tso-drano

1. diamondra27 ( 23/09/2007 08:02)
Tena ilaina tokoa ve ny mahazo tso-drano @ RAD vao manambady?
Raha manambady ka tsy nankasitrahan'i RAD ny hiarahana @ lay olon-tiana mety hisy voka-dratsy ihany ve zany any aoriana?
novalian'i tywa68 ny 29/09/2007 19:21
2. Fiffi ( 23/09/2007 11:35)
miankina am fifandraisanao tam RDA-nao hiany io......misy manko le olona tsy mivakl fa manao ny dan'kibony ftsn.....

heu.....miheritreritra zah hoe raha gasy kalou ...asa na ho possible zany hoe tsy mahazo tso-drano avy am RAD zany.....:roll::roll:
3. mandy ( 23/09/2007 15:56)
Tso-drano zava-mahery hoy ny Ntaolo akia ! zava-dehibe io ho antsika gasy d misy fiantraikana tokoa @ fiainana rehefa avy eo.
4. pissoa ( 23/09/2007 16:30)
Amiko manokana resaka konsiansy io. Tokony misy resaka hifanaovana foana ao rehefa hoe hanambady angamba, ka tsy maitsy efa nambaran'ny ray aman-dreny ny antony tsy hankasitrahany ny ankilany. Dia anjaran'ny hanambady no mandanjalanja hoe hiroso sa hiemotra. Anjaran'ny hanambady ny manao kajikajy hoe sao dia ho rava ny fifandraisana amin'ny ray aman-dreny sns ! Miankina an'izay ny voka-dratsiny.
5. pissoa ( 23/09/2007 16:32)
Oops - hay moa efa tena hoe handroso mihitsy ! Ie misy vokadratsiny satria misy olana eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka. rehefa tsisy tsony le olana zay vao mety ho foana ny voka-dratsiny :-D:-D:-D
6. cutie ( 23/09/2007 16:45)
pissoa
well done :)
7. ikaretsaka ( 23/09/2007 17:29)
diamondra27:

Tena ilaina tokoa ve ny mahazo tso-drano @ RAD vao manambady?
Raha manambady ka tsy nankasitrahan'i RAD ny hiarahana @ lay olon-tiana mety hisy voka-dratsy ihany ve zany any aoriana?

ny tso-drano zava-mahery hono ry zanako!
Tora bato miverina e!
Fiteny matetika ny hoe tsofy rano aho, hirotsaka amintsika anie ny tso-drano...

8. simplex ( 23/09/2007 17:49)
diams:
Tena ilaina tokoa ve ny mahazo tso-drano @ RAD vao manambady?
Raha manambady ka tsy nankasitrahan'i RAD ny hiarahana @ lay olon-tiana mety hisy voka-dratsy ihany ve zany any aoriana?
ingratitude izany voalohany indrindra satria ireny no nahitana masoandro ary nahalehibe.
Ny voka-dratsiny indray samia mijinja izay nafafiny fotsiny io...
9. Herimiafina ( 23/09/2007 18:00)
Rehafa ho any ampita dia mangataka visa.

Rehefa hanorina trano dia mangataka autorisation.

Rehefa hindrana zavatr'olona dia mangataka ampanajana.

........................

Fa rehefa hanambady, dia manomboka mitady hiala pah tsy hanontany ny hevitry ny RAD.

Izany hoe: raha ny hafa dia tena andrianina fa raha ny havana akaiky ny tena dia tadiavina tsipahana.

Ka noho izany mandehana manantona RAD.:^):@
10. simplex ( 23/09/2007 18:03)
HM:
Rehafa ho any ampita dia mangataka visa.

Rehefa hanorina trano dia mangataka autorisation.

Rehefa hindrana zavatr'olona dia mangataka ampanajana.

........................
ra afohezina @ teny tsotra dia hoe:

Rehefa hanao dia mangataka

^:^
11. jacquinoricas ( 23/09/2007 18:20)
Tena tsra tokoa ho antsika Malagasy ny mahazo tso-drano alou vao manambady izany , fa raha tsy izany dia miteraka zavatra maro eo @ fiaianana ao @ tokatrano izany raha ohatra ka misy ny miseho ny ho mafy loha tsy anao izany fa vita ny hoe ianao tiako zao koa tianao dia andao ary isika hitoka trano raha izany .
12. Fiffi ( 23/09/2007 19:09)
mandy:

Tso-drano zava-mahery hoy ny Ntaolo akia ! zava-dehibe io ho antsika gasy d misy fiantraikana tokoa @ fiainana rehefa avy eo.
de inn akia le izy ?


