Fitiavana Sarobidy/(My Special LOVE)!!!!

21. fahamarinana ( 17/09/2007 15:55)
diamondra27:

fahamarinana : ity re le izy e

an-tsary sy mozika
http://www.connaitredieu.com/?p=lettre_d_amour_du_pere

AMEN:*:-*:-*(l)

:arrow:merci,tsy haiko ny nanao azy kouh(l)

22. Papoose ( 17/09/2007 19:52)
[quote=cutie]

ohtran'ny fitiavan-tena be ihany zany a :-D:-D:-D:-D


tena fitiavantena be mihitsy koa ohatran'ny hoe tiko b i Babangida fa ny mamany sy ny papany sy zay sisa ao @ fianakaviany tsy tiako!
dia miverina @ le tenin'ny piste hoe tia an-janany fa manopa andreniny, dia matoa mahasahy manopa an'le Ramama dia tsy tia!

Ny ezaka tsara atao zao de ny mitia an'le rehetra dia mba tokony mi unscrew le the rest:-D:D

23. pissoa ( 17/09/2007 20:04)
Ah la la ! Version fohy please raha misy tsara fanahy fa lava be le size kle :oops::oops::oops:
24. cutie ( 17/09/2007 21:14)
tena fitiavantena be mihitsy koa ohatran'ny hoe tiko b i Babangida fa ny mamany sy ny papany sy zay sisa ao @ fianakaviany tsy tiako!
dia miverina @ le tenin'ny piste hoe tia an-janany fa manopa andreniny, dia matoa mahasahy manopa an'le Ramama dia tsy tia!

Ny ezaka tsara atao zao de ny mitia an'le rehetra dia mba tokony mi unscrew le the rest

papoose :-D:-D:-D:-D:-D
zany no ataoko we sambatra ihany i Nyrina ka
mahita fiadanam-po anatin;'zany rehetra zany.
peace :lol::lol::lol::lol:
25. cutie ( 17/09/2007 21:16)
Mpandefa : pissoa [ Valio ] 17-09-2007 22:04:31
Lohateny : Re : Fitiavana Sarobidy/(My Special LOVE)!!!!
Ah la la ! Version fohy please raha misy tsara fanahy fa lava be le size kle

za koa aza saika tsy hamaky fa vo hitako tonga de lava be :-D
Nisy zavatra tsaroako tampoka de novakiako le izy :lol:
"jesus loves me, I love jesus ":lol::lol::lol::lol:
26. ikaretsaka ( 18/09/2007 00:01)
tena sambatra ihany tokoa i niryna marina e raha mahita fiadanana @ izany

ohatran'ny hoe tiko b i Babangida fa ny mamany sy ny papany sy zay sisa ao @ fianakaviany tsy tiako!
dia miverina @ le tenin'ny piste hoe tia an-janany fa manopa andreniny, dia matoa mahasahy manopa an'le Ramama dia tsy tia!
27. cutie ( 18/09/2007 00:08)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 18-09-2007 02:01:17
Lohateny : Re : Fitiavana Sarobidy/(My Special LOVE)!!!!
tena sambatra ihany tokoa i niryna marina e raha mahita fiadanana @ izany

I wish I can be like Niryna :lol::lol::lol::lol:
28. niryna ( 18/09/2007 04:10)
cutie:

Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 18-09-2007 02:01:17
Lohateny : Re : Fitiavana Sarobidy/(My Special LOVE)!!!!
tena sambatra ihany tokoa i niryna marina e raha mahita fiadanana @ izany

I wish I can be like Niryna :lol::lol::lol::lol:

:*:* misaotra aky cutie a,fantatro hianao fa mangetaheta fivavahana ary izany no hiezahako ny hamaliana izay fanontanianao.
Tsotra ny fahazoana fiadanana ary na iza na iza dia hanana fifaliana toy izany koa.Manaova hoy aho fanandramana dia ho hitanao.
-mivavaha mivantana amin'i Kristy:saro-piaro izy ka tsy tiany hisy na iray aza hitady hamingana antsika amin'ny fanatonana Azy.

