Andramo fa ahazo hery tokoa hianao:Salamo sy Ohabolana!
1. niryna
(
25/09/2007 05:34)
Ny teny izay aloakan'ny vavantsika dia avy ao anatin'ny fo daholo na teny madio izany na teny mamy ary na teny maloto.
Ny vava mantsy dia afaka manome tsodrano olona ary afaka manozona sy miteny ratsy olona ihany koa.
Efa naheno ve hianao rehefa manao fotoam-pivavahana ka mandeha tsirairay ny olona,misy milaza hoe tsy mahay mivavaka aho?
Andramo ity ho an'ireo izay milaza fa tsy mahay mivavaka.Na teny kely iray na roa isan'andro fotsiny aza no vakianao ao anatin'ny Salamo sy ny Ohabolana dia ahita fiainambaovao hianao.
Ny ohabolana indrindra indrindra mitovy ny isan'andro(31 andro).
Ny fivavahana dia tora-po tsy mila mianatra tsianjery,tsy mila manao formule,tsy mila mitadidy,izay ao anatin'ny fonao ihany no amboray Azy fa efa fantany na dia mbola tsy nangataka aza hianao.
Ataovy aza ny fanandramana.Pratique-pratique-pratique
Tsipiho izay teny manintona sy nahafinaritra anao
ka na dia mikimpy aza ny masonao any aoriana any dia fantatrao hoe ato amin'ny havia na havanana no misy an'io teny io.:roll::lol:
Ny maso mijery,ny vava mitaraina,ny sofina mihaino.Inona indray no tadiavintsika.Io i Kristy fa miandry antsika
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
(l)niryna

répondu par niryna le 02/10/2007 05:26
2. Rafotsy
(
25/09/2007 07:47)
Tena marina io voalazanao io !
Tena nisy nahakivy ahy ary tsy hitako izay vakina , dia noraisiko ny Psaumes , nahazo hery marina ary feno fanantenana , dia notohizoko ny Proverbes eo am-pamaranana aho izao , ary mahatsapa fa tsy misy ny "kisendrasendra " ! :-*

3. bozyboleta
(
25/09/2007 11:54)
Tena manome hery tokoa ny bokin'ny Salamo sy Ohabolana noho izy mirakira tononkalo dia avy hatrany dia voaray am-po, ary izay ihany koa no mahamora tadidy azy.
Izaho aza indraindray de mahatsapa fa na inona na inona fihetsehampoko (tsy haiko moa na io no mahadika ny état d'âme), de refa mamaky salamo za de ôtrany mifandraika @ zay fihetsehampoko zay foana no zavatra vakiako ao.

