Ny fahatsaran'ny vavaka nampianarin'ny Tompo!

1. niryna ( 01/10/2007 05:01)
Rehefa natao hono ny fanisana dia mahatratra 2 billions no isan'ny olona manao ny vavaka nampianarin'ny Tompo isan'andro.Ny any am-piangonana izany tsy nisaina.

Vavaka nampianarin'ny Tompo: Mat 6:9-15

LIOKA 11
1 Ary Jesosy nivavaka tao amin'ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran'i Jaona ny mpianany.

2 Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka hianareo, dia ataovy hoe: Ray ô,hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.

-Mivavaka mangina irery aminy aho,ary amin'ny maha ray azy dia fantako fa Izy tompon'ny fiainako,mitantana ny diako.Tsy kivy aho na inona mahazo ahy,fa fantako fa tsy manadino ahy Izy.
Ary ny sitrapony no ataony amin'ny fiainako fa tsy ny ahy.
3 Omeo anay isan-andro izay hanina sahaza ho anay.

Toy ny mana nilatsaka avy tany an-danitra,izay nomeny ny zanak'Israely isan'andro.Fantatro koa fa ny hanina sahaza ahy isan'andro no tadiaviko aminy:mitady ny fampaherezana avy aminy aho androany,ny hery sy tanjaka hanaovako ny asany na eo amin'ny fianakaviako izany na ny mpiara-miasa amiko na ny namana maro.Ny fiainako androany izay hitarika ny ho aviko rahampitso,ny soa ataoko androany izay mety hanampiako ny hafa ihany koa.
Fiainana vaovao isan'andro,fisaorana azy fa izy no loharano nahafahako niaina sy nihinana izay sakafo sahaza ahy androany,fitiavana hatrany,ary mihezaka ny hanana fifaliana sy fisainana amin'ny lafiny tsara sy marina isan'andro.Midera azy isan'andro fa tsara Izy

4 Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay.

Mangataka famelana aminy amin'izay ratsy rehetra vita,ary miezaka ny hamela izay manana ady na manana fankahalana ahy.Mahafantatra fa tsy tonga lafatra ka na im-piry aza no manao fahadisoana dia mahafantatra ny mibebaka sy mangataka famelana aminy.Mianjera
,potraka,diso fanantenana kanefa tsy kivy fa mitraka hatrany satria manana azy.

Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy.
Ny fahadisoam-panantenana dia maro amin'ny fiainana saingy ny fahasoavana lehibe izay nomeny namonjena ahy sy ny fianakaviako ary ireo namana nila vonjy dia tsy ho voavidy. Mahery ny fakam-panahy saingy raha miaraka aminy sy mivavaka isaky ny manao zavatra dia hisy FM foana hitari-dalana ahy.
Ireo no fandraisako azy amin'ny fiainako sy ireo olona manodidina ahy.

Ahoana kosa no fandraisanao ireo teny nampianariny antsika ireo?

Misaotra mialoha
répondu par prime le 16/10/2007 11:37
2. niryna ( 02/10/2007 04:29)

Vavaka nampianarin'ny Tompo: Mat 6:9-15

LIOKA 11
2 Ray ô,hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.
Ny kristiana tsirairay izany dia tokony hanana toerana mangina hiresahina an'ny Ray.Hajaina,homem-boninahitra,ny sitrapony no tokony ho tanteraka fa tsy ny antsika.Tia antsika izy amin'ny maha iray azy antsika ary izany fitiavana antsika izany dia asehontsika amin'ny fiarahana amin'ny zanany Kristy isaky ny te-hifandray sy hitady fanampiana avy amin'ny Ray isika.
3 Omeo anay isan-andro izay hanina sahaza ho anay.
Isan'andro dia miezaka ny mitory ny teniny,mampiseho izany amin'ny mpiara-monina sy ny manodidina ho jiro sy fanazavana azy ireo.Mivavaka mba omeny izay mahasoa antsika androany,izay tiany ho tarihana antsika amin'ny fanaovana ny asany androany.Mangataka ny sakafo sahaza isan'andro no tokony ho tadiavintsika aminy,zavatra ilaina isan'andro,mahafantatra izay mahasoa antsika izy ka izany no tsy hitsaharana ny hisaotra azy isan'andro ihany koa.

