Ny antony ivavahana

1. nirinkosoa ( 21/09/2007 07:58)
Inona no anony ivavahanao?

Ny ahy?
Ny hamonjen'Andriamanitra ny fanahiko satria tsapako fa tena ratsy zao fiainana izao ka aleo ny ho avy sy ny rahatrizay no ho atsaraina,^:^
novalian'i fijo ny 27/09/2007 21:19
2. simplex ( 21/09/2007 08:56)

hanamifasana ny finoana
3. tsaramaso ( 21/09/2007 11:06)
Satria mendrika Ilay ivavahana !!!!!
Fa tsy mendrika i tsaramaso !!!
4. nathie86 ( 21/09/2007 11:21)
ifanakaikaizana @ Atra
5. kalina80 ( 21/09/2007 11:43)
ny antony ivavahako ve? Satria misy Atra ; tsara ny manompo Azy satria tsara Izy ary te handova ny fiaianan amndrakizay aho satria ratsy marina izao fiainana izao^:^^:^
6. la ( 21/09/2007 12:25)
ny antony ivavahana dia satria misy Andriamanitra, sady zah mila mamboraka ny alaheloko sy ny hafaliako zay tsy tiko ho zaraina amin'ny olona fa zah sy Izy A/tra ihany.^:^:)
7. Kwasi ( 21/09/2007 13:54)
-Mba hiaina ny fahasoavana sy ny fifaliana raha mbola ety an-tany

-Ary ny hidirana @ fiainana mandrakizay rehefa tonga ilay fotoana.
8. ikaretsaka ( 21/09/2007 14:03)
euh! ny antony hivavahana amin'ny inona sy iza Aloha?

Raha Andriamanitra aloha dia noho izy tia ahy

Teny an-dalana mankany aminao aho, nefa tazako nanantona ahy ianao.

Te hiazakazaka aho ho anny aminao, nefa iny Ianao tazako nanatona anahy

Mba nikasa hiandry anao aho, nefa haiko fa miandry ahy ianao

Naniry hitady anao aho, Kanjo tsakapo fa efa avy notadiavinao ity izaho

Mba nizesta aho hoe :”io fa hitako ianao”, kanjo efa hitako hoe hitanao aho

Te hilaza aminao aho hoe “tiako ianao”, saingy henoko ianao niteny hoe “sitrako ianao”

Te hisafidy anao ao, kanjo ianoa no nisafidy ahy

Te hanoratra any aminao aho, kanjo ny anao no tonga aloha

Te hiaina tao aminao aho, kanjo haiko fa velona ato amiko ianao

Te hifona aminao aho, nefa fantatro fa voavelanao heloka

Te hanolotra ny tenako ho anao aho, kanjo efa nandray ny fanomezanao manontolo

Te hanolotra anao ny fisakaizako aho, kanjo izaho indray ity no nahazo ny fitiavanao

Mba te hiantso anao hoe “Aba Ray” aho, kanjo henoko sahady ianoa niteny hoe “zanako ianao”

Mba te hamboraka aminao ny fiainako anaty aho, saingy efa teo ianao nanambara ny ny momba anao.

Te hanasa anao ho ato anatin’ny fiainako aho, kanjo efa voa-tafiditrao ao anatin’ny fiainanao

Efa nikasa Hverina aminao tamin-kafaliana aho, nefa ianao no hitako voalohany efa vonona handray ahy

Tompo o rahoviana aho no mba ho voalohany?
9. inhbrab ( 21/09/2007 14:23)
mivavaka amin'iza?
Za ny antony ivavahako amin'i Jehovah dia:
satria Izy afaka manome ahy fiainana mandrakizay.
satria Izy tsara indrindra, mahery indrindra, azo itokisana.
satria Izy tiako.