6 Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao. Mat 6:6
Io no hafany cutie a,mivavaha amin'ny rainao hoy izy,ary izy no mahita anao:arrow: mandrama mivavaka direct aminy.(Between you and God)
Dia hoy Jesosy taminy: "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" ( Deo.6.5).

Matthew 22:37:
Jesus replied: " 'Love the Lord your God with all your heart and with all your soul and with all your mind.'


Ity misy fampaherezana:

Tompo o ,tia Anao mihoatra lavitra noho ny taloha aho
Tompo o,mitady anao mihoatra lavitra noho ny taloha aho.
Tompo o,mihoatra ny taloha no anambarako anao,fa tia anao Aho,eny mihoatra ny taloha.o^o

Asa na efa henonareo io hira io amin'ny teny anglisy

More than ever before Lord I love you
More than ever before Lord I need you
More than ever before I want to tell you
I love you now more than ever before o^oo^o
29. cutie ( 18/09/2007 04:13)
Nyrina
merci @ torohevitra:lol::-*
30. niryna ( 18/09/2007 04:33)
cutie:

Nyrina
merci @ torohevitra:lol::-*

Tsy misy fisaorana aky a.Raiso izay fantatrao fa marina sy mifanaraka ny tenin'ny soratra masina.Olombelona daholo isika ato ka samy manana ny fampianarana nomena azy avy.Izany akory tsy midika hoe ny an-dranona no marina na diso,ny baiboly no hijerevanao azy.Manome verse ny olona dia araho iny.
-Mety ho sadaikatra amin'ny voalohany rehefa misafidy ny anaraka an'Atra.Inona no antony? Tsy tian'i satana isika ny anaraka azy ary tonga daholo ny doubt rehetra hoe ianao ve dia hino an'izany,fandrembirebena fotsiny io,mandany andro,maro,maro ary raha vao izay no mitamberina dia mivavaka haingana.
Mivavaka:izay tena ao anatin'ny fonao no resahinao aminy,na inona izany na inona.Mangataka aminy raha mbola tsy tena mino azy hoe midira ato am-poko mba ahafantarako ny teninao.
Amin'ny fotoana izay hanombohanao fa te-hiresaka aminy tokoa hianao sy mino fa tena misy Izy.Eo no fotoana andefasany ny FM .Io FM io no manomboka manampy anao ahafantatra ny tenin'Atra,ary dia manomboka tia mamaky ilay tenin'Atra hianao.Vakio ary tsipiho izay teny manaitra ny masonao sy nanitona anao(ireny no teny fampaherezana ho antsika).Manomboka mahazo ny tian'Atra tenenina ao anaty baiboly hianao ary manomboka toa miteny aminao ilay teny ao anaty baiboly ary dia mahazo izay soratana ao hianao.
** misy na mamaky baiboly in- tsy fantako raha tsy mangataka ny FM hanampy izy dia mety tsy miditra mihitsy eny fa na dia teninao izao aza ilay izy.
Mivavaka,mivavaka,mangataka amin'Atra ny hanazavany ilay teny fa azonao io amin'ny farany.
Izay ary mahereza daholo isika rehetra.Atra anie homba antsika tsirairay avy.
May God bless all of us.
The moment you really want to talk to God and believe that he is real,he will send the holy spirit.HS startes to help you to understand the word of God,you will begin to love all the words.Read and underline any word that may catch your eyes and your mind.The word will talk to you and you will begin to understand in what God tries to talk to you.:D
mamaky baiboly,

31. niryna ( 18/09/2007 04:40)
Papoose:

amiko, mazava zany fa i Jesus le special love-ny de mety hoe screw the rest angambany!