3. tsaramaso ( 02/10/2007 13:08)
Ary ilay arahaba ry elizabeta vavaka nampianarin'iza ???!!!!!! hahahahaahaha !!!! sa tsisy an'zany ???!!!!
4. rakaroka ( 02/10/2007 16:43)
[quote=niryna]

Vavaka nampianarin'ny Tompo: Mat 6:9-15

LIOKA 11
2 Ray ô,hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.
Ny kristiana tsirairay izany dia tokony hanana toerana mangina hiresahina an'ny Ray.Hajaina,homem-boninahitra,ny sitrapony no tokony ho tanteraka fa tsy ny antsika.Tia antsika izy amin'ny maha iray azy antsika ary izany fitiavana antsika izany dia asehontsika amin'ny fiarahana amin'ny zanany Kristy isaky ny te-hifandray sy hitady fanampiana avy amin'ny Ray isika.

Ka eto indrindra no tsy hitovizan'ny fihevitra ho an'ireo TSY ZATRA MIHEVITRA NY ANARAN-ANDRIAMANITRA RAY fa mi-s'adressé lava @ Jesoa "zary ilay anarana Jesoa no voahasina fa tsy araka ny vavaka nampianarina eto:wink:.
5. prime ( 04/10/2007 12:48)
rakaroka> mifanohitra ve izany sa manamavo an'Andriamanitra raha tia na zatra miantso an'i Jesosy?:lol:

Ny vavaka voalohany manao hoe: "Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao..." no anisan'ny sarotra atao indrindra raha ny fahitako azy satria fahasahiana ny miantso an'Andriamanitra ho RAY... ny zanaka no afaka miantso hoe Ray na Aba Ray... ka ny fiantsoana Azy ho RAY dia toy ny filazàna ofisialy ny maha-ZANAKA ilay miantso...

Ny fandinihan-tena sarotra dinihina dia ny hoe "Moa zanany va aho?"...:)
6. niryna ( 04/10/2007 17:08)
prime:

=D

7. niryna ( 04/10/2007 17:10)
tsaramaso:

Ary ilay arahaba ry elizabeta vavaka nampianarin'iza ???!!!!!! hahahahaahaha !!!! sa tsisy an'zany ???!!!!

aleo izay mivavaka aminy no hamaly azy fa izaho indray dia Atra ray sy ny zanaka ary ny fanahy masina ihany no miaraka amiko.
Kristy ny ahy no mpanelanelana ary izy irery ihany hoy ny soratra masina

8. rakaroka ( 04/10/2007 21:04)
prime:

rakaroka> mifanohitra ve izany sa manamavo an'Andriamanitra raha tia na zatra miantso an'i Jesosy?:lol:

Ny vavaka voalohany manao hoe: "Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao..." no anisan'ny sarotra atao indrindra raha ny fahitako azy satria fahasahiana ny miantso an'Andriamanitra ho RAY... ny zanaka no afaka miantso hoe Ray na Aba Ray... ka ny fiantsoana Azy ho RAY dia toy ny filazàna ofisialy ny maha-ZANAKA ilay miantso...

Ny fandinihan-tena sarotra dinihina dia ny hoe "Moa zanany va aho?"...:)

Mivaona @ ilay vavaka nampianarina ilay fomba fihevitra ! Raha toa Jesoa nampianatra io ny hiantso hoe an'Atra ho Ray ho antsika indrindra koa fa tsy ho azy irery raha tsy izany il n'a qu'à faire "Raiko"izay any an-danitra? Tsy isika no hampivaona ny vavaka sanatria!
Aminao mety sarotra ny maha-zanany anao, tsy voatery @ olon-kafa izay mahafantatra fa "partiel divine" izy na eo aza ny tsy fahatanterahana.
9. ikaretsaka ( 05/10/2007 00:44)
ovay koa hoe ry Andriamanitra ary e. atao hoe ry Tompo Andriamanitra , hohamasinina anie ny anaranao:wink:

raha mijery ange dia ny "notre" (lat. noster) dia afaka raisina sady exclusif no inclusive e..
fa ny gasy no naka an'io hoe rainay.. nefa mety koa ny hoe raintsika

tsika ange ho'a "lost in translation" foana e !

tsaramaso: tsisy "arahaba ry Elizabeta" ka fa ny hoe masimbavy elizabeta; Mivavaha ho anay dia esory ny taintsofin;i nirina sy ny fefim-pahateren-tsaina mba hahay manavaka ny k sy ny h. amin'ny mivavaka sy ny mivavaha

