Ny pensily fanoratana:Teny fahendrena(word of wisdom)

1. niryna ( 22/09/2007 05:30)
Manoratra tantara ve hianao ry dadabe hoy ity zafikeliny mahita azy.
-Mihoatra lavitra noho ny manoratra no fampiasako ity pensily ity hoy izy.
Jereo fa miankina amin'ity daholo no fijery ny zavatra rehetra:

1- Afaka manao zavatra mihoatra lavitra hianao saingy misy sori-dalana arahana.
Atra koa dia mitondra amin'ny lalany izay nataony ho aleha araka ny sitrapony.

2-Ny fandrangitana: dombo ilay izy ary mety maratra kely fa amin'ny farany maranitra tsara.
Ny olona koa dia toy izany,mety mijaly na misy zavatra mitranga kanefa iny faharetana iny dia mahatonga ny olona lasa manana toetra tsara na fahatanjahan-tsaina.

3-ny fanakosehana:nampiasaina azy mba hamonoana ny diso.
Tsy misy tonga lafatra ny olona fa manao fahadisoana indraindray ary iny no manarina ny dia tokony aleha.

4- vita rafitra ny ao anatin'ilay pensily:
arovy tsara izay toetra mendrika ao anatinao .

5- mamela marika ilay pensily:Tsara ho fantatra fa izay zavatra atao amin'ny fiainana rehetra dia mamela marika avokoa.Koa tandremo tsara izany ny fihetsika, fiteny,fanoratra mba tsy handratra ny hafa.

Jereo ny toerana misy anao amin'izao fotoana izao dia misaora an'Atra fa mbola nomena tombonandro hianao.

:* Mahereza hatrany midera Azy.

(l)niryna
novalian'i niryna ny 02/10/2007 05:44
2. fahamarinana ( 22/09/2007 05:34)
:arrow:Misaotra e!(l)
3. Rasiligaoma ( 22/09/2007 05:40)
soa ihany fa pensily fa tsy tatouage!
satria ilay marika amin'ny pensily sy ny sitlo manko azo rovitina sy dorana ilay taratasy rehefa tiana tsy hita!
dia veloma ianao ramarka
omeko 2 ndry vidin-dranomainty
4. niryna ( 24/09/2007 02:57)
Rasiligaoma:

soa ihany fa pensily fa tsy tatouage!
satria ilay marika amin'ny pensily sy ny sitlo manko azo rovitina sy dorana ilay taratasy rehefa tiana tsy hita!
dia veloma ianao ramarka
omeko 2 ndry vidin-dranomainty

:D
Vola be ny manala ireny $175 ny silany kely fotsiny.

Ny marika dia hilazana fa ratra ao anaty na ety ivelany,saingy Atra afaka manala izany rehefa mangataka aminy isika ny hamela ny olona izay namela ratra antsika na mety noratrantsika.:cry:
Na rovitina aza ilay soratra,ny teny avoakan'ny vava angaha azo haverina aty amintsika intsony?toy ny rano raraka an-tany sy ny atody vaky ireo.Sa azo atao ny hoe aza ny tenako no ariana fa ny teniko ?

5. ikaretsaka ( 24/09/2007 03:33)
mandrovitra taratasy ve no $175? :roll:8O
aoka letsy le!
raha tatouage dia manaiky aho, fa raha 175 bucks kosa tsy laniako @ fandorana taratasy e

MIno koa aho ry niryna raha mamaky tsara sy mieritreritra ny nolazain-drasil ianao dia hahalala fa tsy azo anaovana tatouage ny pensily!:wink: fa ianao izay manko... tsy hita izay ny masonao indraindray 8)
(mba mampatsiahy aho e):wink:
6. niryna ( 24/09/2007 03:40)
ikaretsaka:

mandrovitra taratasy ve no $175? :roll:8O
aoka letsy le!
raha tatouage dia manaiky aho, fa raha 175 bucks kosa tsy laniako @ fandorana taratasy e

manala tatouage ka iray kely fotsiny fa tsy ireny feno eran'ny tanana ireny.

7. ikaretsaka ( 24/09/2007 04:08)
hay ve e
fa ny tatouage kosa na izany aza "tsy soratra tantara" araka ny sujet lazainao eo ambony.

raha tsy izany ho feno soratra ny kibo!

raha soratra tantara manko dia marina io an-drasil io hoe

ilay marika amin'ny pensily sy ny sitlo manko azo rovitina sy dorana ilay taratasy rehefa tiana tsy hita!
dia veloma ianao ramarka
8. niryna ( 24/09/2007 04:33)

ny tatouage tsy azo atao fa bedin'Atra isika:twisted:
Ao amin'ny eksodosy no misy an'io raha tsy diso aho,aiza tokoa moa.Please !!!! :D