Fa mahafinaritra ahy le temoaniazy ry zareo a!:D

:D

11 Fa hoy ny Soratra Masina: "Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy" (Isa. 28. 16).

12 Fa tsy misy hafa, na ny Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy.

13 Fa "izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena" (Joe. 3. 5).

14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?

15 Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: "Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly?" (Isa. 52. 7).

16 Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: "Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay?" (Isa. 53. 1)

17 Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy
Rom 10:11-17
32. niryna ( 18/09/2007 04:57)
piste,

36 Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna?

37 Dia hoy Jesosy taminy: "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" ( Deo.6.5).

38 Izany no didy lehibe sady voalohany.
Mt 22:36-37


[b]9 Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany.

10 Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.

11 Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.

12 Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.

13 Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.

14 Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao.

15 Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra.

16 Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika, Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. 1 Jao 4:9-16
:*:*(l)(l)

33. niryna ( 18/09/2007 05:02)
diamondra27:

ao @ top Xtien jerena
"Dieu t'aime"

misaotra aky diamondra a.Ao amin'ny masombahiny.com misy fandaharana tsara be,misy hira maro be koa raha hijery hianareo.Misy teny gasy ,frantsay ary anglisy.
Mazotoa daholo.Misy fahalalana,sy fampahafantarana an'i Mada sy ny sary ny manodidina toa Carte postal tsara be ireny daholo.Marobe fa mandehana mijery.

34. niryna ( 18/09/2007 05:14)
ikaretsaka:

tena sambatra ihany tokoa i niryna marina e raha mahita fiadanana @ izany

Tena sambatra mihitsy aho ary izany no hizarako ny fahasambarako ho an'ny rehetra.Tsy mba mitovy ny fiainan'izao tontolo izao ny fahasambarana miaraka amin'ny kristy,mizara,mitsinjo,mamela heloka.
Raha mitovy ny tsy mino ihany aho dia tsy hizara na inona na inona amin'ny hafa.Izany fahasambarako ry ika rehefa tonga ny alahady? Hidera sy hankalaza ny ray,handray teny mamy sy miara-miredona ny hira miaraka ny mpiara-miangona.Satriko foana hijanona ao.
am-piangonana.:D
1 Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.

2 Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.

3 Finoana no ahafantarantsika fa tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.


6 Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
Heb 11:1,2,3,6

38 Ary "ny oloko marina dia ho velon'ny finoana;" fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2. 3,4). Heb 10:38


35. aloalo ( 18/09/2007 05:50)
Tsy azon'i Niryna no tin'ny ankizy ambara @ zany fiadanana resahiny zany.

Mpandefa : piste [ Valio ] 17-09-2007 09:31:29
Lohateny : Re : Fitiavana Sarobidy/(My Special LOVE)!!!!
Ohatry ny mampihomehy no mahagaga indraindray ny zavatra voasoratr'i Niryna. Rehefa avy manao tora-po lava be fa tia an'i Jesoa ianao no tiany mampalahelo fa dia mamarana izany @ fanaratsiana ny Rozery indray !!! Izany hoe: rehefa midera ny Zanany dia manompa ny Reniny indray !!!Rehefa avy midera an'Andriamanitra dia manome fanafitohina ny mpiara-belona aminao.
Tsy tsapanao ve fa misy zavatra tsy mitohaka na mifanohitra akory izay voalazanao
36. pissoa ( 18/09/2007 08:06)
Tsy azo ?! ... sa tena hoe screw the rest araka ny tenin' papoose :°)

cutie:
za koa aza saika tsy hamaky fa vo hitako tonga de lava be
Nisy zavatra tsaroako tampoka de novakiako le izy
"jesus loves me, I love jesus "

Inn le tsaroanjy ? :-D
37. fijo ( 18/09/2007 21:03)
niryna an,misaotra mizara zavatra "aminay" fa mba miangavy aho re,mba mihainoa ko aizay lazainay ,fa manjary tsy mety le izy.
38. niryna ( 19/09/2007 06:51)
aloalo:

Tsy azon'i Niryna no tin'ny ankizy ambara @ zany fiadanana resahiny zany.

