RESIDENCE HANITRA/ BAHAMAS II

1. oufff ( 19/09/2007 12:17)
Miarahaba,
8 volana lasa izay dia nisy "publicite" be dia be natao teto antananarivo momba ny fanangan'ny orinasa "Anjarasoa" izay ny "Trans immo" no mivarotra azy araka ny fifanarahina izay nataon'izy ireo ilay domaine atao hoe "residence Hanitra".
Tonga ny olona ary dia nentina teny @ ilay toerana, naseho avokoa ny taratasy rehetra ary dia nolazaina fa efa ara-dalana avokoa ny fangatahina rehetra ary dia ny asa sisa andrasana izay tokony ho nanomboka ny feb na mars 2007 raha ela.
notakiana ny montant 60 % ny vidin'ny tany+trano. Maro ny nadoa ny volaary dia hatramin'izao na biriky iray aza tsy misy vita nefa septambra no nampanantenaina ny olona.
rehefa tonga mitaky ny vola ny olona dia izy indray no maka 15 % aminao.
Koa miantso ny manampahefana mba hijery akaiky ny karaza soloky avo lenta tahaka itony izaytena efa betsaka eto amintsika
novalian'i AVO92 ny 19/05/2008 14:30
2. bozyboleta ( 19/09/2007 13:50)
Tonga de alefaso any @ manampahefana ny fitarainana fa antsoina eto ahoana indray izy e!
Sahia mandray andraikitra refa mahita zavatra tsy mety e
3. Kwasi ( 19/09/2007 16:49)
Mba misy manampahefana mijery angaha eto?
4. patrick2002 ( 19/09/2007 20:11)
maro ny fisolokiana avo lenta ohatry ny izao na aty @ tany mandroso aza, Ny mampalahelo any dago dia tsy mbola mipetraka tsara ny rafitra miaro ny zon'ny mpanjifa .
Ohatra teneniko aminao fotsiny raha ity cas ity noresahina ,nisy ve ny contrat nisoniavina teo ampandoavana ny vola ,ary misy permis de construction ve efa any amin'ilay entrepreneur ,ara-dalana ve ny taratasy maha entrepreneur azy ,ary mazava tao amin'ilay contrat ve fa rehefa tsy vita @ delai homena dia ,rembourser-na ny vola .
Mety izao ao anaty ny contrat mazava tsara fa raha mangataka remboursement ny client dia mandoa 15% ,fa tsy voateny ao kosa ny hoe rehefa tsy manomboka ny asa jusque a telle date dia rembourser-na ny vola .
Ka izy efa vonona ny hisoloky dia miala maina ianao raha hitory azy .
5. ikaretsaka ( 20/09/2007 01:44)
inona koa izany mahazo ny Anjarasoa izany?
Mba serieux hoa rehefa manao zavatra, indrindra itony resaka promotion immobilier itony.
to anisy an'izay koa ilay trano gasy vaovao raha tsy diso aho
6. colar ( 20/09/2007 04:42)
fa nga tsy malaza tsony ny kidaona maraina fa to tany ange no filazana ny tsy mety rehetra talo e
7. oufff ( 20/09/2007 06:53)
Miarahaba
misaotra ireo izy namaly
Marina tokoa fa tena efa olona nivonona ny hisoloky izy satria ny tena tamin'ny fotoana nanaovany ny dokambarotra sy ny karazany momba io dia tena resy lahatra ary nahatoky tokoa.
misy tokoa ny dingana izay ho atao eo anivon'ny manampahefana fa ny antso izay atao dia ny mba tokony hisian'ny fanaraha maso akaky ny fisoloikana tahaka itony mba hiarovana ny mpanjifa ary ny tena mampalahelo dia olona mandray andraikitra eo anivon'ny fitondrapanjaka no tompon'io orinasa io, manahirana moa ny manonona anrana fa dia aleo ny ho avy no ho hita eo
8. patrick2002 ( 20/09/2007 14:44)
Dia tena mampalahelo marina raha olona ao @ fitondrana indray no manao an'izany ...
9. oufff ( 23/09/2007 07:08)
miarahaba
colar > mbola misy ny kidaona, mbola hisy koa ny fotoana iresahina ao fa misaotra anao @ torohevitra.
10. ikaretsaka ( 23/09/2007 19:54)
andraso afaka 6 andro dia azonao atao ny mitondra azy any @ tribonaly miaraka @ porofo, sady afaka ankalazaina be koa..
gazey ..kidaona sns
11. hery ( 13/10/2007 12:49)
Nanahoana ihany no niafaran'ity?

