Mahaliana!

21. ikaretsaka ( 22/09/2007 20:44)
za aloha efa ela no niala e..:-D efa ela aho no niala t@ io fisainana hoe bokin-dàlana io! fa efa novaiko hoe boky natao hodinihina sy hijerevana ny fitiavann'A/tra ny baiboly!
http://www.jesuites.com/spiritualite/principe/index.html
Ny fihevitro izany hoe Andriamanitra tsy Andriamanitra natao hoe mpampijaly na ohatran'ny polisy... hoe nisy lalàna nodikainao dia voasazy ianao!
fa ny ahy Andriamanitra compassionnate @ olona avy nandinika ny tenany!

Tontolo izao hiadanana sy hahatsiarovan-tena no nohariny fa tsy tontolo izao feno tontolon-dalàna sy tontolon-tsazy!
AMDG
22. Papoose ( 22/09/2007 22:38)
pissoa:

hi hi hi - mba andramo io ry zalah ah - otran'ny nihabogosy zany le bandy ! :-D:-D:-D



mamporisika ny sipa hanao koa io fa @ zay ny diet vita de mety ho manjamanja koa!:-D:-P

Marina fa tsy bokin-dalana ny baiboly fa le hvt mba entina hampody ventiny ny rano natsakaina ny lesona tao anaty baiboly. Dia au lieu de hoe mitanisa verses mameno ny forum n'ny vavaka sy finoana eto @ seresera vao misy soso-kvt mipoitra dia tena pratique physique no atao fa tsy theorique be mameno tanana intsony!
Ny tena klown mantsy dia misy hvt "F" mipoitra tonga dia toko sy andininy mirefy folo santimetatra tsy latsaka manao lanja midina no mitandahatra eo. Dia mandeha mandeha dia orisize ny hiafarany.
Savla ny mpamaky le!:roll:
23. ikaretsaka ( 23/09/2007 03:34)
HS kely: folo santimetatra izany anie raha mitsivalana dia mitovy halava @ ny sakany (largeur) an'ilay espace fametahana hevitra io e: (ilay ambanin'ny hoe hamaly ny hevitra) io ambany io!:wink: (avy eo @ colonne fahatelon'ny ny smileys ka hatrany @ ilay tsipika farany io:
*hatretok'atreto*

fa raha hoe avy aty ambony ka hatrany ambany no 10 sm de manaiky aho

NB: tsy hita fa "mpandrafitra jiosy" koa ilay jesoa arahiko dia "indro kelin'ny mpandrafitra iny_
24. soanja ( 23/09/2007 03:46)
Papoose:

What if you spent one year following every rule in the Bible?

Ahoana tokoa moa raha ianareo ireo manana addiction @ Baiboly ireo no tena manaraka ny isam-bolon-dalana voalaza ao anaty baiboly? Tena hahavita marina ve?

Ohatran'ny nataon'ity ranamana ity?
http://www.msnbc.msn.com/id/20910659/site/newsweek/

Challenge:D

@ zay sady experience no temoignage




Zah mino fa mahavita tokoa ny olona iray rehefa hanao azy SATRIA nahoana? Eo Andriamanitra hitantana azy amin'izany.
Tsy mora anefa izany ka izay no mety mbola tsy ahavitan'ny tsirairay izany.
Ny hany fantatro dia tsy voatery ireo lalana ao anaty baiboly ireo fotsiny no hafatr'Andriamanitra sy lalana arahintsika fa mibitsika mangina any anatintsika any izy. Anjarantsika isan-tsegondra sy minitra ny hanantontosana izany.
Mino aho fa matoa ny olona iray miezaka manome antsika ny Soratra Masina eto dia izay izany no mission-ny sy adidiny.
Ny ezaka no zavadehibe koa andeha isika hifampivavaka amin'ny fahatanterahana ny mission napetraka amintsika tsirairay avy! Misaotra mialoha.
:-*:-*:-*:-*


25. cutie ( 23/09/2007 04:15)
soanja
marina ny an-jy
tsy maintsy hiala @ "zao tontolo zao" vo mahavita an'zany .
Aiza ary i prime hi-define an'"zao tontolo zao" :)
26. Papoose ( 23/09/2007 11:23)
Soanja, za aloha mba te hahita maso direct raha mba misy chance e! efa nahita maso t@ soratra be de be mantsy!