Mpandefa : piste [ Valio ] 17-09-2007 09:31:29
Lohateny : Re : Fitiavana Sarobidy/(My Special LOVE)!!!!
Ohatry ny mampihomehy no mahagaga indraindray ny zavatra voasoratr'i Niryna. Rehefa avy manao tora-po lava be fa tia an'i Jesoa ianao no tiany mampalahelo fa dia mamarana izany @ fanaratsiana ny Rozery indray !!! Izany hoe: rehefa midera ny Zanany dia manompa ny Reniny indray !!!Rehefa avy midera an'Andriamanitra dia manome fanafitohina ny mpiara-belona aminao.
Tsy tsapanao ve fa misy zavatra tsy mitohaka na mifanohitra akory izay voalazanao




Azoko tsara mihitsy ny tiany ho tenenina.Satria tsy hidera ny zanany aho ary hanompa ny reniny ka inona no tianao ho valiako? izay ve
Fitsaranao daholo izany fa tsy izaho no niteny ka inona no hamaliako izany ?
Ny adala aza hono hendry ihany rehefa tsy miteny kou.
Ny fivavahana anie tsy natao hifamaliana e,lany ny andro raha izany,ary tsy ho voatery hamaly izao fiteny tsy mifanaraka ny eritreritro izaho aho,Mino koa aho fa mitovy izany hianao.Lasa taritin'ny devoly lava ilay resaka.
niryna:
]A lire lentement.............. en silence!
1. Il y a au moins 5 personnes dans ce monde qui t'aiment au point de mourir
pour toi.
2. Il y a au moins 15 personnes qui t'aiment d'une certaine manière.
3. La seule raison pour laquelle une personne te déteste, c'est parce qu'elle
veut être comme toi.
4. Un sourire de toi apporte de la joie à quelqu'un même s'il ne t'aime
pas.
5. Toutes les nuits, quelqu'un pense à toi avant d'aller se coucher.

6. Tu représentes le monde pour quelqu'un.
7. Si ce n'était pas pour toi,quelqu'un ne pourrait pas vivre.
8. Tu es Spécial et Unique
9. Quelqu'un dont tu ignores l'existence t'aime.
10. Quand tu fais la plus grosse bêtise,quelque chose de bien provient de
celle-ci.
11. Quand tu penses que le monde te tourne le dos, regarde bien: c'est surtout
toi qui tourne le dos au monde!!!!
12. Quand tu penses que tu n'as pas de chance quand tu n'as pas ce que tu
veux, tu ne l'auras probablement pas. Si tu crois en toi, probablement, tôt ou
tard, tu l'auras.
13. Souviens-toi toujours des compliments que tu reçois. Oublie les remarques
méchantes.
14. Dis toujours aux gens ce que tu ressens à propos d'eux, tu te sentiras
mieux quand ils le sauront.
15. Personne ne mérite tes larmes et tes pleurs, et celui qui le mérite
vraiment ne te fera jamais pleurer.
16. Si tu as un meilleur ami, prends le temps de lui dire ce qu'il représente
pour toi.

39. niryna ( 19/09/2007 06:53)
fijo:

niryna an,misaotra mizara zavatra "aminay" fa mba miangavy aho re,mba mihainoa ko aizay lazainay ,fa manjary tsy mety le izy.



:roll:
40. niryna ( 19/09/2007 07:00)
Nirimorimo be ity fiara ary tsy nahita ity zazalahy niampita ny arabe.Tonga ilay rangahy nihazakazaka namonjy ilay zaza ary maty izy fa ilay zazalahy afaka niala tery amin'ny sisin-dalana.Toy izany ihany koa i Kristy,maty hamonjy ny rehetra Izay mino azy.

8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;

9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.

Efe 2:8-9

5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa,

6 Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,

7 fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona;

8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.

Fil 2:5-8
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5537