9. Rasiligaoma ( 24/09/2007 05:43)
dia tsy hanao ve ndry satria hoe hozizy ny ao @ exodosy?

dia raha ataon'ny ao amin'ny Izaia toko faha 20, nasain'Andriamanitra atao,

jerentsika izaia 20:
2 tamin'izany andro izany niteny ny Tompo tamin'ny alalan'Izaia, zanak'i Amosa nanao hoe: Mandehana, borahy ny lasaka manarona ny valahanao, ary esory ny kapa hiala amin'ny tongotrao. Dia nataony izany, ka nandeha tsy nitafy sy tsy nikiraro izy.
3 Dia hoy ny Tompo Toy ny nandehanan'Izaia, mpanompoko, tsy nitafy, tsy nikiraro, fa famantarana amam-pambara mandritra ny telo taona, ho an'i Ejipta sy Etiopia izy,

dia hiboridana 3 taona ve indry hanao famantarana satria izany no hafatr'Andriamanitra?
10. niryna ( 24/09/2007 15:23)

hitan'i rasily ve aloha ilay misy ilay teny io e,mbola tsy nojereko fa mino aho fa tsy maintsy ho hitako.Tsy mahazo tevitevehina na vetavetaina ny vatantsika ka,Tempolin'Atra io ary mindrana fotsiny isika fa tsy tompony.:D
11. ikaretsaka ( 24/09/2007 16:18)
izaia 20:3 io
8O na hanao famantarana aza aho .. tsy hiboridana telo taona le
Ary Rasily ity tena tssss
12. niryna ( 25/09/2007 04:15)
Rasiligaoma:

dia tsy hanao ve ndry satria hoe hozizy ny ao @ exodosy?

dia raha ataon'ny ao amin'ny Izaia toko faha 20, nasain'Andriamanitra atao,

jerentsika izaia 20:
2 tamin'izany andro izany niteny ny Tompo tamin'ny alalan'Izaia, zanak'i Amosa nanao hoe: Mandehana, borahy ny lasaka manarona ny valahanao, ary esory ny kapa hiala amin'ny tongotrao. Dia nataony izany, ka nandeha tsy nitafy sy tsy nikiraro izy.
3 Dia hoy ny Tompo Toy ny nandehanan'Izaia, mpanompoko, tsy nitafy, tsy nikiraro, fa famantarana amam-pambara mandritra ny telo taona, ho an'i Ejipta sy Etiopia izy,

dia hiboridana 3 taona ve indry hanao famantarana satria izany no hafatr'Andriamanitra?

Ika,rasily a ity fa hitako ilay teny :D

28 Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin'ny tenanareo: Izaho no Jehovah.

29 Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana.
Lev 19:28-29
Be dia be ao manambara ny zavatra tsy tokony ataontsika ary dia mbola manao ihany ny olona.
Hatramin'ny biby miaraka amin'ny olona izay misy efa ho 23% ny mpamboly no miaraka amin'ny biby any amin'ny toerana feno fambolena fotsiny.:roll:

13. niryna ( 25/09/2007 04:45)
Rasiligaoma:

dia tsy hanao ve ndry satria hoe hozizy ny ao @ exodosy?
Lev 19:28 ilay izy fa tsy ekso :cry:

Ny tatoo dia misy toerana sarotra ho an'izay vahiny no hiditra ao amin'ilay toerana fa tratran'ny fanontaniana efa ho adin'ny roa hianao raha kely indrindra.Noheveriny fa olona mpigatra afaka na mandositra avy any amin'ny taniny.Satria ireo olona vao avy nivoaka ny figadrana daholo no mandoto ny vatany manao an'io ary dia niova taty aoriana.
dia raha ataon'ny ao amin'ny Izaia toko faha 20, nasain'Andriamanitra atao,

jerentsika izaia 20:
2 tamin'izany andro izany niteny ny Tompo tamin'ny alalan'Izaia, zanak'i Amosa nanao hoe: Mandehana, borahy ny lasaka manarona ny valahanao, ary esory ny kapa hiala amin'ny tongotrao. Dia nataony izany, ka nandeha tsy nitafy sy tsy nikiraro izy.
3 Dia hoy ny Tompo Toy ny nandehanan'Izaia, mpanompoko, tsy nitafy, tsy nikiraro, fa famantarana amam-pambara mandritra ny telo taona, ho an'i Ejipta sy Etiopia izy,

dia hiboridana 3 taona ve indry hanao famantarana satria izany no hafatr'Andriamanitra?

Vakio ny 2 Sam 6:20 19 Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy* ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.[Na: divay eran'ny kapoaka]

20 Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly, nivoaka hitsena an'i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan'ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason'ny zanakavavin'ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.

Eto indray dia hilazana fa Davida mpanjaka dia tsy mba nampiseho ny voninahiny @ maha-mpanjaka azy fa toy irey mpanompo kely ireny ny toetrany.Tsy midika izy eto hoe nitanjaka.Ilay fiteny azy no hilazana ny zavatra nataon'i Davida.
Mety tsy nanary lamba tanteraka izy fa fomba fisehoana hampitandremana an'i Joda izay tsy mino an'Atra.:roll:
Jereo anie ny Izaia 20:3 e Izaia dia nino an'Atra ,eny fa na dia ahamenatra azy ny hafatr'Atra dia ataony izany.
Toy izany ihany koa isika,raha ny fisarahana ny olona tsy mino an'Atra ka mety mahamenatra antsika na hanomezan'ny olona fanaratsiana antsika,raha mahasoa antsika izany dia tsy maninona no tsy miaraka aminy.
9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak' Andriamanitra.

10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra;
Mat 5:9-10

14. Rasiligaoma ( 29/09/2007 05:05)
raha samy hitanisa baiboly anie isika ry niryna dia afaka manao oui zah dia asiako tsimpona..
dia afaka manao non ianao dia asianao tsimpona
dia tsy hay intsony hoe oui sa non
15. niryna ( 02/10/2007 05:44)
Rasiligaoma:

raha samy hitanisa baiboly anie isika ry niryna dia afaka manao oui zah dia asiako tsimpona..
dia afaka manao non ianao dia asianao tsimpona
dia tsy hay intsony hoe oui sa non

:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0513