Raha sarotra dia omeko "hint" ianao hitadidiavanao azy:
.. mandehana mik.k. rehefa avy manao haha
10. bozyboleta ( 05/10/2007 05:24)
:roll:
Nitohana anga ika no lasa nanao resa-t..ndray koa aty @ fivavahana sy finoana. :-D
Inn ihany re no tsy hita ato e?:-w
11. ikaretsaka ( 05/10/2007 11:33)
bozyboleta: FIKA NATAO HANAMPY ho an'izay tsy mahalala ny manavaka ny K @ H io ka

le mihevitra hoe Masindahy Ranona: MivavaHA ho anay!
fa tsy hoe mivavaKA aminao izahay ry masina Ranona!
diana mba nataoko Fanoharana e...:wink:
12. bozyboleta ( 05/10/2007 11:36)
:-D:-D:-D
Fa na izany aza aza atao resaka mantsina kosa fa tsy m'lay ka.
13. niryna ( 06/10/2007 02:51)
rakaroka:

prime:

rakaroka> mifanohitra ve izany sa manamavo an'Andriamanitra raha tia na zatra miantso an'i Jesosy?:lol:

Ny vavaka voalohany manao hoe: "Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao..." no anisan'ny sarotra atao indrindra raha ny fahitako azy satria fahasahiana ny miantso an'Andriamanitra ho RAY... ny zanaka no afaka miantso hoe Ray na Aba Ray... ka ny fiantsoana Azy ho RAY dia toy ny filazàna ofisialy ny maha-ZANAKA ilay miantso...

Ny fandinihan-tena sarotra dinihina dia ny hoe "Moa zanany va aho?"...:)

Mivaona @ ilay vavaka nampianarina ilay fomba fihevitra ! Raha toa Jesoa nampianatra io ny hiantso hoe an'Atra ho Ray ho antsika indrindra koa fa tsy ho azy irery raha tsy izany il n'a qu'à faire "Raiko"izay any an-danitra? Tsy isika no hampivaona ny vavaka sanatria!
Aminao mety sarotra ny maha-zanany anao, tsy voatery @ olon-kafa izay mahafantatra fa "partiel divine" izy na eo aza ny tsy fahatanterahana.

:oops::-/
Raha tsy manatona azy amin'ny fo madio sy mangorangoraka ary fanahy malemy tsy ahatakatra izay tenin'Atra .Raha ny herin'ny saina fotsiny ,firifiry izay nilaza azy ho zavatra izay fa ie,ie.Dia ny tena no menatra hoy ny mamanay izay.
JAONA 10

9 Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.

10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be

Raha mino azy dia omeny fahazavantsaina sy mahalala ny teniny satria ny FM no miaraka aminy.Raha tsy mino azy kosa dia tsy ho azony mihitsy ny tenin'Atra eny fa na dia teny gasy mazava izao aza ilay teny.
Mahavariana tokoa ny asan'Atra an!

SALAMO 34

18 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.

19 Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.

20 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.

21 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.

22 Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.

Dia aleo alefa ihany fa maro ny olona mitady famonjena sy mitady ny mofon'aina velona ato anaty.

Ho deraina mandrakizay anie ny voninahitrao Kristy Tompo mahery.^:^
14. niryna ( 06/10/2007 02:54)
ikaretsaka:

ovay koa hoe ry Andriamanitra ary e. atao hoe ry Tompo Andriamanitra , hohamasinina anie ny anaranao:wink:

raha mijery ange dia ny "notre" (lat. noster) dia afaka raisina sady exclusif no inclusive e..
fa ny gasy no naka an'io hoe rainay.. nefa mety koa ny hoe raintsika

tsika ange ho'a "lost in translation" foana e !

tsaramaso: tsisy "arahaba ry Elizabeta" ka fa ny hoe masimbavy elizabeta; Mivavaha ho anay dia esory ny taintsofin;i nirina sy ny fefim-pahateren-tsaina mba hahay manavaka ny k sy ny h. amin'ny mivavaka sy ny mivavaha

Raha sarotra dia omeko "hint" ianao hitadidiavanao azy:
.. mandehana mik.k. rehefa avy manao haha

dia ny tena no menatra hoy i mamanay izay.Fa izaho indray no hiadivanao fa tsy ireo izay manohitra ny tenin'Atra :roll::oops: iza izany no hinoan'ika raha izany
aleo aloha omena :* fa sao dia revo nisotro divay tao izy rehetra
15. niryna ( 06/10/2007 02:55)
bozyboleta:

