Fanontaniana

1. xxx ( 18/09/2007 12:42)
Ahoana no ahafantarana fa mamela heloka Andriamanitra?
Zany hoe ahoana no ahafantarana raha refa mifona enao de voavela ny helokao?
novalian'i fijo ny 26/09/2007 21:32
2. gasynamana ( 18/09/2007 12:49)
Ny fahatokisanao ny fitiavan'Andriamanitra no hahatsapana izany voalohany. Raha tsy misy izay fahatokisana izay dia zava-paona ihany ny sisa rehetra.

Rehefa tena resy lahatra ianao fa tia anao Andriamanitra dia ho mora aminao ny hanatona azy. Handin-tena sy hiaiky ny hadisoana ary handray fikasana tsara hanohizana ny fiainana. Raha katolika ianao dia ireo no zavatra tokony hatao mialohan'ny konfesy. Raha tsy katolika kosa dia araho izay fomba mahazatra ao amin'ny fiangonanao.
3. Fiffi ( 18/09/2007 12:54)
gasynamana:

Ny fahatokisanao ny fitiavan'Andriamanitra no hahatsapana izany voalohany. Raha tsy misy izay fahatokisana izay dia zava-paona ihany ny sisa rehetra.

Rehefa tena resy lahatra ianao fa tia anao Andriamanitra dia ho mora aminao ny hanatona azy. Handin-tena sy hiaiky ny hadisoana ary handray fikasana tsara hanohizana ny fiainana. Raha katolika ianao dia ireo no zavatra tokony hatao mialohan'ny konfesy. Raha tsy katolika kosa dia araho izay fomba mahazatra ao amin'ny fiangonanao.
miombon-kevitra taneraka am-nao zah eto....


4. Fiffi ( 18/09/2007 12:54)
tanteraka fa nisy diso....
5. inhbrab ( 18/09/2007 14:56)
xxx:

Ahoana no ahafantarana fa mamela heloka Andriamanitra?
Zany hoe ahoana no ahafantarana raha refa mifona enao de voavela ny helokao?


rehefa narahinao avokoa ireo torolalana (ao @ baiboly) nosorotany mikasika ny fibebahana.
ohatra amin'izany: fifonana, fangatahana fanadiovana @ ran'i Kristy, fa mety tsy ireo ihany an!
6. pissoa ( 18/09/2007 18:09)
Cf Gasynamana :-D
7. diamondra27 ( 18/09/2007 18:27)
xxx:

Ahoana no ahafantarana fa mamela heloka Andriamanitra?
Zany hoe ahoana no ahafantarana raha refa mifona enao de voavela ny helokao?

________________________________________

Tompokolahy sy tompokovavy,

Mba hamaliana io fanontaniana io dia ilaina ny mamaky ny SM @ maha-Xna antsika.

Noho izany dia hiaraka hamaky ny SM isika tompoko, izany dia ho hitanareo ao @ boky nosoratan'i Marka toko faha2 andininy 1 ka hatr@ and faha12



1 Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy,

2 ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy.

3 Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy.

4 Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay mararin'ny paralysisa.

5 Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.

6 Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe:

7 Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsyIzy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra?

8 Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana hianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?

9 Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao; ka mandehana?

10 Fa mba ho fantrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana ety ambonin'ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa):

11 Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.

12 Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
_______________________________________

araka ny hita @ireo andala-tSoratra Masina ireo izany dia hita eto ny fanehoan''i Jesosy ny fomba famelàny heloka.

Koa dia tarafo @izany ny fomba hahazoana sy tokony hatao mba hahazoana famelan-keloka.

Tranga iray iny fa misy tranga maromaro ao

Tsy midika akory izany ary tsy tokony hanao ara-bakiteny isika ka hoe: tokony ho voan'ny paralysisa vao hahazo famelankeloka fa fomba nentina hanazavana io sy zava-nisy.





8. diamondra27 ( 18/09/2007 18:30)
Voalaza teo fa nanana finoana ilay olona.
Ny angatahina aminao izany dia tokony Hino fa voavela ny helokao rehefa mangataka famelan-keloka ianao.

9. diamondra27 ( 18/09/2007 18:33)
Marka 2:5
" Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao."

10. dadie ( 18/09/2007 18:53)
oatran'ny itako maso dry ry diam's miteny an'io d miteny mafy beuuu
merci aki a:-*
11. fijo ( 18/09/2007 20:17)
voavela ny helokao rehefa hafaka manao heloka vaovao indray ka.efa misy toerana izany fa efa voafafa le teo.
12. majesty ( 19/09/2007 04:52)
xxx:
Ahoana no ahafantarana fa mamela heloka Andriamanitra?
Zany hoe ahoana no ahafantarana raha refa mifona enao de voavela ny helokao?


