Miankina amin'ny fananana, na tsy fananana ve ny finoana
1. gasynamana
(
29/09/2007 19:44)
Araka ny hevitr'ity manam-pahaizana iray dia ny fahantrana sy ny anohanana no matonga ny olona hino an'Andriamanitra, fa rehefa voky sy manana ny zavatra rehetra izy dia hadinoany mora io Andriamanitra io. Manamafy izany ny zava-misy ankehitriny, hoy izy.
Izao anefa:
- Rehefa dinihana dia tsapa fa maro ny olona mafy ady no variana amin'ny fitadiava izay harapany ka manadino an'Andriamanitra. Ao aza no milaza fa tsy misy Andriamanitra, na raha misy dia tsy mba fitiavana satria tsy mba mijery ny fahoriany.
- Tsy vitsy koa ireo mpanan-karena no tsy mpino teo aloha, saingy noho ny zavatra maro niainany dia zary lasa mpanara-dia an'i Kristy. Ao koa no sahy manamafy fa noho ny fitahin'Andriamanitra no naha toy izao azy ireo.
Ahoana ny hevitrareo!

novalian'i fijo ny 12/10/2007 21:11
2. soanja
(
29/09/2007 20:02)
Noho izany dia tsy miankina amin'ny fananana fa miankina amin'ny fandraisana an'i Kristy ho loharanon'aina mahavelona!
3. tywa68
(
29/09/2007 20:10)
Gasynamana : raha miaina ara-panahy ianao dia tsy mijery ny fanananao satria fandalovana dhl zany ! ary io fanantenàna fitsanganana @ maty io indrindra no ahitàn'ireny mafy ady sy osa ireny hery hanohizana na dia kivy aza indray², satria miankina @i Tompo izy.
Soanja : tena marina mihitsy zany.:-*
Soanja : tena marina mihitsy zany.:-*
4. pissoa
(
29/09/2007 20:17)
Araka ny hevitr'ity manam-pahaizana iray dia ny fahantrana sy ny anohanana no matonga ny olona hino an'Andriamanitra, fa rehefa voky sy manana ny zavatra rehetra izy dia hadinoany mora io Andriamanitra io. Manamafy izany ny zava-misy ankehitriny, hoy izy.
fonction decroissante an'ny fananana sy ny hanoanana ny finoana ve ? :-D:-D:-D
Tsy miankina amin'ny fananana sy ny hanoanana ny finoana. Ny tsy azontsika lavina kosa dia ny @ ankabeazan'izay mitranga amin'ny fiainantsika dia misy ampahany miezaka mitarika antsika handositra an'Andriamanitra, misy ampahany mitarika antsika hanatona azy bebe kokoa hatrany. Miankina amin'ilay finoantsika sy ny toetra miatrika an'ireny tranga ireny ihany ny finoantsika rehefa tafavoaka avy ao amin'ny ankapobeny.
5. marclagon
(
29/09/2007 20:58)
hara ny zavatra itako alo de maro ireo manana mino raha jaretsika ireo amercain maro no manana sy mino
b ireo ong miakina @ tokom-pivavana ary manana ireo membres

6. soanja
(
30/09/2007 00:33)
tywa68:
Gasynamana : raha miaina ara-panahy ianao dia tsy mijery ny fanananao satria fandalovana dhl zany ! ary io fanantenàna fitsanganana @ maty io indrindra no ahitàn'ireny mafy ady sy osa ireny hery hanohizana na dia kivy aza indray², satria miankina @i Tompo izy.
Soanja : tena marina mihitsy zany.:-*
Elobe tsy mipika, mandrakotra sy mitahy ary manome hery antsika mandrakariva anie ny loharanom-pitahiana avy amin'i Kristy! :-*:-*:-*:-*:-*:-*(l)
7. ikaretsaka
(
30/09/2007 02:11)
- Rehefa dinihana dia tsapa fa maro ny olona mafy ady no variana amin'ny fitadiava izay harapany ka manadino an'Andriamanitra. Ao aza no milaza fa tsy misy Andriamanitra, na raha misy dia tsy mba fitiavana satria tsy mba mijery ny fahoriany.
Aza adino fa misy koa ilay hoe amin'iny izy mafy ady iny indrindra mihitsy no mitady an'andriamanitra!
Hain'ireo "milaza azy ho mpivavaka " mihitsy ny manararaotra izay fotoana izay hisintonany azy ireo hiditra any @ fiangonany. (na silamo io na kristianina na sekte an'i fijo na inona...)
Jereo fa any amin'ireny univers ireny foana no feno ireo karazam-pinoana maniry toy ny anana!
Ohatra hoe ny T@ tsunami, terorista, cyclones, sns...
Jereo raha eo Antananarivo fotsiny dia eny @ ireny quartiers betsaka olona somary mafimafy ady ireny no betsaka azy ireny.
fa any @ ireny quartiers ambony standings ireny zara raha misy
8. Jeankely
(
30/09/2007 08:12)
Miankina amin'ny FANANANA FINOANA SY ATIDOHA MADIO. Ny mpivavaka tsy midika ho mpino.
9. naughtyboy
(
30/09/2007 09:09)
betsaka ny mapifangaro ny finoana @zv hafa ,toy ny moral,material,politics sns .fanekena tsisy fetra hery lehibe iray mifehy ny tontolony hita sy tsy hita
ngamba no ilazako ny finoana izay tsy iakinany @ zv hafa

