manala lien amin'ny sary

1. lohabe ( 27/09/2007 14:23)
Mbola vao mianatra dia manontanintany eh.

dreamweaver
Raha asiana rohy amin'ny sary dia lasa misy fonony mangamanga ilay sary rehefa avy eo. Misy torohevitra ve hanalana an'iny fonony iny nefa ilay rohy mijanona ihany?

misaotra mialoha
novalian'i hery ny 01/10/2007 13:14
2. ds ( 27/09/2007 15:15)
Iny fonony iny no manambara fa manondro rohy ilay sary.
Asa tokoa raha mety esorina izy iny.
Fika :
Asio css


a:link {color:loko;}
a:visited {color:loko;}
a:active {color:loko;}
a:hover {color:loko;}


loko = loko mifanaraka amin'ny sisin'ilay sary na ny rindrin'ny pejy.
Raha sahala amin'io ambony io, dia mitovy daholo ny lokon'ny rohy rehetra. Azo atao anefa ny mamaritra azy amina toerana iray monja (mamorona class ohatra).
3. ds ( 27/09/2007 15:52)
Rehefa nojerena akaiky toa asiana border="0" dia ampy.
4. lohabe ( 27/09/2007 16:43)
Sitraka sy telina, hovaliana raha mahatsiaro.

Ilay voalohany tsy nety. :-*
5. hery ( 01/10/2007 13:14)
:-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1182