Jery todika kely momban'ny Kristianina avy amina Kristianina

1. ikaretsaka ( 15/09/2007 00:27)
Mba nanao Jery todika aho izany e

Rehefa dinihina ilay hevitra vaovao novoizin'i Hery mikasika fisokafana @ fivavahana hafa ankoatran'ilay an'ny tena. (kristianisme no betsaka) dia tsapa sy tsy azo lavina fa:

0) betsaka toko ny zava baovao tsy hay, ary misaotra ireo namelabelatra sy nanda tena ny hanazava izany!:wink:

1) misy ny misokatra sy gaga (Singanina manokana i Fiffi) , Betsaka koa no tsy misokatra amin'ny hafa fa miaka bozona sy tonga de misondro-po amin'ilay hoe "ny azy ihany no marina" ary miady mafy mihitsy, nefa tsy fantany akory ny resahin'ilay ambadika

2) betsaka ko sy tsapa fa maro ireo tsy mahafantatra tsara akory ny inoany, sy ny hoe fa maninona izy no mino an'io finoana misy azy io, sy tsy mba nanontany ny tenany momba izany, tsy manana saina na izay vao nandinika fa dia sanatria ohatran'ireny soavalim-boatiry le asiana tapi maso dia tsy te hahalala afa tsy ny lalana eo alohany ihany (azafady fa navantako be indray eto)

Dia mba gaga sy menatra ihany aho, ary Kristianina aho no anefa no miteny,
hoe :
-fa isika kristianina sasany ve dia borne hoe tsy te hahalala ny ivelan'ny vala?

-Raha milaza sy mitompo tena isika fa Kristianina, tokony manaraka ny nataon'i Jesoa, k'hony e?
dia Jereo anefa ilay Jesoa arahintsika fa nisokatra t@ olona rehetra fa tsy ny Jiosy (izay nolazaina fa vahoaka voafidy sy antony voalohany nahatongavany) ihany! Niaraka t@ mpanota, ,mpijangajanga, Zelaoty mahery fihetsika, samaritanina sy Jentilisa sy ny sisa izy, Ny apostoliny koa!

Ny sasany amintsika anefa jerevo! miala pas be mihintsy! manavakava-tena, karaha fariseo!
Dia mba mitaona antsika aho hoe , fa ahoana ihany isika ity e?
novalian'i fijo ny 18/09/2007 21:27
2. fijo ( 15/09/2007 00:54)
izay indrinda,ary io tsy fahadisoany irery ,fa ireo izaynitaiza azy arapanahy tany amboalohany tany mihintsy no diso.

tadidiko mihintsy aho tamin'ny mbola kely,le pasiteranay izay,nilaza hoe "tandremo ireo katolika ireo,fa tena tsy tia gasy ireo"tany izany dia efa nampianarina le fankaalana,nefa zavatra hafa no dradradradraina.
le finoana silamo koa anie,raha le theoria ,dia tsara e,fa le vahoaka silamo itako sy miara miaina amiko mampihatra azy no tena tsy faka ohatra ngamba.
3. Papoose ( 15/09/2007 02:41)
fa isika kristianina sasany ve dia borne hoe tsy te hahalala ny ivelan'ny vala?


Ie, hitako maro ny Kristianina bornE ary nahatsapa zah fa tena ethocentric @ finoany avy!samy milaza ny azy ho tena tretrika sy lafatra hany ka tsy manaiky zay lazainy ny sasany fa ny azy ihany na ho any na tsy ho any, zay le maha-bornE!

Raha milaza sy mitompo tena isika fa Kristianina, tokony manaraka ny nataon'i Jesoa, k'hony e?


Marina, ary ny tokony hatao eo anivontsika samy kristianina mba hisian'ny fifampihainoana de ny mi-tolerer fa tsy voatery mi-accepter le fomba fijery!

ohatrantsika hoe miala eo tany nipetrahantsika mankany finda na any an-toerankafa.Rehefa tonga any isika tsy voatery hanaraka ny culture ao fa mi-tolere kosa ny hita fa tsy mifanaraka @ finoantsika!

Fehiny, mba ilaina ihany le sensitivite @ty resaka Kristianina ty!
4. tsaramaso ( 15/09/2007 03:09)
ikaretsaka:
-Raha milaza sy mitompo tena isika fa Kristianina, tokony manaraka ny nataon\'i Jesoa, k\'hony e?

mampitsangana maty ve ?!! mampiteny moana ve ?! mampahiratra jamba ve ?! manova rano ho lasa py ve ??! aiza koa e!!!

sa mandrava tsena ve ?!! mivatravatra ve ??! manompa olona ve hoe bibilava taranaky ny menarana ??! raha mandalo eto moa i Jesoa @zao e !!! misy voaompa be eo ngamba !!!!! @ zay tsaramaso tsy sahy mi hahahaaaa

ikaretsaka:
Niaraka t@ mpanota, ,mpijangajanga, Zelaoty mahery fihetsika, samaritanina sy Jentilisa sy ny sisa izy, Ny apostoliny koa!
i tsaramaso koa !!!!
Fa niara-nirevy fahotana t@n-dry zalahy koa zany ??!!! niara-nijangajanga tany koa ??!!!!
tsssssss!!!! ampio ao anaty lisitra ny olombelona silamo e!! fa ny fivavahana silamo fahotana !!!!!