Ikason, efa hoe 10 cm manao lanja midina wa!manaraka ny longueur ny dikan'izany!
C'mon yo, don't u understand Malagasy?:oops::-P
Vakio tsara moa fa fohifohy ihany anie io nosoratako io eee!!:oops:
27. Rasiligaoma ( 23/09/2007 12:42)
soanja> ka na tahian'andriamanitar toy ny inona aza sarotra be (raha hoe izay miseho isan-andakana rehefa didy dia alaina)
satria misy lalAna mifandipatra.

Ohatra:

Genesisy 19, 30-36
Inoako marimarina tokoa fa tsy hahavita hanao firaisana ara nofo amin'i dadanareo dia hanamamo an-drainareoi Soanja sy i Nyrina satria efa antitra izy!
Na hiteraka aminy!
(tena ao anaty baiboly anefa nanao an'izany tamin'i lota ny zanany 2 vavy ary niteraka taminy)

ohatra Isaia 20:3...
fantatro fa tsy handeha hitanjaka 3 andro i Soanja sy i niryna ka hankany ejipta sy Etiopia (toy ny nataon'Izaia)

1Samoela 16:23
Misy fanahin'Andriamanitar ratsy koa izany?
dia hitendrena gitara dia afaka?

deteronomy 14:21
Tandremo ary mamono biby tsy mahafaty eo, dia efa nanota daholo koa izany isika satria ohatra ny trondro efa maty ho azy nefa nohanintsika


Dereronomy 25:11-12
mino aho fa raha sanatria miady aho sy ny vadin'ny 1 aminareo ka tonga ny 1 hanasaraka.. ka nahakitika ny ankasarotako: tsy hanapa tanana anao kosa aho le!!

Voasoratra sy nitranga ary didy ao anaty baiboly daholo izany ry havako, fa mino marimarina aho fa tsy misy sahy hanao izany , na baibolista be tahaka ny inona aza
28. ikaretsaka ( 24/09/2007 02:49)
:-D
tsy bokin-dalaana natao hampiharina sy harahana isaky ny andalana hoa ny baiboly fa boki natao hodinihina
29. niryna ( 24/09/2007 03:07)
Papoose:

What if you spent one year following every rule in the Bible?

Ahoana tokoa moa raha ianareo ireo manana addiction @ Baiboly ireo no tena manaraka ny isam-bolon-dalana voalaza ao anaty baiboly? Tena hahavita marina ve?


Amiko aloha dia tsy ho voatery hamaky baiboly hianao raha tsy tia mamaky,tsy ho voatery hivavaka raha tsy tia mivavaka,ary tsy ho voatery hiantso ny anaran'i Kristy raha tsy tia hiantso azy.Safidy nomeny ho an'ny tsirairay io.Maro hoy izy no antsoina fa vitsy no ho fidiana.Maro izany no miantso ny anarany kanefa efa fantany ny ondriny ary ny ondriny koa efa mahalala ny Tompony.
Sady hety ny vavahady ka vitsy no mandeha any,ny vavahady ngeza be no tian'ny olona aleha dia mbola omena safidy ihany hianao na te-handeha any amin'ny vavahady tery na hanaraka ny rehetra izay miafara any amin'ny fahaverezana satria tsy mila discipline ny tsy manaraka an'i Kristy.
Mino anefa aho fa te hanana fifaliana amin'ny fiainanao hianao,te ahafantatra izany hoe manao ahoana tokoa izany manaraka an'i Kristy izany.Tsy mbola tara fa afaka manara-dia Azy hianao sady free(tsy misy vola,mino Azy ho Mpanavotra sy Mpamonjy anao fotsiny dia izay).Eo no manomboka ny fiainana vaovao,ny lasa rehetra efa navelany ,ny ho avy indray no ho diavina.
Mahereza hatrany.Andriamanitry ny fiadanana anie homba anao mandrakariva.Mivoha ho anao ny varavarana ka manatona Azy.:*


30. ikaretsaka ( 24/09/2007 03:30)
Papoose:

What if you spent one year following every rule in the Bible?