4. fahamarinana
(
26/09/2007 03:32)
:arrow:Mitovy hevitra tanteraka aminao aho niryna ary isan'ny nandalo tamin'izany tsy mety hivavaka izany tokoa taloha satria nànana hevi-diso hoe ianarana daholo izy io.Efa taty aoriana nony tonga tao amin'ny Tompo tanteraka dia izay vao nahatsapa fa ny Fanahy Masina no hametraka amin'ny molotro ireny Teny sy Vavaka rehetra ireny.Dia mitovy amin'ny rehetra hoe isan'ny tiako tokoa ny ao amin'ny Salamo,Ohabolana ary Isaia.Misy Teny ohtr'izay dia tonga dia tavela ao an-tsaina satria tena niainana na nandalovana.Tsy misy kisendrasendra tokoa e!(l)
5. niryna
(
26/09/2007 04:33)
Rafotsy:
Tena marina io voalazanao io !
Tena nisy nahakivy ahy ary tsy hitako izay vakina , dia noraisiko ny Psaumes , nahazo hery marina ary feno fanantenana , dia notohizoko ny Proverbes eo am-pamaranana aho izao , ary mahatsapa fa tsy misy ny "kisendrasendra " ! :-*
Misaotra anao nizara,tao anaty mangidy namirifiry mafy aho no nandray ny salamo.Nandohalika,nitomany nitalaho.Naheno feo aho izay nibitsika tato anatiko ary io no narahiko dia izao mizara amintsika rehetra izao aho taty aoriana
6. niryna
(
26/09/2007 05:01)
bozyboleta:
Tena manome hery tokoa ny bokin'ny Salamo sy Ohabolana noho izy mirakira tononkalo dia avy hatrany dia voaray am-po, ary izay ihany koa no mahamora tadidy azy.
Izaho aza indraindray de mahatsapa fa na inona na inona fihetsehampoko (tsy haiko moa na io no mahadika ny état d'âme), de refa mamaky salamo za de ôtrany mifandraika @ zay fihetsehampoko zay foana no zavatra vakiako ao.
Tena marina tokoa izany.Nandeha niasa aho indray andro izay,nisy vehivavy manana fankahalana tsy ahoana tsy ahoana ary nandainga mihitsy aza.Tsy namaly aho fa nivavaka azy ary noho ny tonga taty an-trano dia tena hitako tao anaty salamo ny valiny.Nivavaka aho ary tonga dia namela ilay olona ka vao namadika ny baiboly aho dia ny Sal 82:1-13
1 Fivavak'i Davida. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.
2 Arovy ny fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.
3 Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.
4 Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.
5 Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.
6 Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon'ny fifonako.
7 Amin'ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.
8 Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin'ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.
9 Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
10 Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.
11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.
12 Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.
13 Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ambany indrindra.
Ary dia nahazo hery tanteraka aho ka namela ilay ramatoa tamin'ny foko manontolo.Izy indray no lasa mandositra isaky ny mahita ahy.Ary dia mbola mivavaka azy foana aho mba ho voavonjy ny fanahiny satria ireny olona manao ratsy ireny indraindray tsy mahafantatra hoe tsy mety ny ataony.
Sal 82:3-5
3 Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo;
4 Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy.
5 Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin'ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin'ny tany rehetra.
Dia jereo anie ity e,toa ny tenako no niresaka taminy tamin'izaho namaky ilay Salamo.
14 Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon'ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.
15 Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.
16 Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.
17 Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan'izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.
Ary dia tena nahazo haingam-panahy sy fampaherezana ny tenako.
Ho Azy Irery Ihany anie ny voninahitra ^:^.
Ho an'izay mbola tsy namaky ny Salamo sy ny Ohabolana,ny Fanahy Masina anie hanoro sy hampianatra ary hanazava ny tenin'Atra ho anareo.:D
7. niryna
(
26/09/2007 05:16)
fahamarinana:
:arrow:Mitovy hevitra tanteraka aminao aho niryna ary isan'ny nandalo tamin'izany tsy mety hivavaka izany tokoa taloha satria nànana hevi-diso hoe ianarana daholo izy io.Efa taty aoriana nony tonga tao amin'ny Tompo tanteraka dia izay vao nahatsapa fa ny Fanahy Masina no hametraka amin'ny molotro ireny Teny sy Vavaka rehetra ireny.Dia mitovy amin'ny rehetra hoe isan'ny tiako tokoa ny ao amin'ny Salamo,Ohabolana ary Isaia.Misy Teny ohtr'izay dia tonga dia tavela ao an-tsaina satria tena niainana na nandalovana.Tsy misy kisendrasendra tokoa e!(l)
Tsy misy tokoa ny kisendrasendra ary mahita olona marobe mihitsy aho mijoro vavolombelona ny amin'ny tenin'Atra.
Ity misy pasitera iray:
Olona niliba nanao fiainana izy ary dia tia nitsakatsaka.Indray andro nifanena ireny mpivarotra rongony ireny ary dia raikitra nivarotra.Nanondrana tany an-toeran-kafa ary dia tsy tonga tany amin'ilay olona ilay izy fa nandramany hono ary dia tiany ka laniny tsikelikely ilay izy.
Teo izany no nanomboka ny fiainana tsy nandeha amin'izay laoniny intsony.Nigadra ilay rangahy io ary tsy maintsy hanefa sazy.Tany am-pigadrana ihany koa izy(efa nisy vavolombelona olona nigadra nolazaiko taloha)no nanatona an'Atra.Nony tonga ny fotoana nitsarana azy,nifandiso ny anarany ary dia olon-kafa no nanoratan-dry zareo azy,Hafa maina ilay rangahy fa tsy anarany no voampanga ka dia afaka madiodio teo amin'ny fitsarana izy.(kisendrasendra ve ?Tsy nisy nahalala fa nahafantatra izy fa meloka saingy nifona,nitalaho mafy tsy anao an'iny intsony)
.Narary mafy feno aretina maro izy taty aoriana ary nafarana ny reniny ho aty,niaraka izay vola tahiry kely handevenana azy(efa teo am-bavahoanan'ny fahafatesana izy).Nitamberina ny hafatry ny reniny hoe minoa an'i Jesoa dia ho vonjena hianao,izay teny izay foana no naverimberiny tao an-tsaina,tsy afaka niteny intsony izy fa ny sainy mbola afaka nisaina hoy izy.Velona soa amantsara ilay rangahy ny aretina rehetra nahazo azy dia sitrana ho azy ary ny reniny izay tonga taty hoe andevina azy,io izy fa mbola velona soa aman-tsara koa ,mihaino ny zanany,mijoro vavolombelona ny fomba namonjen'Atra azy.Satria voaantso ho mpitandrina izy ary dia mbola mpitandrina hatramin'izao.
Mijoro aho satria maro ny olona mbola tsy mino fa tena misy kristy,tena mamaly vavaka izy,tena mihaino ny fitarainantsika izy ary ao anatin'ny fahoriana no tena ahitantsika sy hiderantsika ny voninahiny (l)(l)
8. fahamarinana
(
26/09/2007 05:31)
:arrow: marina tanteraka niryna a,tsara be ilay fijoroana vavolombelona nataon'ilay rangahy.Tsy azontsika eritreritra mihintsy indraindray e,sa ahoana?(l)
9. niryna
(
26/09/2007 06:16)
fahamarinana:
:arrow: marina tanteraka niryna a,tsara be ilay fijoroana vavolombelona nataon'ilay rangahy.Tsy azontsika eritreritra mihintsy indraindray e,sa ahoana?(l)
Tena tsy azo veroka tokoa,ny kristiana dia tokony hanana fanantenana mandrakariva ary tsy tokony ho kivy.Mila ampiharina ilay fivavahana amin'ny fiainana ka araka ny hampiharina azy no ahitanao vahaolana foana,sa ahoana ?
10. fahamarinana
(
26/09/2007 10:49)
niryna:

:arrow:Tena miombon-kevitra aminao aho ,hitako sy tsapako tanteraka hatramin'ny tena nanekeko ny Tompo,taloha manko ny marina dia nanaiky ohatr'izao fontsiny par habitude,par l'éducation fa izao vao resy lahatra tanteraka sy mahatsapa ny fahasoavana omeny ahy...Ié mahita vaha-olana foana rehefa miaraka Aminy na dia vaha-olana mety tsy ampoizina sy tsy notadiavina fa mila fatokisana Azy tanteraka e. (l)
11. niryna
(
27/09/2007 17:03)

Ary hitako amin'ny fiainako koa izany,Atra dia mamaly vavaka ary fantatro tsara izany.Isika kristiana dia miaraka amin'ny FM manampy antsika,ny filan'ny nofo tsy te-hanaraka ny tenin'Atra ka raha misy marina mandratra aloha saingy toy ireny tantaran'i Ezekiela nitsako taratasy moa ilay izy:roll: ratsy ny tsirony,mety mankaleo sy mampandoha mihitsy ary mandratra fo ilay tenin'Atra saingy rehefa tsakotsakointsika ela eo,avadibadika ny marina,manaiky fa diso,miezaka fa tsy anao an'iny intsony dia lasa mivadika mamy toy ny tantely.Izay ilay ohatra iray azo oharina ny hoe tantely amam-bahona ny fiainana.sa ahoana?
13. niryna
(
01/10/2007 04:04)
fahamarinana:
:arrow: niryna :Marina tanteraka e! ,mitovy hevitra isika!(l)
Mahereza hatrany fa tsy mora ny mitory ny filazan-tsara saingy manana an'i Kristy isika ka mifaly ao aminy.Hisaorana koa izy nanome ny FM hitari-dalana antsika tsirairay avy.
Ny fahasoavan'ny Tompo anie hiredareda ato amintsika rehetra hatrany.
14. fahamarinana
(
01/10/2007 10:55)
niryna:
fahamarinana:
:arrow: niryna :Marina tanteraka e! ,mitovy hevitra isika!(l)
Mahereza hatrany fa tsy mora ny mitory ny filazan-tsara saingy manana an'i Kristy isika ka mifaly ao aminy.Hisaorana koa izy nanome ny FM hitari-dalana antsika tsirairay avy.
Ny fahasoavan'ny Tompo anie hiredareda ato amintsika rehetra hatrany.
:arrow:Merci e,torak'izany koa ho anao,tena tsy mora tokoa fa tsy kivy sady tsy mitsahatra mianatra koa sy mizara izay azo na mbola tsy hay aza izay mizara izay ..(l)
15. niryna
(
02/10/2007 05:26)

ie,marina izany.