Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao.

1. niryna ( 18/09/2007 05:37)
Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin'Andriamanitra isika amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Rom 5:11

14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.

15 Ary koa, tsy misy mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.


16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. Mat 5:14-16 (l)(l)
novalian'i niryna ny 20/09/2007 04:37
2. niryna ( 18/09/2007 05:42)
2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:

3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina;

5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova no tany (Sal.37.11).

6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.

7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana

8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an' Andriamanitra. Mat 5:2-8

(l)niryna
3. diamondra27 ( 18/09/2007 08:46)
raha mazava enao de hazava koa ny manodidina anao

=====> efa hitan'olona zany eoaminao na de tsy manao na inona na inona aza enao satria na de ny fitsikinao, na ny famalinao olona, na fomba fiteny de tu dégages qq ch eo @ olona ary vaky vava mihintsy aza ny sasany @zany satria mamirapiratra ao anatin'ny aizina enao.

MATIO 5: 9 "Sambatra ny mpampihavana fa izy no atao hoe: zanak'ATra"


raha mahita olona tsy mifankatia dia miezaka ny mampihavana azy no atao.
4. mbaliana ( 18/09/2007 11:12)
diams> bravoooo
5. diamondra27 ( 18/09/2007 11:39)
mbalina: ^:^^:^
hihi misaotra akia fa aleo ny Tompo no deraina fa tsy izaho!
Izy no miasa ao anatintsika.

6. fijo ( 18/09/2007 20:22)
dia ezao izany izay aha hory sy ampalahelo lava ny fiainana,fa hovoavonjy rehefa any e.aleo aloha hoanay ny hafaliana ety an tany
7. mbaliana ( 18/09/2007 21:39)
diams> bravo njy fa nahatafavoaka ny hafatr'izy Tompo :lol:
8. fijo ( 18/09/2007 21:49)
iza le tompo??
9. ikaretsaka ( 19/09/2007 02:10)
ary diams ity kay...
namaste ( faly sy ravo ny fanahiko mahita ny fahendrem-panahinao)
10. niryna ( 19/09/2007 04:57)
diamondra27:

raha mazava enao de hazava koa ny manodidina anao

=====> efa hitan'olona zany eoaminao na de tsy manao na inona na inona aza enao satria na de ny fitsikinao, na ny famalinao olona, na fomba fiteny de tu dégages qq ch eo @ olona ary vaky vava mihintsy aza ny sasany @zany satria mamirapiratra ao anatin'ny aizina enao.

MATIO 5: 9 "Sambatra ny mpampihavana fa izy no atao hoe: zanak'ATra"


raha mahita olona tsy mifankatia dia miezaka ny mampihavana azy no atao.

Marina izany.Misaotra ny Tompo isika fa mbola afaka midera sy mankalaza ny anarany.

33 Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.

34 Ny masonao no jiron'ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao.
Lioka 11:33-34



11. niryna ( 19/09/2007 05:01)
diamondra27:

mbalina: ^:^^:^
hihi misaotra akia fa aleo ny Tompo no deraina fa tsy izaho!
Izy no miasa ao anatintsika.



Sady tsy tokony ho menatra koa isika hijoro noho ny fahasoavany nataony antsika andro aman'alina.


11 Fa hoy ny Soratra Masina: "Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy" (Isa. 28. 16).

12 Fa tsy misy hafa, na ny Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy.
Rom 10:11-12
12. niryna ( 19/09/2007 05:07)
fijo:

dia ezao izany izay aha hory sy ampalahelo lava ny fiainana,fa hovoavonjy rehefa any e.aleo aloha hoanay ny hafaliana ety an tany



Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?
Rom 10:14


Fa "izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena" (Joe. 3. 5).

Rom 10:13

Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy. Rom 10:17 :D
13. niryna ( 19/09/2007 05:09)
fijo:

dia ezao izany izay aha hory sy ampalahelo lava ny fiainana,fa hovoavonjy rehefa any e.aleo aloha hoanay ny hafaliana ety an tany



Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra.

Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.

Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.

Sal 34:17-19^:^
14. niryna ( 19/09/2007 05:10)
mbaliana:

diams> bravo njy fa nahatafavoaka ny hafatr'izy Tompo :lol:



=D=D
15. niryna ( 19/09/2007 05:14)
fijo:

iza le tompo??



Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin'ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.

Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa.

Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin'ny fahamarinana* ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra hoe*: [Na: Nisy teny naloaky ny vavan'ny fahamarinana]
Isaia 45:21-23
16. niryna ( 19/09/2007 05:21)
Hafatra ho an'ny rehetra


A lire lentement.............. en silence!
1. Il y a au moins 5 personnes dans ce monde qui t'aiment au point de mourir
pour toi.
2. Il y a au moins 15 personnes qui t'aiment d'une certaine manière.
3. La seule raison pour laquelle une personne te déteste, c'est parce qu'elle
veut être comme toi.
4. Un sourire de toi apporte de la joie à quelqu'un même s'il ne t'aime
pas.
5. Toutes les nuits, quelqu'un pense à toi avant d'aller se coucher.

6. Tu représentes le monde pour quelqu'un.
7. Si ce n'était pas pour toi,quelqu'un ne pourrait pas vivre.
8. Tu es Spécial et Unique
9. Quelqu'un dont tu ignores l'existence t'aime.
10. Quand tu fais la plus grosse bêtise,quelque chose de bien provient de
celle-ci.
11. Quand tu penses que le monde te tourne le dos, regarde bien: c'est surtout
toi qui tourne le dos au monde!!!!
12. Quand tu penses que tu n'as pas de chance quand tu n'as pas ce que tu
veux, tu ne l'auras probablement pas. Si tu crois en toi, probablement, tôt ou
tard, tu l'auras.
13. Souviens-toi toujours des compliments que tu reçois. Oublie les remarques
méchantes.
14. Dis toujours aux gens ce que tu ressens à propos d'eux, tu te sentiras
mieux quand ils le sauront.
15. Personne ne mérite tes larmes et tes pleurs, et celui qui le mérite
vraiment ne te fera jamais pleurer.
16. Si tu as un meilleur ami, prends le temps de lui dire ce qu'il représente
pour toi.
17. fijo ( 19/09/2007 19:58)
iza le tompo fa tsy voavaly?
18. niryna ( 20/09/2007 04:37)
fijo:

iza le tompo fa tsy voavaly?


JK no Tompo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2879