récompence

1. kalina80 ( 14/09/2007 11:57)
Mino ve ianao fa hisy récompence na satro-boninahitra homen'Atra ho anireo izay tena nanompo azy sy nanao ny asany rehefa any @ fiainana mandrakizay?
MATIO 19:29 "Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay."

2. Jeankely ( 14/09/2007 12:16)
Ny fanaovana ny tsara tsy hanenenana ary tsy miandry satroboninahitra ny fanaovana ny mety sy mahasoa. Na tsy misy aza izany hafa ny maty namela mamy ary hafa ny maty ratsy fanahy, ratsy toetra sns.
3. Fiffi ( 14/09/2007 12:17)
hisy récompense hoe ? enao hiany de efa navaly azy koh !
"kalina80":
MATIO 19:29 "Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay."
4. kalina80 ( 14/09/2007 12:28)
Marina izany? inona indray ary ny atao mba hahazoan ny récompence tsara indrindra izay efa nomen'Atra ho antsika e ?
5. Jeankely ( 14/09/2007 12:46)
Manaova ny tsara indrindra. Ary aza miandry ny soa vao manao ny tsara. Tolory ny tsara ny mpiarabelona, ny zava-boaary. Aza manao hafa ny tondroin'ny molotra, hafa ny alehan'ny tanana.
6. kalina80 ( 14/09/2007 13:28)
Manao ny tsara mba ho voninahitr'Atra eo @ fiainana fa tsy ho an'olona.Tsy vitan'ny manao ny tsara ihany koa anefa fa mila manao ny asany sy ny sitrapony ary mitandrina ny didiny mandrakariva.
Ity misy tenin'Atra iray:Levitikosy 26:3- "Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko hianareo ka mankatò izany,
4- dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha. "
Izany hoe Atra dia manome valim_pitia ho anizay rehetra manaraka azy.
Tsy nohon'ny fitahiana na hoe par intêret anefa ny antony anompoana an'Atra fa satria tinao Izy dia manompo azy ianao.
Izaho manokana dia mahafantatra fa manana lalana (ataoko hoe surprise)hoa hy ny Tompo izay tsy hitondra ahy ho @ fahaverezana fa kosa ho @ fiadanana.Ary mino aho fa tsy ho foana akory ny fikelezako aina fa hisy tokoa ny satro-boninahitra izay omeny rehefa tonga any an-danitra e!!!

7. kalina80 ( 14/09/2007 13:40)
tsy miandry ny soa fa efa fantatra fa Atra dia fitiavana , donc noho ny fitiavany avokoa ny zvt rehetra mitranga eo @ fiainana.

Te hilaza aminareo aho fa raha manokana ny tenantsika hanompo an'Atra isika dia au jour le jour hisy zvt tsy takatry ny saina hitranga foana.Mety handalo olana fa misy ésperance foana sady faly lalandava e !!!!

Raha fehezina dia izao:"Atra dia fitiavana,efa nanome ny zanany lahitokana Izy ho famonjena antsika ary efa nanomana toerana tsara indrindra ho antsika koa Izy rehefa hiala ety an-tany isika.Raha mbola miaina isika dia nohon'ny fahasoavany hatrany.Ary aza adino fa na inona na inona vitanao tety an-tany ho Azy dia efa soratany ao @ bokin'ny lanitra izany ary tsy ho adinony rehefa hiaona aminy isika"
Dia mahereza daholo @ fanompoana Azy
8. fenomanantsoa ( 14/09/2007 13:54)
kalina80:

Mino ve ianao fa hisy récompence na satro-boninahitra homen'Atra ho anireo izay tena nanompo azy sy nanao ny asany rehefa any @ fiainana mandrakizay?
MATIO 19:29 "Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay."




Isika olombelona aza mahalala mamaly soa ireo manompo antsika koa maika fa Izy Andriamanitra "Fitiavana". Io r'ise ilay atao hoe "Miharia harena ho anareo any an-danitra". Efa miandry any izany ilay valisoa
9. kalina80 ( 14/09/2007 14:22)
fenomanantsoa:




Isika olombelona aza mahalala mamaly soa ireo manompo antsika koa maika fa Izy Andriamanitra "Fitiavana". Io r'ise ilay atao hoe "Miharia harena ho anareo any an-danitra". Efa miandry any izany ilay valisoa

[/quote]
marina dia marina tokoa .Misaotra betsaka anao:lol::lol::lol:

10. ikaretsaka ( 14/09/2007 16:24)
ny ahy aloha tsy nohon'ny recopense loatra no inoako fa nohon'ny fahatsapana ny fitiavan'andriamanitra ahy e..
tsy hoe mino aho satria rehefa mino dia mahazo an'izao
fa heo "niangaram-pitiavana" aho dia mino sy tia azy!
11. kalina80 ( 14/09/2007 16:51)
kalina80:

Tsy nohon'ny fitahiana na hoe par intêret anefa ny antony anompoana an'Atra fa satria tinao Izy dia manompo azy ianao.



12. ikaretsaka ( 14/09/2007 16:59)
izaaaay! :-*
13. ikaretsaka ( 14/09/2007 16:59)
satria tia anao izy aloha ka....
14. kalina80 ( 14/09/2007 17:34)
ikaretsaka:

satria tia anao izy aloha ka....





bien surrrrrrrrrrrrrr:* ho anao
15. fijo ( 14/09/2007 19:50)
fa raha tsy misy izany io ,dia tsy nanao sy tsy hanao ny tsara enareo?????
16. pissoa ( 14/09/2007 20:22)
:-D:-D:-D

mila avahina ny fitia sy ny fitia raha misy patsa :-D
17. fijo ( 14/09/2007 20:31)
raha azoko tsara mantsy toa tahtra tsy ahazo le valiny isa no hanaovana soa raha izao,????
18. ikaretsaka ( 14/09/2007 23:31)
amin-dry zareo izany fa tsy amiko manokana! (sy amin'i pissoa koa matoa izy tapa-tsinay)

fa matina fa fitia raha misy patsa izany tsy manao zavatra raha tsisy valisoa izany
19. niryna ( 15/09/2007 00:19)

Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo eo imason'ny olona hahitany izany; fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo.
Mat 6:1
Nampianarin'i kristy isika ny:manome,mivavaka,ary ny mifady hanina ao amin'ny mangingina.
*manome:Fa hianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tànanao ankavia izay ataon'ny tànanao ankavanana,mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao. Mat 6:3-4

*mivavaka :Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.Mat 6:5

*mifady hanina:Fa hianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao,mba tsy ho hitan'ny olona fa mifady, fa ho hitan'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.Mat 6:17-18

20. ikaretsaka ( 15/09/2007 00:38)
izay indrindra.. tsy heo ataoko ity asa na zavatra ity mba hahazoako valisoa, fa hoe hataoko ity asa sy zavatra ity satria sitrako ny hanao azy, sady mba anjara birikiko amin'ilay Zokiko Tia Ahy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3932