12. ramna ( 13/11/2007 19:03)
gaga ihany aho mamaky an'ity vavolombelona ity; ny tsy azoko kely dia maninona no mitomany ny hividy tany sy trano any Bahamas nefa ny nosintsika tsara no ihany koa manintona touristes be de be
13. ikaretsaka ( 16/11/2007 17:10)
tokony mba mamaky tsara kosa i ranma e
14. sarobidy ( 17/11/2007 10:05)
hihihi mbô fann kely izy ry ika a
15. kofbay ( 18/11/2007 14:10)
ny mpiaro ny consomateurs aloha eto dia tsy misy e! aiza ve ka indraindray dia ilay mpisoloky mihintsy no mamorona association miaro ny consomateurs, ohatra ilay TGV rehefa misoratra anarana ianao dia mandoa vola kely dia hoe lasa mpikambana ao @ association miaro ny zon'ny mpanjifa hono, kanefa dia izy mihintsy no mamitaka anao avy eo, aiza izao zay trano any bongatsara eo? tonga any zay mba manontany hoe ahoana ilay trano dia hoe raha omenao 500 mil za dia ny anao no alefako voalohany! ary io tsy firarahina ny client io dia na any amin'ny echelle farany ambany aza dia tsy misy miar ny client. Ohatra fotsiny ireo karana ireo, rehefa hividy zavatra ao ianao dia aloha aloa ny vola vao atao ny essai, raha tsy mandeha ilay zavatra dia tsy manana droit akory ianao hiteny hoe aoka ihany fa tsy hividy an'io za, fa dia tsy maintsy mitondra mody ianao hitadiavany ilay mandeha! ary raha vao midrikina dia ny securite no mitrerona anao, ary tena mampalaehlo dia misy polisy mihintsy manao securite eny rehefa tsy miasa dia miaraka manao tsinotsinona anao eo koa izy! ka tsika malagasy raha tsy miaramietsika manohitra an'ireny dia hapanakarena ireo vahiny sy mpisoloky eto fotsiny no ataontsika!
16. Rasiligaoma ( 21/11/2007 04:18)
mampalahelo fa tsy misy any amintsika tokoa io zavatra io! ary zavatra marina io lazain'i Kofbay io!
fa ny mahavoa ilay Gasy kao diaio toetra tia foretina io e!
raha misy 10 tsy manaiky mihitsy izao, mety hiova ihany ry zareo! raha misy tonga ohatra dia miteny hoe tsy handray an'io entana io aho na manao pub be amin'ny tele mihitsy hoe hoax io dia eo no hiariary eo
17. yuka ( 23/12/2007 15:03)
Rasiligaoma=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D
18. AVO92 ( 14/02/2008 11:32)
Momba an'ilay Résidence HANITRA ihany e, soa dia misy olona nividy akoatr'ana dia mba anao comité tsika dia avy eo mitory @zay


19. ikaretsaka ( 14/02/2008 18:20)
Mahalala betsaka aho fa andraso jerevana ary
20. LazaDaddy ( 19/02/2008 03:27)
patrick2002:
Dia tena mampalahelo marina raha olona ao @ fitondrana indray no manao an'izany ...
patrick> fa iza indray no heverinao fa mahavita toy izao? Raha marina ny "any ambony" dia tsy sahy mihetsika ny aty "ambany"...fa matoa sahy ny hafa dia...ao raha


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7038