10. boubounezy
(
30/09/2007 12:23)
mora @ rameva ny iditra @ vody fanjaitra fa sarotra @ mpanankareny ny iditra ny varavarany lanitra. d ozy za wé tsy vôtery iany kou nefa ho mahantra na manana vô atsiaro an'Atra fa ny tena ita alou d ny mahantra no tena btsaka tena mino satry ozy ny namako zay wé il faut tjr s'accrocher à klk chs, satry ny olombelona mila any zany d matetika ny manana mianteatra @ fananany sy ny tsy manana ndray @ fivavahana na fanompontsampy.:(
11. ikaretsaka
(
30/09/2007 12:38)
naughtyboy:
betsaka ny mapifangaro ny finoana @zv hafa ,toy ny moral,material,politics sns .fanekena tsisy fetra hery lehibe iray mifehy ny tontolony hita sy tsy hita
ngamba no ilazako ny finoana izay tsy iakinany @ zv hafa
mifameno ireo ka.. fa tsy mifangaro
"tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any.. fa santarina eto an-tany.." ho'zy ny hira katolika izay
12. naughtyboy
(
30/09/2007 16:57)
Ika zv tsy azo afangaro no resahiko eto fa tsy ny fifamenoany..
tsy ekeko ny oe oul sahirana @ fiarahamonina ihany no afaka hanana izay Inoany na ko ny mahiratra koko nony hafa,tranga hita ao @ antokompinoana marobe aza ny fahasamihafany rehetra na politika na moraly na sosialy sns
safidy ny ts1.1 ny hino na tsy hino tsy misy iakinany @ manodidina azy mihitsy

13. ikaretsaka
(
30/09/2007 18:11)
misy safidin'ny manodidina ihany, raha marivo salosana amin'ny finoana dia raha atsipy eo ampovoan'ny olona hafa finoana (ohatra hoe mpilalao ody ohatra mba ialana @ ilay hafa finoana eritreretinao)
dia misy tempted hanaraka an'iny koa raha tsy mandinika tsara

14. naughtyboy
(
30/09/2007 18:49)
ka toetra ny atao oe marivo salosana fa tsy safidy zay tsy tokony ho voaozongozona ,de io no safidy marimpototra io no fototra itoerany finoana
15. xxx
(
01/10/2007 14:48)
mahaiza mitazona izay inonao de tsy hisy olana mihitsy e.!!! sa ahoana??
ny ahy aloha na misy vola na tsy misy de tsy miova aho e.

16. ikaretsaka
(
01/10/2007 16:22)
fa azo atao foana foana koa ny manao remise en question an'io:
tsy mahadiso mihitsy fa mahatonga saina sy mampiori-paka ny finoana marina
ao aminao ny fanontanianao tena foana hoe:
"fa maninona tokoa moa izaho no... e"?

17. bosista
(
01/10/2007 18:54)
de izay izany no mahatonga ny sasany miantsoantso hoe:ianao izay dobon-trosa,manana olana goavana,nisa-panambadiana,voan'ny fahazaran-dratsy tongava aty...hitako le teo antanimena taloha de mahavatra miantso mihintsiny
18. Soniamada
(
01/10/2007 19:10)
ny hita aloha dia ny fivavahana dia matetika ny firenena mahantra no be mpivavaka, sy mpiditra am-piangonana.
Fa ny akamaroan'ny firenena manankarena (aty eropa indrindra indrindra) dia efa vitsy kely ny mpiditra am-piangonana. Aty lafrantsa ohatra dia efa any @30% ny vahoaka no athées. Ny mpiditra fiangonana moa dia efa ny beantitra no tena betsaka.
Mety hoe tsy ny mahapanakarena loatra koa fa ny resaka communication ary koa ny firoboroboan'ny fahaizandraolombelona: science sy ny idéologie isan-karazany
En général io, fa rehefa raisina cas par cas dia ny hita dia rehefa tena mino tokoa na mahantra na manankarena ny olona iray dia tsy miankina @ lafiny materialy loatra! accessoires fotsiny ireny fa tsy vaindohandraharaha

19. ikaretsaka
(
01/10/2007 20:04)
miray hevitra amin'i sonia. fa any lafrantsa ilay izy fa tsy eran-tany (soa ihany!)
jereo fotsiny any Aostralia @ JMJ 2008 e! samia ho velon'aina:wink:
fa jereo tokoa, ohatra 1 fotsiny, ireny kartie tsotsotra be olona ireny: Isotry Vasakaosy 67 sns... isao ny isan'ny fiangonana!na sekta na tsy sekta, na kristianina na tsia!
dia any @ le kartie laibalaibany ireny: la haute sy ny tendrombohitra manodidina ny rova , Analakely, Ambatobe, Ivandry sns...
Isao ny isan'ny fiangonana na sekta na tsy sekta, na kristianina na tsia...
fa resin'ilay any @ ilay kartie tsotsotra be lavitra mihitsy ny kartie laibany!
nefa mahagaga fa any @ le kartie tsotsotra no maniry ny fiangonana...ao raha!
ny Tsy ekeko fotsiny dia ilay mitrongy vao homana no asain'ireo mpitondra fiangonana ireo manome ny 1/10 mpananany any aminy!

20. tsaramaso
(
02/10/2007 13:21)
boubounezy:
mora @ rameva ny iditra @ vody fanjaitra fa sarotra @ mpanankareny ny iditra ny varavarany lanitra. d ozy za wé tsy vôtery iany kou nefa ho mahantra na manana vô atsiaro an'Atra fa ny tena ita alou d ny mahantra no tena btsaka tena mino satry ozy ny namako zay wé il faut tjr s'accrocher à klk chs, satry ny olombelona mila any zany d matetika ny manana mianteatra @ fananany sy ny tsy manana ndray @ fivavahana na fanompontsampy.:(
Vakio io e !!!!!!