Finoana io anaka!(Raha mihaiky ny fahotantsika isika dia matoky sy marina izy ka manadio antsika ...)

diam's:=D=D=D

fijo:
voavela ny helokao rehefa hafaka manao heloka vaovao indray ka.efa misy toerana izany fa efa voafafa le teo.


Malalaka foana ao ka,na fahotana aman'arivony aza tafiditra ao foana,
13. niryna ( 19/09/2007 08:02)
Raha tsy mamela ny heloky ny hafa isika dia tsy mamela antsika koa Atra:

" mamela ny helokay,tahaka ny namelanay izay meloka taminay.


9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.

[/i]1 Jaona 1;9

Izany hoe manaiky isika fa diso tokoa (fa meloka,mahita fa manao ratsy ary menatra sy manenina ny amin'izany,) ary dia mifona(hilaza ny zavatra natao rehetra Aminy ary mangataka famelan-keloka Amin'Atra)
Mahatoky sy mino Azy fa hamela sy anadio antsika amin'ny fahotana rehetra Izy.Manana fanampahan-kevitra fa hiova tanteraka.)

Ny fibebahana izany tsy vitan'ny fitomaniana fotsiny na hoe mifona aho tamin'ny ratsy rehetra vitako(resaho Azy daholo izay zavatra nataonao fa tsy nety (mibaradaka izany e raha atao teny gasy mazava :D,tena specifie-na mihitsy ilay ota fa tsy atao kapoka iray be mantsina moa ny fiteny ireny atao indray mifoaka ireny ?)


Tena tsy mora ny mibebaka satria tena miaiky fa diso eo anatrehan'Atra mihitsy ny tena tamin'izay rehetra natao ka tsy nifanaraka ny sitrapony.
@ ny maha olombelona dia mandalo ny fakampanahy,raha vao mitady hitranga izany dia mivavaka haingana.Ohatra hoe olona mila ady aminao,mila mivavaka amin'iny olona iny hianao ary mivavaka ny tenanao ihany koa mba tsy ho tezitra na hamoaka vava tsy voatandrina.
Ampiharina amin'ny fiainana mihitsy ilay izy.
mazoto daholo ary andramo fa tsy manenina mihitsy hianareo.


Ary ireo tsy fahamarinana rehetra ireo no nodiovin'ny ran'i Jesosy.

14. niryna ( 19/09/2007 08:04)
Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.
Koa aza manahaka azy hianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza hianareo.

Koa amin'izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.

Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.
15. prime ( 19/09/2007 12:34)
diams> =D
niryna> =D
xxx:
Ahoana no ahafantarana fa mamela heloka Andriamanitra?
Zany hoe ahoana no ahafantarana raha refa mifona enao de voavela ny helokao?
... raha manana ny fanahy masina ny olona iray ka raisiny amin'ny finoana ny famelan-keloka avy amin'Andriamanitra ambara aminy rehefa tena nangataka izany tamin'ny fony izy dia voavela tanteraka izany...
16. la ( 19/09/2007 13:01)
xxx>sambatra izay tsy mahita nefa mino:) tsy voatery ho itan'ny maso hoe iny le famelan-keloka fa niditra ato amiko fa refa tena miaiky enao fa ratsy le vitanao ka mifona enao de voavela ny elokao ra mino enao fa mamela heloka Andriamanitra, de ra tsy mamerina intsony koa enao fa miova amin'ny ratsy fanao :D
17. ikaretsaka ( 19/09/2007 13:05)
rehefa tonga saina ny conscience ka nihaiky ilay heloka, dia mifona (mikonfesy @ katolika) dia manao ny asa fivalozana (fihezahana tsy hanao izany intsony)
18. fijo ( 19/09/2007 19:50)
ka le fihaikena tsy mila hoe miandry vonjy avy aiza ,fa enao ihany dia mahavita izay ka.raha tezitra aho ohatra ka nahadaroka olona mafy loatra.avy eo aho ,tsy hozakako ny misaina iny fihetsiko iny .izy dia ampy ho sazy,fa tsymila mandeha mandohalika mitantara ary na etsy.
19. mbaliana ( 19/09/2007 19:56)
ny tena tsara dia mifona any amin'le olona nodarohinao fa raha tsy afaka manao an'izany ianao dia ny mikofesy zany hoe manambara ampahibemaso eo anatrehan'ny pretra ny zavatra vitanao ka nanenenanao...na koa miresaka mivantana amin'Atra..
20. fijo ( 19/09/2007 20:18)
fa ahoan ano hoany amin'ny pretra??za ngaha naninona azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1912