13. la ( 24/09/2007 04:45)
Tena ilaina tokoa hono hoy ry zareo efa manana satria itanao hoe maivana ianao refa misy tsodrano sady feno fitiavana :)
14. moi ( 24/09/2007 04:56)
Izay nanorin-tokantrano tsy nahazo tso-drano nefa toa mety ihany ny tokantrano no aoka hilaza !

Rehefa tsy mandeha tsara mantsy ny tokantrano dia mandeha ny eritreritra hoe sao dia ilay tsy nahazo tso-drano ary ?

Nefa azo hiadiana hevitra koa ny hoe Ny nahazo tso-drano avy amin'ny RAD ve = mandeha tsara daholo ?

Fa ny tso-drano avy amin'Atra no tena lehibe indrindra (mariazy am-piangonana), nefa indrisy fa be koa no tsy mila izany.
15. rktj ( 24/09/2007 06:54)
tsisy RaD hikatsaka ratsy ho an'ny zanany efa ela nietezana izy ireny mahalala ny mety sy ny tsy mety ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny eo @ fiainana; matoa tsy eken'ny RaD ny fiarahan'olondroa ka tsy hitso-drano izy ireo dia misy zavatra hitany fa mety tsy hasambatra anao izany hoy ny Ntaolo hoe
16. diamondra27 ( 24/09/2007 08:21)
raha fehezina izany izay voalaza dia tokony sy tsara raha mahazo tso-drano.

misaotra ny rehetra naneho ny heviny

Eo @ maha-Malagasy antsika dia tena ilaina tokoa ny mitàna izany fomba izany nefa indrisy indraindray dia sarotra ny manantateraka izany satria tsy mifanaraka @ hevin'ny RAD ny hevin'ilay zanaka dia tsy mahazo tso-drano izy.

Ohatra efa nandeha teto @ dinika izao hoe: nifankatia fatratra ry zareo 2 nefa ilay RAD tsy nanaiky. Dia very hevitra ilay nanao dinika hoe: ahoana ny hataony?
17. diamondra27 ( 24/09/2007 08:24)
Fiffi:

miankina am fifandraisanao tam RDA-nao hiany io......misy manko le olona tsy mivakl fa manao ny dan'kibony ftsn.....

heu.....miheritreritra zah hoe raha gasy kalou ...asa na ho possible zany hoe tsy mahazo tso-drano avy am RAD zany.....:roll::roll:


____________________________________

possible rehefa tsy ankasitrahan'ny RAD ilay fianakavian'ilay olontianao, na ihany koa ohatra hoe lasa mitia olona mmitovy sexe aminao koa ianao dia mbola sarotra aminy ny manaiky izany, na tsy mitovy saranga ihany koa sns


18. diamondra27 ( 24/09/2007 08:25)
mandy:

Tso-drano zava-mahery hoy ny Ntaolo akia ! zava-dehibe io ho antsika gasy d misy fiantraikana tokoa @ fiainana rehefa avy eo.

_________________________________

ka eo indrindra izao no tiana fantarina hoe: inona ilay fiatraikany mety hiseho?

afaka mamelabelatra ny hevitrao ve ianao azafady?

19. diamondra27 ( 24/09/2007 08:29)
pissoa:

Amiko manokana resaka konsiansy io. Tokony misy resaka hifanaovana foana ao rehefa hoe hanambady angamba, ka tsy maitsy efa nambaran'ny ray aman-dreny ny antony tsy hankasitrahany ny ankilany. Dia anjaran'ny hanambady no mandanjalanja hoe hiroso sa hiemotra. Anjaran'ny hanambady ny manao kajikajy hoe sao dia ho rava ny fifandraisana amin'ny ray aman-dreny sns ! Miankina an'izay ny voka-dratsiny.

__________________________________

ka na dia nampilazaina aza ny RAD nefa nandà dia ahoana? de mijinja ny vokany zany satria nitsipaka.
Marina aloha fa matetika manana ny fahamarinany ny RAD nefa kosa indraindray dia toa lasa fitiavan-tena ilay izy na diso miaro ny zanany loatra dia tsy omena ilay tso-drano???


20. diamondra27 ( 24/09/2007 08:30)
ikaretsaka:

diamondra27:

Tena ilaina tokoa ve ny mahazo tso-drano @ RAD vao manambady?
Raha manambady ka tsy nankasitrahan'i RAD ny hiarahana @ lay olon-tiana mety hisy voka-dratsy ihany ve zany any aoriana?

ny tso-drano zava-mahery hono ry zanako!
Tora bato miverina e!
Fiteny matetika ny hoe tsofy rano aho, hirotsaka amintsika anie ny tso-drano...



__________________________________

tena marina izany

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0495