tsaramaso

21. booboo ( 23/09/2007 09:48)
fa maninona kay raha mandefa hafatra manokana any aminy ? sa ve zà no tsy nahay namaky teny t@ nisy resa-be momba ny truc tahaka² izao tatsy @ "momba ny serasera" ...vao t@ ity taonaa ity mihitsy :roll:....
22. pissoa ( 23/09/2007 10:46)
k'efa we atôvy fangaron-dôka izy fa nareo koa :-D:-D:-D
23. Papoose ( 23/09/2007 11:25)
o rankizy a!iza ndray hono zao mitsara zao eee!!:twisted::lol:

Asio Arahaba ry Marina impito ho an'i Tsaramaso eee!:-P
24. Rasiligaoma ( 23/09/2007 12:01)
mahagaga mihitsy fa rehefa manao remarques ve dia adika hoe mitsara foana e?
25. cutie ( 23/09/2007 15:14)
Asio Arahaba ry Marina impito ho an'i Tsaramaso eee!

aza adino ny toko saple:-D
26. ikaretsaka ( 23/09/2007 16:28)
andao marina hanamboatra saple vita amin'ny tsaramaso e!
27. cutie ( 23/09/2007 16:38)
atao ohtran'reny beads rany :-D:-D:-D
28. ikaretsaka ( 23/09/2007 16:58)
ie! rosary beads vita @ tsaramaso!
29. cutie ( 23/09/2007 17:02)
tapaka mitsy ny tsinaiko :-D:-D:-D:-D:-D
30. ikaretsaka ( 23/09/2007 17:22)
azo atao izany koa..
mba afaka manao sy manana saple daholo ny olona @ izay, mora nohon'ny plastiques sy ny perles sy ny bois d'oliviers sy ny sisa manko ny tsaramaso!

Imagineo.. tsaramaso 1 kapoaka mahavita saple bobaka be!
manana saple daholo ny mpiangona any @ pere pedro rehefa manao raozery alohan'ny lamesa tsy variana mijery ny saple an'i frera intsony fa samy mampiasa ny saple-ny avy!

Milay be izany fa nareo no maka azy @ lafiny mampihomehy!
31. cutie ( 23/09/2007 17:37)
Ika
anamboary ary za :wink:
32. Fiffi ( 23/09/2007 19:38)
inn njay ary ity dinika ity eh ? :roll:
33. gasynamana ( 23/09/2007 22:44)
Diamondra:
Misaotra anao koa tsy nisorona fa nilaza ny zavatra tsy mety nataon’ny namana.

Nyrina:
Diso hevitra loatra ianao ry nyrina raha fangatahana toro-hevitra sy soso-kevitra ho an’ny olona iray, hanatsarany ny fiainany no lazainao fa fitsarana azy. Ataoko fa mazava ny fampianaran’ny soratra Masina mikasika ny fanitsiana ny hafa hita fa manao hadisoana: anaro izy, toroy hevitra, ampio hahatsapa ny hadisoany,...

Manaraka, ekeko fa ny vavaka dia manova zavatra. Izy Tompo ihany no tena afaka manova ny fo sy ny fanahy. Nefa aza adino, fa isika olombelona koa dia nataony ho mpiara-miasa aminy. Noho izany manana adidy lehibe isika eo anatrehany sy eo anatrehan’ny hafa. Izany no antony itorian’i Pastera teny sy ampianaran’ny Pretra ny olona, fa tsy iandrasany ny fahasoavan’Andriamanitra fotsiny. Izany koa no antony angatahana toro-hevitra avy amintsika hanatsaran’i tsaramaso ny fiainany.
Tsoriko aloha fa tsy lavorary aho, ary ekeko tanteraka ny fahamarinan’izany. Toy izany koa isika tsirairay avy eto. Samy manana ny kilemany sy ny fetrany avy isika. Nefa aza miandry ho lafatra vao hanampy ny hafa.

Ho an’i tsaramaso:
Voalohany dia misaotra anao indrindra tamin’ny fanitsina tsipelina nataonao.
Manaraka izany dia, aza heverina fa ny hanova ny hevitra ijoroanao no antony angatahana soso-kevitra sy toro-hevitra eto. Tena tsy izany mihitsy. Ny antony izao dia ny mba hanatsaranao ny fiainanao sy ny fombanao.
Malagasy ianao ary mahalala tsara ilay fahendrena malagasy hoe: “ny zanaka tiana no tsy itsitsina ratsan-kazo”. Raha misy ny tsy mety ataon’ny zanaka (na zandry, na zoky) dia tokony hanarina izy sy hatoro ny mety tokony hataony. Am-pitiavana no anaovana izany rehetra izany fa tsy fankahalana akory. Atsipy ny tady atadroky ny omby, hoy isika, ary atsipy ny teny am-pon’ny mahalala. Raiso àry izay hitanao fa mahasoa anao avy amin’izay lazain’ny namana eto, ary avereno aminay izay hitanao fa tsy mety aminao.
Raha ohatra moa ianao ka any am-pitan-dranomasina any ka efa manadino ny maha Malagasy, ary miezaka miaina ny atao hoe: “fahafahana tanteraka” dia izao: fantaro fa ny “tena fahafahana marina” (la vraie liberté) dia tsy baranahina akory (libertinage). Izany hoe fahafahana manao izay tiana hatao rehetra. Ny tena fahafahana marina dia ny fahafahana manantateraka izay mahasoa ny tena nefa tsy manimba ny hafa sy ny manodidina.