^:^
10. dadie ( 21/09/2007 16:16)
satria ratsy marina izao fiainana izao

ratsy aona? lol... fiainana mandalo, ny tany indramina ko tsy aleo v manarararaotra ?
11. ikaretsaka ( 21/09/2007 16:20)
ilay domaine de definition eto tsy nofaritan'ilay mpametraka sujet koa!
dia ni supposer nanao hoe Andriamanitra aby ny be sy ny bobaka
fa aza adino koa anefa ga
misy manko mivavaka amin'ny vola aman-karena, misy mivavaka @ voninahitra.
misy mivavaka @ fitombenam-behivavy, misy mivavaka @ toaka.. sns...
12. kalina80 ( 21/09/2007 16:51)
ikaretsaka:

ilay domaine de definition eto tsy nofaritan'ilay mpametraka sujet koa!
dia ni supposer nanao hoe Andriamanitra aby ny be sy ny bobaka
fa aza adino koa anefa ga
misy manko mivavaka amin'ny vola aman-karena, misy mivavaka @ voninahitra.
misy mivavaka @ fitombenam-behivavy, misy mivavaka @ toaka.. sns...


=))=))=))
marina izany fa aleo raha tsy noteneniny samy milaza antony anompoanay izay tompoiny izany kou sa ahoana?


13. fijo ( 21/09/2007 19:56)
raha hoe hamonjena ny fanahy fotsiny ve no hivavahana tsy loza beraha tsy nisy izany io fampanantenana io de ahoana??????
14. tywa68 ( 21/09/2007 20:42)
fijo : ka misy anie fa enao tsy te-hino :lol:!

Loza be ahoana aloha e ?
15. fijo ( 21/09/2007 20:44)
ko tsy hanao ny tsara izany raha tsy hoe hanantena fa hamonjy ny fanahy ko
16. ikaretsaka ( 21/09/2007 22:57)
io manao zavatra misy recompense io ho'a tsy mety
raha resaka fivavahana izany.
dia tsy hanao zavatra mihitsy izany raha tsy mahazo valisoa du tac o tac? ty sy nday foana?
17. niryna ( 22/09/2007 00:48)
Ny ahy indray ny antony hivavahako Azy dia:
-hisaorako izy noho ny zavatra vitany tamiko isan'andro
amin'ny alalan'ny hira,vavaka,fanandratana ny Anarany sy ny hajany.

SALAMO 69:30
30 Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho, ary hidera Azy amin'ny fisaorana.

-mivavaka aminy koa aho noho ny fahatsarany ary noho ny fitiavany ahy

SALAMO 107:8

8 Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!

-nampanantena ahy ny tsy hatahotra na hi- eritreritra lavitra fa manantena Azy amin'ny rehetra.Izany no hivavahako azy mba hitarainako ny olana amin'ny fiainako ary dia tsy matahotra na miahiahy intsony aho avy eo.:D

FILIPIANA 4:6

6 Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra.
18. soanja ( 22/09/2007 00:58)
nirinkosoa:

Inona no anony ivavahanao?

Ny ahy?
Ny hamonjen'Andriamanitra ny fanahiko satria tsapako fa tena ratsy zao fiainana izao ka aleo ny ho avy sy ny rahatrizay no ho atsaraina,^:^


Mivavaka aho satria mitaky izany ny fanahiko. Io no mahaolona ahy amin'ny ankapobeny.


19. cutie ( 22/09/2007 01:09)
Mpandefa : nirinkosoa [ Valio ] 21-09-2007 09:58:00
Lohateny : Ny antony ivavahana
Inona no anony ivavahanao?

Ny ahy?
Ny hamonjen'Andriamanitra ny fanahiko satria tsapako fa tena ratsy zao fiainana izao ka aleo ny ho avy sy ny rahatrizay no ho atsaraina,

ny ahy njay satria Izy no nahatoy zao ahy :lol:
20. fijo ( 26/09/2007 21:10)
ngaha koa i cutie mivavaka????
ka izay anie ry ika e,toa lasa resaka fiandrasana valiny le fototra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0929