tso-drano

21. ratonga ( 24/09/2007 08:31)
ra mahazo tso-drano dé tsara, ratsy mahazo ataovy zay maha-mety ny fiainanao d basta:°)
22. diamondra27 ( 24/09/2007 08:35)
simplex:

diams:
Tena ilaina tokoa ve ny mahazo tso-drano @ RAD vao manambady?
Raha manambady ka tsy nankasitrahan'i RAD ny hiarahana @ lay olon-tiana mety hisy voka-dratsy ihany ve zany any aoriana?
ingratitude izany voalohany indrindra satria ireny no nahitana masoandro ary nahalehibe.
Ny voka-dratsiny indray samia mijinja izay nafafiny fotsiny io...


_______________________________

ka inona ilay voka-dratsiny mety ho avy e? Ho an'izay mbola tsy mahalala dia manitikitika ny hahhafantatra an'io, mba afaka lazainareo ve?
Dia tokony hankato foana ny RAD izany na inona lazainy eo nefa ianao mba nanana ny antony nitiavanao ilay olona.

Ohatra oray izao:
nisy vhv iray naditra be izy taloha , nihaona t@ ity tovolahy iray indray mandeha dia nilaza fa hiova fitindra-tena , de tena nisy fiovàna tokoa, izay vao nolazaina ny RAD
Ny olana anefa dia efa maty pasipooro eo @ FM ilay vhv io ka na dia niova aza dia mbola ilay toetra taloha ihany no hamantaran'ny olona azy.
Dia nohon'ny hajja amanm-boninahitry ny fianakviana dia tsy manaiky ny RAD
Ingratituve ve 'zany?
23. diamondra27 ( 24/09/2007 08:37)
Herimiafina:

Rehafa ho any ampita dia mangataka visa.

Rehefa hanorina trano dia mangataka autorisation.

Rehefa hindrana zavatr'olona dia mangataka ampanajana.

........................

Fa rehefa hanambady, dia manomboka mitady hiala pah tsy hanontany ny hevitry ny RAD.

Izany hoe: raha ny hafa dia tena andrianina fa raha ny havana akaiky ny tena dia tadiavina tsipahana.

Ka noho izany mandehana manantona RAD.:^):@


_______________________________

de nanatona RAD fa tsy nitovy hevitra de ho ravàna ve ilay fitiavana naorinao?

Sa hoe: raha vao misy olona miaraka aminao dia tokony atao au courant doly ny fianakams?


24. diamondra27 ( 24/09/2007 08:39)
jacquinoricas:

Tena tsaeny e!ra tokoa ho antsika Malagasy ny mahazo tso-drano alou vao manambady izany , fa raha tsy izany dia miteraka zavatra maro eo @ fiaianana ao @ tokatrano izany raha ohatra ka misy ny miseho ny ho mafy loha tsy anao izany fa vita ny hoe ianao tiako zao koa tianao dia andao ary isika hitoka trano raha izany .


_________________________


eny e efa atao anie le fangatahana tso-drano fa rehefa milamina le izy ka mifanaraka @ hevin'ny RAD de ça va fa refa tsy mitovy de ahoana?
25. diamondra27 ( 24/09/2007 08:40)
la:

Tena ilaina tokoa hono hoy ry zareo efa manana satria itanao hoe maivana ianao refa misy tsodrano sady feno fitiavana :)



_____________________________

misaotra anao fa hita eto ny vokan'ilay fanomezan-tso-drano
merci
26. diamondra27 ( 24/09/2007 08:45)
moi:

Izay nanorin-tokantrano tsy nahazo tso-drano nefa toa mety ihany ny tokantrano no aoka hilaza !

Rehefa tsy mandeha tsara mantsy ny tokantrano dia mandeha ny eritreritra hoe sao dia ilay tsy nahazo tso-drano ary ?

Nefa azo hiadiana hevitra koa ny hoe Ny nahazo tso-drano avy amin'ny RAD ve = mandeha tsara daholo ?

Fa ny tso-drano avy amin'Atra no tena lehibe indrindra (mariazy am-piangonana), nefa indrisy fa be koa no tsy mila izany.

