Azo hatraiza ny baiboly?

1. zamanoro ( 08/09/2007 03:47)
Hono ho'a
Tsy vitsy ny niala nianatra fa hoe hanao mpiandry hono
Tsy vitsy ny nijanona tsy nanambady fa hoe hanao masera na mopera koa ohatra
Ary maro ny olona raha vao miresaka ianao dia maka andininy ao amin'ny baiboly haingana aloha atao ohatra
Ny hafa moa dia fady kisoa fady patsa noho ny baiboly.
Dia io no mahatonga ahy manontany hoe
AZO ADIKA HATRAIZA NY BAIBOLY
novalian'i prime ny 17/09/2007 08:49
2. piste ( 08/09/2007 03:55)
Raha averina aminao aloha ilay fanontaniana.
3. zamanoro ( 08/09/2007 03:57)
Ka mba mila hevitra anie aho matoa manontany eh. Noho ny ohatra hitako
4. ikaretsaka ( 08/09/2007 03:59)
amiko tsy ilay adidika fahatany sy raisina an-tendrony ny baiboly
Za mao zatra io "ao raha io"
dia mandinika mitady ilay 'raha aho", arak'izay takatry ny saiko, aho fa tsy mionona amin'izao!
heo satria nisy an'izao (nefa tsy azo akory hoe satria noho n'ny inona sy fa nahoana) dia hanao koa ny tena.
5. niryna ( 08/09/2007 04:40)
Levitikosy 11:7 ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.
Tao amin'ny TT no nilaza fa naloto ny kisoa,dia mbola nilasa ihany koa ny TV fa maloto satria nivoaka maty tany anaty rano niaraka ny kisoa ny fanahy maloto.Aiza moa no misy an'izay ry ika fa mbola hitsimpona indray aho.
Dia avy eo dia nilaza Kristy fa tsy izay rehetra miditra ny vava ka mivoaka no atao hoe malota,fa izay rehetra teny ao anaty fo ka avoakan'ny vava.
Mbola hitsimpona indray koa aho.
6. ikaretsaka ( 08/09/2007 04:43)
dia i niryna tsy mihinana kisoa izany sa?
za tsy mahay mitsimpona fa hitako hoe ao io...
za manko tsy baibolistra
7. ikaretsaka ( 08/09/2007 04:44)
euh.. ny ahy tsy ara-tendrony moa izany fa ara-veviny e
8. niryna ( 08/09/2007 04:46)
Dia misy ihany koa ao miteny hoe misy miteny fa tsy tokony hanambady na tokony hifady sns...kanefa Atra dia efa nanome tso-drano ny fara aman-dimby ka na ny gasy koa aza dia efa miteny izany hoe mitera fito lahy sy fito vavy.(not anymore),ary nanome tso-drano ny biby rehetra ety an-tany koa izy ka tsy tokony hifady intsony.

Tsy te hanambady izy,safidiny izany fa tsy noterena ary ny tsy manambady aza no manao ny asan'Atra betsaka kokoa satria tsy misy mamatotra.Fa hoy izaho amin'ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy.

Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay... Manam-bady va hianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va hianao? Aza mitady vady.. Fa tiako tsy ho maro ahina hianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny an'ny Tompo mba hahafaly ny Tompo.IKor 7:9,27,32
9. diamondra27 ( 08/09/2007 07:13)
niryna:

Levitikosy 11:7 ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.
Tao amin'ny TT no nilaza fa naloto ny kisoa,dia mbola nilasa ihany koa ny TV fa maloto satria nivoaka maty tany anaty rano niaraka ny kisoa ny fanahy maloto.Aiza moa no misy an'izay ry ika fa mbola hitsimpona indray aho.
Dia avy eo dia nilaza Kristy fa tsy izay rehetra miditra ny vava ka mivoaka no atao hoe malota,fa izay rehetra teny ao anaty fo ka avoakan'ny vava.
Mbola hitsimpona indray koa aho.

_______________________________________

Marka 5: 1-20



1 Ary tonga teny am-pitan'ny ranomasina tao amin'ny tanin'ny Gerasena izy ireo.

2 Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin'izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin'ny fasana ka nifanena taminy;

3 fa nitoetra tao amin'ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin'ny gadra aza.

4 Fa efa nafatony matetika tamin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin'ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.

5 Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin'ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena amin'ny vato.

6 Fa nony nahita an'i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany

7 sady niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy, -

8 satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.

9 Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay.

10 Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany.

11 Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny akaikin'ny tendrombohitra.

12 Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin'ny kisoa mba hiditra any aminy.

[size=15px]13 Dia neken'i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty.
[/size]
14 Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;

15 ary tonga tany amin'i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka izay, nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.

16 Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin'ny olona izay natao tamin'ilay demoniaka sy ny amin'ny kisoa.

17 Ary nifona tamin'i Jesosy izy mba hiala amin'ny taniny.

18 Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy.

19 Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin'ny havanao; ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.

20 Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.

10. diamondra27 ( 08/09/2007 07:19)
Marka 7:14-23



14 Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy hianareo rehetra, ka mahafantara.

15 Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy.

16 Raha misy manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

17 Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin'izany fanoharana izany.

18 Ary hoy Izy taminy: Hay! Hianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan'ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,

19 satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra.


20 Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona dia izany no mahaloto azy.

