Hay ary ampiharina sa fe hay ny tenin'Atra

1. Jeankely ( 26/09/2007 12:19)
Tsy izaho no mamorona fa ny gazety no nanoratra an. Pastora mi-sipa @ mpivavaka, Mopera na freres manola zazakely; pastora mpanao politika gaigilahy ary mahatezitra ny mpanaradia, sns... Ireo olona ireo no anisany mahay antsipirihany ny tenin'Atra nefa. Ao koa ny mpivavaka sy mpiantso Atra isaky ny mihetsika nefa hafa no atao any @ tsy hita maso. Raha tenenina dia hoe: AZA MITSARA FA MBOLA HO TSARAINA. Natao hampiarina sa natao hamitahana ilay izy izany.
novalian'i fijo ny 04/10/2007 21:00
2. penguin ( 26/09/2007 12:26)
Mpivavaka tsaramaso=))
3. ikaretsaka ( 26/09/2007 12:26)
1-raha ampianarina betement ny tenin'Andriamanitra dia tsy mety http://www.msnbc.msn.com/id/20910659/site/newsweek/page/0/

2-Samihafa ny mitsara sy mifananatranatra sy ny miady hevitra! ny manao affirmation gratuite no tsy azo atao.
Ny mifananatranatra kosa mankodia natao hisainana, dia omena sopapa kely ilay namana hoe hoe jereo akaiky ny momban'izao mba hahatonga saina anao. Inoako fa tsy misy maharatsy izany
4. ikaretsaka ( 26/09/2007 12:28)
misy teny izay koa manao hoe: aoka ianareo tsy nanota, no hitora -bato azy voalohany
5. menalamba ( 26/09/2007 12:30)
Ika>Momba ny hevitrao aho:D
6. Jeankely ( 26/09/2007 12:42)
Fandrebirebena marina izany ity torianareo ity. Rehefa tratra dia izay madio no aleo hitoraka aloha. Fiarovan-tena no betsaka satria hafa ny fahaizana tenin'Anindriamanitra ary tsy vita mora ny manaraka azy. Dia hitaro eo fa aleonay mijanona tsy mahay rehefa samy tsisy afaka hitoraka=))=))
7. la ( 26/09/2007 12:48)
Natao ampiharina sy iainana ny tenin'ny soratra masina fa eto an-tany tsy ilaozan'ny mpitari-bato vilam-bava. Ny fahitana ireny mpanompon'Andriamanitra (mopera, pasitera sns...) ireny manao izany zava-dratsy izany tsy midika hoe "mandehana ka manaova toy izany koa" fa isika rehetra samy mahafantatra ny tenin'Atra de samy miezaka manaja izany avy isika rehetra fa tsy ze ratsy ataon'ny olona de atao satria we izy aza manao fa miezaka fona isika mba hanao izay kely tsara vitan-tsika :):D
8. Jeankely ( 26/09/2007 12:56)
Iny indray aloha mba tiako ry havana fa raha hifampiaro tsy mety aho. Kely vita hampitomboy an
9. ikaretsaka ( 26/09/2007 13:07)
Aleo kosa mitsotra toy izay hihatsaravelantsihy koa!
tonga de hoe miezaka na tsy vita aza
toy izay hoe za kristianina, za zao, nefa.. inona!
fijeriko manokana io an
10. Jeankely ( 26/09/2007 13:33)
Ka izay indrindra. Rehefa manazava dia manaporofo fa tena Christian avy eo mivaralila mametraka olana isan-karazany. Ny tenin'Atra aza mbola adika vilana.
11. bozyboleta ( 26/09/2007 13:36)
Le hoe mitsara aloha efa fomban’olombelona iny.
Fa ny hoe mahay ny tenin’Atra dia mety ho maro ny hilaza ho mahay, fa tsy ny fahaizana azy no zava-dehibe fa ny fiainana sy ny fampiharana izay vontoatiny lazainy. Inona no vontoatiny? FITIAVANA
Marihako mihitsy fa vontoatiny fa tsy hoe zay rehetra voasoratra satria misy zavatra zay tsy azo alaina ara-bakiteny ao.
Ireo mpitondra fivavahana mampiseho toetra tsy mendrika de ohatra velona ary tafiditra mitsy @ le lazaiko ambony io hoe mahay ny tenin’Atra, saingy tsy miaina sy tsy mampihatra ny hafatra lehibe voalaza ao.
Atao ahoana fa solafaka ihany koa izy ireny fa de mivavaka ho azy mba ho hazavain’ny Fanahy Masina.
^:^
12. niryna ( 26/09/2007 17:22)
la:

Natao ampiharina sy iainana ny tenin'ny soratra masina fa eto an-tany tsy ilaozan'ny mpitari-bato vilam-bava. Ny fahitana ireny mpanompon'Andriamanitra (mopera, pasitera sns...) ireny manao izany zava-dratsy izany tsy midika hoe "mandehana ka manaova toy izany koa" fa isika rehetra samy mahafantatra ny tenin'Atra de samy miezaka manaja izany avy isika rehetra fa tsy ze ratsy ataon'ny olona de atao satria we izy aza manao fa miezaka fona isika mba hanao izay kely tsara vitan-tsika :):D



=D=D
13. Kwasi ( 26/09/2007 17:35)
Ny saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay hamarara.

Misy ny mampihatra sy miaina ny tenin'Andriamanitra ary misy koa ny mahay fa tsy miaina araka ny tokony ho izy ilay izy.
Mampalahelo tokoa ny fisian'ny mpidera tena ho mpivavaka na ho mpanompon'Andriamanitra nefa tsy miaina araka izany akory. Izany anefa ho anay mpino tsy ataonay hahakivy na hampitsoaka an-daharana, satria ny fiainam-pinoana dia entre ny tena sy Andriamanitra. Raha nahatsapa izahay fa nahazo ny fahasoavana avy @ Andriamanitra dia tsy izay toetran'ny olonkafa akory no andeha ho ataonay standard ka itsaranay azy sy ny tenanay.

Ka io izany ry jeankely dia problemany sy Andriamanitra fa tsy problemanay sy Andriamanitra, ka tsy hitanay izay hidirana aminy lalina. Ny hany azo atao dia ny mampahatsiahy azy ny tokony ho lalana izorany. Ka raha misy moa ny fiziriziriana... dia azy ny azy.
14. pissoa ( 26/09/2007 17:59)
Efa hiarahan'ny kristianina rehetra mahalala anie fa fiainana io mahakristianina io fa tsy kabary fotsiny e (na dia be kristianina manao politika aza :°) ) !

Amiko manokana fotsiny, teneno izy rehetra hoe tsy mety ny ataony e. Fa ny fomba hitenenana azy no kajio tsara koa. Efa resaka nandeha tato ho ato ny hoe mila mianatra ny mpitory fa tsy izay mahay mitabataba rehetra dia mitory daholo. Raha manao dridrangilo fotsiny eny an-karabe amin'ny hadisoan'ny hafa kosa dia aza gaga raha valian'ny olona fotsiny hoe mbola hotsaraina koa e :-D:-D:-D
15. fijo ( 26/09/2007 19:46)
za koa tsy tia le fitenenana hoe "izay tsy nanota no mitoraha voalohany"raha izay anie de aleo izany samy hanao izay reviny eo e,de hoaiza raha izay????
16. gasynamana ( 26/09/2007 20:57)
1 - Inona no tena tian'ilay mpanokatra ny ady hevitra asongadina eto fa tsy hita no sady tsy mazava?

2 -
za koa tsy tia le fitenenana hoe "izay tsy nanota no mitoraha voalohany"raha izay anie de aleo izany samy hanao izay reviny eo e,de hoaiza raha izay????

Ahoana no fahazoanao io tenin'i Kristy io?
Inona no hafatra tena tiany hampitaina?
Sao mba tsy izay lazainao izay no izy?

17. fijo ( 26/09/2007 21:00)
amiko dia teny fialana bala io.rehefa tsy mahita ambara ny olona dia na manodina resaka na manao io valinteny io.ka tsy voako loatra
18. gasynamana ( 26/09/2007 21:03)
Fa ivereno kely àry ilay olona tena niteny azy. Inona no tiany hampitana? Inona no tena hevi-dehibe fonosin'io fehezan-teny io?
19. gasynamana ( 26/09/2007 21:04)
ary ny fanontaniako koa dia hoe: ahoana no fahazoanao azy, fa tsy hoe rehefa inona no ampiasan'ny olona izy
20. fijo ( 26/09/2007 21:04)
hoavy indray ny enkety,fa lazao aloh any fahitanao azy,dia asehoko ny hevitro.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1428