Ahoana tokoa moa raha ianareo ireo manana addiction @ Baiboly ireo no tena manaraka ny isam-bolon-dalana ny voalaza ao anaty baiboly? Tena hahavita marina ve?

Ohatran'ny nataon'ity ranamana ity?
http://www.msnbc.msn.com/id/20910659/site/newsweek/



ataoko angamba fa tsy novakianao tsara ny fanontanian'ilay nametraka!
ny tiany lazaina dia hoe izay lalana voalaza isan-toko sy andalana dia atao!...vitanao ve?


31. Papoose ( 24/09/2007 09:19)
Nyrina, za mamaky baiboly dia tia mamaky koa ka! fa tsy addicted. Mivavaka koa aho fa tsy addicted. Dia miantso ny anaran'Andriamanitra na i Kristy fa mitandrina koa hoe tsy ho diso be fanonona fa sao dia lasa manononom-poana ny Anarany.
Sady ilay resaka tsy misy fanerena fa fanontaniana hoe ho vita ve sa tsia arak'io naverin'Ikaretsaka io. Lasa tsy mamaly an'le fanontaniana ny commentn'i Nyrina fa mivelatra sy mihitatra @ zvt hafa mihitsy!

fa misaotra nefa t@ fampaherezana!:wink:
32. soanja ( 24/09/2007 16:26)
Rasiligaoma:

soanja> ka na tahian'andriamanitar toy ny inona aza sarotra be (raha hoe izay miseho isan-andakana rehefa didy dia alaina)
satria misy lalAna mifandipatra.

Ohatra:

Genesisy 19, 30-36
Inoako marimarina tokoa fa tsy hahavita hanao firaisana ara nofo amin'i dadanareo dia hanamamo an-drainareoi Soanja sy i Nyrina satria efa antitra izy!
Na hiteraka aminy!
(tena ao anaty baiboly anefa nanao an'izany tamin'i lota ny zanany 2 vavy ary niteraka taminy)

ohatra Isaia 20:3...
fantatro fa tsy handeha hitanjaka 3 andro i Soanja sy i niryna ka hankany ejipta sy Etiopia (toy ny nataon'Izaia)

1Samoela 16:23
Misy fanahin'Andriamanitar ratsy koa izany?
dia hitendrena gitara dia afaka?

deteronomy 14:21
Tandremo ary mamono biby tsy mahafaty eo, dia efa nanota daholo koa izany isika satria ohatra ny trondro efa maty ho azy nefa nohanintsika


Dereronomy 25:11-12
mino aho fa raha sanatria miady aho sy ny vadin'ny 1 aminareo ka tonga ny 1 hanasaraka.. ka nahakitika ny ankasarotako: tsy hanapa tanana anao kosa aho le!!

Voasoratra sy nitranga ary didy ao anaty baiboly daholo izany ry havako, fa mino marimarina aho fa tsy misy sahy hanao izany , na baibolista be tahaka ny inona aza


Izay vao azoko izany ny tianareo resahana e.
Ny hoe zavanitranga tao anaty baiboly ve no hotanterahina dia mino aho fa tsy vita izany satria mety tsy efa izay intsony ny sitrak'Andriamanitra amiko ohatra na aminao na ho an'ny hafa.

Fa raha ny LALANA napetrak'Andriamanitra ho antsika ao anaty baiboly kosa dia vitantsika izany raha arahina.