21 Fa avy ao anatin'ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona,

22 ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy,ny avonavona, ny fahadalana;

23 izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
11. Achia ( 08/09/2007 07:50)
Faly miarahaba ny mpisera kalongany , eto moaizany dia fifanoroana ihany fa anjaran'ny tsirairay no mandray fa io Mark nomen'i Diamondra io de mba vakio anie ny andininy voalohany e dia mety hazava @ ao izay tiany lazaina ao e! Marka 7 :1 ary niangona teo @ ny fariseho sy ny mapanoradalana sasany izay avy tany (2) Jerosalema , ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinankanina t@ tanana tsy madio izany hoe tsy voasasa (3) fa ny fariseho sy ny jiosy tsy tsy mba mihinana raha tsy efa manasa tsara ny tanany , satria mitana ny fampianarana voatolotry ny razana izy ... De jereo hoe inona no resaka nifanaovana teo , olona mihinana kisoa ve izany fariseho sy jiosy izany ?
12. ikaretsaka ( 08/09/2007 14:05)
18 Ary hoy Izy taminy: Hay! Hianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan'ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,


interesting!:P8)
13. prime ( 11/09/2007 11:30)
zamanoro> raha manao izany ireo olona resahinao ireo, tsy manam-bady, manajanona ny fianarana na ny asa mihitsy aza ny sasany, tia mamaky baiboly, mifady isankarazany... dia ho an'Andriamanitra no anaovany izany satria tiany ilay Andriamanitra mamonjy sy mamelona ary mitahy azy isanandro amin'izay rehetra ataony... izay no torohevitry ny fanahy masina aminy araka izay voasoratra ao amin'ny soratra masina... ka tsy ilay fandikany ny baiboly no zavadehibe fa ilay fitiavany an'Andriamanitra ho tambin'ilay fitiavan'Andriamanitra azy tao amin'i Kristy Jesosy... ka moa tsy tsara va izany?

Izany nefa tsy midika mihitsy hoe izay manam-bady, izay manohy fianarana sy miasa mandrakariva amin'ny fivelomana, tsy mifady nefa tia an'Andriamanitra sy manompo Azy araka izay bitsiky ny fanahy masina aminy koa dia tsy sitrak'Andriamanitra fa tena sitrany tokoa satria izany rehetra izany ihany koa dia mbola ho voninahitr'Andriamanitra no anaovany izany...
14. ranini ( 11/09/2007 12:29)
tokony ho tokana ny fandikana ny Baoboly fa ny olona no mandika azy io araka izay tiany :ao ny sasany milza hoe mapianatra ny Apokalipsy,mahafaty ny didy folo;sabatista ....sns.
nefa mba jereo ny zavatra nampianarin'i Jesosy de ho hitanao hoe hatraiza no tokony handikana azy io.
15. ikaretsaka ( 11/09/2007 12:37)
ka izay ange ilay izy e..
Raha vao baiboly fotsiny no atao referansy dia lasa betsaka no voasarika mampiasa azy arak'Izay "tiany sy mampetipety ny hevitra tiany voizina" satria samy hita ao na ny manohana na ny manohitra iny fihevitra iny.
16. prime ( 11/09/2007 13:01)
ranini> ny baiboly dia tokana tokoa fa ny fandikana azy dia maro satria miditra ny mahaolona feno ilay mpandika... na ny fitantaràna ny fiainan'i Kristy fony Izy nandalo teto an-tany aza dia samihafa mihitsy nefa samy mpianatra sy apostoly ihany no nanoratra ireo filazantsara efatra ireo...

Eo no tena isehoan'ny asan'ny fanahy masina, satria izay iasàn'izany dia mahita mandrakariva ny sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny baiboly iray io ihany...
17. ikaretsaka ( 11/09/2007 22:10)
dia ny hitsarana ilay hoe "mahita mandrakariva ny sitrapon'andriamanitra ao " koa mbola tantara lava be.. satria samy milaza azy ho marina
18. fijo ( 12/09/2007 20:39)
zamanoro,raha io baiboly io no raisina arabakiteny dia tapadoha ny farany,fa maro ny voalaza ao no mifanohitra.
raha za no amin'ny toeranao,dia raisiko le teny hitako ao,ary dia ataoko izay hampifanaraka azy amin'ny zavamisy.
tsy toa izao mantsy no nisy tamin'ny fotoana nanoratana ireny tantara ireny
19. pakopako ( 12/09/2007 22:17)
Io Marka 7:14-23 io d tsy miteny mihinana kisoa tsy misy mahaloto ny olo tokoa ny ampidirina ambava satria efa fantany fa mitandrina ny didy ny mpino rehetra tsy tonga handrava izy fa tonga hantanteraka ka tsy misy na litera iray aza ny hiova @ Lalana tsy haiko tsara le izy fa toy izay ..
20. prime ( 14/09/2007 10:47)
ika> marina tokoa izany, fa ny olona itoeran'ny fanahy masina iray ihany dia miara-mahita ny sitrapon'Andriamanitra mitovy... eto no mampitombina ny fanamarihan'i ranini satria misy sahy amin'ny mpino kristiana mandray ny hevitr'olombelona ho ambony mihoatra noho ny hevitra sy ny sitrapon'Andriamanitra...
fijo> tsy mifanohitra velively ny voalaza ao amin'ny baiboly fa ny olombelona no tsy mahazo ny sitrapon'Andriamanitra ka heveriny ho mitovy fijery aminy Andriamanitra ka rehefa tsy mitovy fijery aminy dia lazaina fa mifanohitra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0497