____________________________________

tena ireo mihintsy ny zava-miseho @ izao fotoana iainantsika izao.

Voalazanao daholo ny rehetra

raha mande le tokantrano de we: nahazo tso-drano de etsetra etsetra fa raha tsy nande de lazaina hoe: tsy nahazo tso-drano de zao ny vokany

Firy anefa izao ny tokantrano simba eny fa na dia nahazo tso-drano aza???

A@izao fotoana ny vhv te-hitovy zo @ lhl de misy tsy mahazaka izany , be de be ny antony maharava ilay fitiavana nefa dia ny sasany tonga dia mi-culpabiliser avy hatrany fa we: naleo nihaino ny tenin'ny RAD...


27. diamondra27 ( 24/09/2007 08:48)
[quote=rktj]
tsisy RaD hikatsaka ratsy ho an'ny zanany efa ela nietezana izy ireny mahalala ny mety sy ny tsy mety ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny eo @ fiainana; matoa tsy eken'ny RaD ny fiarahan'olondroa ka tsy hitso-drano izy ireo dia misy zavatra hitany fa mety tsy hasambatra anao izany hoy ny Ntaolo hoe
28. diamondra27 ( 24/09/2007 08:50)
"ny fitiavana hono dia tsy misy frontière" hoy ny fitenenana

nefa raha tena tonga tokoa ny tokoa dia tsy hay ny miatrika izany.

Dia eo no mitranga ny olana


dia ahoana?
29. bozyboleta ( 24/09/2007 11:22)
Ho fanampin’ireo voalaza ireo,
1. ho an’ny malagasy indrindra2 , tsara raha mahazo tso-drano avy @ RAD satria iny milaza fa ankasitrahany. Marina fa rehefa manambady de le olon-tianao no vadina saingy etsy andaniny koa le fianakams tsy maintsy mijery ze olona hiditra ao @, io vokatry le rafi-piarahamonina gasy tsimisaramianakavy (communautaire hoy ny vaza).
De matetika eo no mipetraka ny olana, satria misy fianakams sarotiny. Raha hisisika le te-hanambady de mety ho tonga hatrany @ hoe arian’ny fianakams tsy ho isany intsony sns…de mety hihemotra. Ny ankamaroan’ny malagasy mantsy aloha mbola tsy sahy izay hoe hitsipaka fianakams izay; eo koa ny tahotry ny hoe raha sanatria misy zava-mitranga any aoriana de ahoana satria ny tena efa nisintaka t@ besinimaro, indrindra moa raha le olon-tiana narahina no mamoan-tsampona..:cry:
Fa misy ihany koa RAD be saina, matim-boninahitra, tsy mijery afa-tsy ny azy ihany dia tsy manome lanja ny fitiavana iainan’ny zanany. Misy RAD de tereny fotsiny hanaraka ny safidiny le zanany, tsisy hoe tiana na mety @ le zanaka na tsia fa didy jadona be.Ary refa tsy iny de tsy omeny tso-drano.

Na izany aza anefa raha mbola azo atao, dieny kely ny ankizy de mba ampianarina sy ampahalalana ze tokony atao na ifaneraserana de mba misy ihany olana mety ho voafehy eo @ fitiavana, ohatra raha tsy tian’le RAD hiaraka @ jiolahimboto mpifoka, mpisotro, mpiteny ratsy ny zanany vavy de ampianarina sy fehezina izy tsy hifanerasera @ ireny. Kely de kely @ zay ny mety hananan’le RAD vinanto sal@ zany…
Dieny mbola tsy miforona le fitiavana de azo fehezina mba tsy hampanahirana.
30. ikaretsaka ( 24/09/2007 12:06)
diamondra27:

"ny fitiavana hono dia tsy misy frontière" hoy ny fitenenana

nefa raha tena tonga tokoa ny tokoa dia tsy hay ny miatrika izany.

Dia eo no mitranga ny olana


dia ahoana?


Ny fitiavan-dray amandreny sy zanaka no tena ts'isy frontiere ka.. ireo manko miray Ra!

izany sipa na vady izany misaraka rahefa tonga ny tsotsori mamba.. afaka atao hoe tsy vady sy tsy sipa intsony! dia samy miala zanako !

fa ny ray aman-dreny sy zanaka na misy gidragidra be tahakan'ny inona aza.. ray aman-dreny sy zanaka foana... mandrakizay!

dia anjaranao no mandinika hoe iza no frontieres voafetra!