fijo:
izay indrinda,ary io tsy fahadisoany irery ,fa ireo izaynitaiza azy arapanahy tany amboalohany tany mihintsy no diso.
Kristy ve zany ??!!!!!

hazavao hoe : \"-fa isika kristianina sasany ve dia borne hoe tsy te hahalala ny ivelan\'ny vala?\"
ikaretsaka sy iza daoly ireo ??!!!!!
5. niryna ( 15/09/2007 03:28)
Torio ny tenin'Atra dia ampy anao fa avelao izay fitsikerana ny olona any.Samy nomena fahalalana avy ny olona,mazava ho azy fa tsy hanaraka ny teninao daholo akory.Ambava homana am-po mieritreritra.
6. Rasiligaoma ( 15/09/2007 03:39)
tsaramaso:
ikaretsaka:
-Raha milaza sy mitompo tena isika fa Kristianina, tokony manaraka ny nataon'i Jesoa, k'hony e?

ny ohatra nataony teo @ fiaraha monina angamba no tiany lazaina eto
sady inoako fa ny samaritanina sy ny Jentilisa sy ny tsy mifora dia tsy mpanota!

"Isika" hono e ! ilay tsy manaiky hafa tsy ny kristianisme sy tsy mba mihaino izay lazain'ny hafa

fa misaotra an'ikaretsaka fa marina sy zava-mitranga tokoa ity voalaza ity
7. rakaroka ( 15/09/2007 07:51)
Sssss rehefa tsy mahalala ny handini-tena rizareo, @ fijoroana ho vavolom-belona @ fitondra-tena tsara sy ny asa tsara, fa mpitari-bato vilam-bava toa izay fahita. Ataoko ho lany foana ny fotoana sy ny androny
hitatatata sy hidradradradra fa tsy ho ankasitrahana akory na eo anatrehan'Andriamanitra na eo anatrehan'ny olona 8O8O8O .
8. mbaliana ( 15/09/2007 08:07)
Mitory ny Tenin\'Atra tsy arahina asa dia ohatry ny miteniteny foana satria hafa ny lazain\'ny vava fa hafa no ataon\'ny tanana...
Nisy fotoana aho nifanerasera tamin\'ny musulman, nanana namana silamo vavy sy lahy...dia mitovy ny ataontsika hoe filosofia fomba fijerena ny fiainana andavanandro...fa eo amin\'ny fampiharana no samihafa...ohatra zao hoe nisy occasion niaraka nandende ny alina dia tratra alina be ilay namanay anankiray zay kristianina dia hoe hatory ao amin\'ny fandriana-n\'ilay namana musulman... fa tena tsy navelan\'lery fa hoe maloto tsy tadidiko hoe nihinana kisoa moa na hoe tsy nandro ecc...ny andro alina...dia tsy afaka niditra tao...fa tany amina namana hafa no nande.
Raha izaho amin\'ny maha kristiana ahy dia navelako izy hatory satria io namako niaraka foana mba manampy azy amin\'ny andro sarotra ...zany akory tsy nataoko hoe tsy hahanamana an-dry zareo intsony fa eviter-ko ny hiantrano any amindry zareo....
Nisy occasion iray izay koa, za mbola tsy namaky ny Coran hatramin\'izay niainako.. nanana nefa ilay namako dia mba niteny taminy aho mba ampindramo ahy hoe io coran io vakiako...fa ohatry ny nanompa azy wa za...tsy nahazo nikitika na ny fonony aza...
mbola mpinamana aloha zay hatramin\'izao fa tsy dia mifanerasera be intsony .. fa zany hoe efa samy niova fiainana koa e...
9. mbaliana ( 15/09/2007 08:15)
tsy miteny aho hoe ratsy ny finoana silamo... misy ny fombafomba atao vao afaka hoe mifanerasera be aminy...
10. xxx ( 15/09/2007 09:36)
Eto aloha dia aleo hitodika @ tsika milaza fa kristiana aho aloha , isika eto aza milaza ho kristiana nefa na ny tenin'i Kristy aza lavintsika sy aolantsika koa , misy aza tsy mahalala akory hoe inona no antony hivavahana @ io Kristy io ary io ve no tena Atra , nefa isika andeha hiditra ary @ resaka silamo , tandremo fa ny silamo dia tena manana ny fitiavany an'Atra fa tsy manao ohatrantsika sady tsy mafana no mangatsiaka , io mantsy no vanimpotoana hiainantsika kristiana @ izao vanimpotoana farany izao koa mividiana odimaso any @ i Kristy re ry Kristisna o!
11. Fiffi ( 15/09/2007 10:20)
xxx:
misy aza tsy mahalala akory hoe inona no antony hivavahana @ io Kristy io ary io ve no tena Atra ,
:roll: :-w:-w raha tsy inn koh !