:roll:
Nitohana anga ika no lasa nanao resa-t..ndray koa aty @ fivavahana sy finoana. :-D
Inn ihany re no tsy hita ato e?:-w

izaho koa aky mba gaga tanteraka .Hoy aho hoe sao dia mamo ary ranadahikeliko iny no nivadika ny lelany kanefa izy tsy mino ny speaking tongue oops:D
16. niryna ( 06/10/2007 02:58)
ikaretsaka:

bozyboleta: FIKA NATAO HANAMPY ho an'izay tsy mahalala ny manavaka ny K @ H io ka

le mihevitra hoe Masindahy Ranona: MivavaHA ho anay!
fa tsy hoe mivavaKA aminao izahay ry masina Ranona!
diana mba nataoko Fanoharana e...:wink:

fa iza izany no fikanao eto?Ny fivavahana anie dia tena mila mailo isika e,na ny olona voavonjy noho ny toriteny omentsika na ny olona miverin-dalana raha manao kitoatoa isika.Mila misangisangy fa tsy hiteniteny foana kosa ranadahy a:D

17. niryna ( 06/10/2007 02:58)
bozyboleta:

:-D:-D:-D
Fa na izany aza aza atao resaka mantsina kosa fa tsy m'lay ka.

=D=D=D
18. ikaretsaka ( 06/10/2007 23:36)
ka raha izay kosa ny hahazoan'i niryna azy sy hampiditra tsara ilay izy any an-tsofiny....
19. prime ( 08/10/2007 09:20)
rakaroka:
Mivaona @ ilay vavaka nampianarina ilay fomba fihevitra ! Raha toa Jesoa nampianatra io ny hiantso hoe an'Atra ho Ray ho antsika indrindra koa fa tsy ho azy irery raha tsy izany il n'a qu'à faire "Raiko"izay any an-danitra? Tsy isika no hampivaona ny vavaka sanatria!
Aminao mety sarotra ny maha-zanany anao, tsy voatery @ olon-kafa izay mahafantatra fa "partiel divine" izy na eo aza ny tsy fahatanterahana.
... Tsy valian'i rakaroka ny fanontaniako dia averiko vetivety : mifanohitra ve izany sa manamavo an'Andriamanitra raha tia na zatra miantso an'i Jesosy?

Misaotra aloha amin'ny fanamarihana na dia tsy azonao aza ny tiana ambara... tsy mampivaona vavaka na manova vavaka no fototra tiako nambara fa fandinihan-tena lalina tokony hatao mialoha ny anononana ny vavaka nampianarin'ny Tompo... fa fahasahina hoy aho ny iantsoana an'Andriamanitra ho Ray raha tsy mandinin-tena tsara hoe "moa zanany tokoa va aho"?...:)

Mitombina ny voalazanao hoe "partiel divin" ary finoanao rahateo izany fa averiko indray mandeha, tsy fahadisoana sanatria na mampivaona ny fiantsoana an'Andriamanitra ho Ray no mahasarotra ny miantso Azy fa ny fiaikena am-panetren-tena fa tokana ny tena Zanany dia Kristy irery ihany... ka raha tsy mitafy an'i Kristy ilay miantso dia mamita-tena ihany ary izay no mahatonga ny maro ho diso fanantenàna ka sahy miteny mihitsy aza hoe "tsy mamaly vavaka Andriamanitra"...

Vavaka mantsy no resahina etoana, ary ny mivavaka dia miresaka, mifanaja, mifandray, mifankatia, mifampihaino, mifankafantatra, manana firaisana sy fifankahazoana am-po akaiky amin'ilay ivavahana... ka rehefa diso adiresy ilay vavaka ka miantsoantso tsy am-piheverana hoe "Ray ô..." dia matetika ilay vavaka tsy "mangoaka plafond" hoy ilay Ray aman-dReny am-panahy iray izay fa miakatra dia midona amin'ny "plafond" dia miverina @ tena... dia tsy misy valiny... dia mifanome tsiny aza no ihafarany... ilay Ray heverina ho Ray tsy mihaino satria tsy mihevitra ilay miantso ho zanaka akory...:(
20. Mandefitra ( 08/10/2007 09:55)
prime:
ka raha tsy mitafy an'i Kristy ilay miantso dia mamita-tena ihany
=D
=D
ary hono ho aho : iza no metimety kokoa @ dikanteny :
- aza mitondra anay ho @ fakam-panahy
sa ny hoe
- aza avela ho azon'ny fitaomandratsy izahay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0655