA @ADY.Koa ra fantatrao re mba ampio aho fa mila ho kivy ka mitady hanaonao foana(mariko fa tsy resaka sipa na hanambady velively na hamono tena)fa araky ny lalana fotsiny MISAOTRA ANAO MIALOHA ARY MANANTENA VALINY MAHAFAPO AMINAO :-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*




27. soanja ( 09/10/2007 14:01)
Hay mazava tsara zany ry menjjaa.

Misy teknika ny fomba firesahana amin'ny vady mba ahafahany mihaino anao tsara.
Raha ny teny MAHERY aloha dia tsy handaitra mihitsy. Ary mino aho fa io no anisan'ny nialany tao an-trano.
Koa raha hitanao izy na henonao hoe ary izy sns dia hanoraty taratasy fotsiny aloha.
Ny torohevitro ao anaty taratasy dia aza tonga dia atao hoe MODIA FA MANINA ANAO NY VADY AMANJANAKAO izay fampiasasn'ny gasy matetika. Fa FIRESAHANA fotsiny aloha no angataho aminy sao mba afaka izy.
Ohatra hoe : "Miala tsiny raha toa ka manoratra ity taratasy ity aho saingy ity no hitako vahaolana ahafahako miresaka vetivety aminao. Te hihaona aminao any amin
ny Resto. Gasy aho mba hiresa-dresaka fotsiny hoe inona no ho programantsika amin'ny fiainana. Matokia ahy ianao fa tsy hibedy na fimenomenona na hanome tsiny anao aho na hivazavaza satria tsapako fa tsy mety intsony izany. Izay fomba afahantsika handamina ny olona misy amintsika no tiako atao ary ny faniriako dia ny hiresaka tsotra mba hahalalana ny tokony ataonay fa tsy voatery hody akory ianao."

Dia izay! Tsy milaza hoe ianao tsy nody, ianao tsy hita na ianao , ianao sady mibedy azy na manome tsiny azy fa izay tsapanao no teneninao aminy momba ny tenanao amin'ny alalan'ny fifandraisanareo.

Andramo anie raha miresaka ianareo fa handaitra io satria io no teknika ampiasain'ny marriage counselors rehetra. Mahereza ary good luck!
28. hantakely ( 09/10/2007 14:03)
Mba ombay mitady f'aza manody ny eo am toerany ,antsipiko ny teny hoan'i xxx,ary aza mba mafy fiteny fa matoa ianao miditra am ity sera2 ity dia hanampy namana fa tsy hanakivy olona.
29. soanja ( 09/10/2007 14:10)
Sao dia hadinoko ny manoritra fa toerana neutre no tokony hihaonanareo ary aza asesika aminy le hoe modia.
Avelao izy no hanome anao ny zavatra tiany hatao.

Misy koa ry Menja ianao moa niteny hoe nilaza izy fa hody. Rha nitomany na nampiasa tarehy malahelo sy manambitamby sns ianao teo ampiresahana teo dia tsy hanana fomba hafa ialana teo izy raha tsy ny manome fampanantenana poakaty izay zavatra tadiavinao satria iny no hitany fa hanamora ilay resaka eo. Koa normal izy raha niteny hoe hody nefa ny antsainy tsy hody mihitsy raha mboal tsy nody izy.

Ny tena tanjonao amin'ity fihaoana aminy ity dia ny fahafantarana hoe NANINONA IZY NO TSY HITA INTSONY, inona no mahatezitra na tsy mahatamana azy. Izy no tokony hanao betsaka ny resaka fa ianao mpihaino. Raha ilainao ny fianarana mihaino dia azoko alefa eto madinidinika. Manetri-tena be mihitsy rehefa mihaino sady tsy maka anjorony no tsy maka antendrony.

Misy koa anefa tena hoe voan'ody ny vadinao/ na nahita tsirony tany an-kafa any, ka na dia tia anareo aza izy de tsy afaka satria misy zavatra matanjaka noho izy mandaitra any! :-*:-*(l):-*:-*:-*
30. soanja ( 09/10/2007 14:17)
xxx:

tsaramaso:

mitady azy aho
Hatao inona ???!!!!!!!!! iiiiiiiiiiiiiiiii



Havelao izy handeha fa tsy faly izy matoa nandeha! Tsy tianay ianao ary io no tsy tantinao!



Tsy voatery ho IO no antony handaozan'ny olona iray ny tokatranony ka. Tena isan-karazany fa izay no ilana ny FIRESAHANA ahafantarana hoe INONA ilay izy!

Raha tsy miresaka tsy afaka ny hahafantatra. Raha tsy miresaka tsy afaka ny hanome ny tso-drano. Raha tsy miresaka tsy afaka ny hifamela heloka. Raha tsy miresaka tsy afaka ny nahamora fo!
Tadiavo izy dia mifampiresaka ianareo. Aza kivy!

31. xxx ( 09/10/2007 14:20)
Tsy te-ho ratsy saina aho fa sao dia naninn naninn aza izy?
Ny zokiko vao androany no nilaza amiko fa misy olona tsy mahatsiaro tena hono ao @ hopitalindrizareo, efa ho 10 andro. Olona nodomin'ny fiara dia nitsoaka ilay nahavanona loza. Fokonolona no nitondra azy teny ary tsy nisy taratasy teny aminy, hatramin'izao dia tsy misy hahafantarana ny havany.
32. soanja ( 09/10/2007 14:41)
Iray ao anatin'ny tapitrisa maromaro ny hahaizay olona izay an'izay ry xxx saingy tsara jerena any ihany tokoa.
Ny antony dia efa nahita maso ny fangatahana divorsa i Menja.
33. menjjaa ( 11/10/2007 15:12)
misaotra anareo aloha manapy e.Ka na ny havany aza anie tsy misy manome vao2 sy manapy ahy @fitadiavana azy é.Koa asa raha omenareo tsiny aho fa androany dia nentiko teo anatrehan'ny lalana ny fitoriana azy(nohon'ny fandaozany tokantranonay sy ny fandikana ny lalana nivoaka)satria raha ny fantatro dia eto tana ihany izy nefa tsy mety hiaona amiko.Raha ny hoe nanoratra taratasy ho azy mba hiaonako aminy de efa nataoko izany fa tsy nisy vokany.Mety efa resaka vita t@reniny koa anie ny fialany tato aminay,fa tsy sahy miatrika ny zavimisy fa kanosa ka holazaiko aminareo ihany tohiny.Ny tiako anie de miresaka de lazaina ny antony samy miala è de zay de faranana ny tantara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0743