Nahoana no tsy afaka mamafa anarana

1. hery ( 25/09/2007 10:42)
Fanontaniana matetika mitranga ity ka hovaliako eto dia mba ampitapitao amin'izay sendra mila valiny.

Tsy misy fanalàna anarana eto amin'ny serasera fa rehefa tiana ho voafafa ny anarana dia tsy miditra mandritra ny 4 volana fotsiny.

Nahoana? Fitsinjovana anao ihany izany.
Efa nitranga teto hoe vao fafaina ny solonanarana iray (an'i salmo angamba izay) dia misy olona misoratra anarana mampiasa an'iny solonanarana iny. Tokony tsy hisy olana, fa avy eo ilay olona niala indray no mimenomenona hoe misy olona misandoka (kanefa izy efa niala).

Koa mba hisorohana an'izay dia tsy misy famafana anarana.

Koa rehefa tsy miditra serasera mandritra ny 4 volana ianao dia adinon'ny olona :-) dia tsy maninona raha voafafa aza.

novalian'i majakely ny 25/09/2007 11:24
2. salmo1 ( 25/09/2007 11:13)
Misy ps salmo zay hitako ao @ namana. Tsy fantatro oe: iza kalouny i salmo:roll::)8)

Tsy efa t@ 3 Janvier 2007 ve izy no tato farany.

Raha izaho ihany i salmo dia fafao ilay ps-salmo fa tsy tiako ntsony. Raha olo-kafa i salmo tsy tokony efa voafafa ve izy, satri efa 9 volana zay izy no tsy niditra, noho izany, tokony efa nesorina i salmo. satri i salmo1 tsy manana kambana.

3. majakely ( 25/09/2007 11:22)
fa talouh nisy aaa,tadidiko tsara mihitsy ,,,afaka manindry tamizany hoe hiala tsy ho namana tsony fa tsy nila niandry 4 mois zany...fa niova rehefa taty aorina...
4. majakely ( 25/09/2007 11:24)
fa marina ihany alouh le hoe fitsinjovana ee,,,satria marina misy ny mety hanimba anilay olona mihitsy raha maka ny psedo efa nialanao iny!!!:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7253