Ny didy folo. Ny fifakatiavana amin'ny samy mpiarabelona na ny fahavalonao aza, ny sakafo tokony hanina sy ny tsy fihinana, ny andro hanompoana sy ny fomba hanompoana azy, ny fiarahamonina sy y fiampiana Krsitianina.

Tsy tokony afangaro manko ny fikasan'Andriamanitra izay noresahiko tery amadika izay nampitranga ny tantara ao anaty baiboly sy ny didy tian'Andriamanitra arahintsika.

Raha ny Jiosy izao de manana etsaka izy sady voaisa tokoa. Ny antsika tsy mbola nisaiko sady tsy mola manam-potoana hanao izany aloha fa izay vita de atao aloha. :-*:-*:-*:-*:-*


33. ikaretsaka ( 24/09/2007 16:30)
ny ao @ Deteronomy sy levitika aloha dia lalana no betsaka e, fa tsary misy mahavita ireo ara bakiteny izany ..

ny resa-pihinana aza misafotofoto be... hoe iza no azo hoanina sy tsia
(za tsy manao hoe kristianina eto an.. fa baibolista sao misy handika indray hoe rehefa mamaky baiboly=kristianina)
34. fahamarinana ( 26/09/2007 11:22)
ikaretsaka:

ny ao @ Deteronomy sy levitika aloha dia lalana no betsaka e, fa tsary misy mahavita ireo ara bakiteny izany ..

ny resa-pihinana aza misafotofoto be... hoe iza no azo hoanina sy tsia
(za tsy manao hoe kristianina eto an.. fa baibolista sao misy handika indray hoe rehefa mamaky baiboly=kristianina)


:arrow::-D:-D matahotra inona ika kay?(l)
35. ikaretsaka ( 26/09/2007 11:55)
za nga matahotra?:roll:
fa ilay hoe manota raha manao an'izao.. dia avy eo tsy manota.. no tsy mampino ahy hoe tsy azo atao sy hoe tsy vita ilay arahana bontolo fotsiny izay voasoratra ao.
Ohatra fotsiny ilay hoe mba hahazoana taranaka dia manao @ dadany mamo ny zanany 2 vavy ary niteraka aminy!
kozy vre raha hisy hanao izany na sipa tsy nahita vady aza
36. fijo ( 26/09/2007 20:39)
raha io baiboly io no arahina dia lasa adala ny farany,satria ny maitso anio,mena rahampitso.izay no maha boky angano azy
37. Papoose ( 27/09/2007 04:56)
ny baiboly hvt mitovy ihany no voiziny fijo fa ny olona mamaky azy no samy manana ny fandraisany azy an!
38. fahamarinana ( 27/09/2007 09:03)
fijo:

raha io baiboly io no arahina dia lasa adala ny farany,satria ny maitso anio,mena rahampitso.izay no maha boky angano azy

:arrow: Fijo :tsy miova kosa ny Baiboly e fa ekeko araka ny tenin'ny Ika ery ambony hoe ilay manaraka azy ara-bakiteny dia sarotra ary vitsiana angamba no tena mahavita tanteraka,betsaka kosa ny miezaka mafy manaraka ny Teny sy mandalina ny ao anatiny.
Bien sur misy versets zao dia tsy azoko sy mitaky fanazavàna betsaka ,(raha ny amiko manokana no resahako),dia zay no hilofosako mianatra azy.Fa za koa anie zaza bodo rahateo e fa tsy kivy kah,tsy misy mafy tsy laitry ny zoto .(l)

39. ikaretsaka ( 27/09/2007 18:59)
ny fanarahana ny Teny koa anefa tsy hoe izay tiatiana @ ilay teny ihany an..
40. fijo ( 27/09/2007 21:08)
misy hevitra mifanipaka ao e,efa nisy namana maromaro namoak ahevitra nifanipaka tao.antsoy tsaramaso hamoaka azy fa izy mahita maro.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1365