Ny fahatsaran'ny vavaka nampianarin'ny Tompo!
21. prime
(
08/10/2007 10:56)
mandefitra> samy mety raha ny fahitako azy fa ilay hevitra fototra no tena izy... (azonao ny tiako ambara fa mino aho...)
22. xxx
(
08/10/2007 11:11)
prime:
mandefitra> samy mety raha ny fahitako azy fa ilay hevitra fototra no tena izy... (azonao ny tiako ambara fa mino aho...)
hevitra fototra na inona dia ny tsirairay no nahitany nety taminy. Vitsy ny olona no manao an'io!
ny sasa ny aza dia mandainga be izao! Mivavaka fa miavangavana!
Ny lainga dia avy @ rainy. Iza ny rain'ny lainga??
rain'ny laiga= satana non? Nefa ireo dia manao io fanekem-pinoana io daholo!
23. prime
(
08/10/2007 11:52)
xxx> tsy fanekem-pinoana io anontanian'i mandefitra io fa vavaka nampianarin'i Tompo fa sao dia mifangaro ny zavatra tianao ambara... sady mila hazavainao kokoa ilay hevitrao fa tsy dia azoko loatra ny tianao ambara raha azonao hatao, misaotra...:)
mandainga manao ahoana? dia mivavaka miavangavana ahoana? izaho aloha tsy mahay ny atao hoe "miavangavana" fa mba hazavao hoe!...

24. Rasiligaoma
(
08/10/2007 14:38)
... Tsy valian'i rakaroka ny fanontaniako dia averiko vetivety : mifanohitra ve izany sa manamavo an'Andriamanitra raha tia na zatra miantso an'i Jesosy?
Raha ny fijeriko dia tsy maninona, izany no antony anaovana hoe "Tompo sy Andriamanitra" dia voatonona daholo,
Fa HS kely: maninona tokoa no dradradradraina ny FM fa zara raha tenenina koa rehefa mivavaka e?
na hoe Jesosy o, na hoe Ray o, doana no mahazatra ,fa ohatry ny tsy dia misy hoe ry Fanahy masina loatra!
Rehefa manao ny "amin'ny anaran'ny Ray", sy ny "Fanahy Masina, hazavao ny sainay" ihany vao miresaka an'io Deity iray io
25. niryna
(
10/10/2007 04:25)
Rasiligaoma:

Tsy ratsy indray izany fanontanianao izany :D
Ny fahalalako azy dia ny FM no miaraka amin'ny kristiana.Ny FM no miharo sy mitari-dalana ary manoro izay mety na tsy mety.Ny FM no mibitsika mangina ato anatin-tsika amin'ny lalana izay mety na tsy tokony ataontsika.
FM dia manana anjara lehibe eo amin'ny kristiana ka raha tsy mino an'Atra izany ilay olona dia tsy omeny ny FM ahafantatra ny teniny.Izany no antony iray mahatonga ireo olona izay manohitra na tsy mino ny tenin'Atra satria tsy ao aminy ny FM ka na dia manampahaizana miantehitra ny tenany tahaka an'inona aza izy rehefa tonga ny resaka fahalalana ny tenin'Atra dia tsy ho azony mihitsy raha tsy mino izy.
26. niryna
(
10/10/2007 04:29)
prime:
Vavaka mantsy no resahina etoana, ary ny mivavaka dia miresaka, mifanaja, mifandray, mifankatia, mifampihaino, mifankafantatra, manana firaisana sy fifankahazoana am-po akaiky amin'ilay ivavahana... ka rehefa diso adiresy ilay vavaka ka miantsoantso tsy am-piheverana hoe "Ray ô..." dia matetika ilay vavaka tsy "mangoaka plafond" hoy ilay Ray aman-dReny am-panahy iray izay fa miakatra dia midona amin'ny "plafond" dia miverina @ tena... dia tsy misy valiny... dia mifanome tsiny aza no ihafarany... ilay Ray heverina ho Ray tsy mihaino satria tsy mihevitra ilay miantso ho zanaka akory...:(
=D=D
27. prime
(
11/10/2007 09:51)
Miantso hoe Aba Ray ô... na Ray ô dia efa mila fandinihan-tena tsara... fa ny tohiny amin'io vavaka voalohany io ihany dia vao maika mila mandinika tsara kokoa... ny hoe "...hohamasinina anie ny anaranao..."
Ny tsy masina va afaka mananamasina ny masina? dia mbola mamerina indray mandeha indray ny fandinihan-tena lalina kokoa fa tsy anononononana am-pahazarana ilay vavaka... moa izaho masina ka afaka hanamasina ny anaran'Andriamanitra? hummm... tsy mora valiana izany nefa dia mila valiana vao manonona ny hoe "Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao..."

28. niryna
(
12/10/2007 17:00)

Izany tokoa, na ny kominio raisina aza dia mila mandinintena vao mandray an'io fa tsy atao fahazarana ka na zaza bodo rehetra izao dia avela handray :oops:
29. prime
(
16/10/2007 11:37)
Niryna> somary tohizako kely raha sitrakao...:)
Ny tohiny dia ny hoe, "... ho tonga anie ny fanjakànao..."; hatreo dia misy hetaheta lalina mihitsy miaraka amin'ilay heviny madio ny amin'ny fikatsahana ny fanjakàn'Andriamanitra ny ampahany voalohany manao hoe "... ho tonga anie..."
Ny fandinihan-tena etoana indray dia mifandraika indrindra ny amin'ny hoe : maniry mihitsy ny ahatongavan'ny fanjakàn'Andriamanitra faran'izay haingana... efa feno firaisana amin'Andriamanitra ka manana hetaheta lalina ny ihavian'ny fanjakàn'Andriamanitra... ary raha zohina lavitra kokoa dia fiantsoana mihitsy ny ifaranan'izao fiainana feno fahalotoana sy fanjakàn'ny haizina izao fa mba hahatogavan'i Kritsy haingana kosa hoe ".. ho tonga anie ny fanjakànao...".
Tsy izany ihany fa midika koa izany raha avadika mivantana kokoa hoe mivavaka ny ihavian'ny farany ka ahatongavan'i Kristy amin'ny voninahiny, hampiakatra ny olony sy hitsara ny tsy mino...
Izany hoe, raha manonona izany vavaka izany dia mila mandinin-tena lalina ny amin'ny hoe: moa vonona ny hanatrika an'i Kristy amin'ny voninahiny aho ka sahy hiantso azy sy haniry fatratra ny hoe, "... ho tonga anie..."?:)