12. naughtyboy ( 15/09/2007 12:42)
mitombina io ry fiffi a, misy zany ..ilaina ny mpanoro lalana ndray2 @ fiainana fa tsy tsy hanao itsindalana lava eny.
misy ko araky ny lazainy ika eto ary mifampitaona iverina ao ambala no mety na eo akaiky eo aza mbo efa araky ny tompony ondry oe iny lery fa tamy:)ny omby miara mandry tsy indray mifoha hoy ny fiteny
13. mbaliana ( 15/09/2007 13:01)
xxx>
isika andeha hiditra ary @ resaka silamo , tandremo fa ny silamo dia tena manana ny fitiavany an'Atra fa tsy manao ohatrantsika sady tsy mafana no mangatsiaka ,

ahona kay no tokony hataontsika hampisehoan-tsika ny fitiavantsika an'ATRa-tsika?
14. ravakamalala ( 15/09/2007 21:38)
Tsy azoko loatra!!!!

Inona moa no tanjon ny fiainantsika eto antany? Tsy ny hahita an Andriamanitra sy ny ho eo akaikiny? Izany hoe manana toerana tiana aleha isika rehetra ireto.

Ohatran ny hoe te handeha ho any an-tsena izany ianao, any ampiangana dia manoro anao ny ray amandreninao hoe ITY ny lalana alehanao, mahitsy foana, tsy miankavia ianao, tsy miankavanana fa mahitsy foana. Mandeha eny andalana eny ianao dia mnaontany olona hoe tena ity marina ve ny lana mankany antsena ; dia miteny daholo ny olona hoe eny, mahita pancarte koa ianoa manoro hoe atsy aloha atsy ny tsena, dia mandeha ampahatokisana ianao, ary tena mino fa iny tokoa ny lalana mankany antsena.
Ka aiza ho aiza ilay fisokafana tenenin i Ikaretsaka no tokony hitranga?
Tsy ny lalako ve no imatimatesako? tsy izay ahatongavako eny antsena ve no ataoko laharam pahamehana?; ahoako inona izay lalan ny hafa, rehefa ananako ny toky avy amin ny RAD-ko fa ity no tena lalana mandeha mankany antsena?
15. pissoa ( 15/09/2007 21:52)
Raha hoe tsena no tian'i Ravaka hanaovana fanoharana dia izao angamba no handraisako azy.

Raha ao amin'ny tsenan'i Mahamasina no tanjona (Okiii, ndao mody atao hoe Alakamisy izao e :-D:-D:-D ) dia miankina amin'izay toerana hiaingana io. Ny lalan'ny miainga avy ao Ambatonakanga tsy hitovy amin'ny lalan'ny olona miainga avy eny Anosibe. Noho izany raha miteny ny namanao hoe mizotra mianavaratra aho ho any an-tsena, dia aza maika miteny (miaka bozona ozy i Ika) hoe diso lalana ianao fa ny lalako ihany no marina, fa anontanio aloha hoe fa avy taiza ianao no niainga. Izay ilay fisokafana ... angamba ! :-D
16. ravakamalala ( 15/09/2007 21:56)
ah oki!!
raha izay dia mazava, tsita fa zay mila sary foana e!
:-D:-D
17. ikaretsaka ( 16/09/2007 00:40)
ravaka> io lazain'i pissoa io no tiako lazaina.. ilay hoe mba manadihady aloha:wink:

m'sotra Pissoa an
18. naughtyboy ( 16/09/2007 10:15)
ny manadihady sady mailo @ rehetra na ny mpanoro lalana iresahanao kosa mety ho diso fa olmbel ..
ny tompomarika @ lalana ihany no azo antoka @io(Ilay inoanao,Izy no mahalala ny rariny sy mahitsy @zay alehanao)
19. ikaretsaka ( 16/09/2007 12:38)
ny fombako rehefa tsy nitondra famataran'andro ka mila manontany lera dia manontany olona 2 na mijery famataranandro anakiroa.
Raha milaza 7:08 ny 1 moa ny 1 7:10 dia 7:09 izany izao!

(manamafy ny tenin'i naughty
20. tywa68 ( 17/09/2007 05:12)
Ika : izay no maha-olombelona antsika na dia antsoina hoe rahalahy sy anabavy ao @i Kristy.
Ao ny be doika hoe ny azy no marina sy tokony arahina, dia asan'ny maizina zay tsy mifanaraka @izay.

Samihafa isika fa mitovy ny tanjona raha kristiana, arak'ireo efa voalazan'i pissoa ireo.

Ahoana moa no hampety an'ilay fiarahana @ silamo sy ny hafa, raha mijanona ho olombelona tsotra ny tena fa tsy mitafy ilay fitiavan'i Kristy ary tena mampiseho fa miaina @izany fanantenàna izany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4141