31. pissoa ( 24/09/2007 18:56)
diamondra27:
ka na dia nampilazaina aza ny RAD nefa nandà dia ahoana? de mijinja ny vokany zany satria nitsipaka.
Marina aloha fa matetika manana ny fahamarinany ny RAD nefa kosa indraindray dia toa lasa fitiavan-tena ilay izy na diso miaro ny zanany loatra dia tsy omena ilay tso-drano???


Raha normal tsara ny fifandraisan'ny RAD sy ny zanaka dia mbola vao mahalala sipa ny ankizy dia efa fantapatany hoe izao no ho reaction an'i Dada sy Neny raha toa ka teneniko azy hoe hanambady an-dRangetroka atsy avaratrano za (:-P:-D:-D:-D). Donc, raha misy fopla ao amin'le zistoara dia, araka ny hevitro, ilay zanaka izany ...
Matetika koa moa rehefa entin'le hoe "tiako izy" dia lasa lavina daholo ny tenin-dRAD nekena taloha, dia mivadika "tia tena" sy "miaro loatra" indray ny RAD !
32. diamondra27 ( 25/09/2007 06:17)
pissoa: mazava, merci

ika:ankoatran'iny fitiavana RAD sy zanaka fa raha fitiavan'olonkafa no tiako lzaina we tsisy frontières
tsisy difference fotsy sy mainty, mavo, sns
tsy mitovy saranga na fihaviana samy hafa firenena sns
refa tia ny olona 2 de tafaraka foana refa anjarany nefa indraindray misy RAD tsy mankasitraka satria manambady vahiny le zanany (toy ilay olona miangavy manao dinika ato iny izao, le we saropiaro @ olona manambady vahiny fa tsy manambady gasy)

fa aleo ihany aloha mandeha @ norme e! mila mahazo tso-drano.
33. ikaretsaka ( 25/09/2007 23:14)
zava mahery ny tso-drano anaka
34. diamondra27 ( 26/09/2007 08:54)
ika: ekena papa a!^:^^:^
35. Soniamada ( 28/09/2007 19:46)
diamondra27:

Tena ilaina tokoa ve ny mahazo tso-drano @ RAD vao manambady?
Raha manambady ka tsy nankasitrahan'i RAD ny hiarahana @ lay olon-tiana mety hisy voka-dratsy ihany ve zany any aoriana?



tso-dranon'ny ray amandreny:utilité fa tsy nécessité raha ny fahitako azy.
Satria raha tena rad niteraka izany dia mijery izay mahasoa ny zanany, (fa tsy izay hahasoa azy rad rehefa manambady ny zanany), donc mieritreritra hoe aiza no mahasambatra ny zanany. Noho izany tokony manome tso-drano automatique. Afa tsy ny hoe relation incestueuse, na koa hoe efa hitany fa olon-dratsy jiolahy be mpangalatra na koa hoe mpampirafy gaigilahy sns. Fa tsy hoe tsy manambola, na koa hoe tsy mitovy firazanana dia tsy omena tso-drano ilay zaza.

Ny vokadratsy aloha tsy hinoako hoe misy, fa io rehefa hikorontana ilay tokantrano dia lazaina foana hoe satria tsy nahazo tso-drano ndray amandreny, na koa hoe tody sns ahitana excuse foana io.
Ny lehibe indrindra angamba raha tso-drano dia ny an'ilay ray ao ambony. Ra io no tsy misy dia izay vao manahirana
36. diamondra27 ( 28/09/2007 23:35)
Sonia: ye
37. tywa68 ( 29/09/2007 19:21)
Tena efa be ireo voalaza etsy ambony fa tsy misy RAD maniry loza ny zanany, fa aza eritreretina hoe tsy manome tso-drano, raha tsy dia mafàna fò ohatranao satria mety nanana vina² ho anao izy, dia hay zavatr-hafa no hitranga.

pissoa : zany angaha moa ? :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2858