Ireto àry ireo zavatra tsy ampy aminao (na tsy anananao mihitsy):
1 – Fandinihana ny zavatra lazaina
2 – Fandalinana
3 – Fanajana ny hafa
4 – Fandanjalanjana ny teny ambara.

Mety hahasorena anao ny zavatra nolazaiko, mety tsy hahafaly anao koa, nefa mitaona anao aho handinin-tena kely.

Misaotra anao sahady aho amin’izay mety ho valin-teninao eto, na ho opa, na ho fanesoana, na ho fanivaivana, no ho fisaorana koa…. Ny irariako dia mba hitondra soa ho anao sy ho an’ny hafa ity dinika ity.
34. ikaretsaka ( 23/09/2007 23:01)
tsy hitako intsony izay azo hanampiana an'ity! Misaotra tanteraka an'i Gasynamana
Ho tanteraka anie izany
Amen!
35. Papoose ( 24/09/2007 09:26)
ny azonao anampiana de mandrafitra an'ilay saple kooooo!! de aza adino ny mba manamboatra ho ana ko fa reny no tsy ampy aminay aty!

Averiko foana, aza mitsara hono wa isika e!:lol:
36. tsaramaso ( 24/09/2007 09:37)
gasynamana:
Ireto àry ireo zavatra tsy ampy aminao (na tsy anananao mihitsy):
1 – Fandinihana ny zavatra lazaina
2 – Fandalinana
3 – Fanajana ny hafa
4 – Fandanjalanjana ny teny ambara.

1- Mahita ohatra na dia iray monja aza ve ??!!
2- Fa ny an'i gasynamana moa lasa lalina hatraiza ??!!!
3- cf diamondra27
4- karibonetra io, cf 1

diamondra27:
"loza ho an'izay mahatonga ny fanafitohinana".
i tsaramaso sa izay nanesi-javatra ao an-dohan'ny pokona ??!!!! mandinika i tsaramaso ...

Papoose:

o rankizy a!iza ndray hono zao mitsara zao eee!!:twisted::lol:

Asio Arahaba ry Marina impito ho an'i Tsaramaso eee!:-P
hahahhhahaahaaa!!!! Asio arahaba ry Elizabeta nenitoan'Andriamanitra ho an'i Papoose e !!!!!!
Fa i tsaramaso tsy sarotiny @ze fitsaran'ireo ka !!!!!!
37. booboo ( 24/09/2007 09:53)
inn njay ary ity dinika ity eh ?


Fiffi > mangalà seza kely fa efa vonona ny popcorn e :°). :miam::miam::miam::miam::miam:
38. ikaretsaka ( 24/09/2007 11:28)
chapitre firy isika izao rankizy fa mbola varena nitady pop corn za!:wink:
39. diamondra27 ( 24/09/2007 12:17)
tsaramaso:

gasynamana:
Ireto àry ireo zavatra tsy ampy aminao (na tsy anananao mihitsy):
1 – Fandinihana ny zavatra lazaina
2 – Fandalinana
3 – Fanajana ny hafa
4 – Fandanjalanjana ny teny ambara.

1- Mahita ohatra na dia iray monja aza ve ??!!
2- Fa ny an'i gasynamana moa lasa lalina hatraiza ??!!!
3- cf diamondra27
4- karibonetra io, cf 1

diamondra27:
"loza ho an'izay mahatonga ny fanafitohinana".
i tsaramaso sa izay nanesi-javatra ao an-dohan'ny pokona ??!!!! mandinika i tsaramaso ...


_________________________



inona no nasesika tao andohan'ny hafa?



40. tsaramaso ( 24/09/2007 20:41)
booboo:

Fiffi > mangalà seza kely fa efa vonona ny popcorn e :°). :miam::miam::miam::miam::miam:

iiiiiiiiiii!!!! may Ikatsaka !!!!

@diamondra27 :
Eo indrindra tsika zao !!!!!!!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0911