zava-dehibe ny finoana

1. kalina80 ( 07/09/2007 13:39)
Romana 14:23 "Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana."

IKorintiana 16:13 "Miambena hianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza."

Ny finoana tiako resahina eto dia ny finoana an'Atra fa Izy no Tompon'izao rehetra izao ary tsisy tsy hainy atao.
Misy fanontaniana iray ity: maninona isika zanak'olombelona no tsy dia mi-agir araka ny finoana an' Atra fa mi-agir araka ny herin'ny tenantsika foana.Matetika mantsy isika dia miaina araka ilay teny hoe :"Atra dia tsy manampy izay tsy manampy ny tenany." Marina fa nomen'Atra saina ieritreretana sy vantana iasa isika fa tiako ampiataina fa Atra dia mbola manao fahagagana tsy takatry ny saina h@izao fa @ alalan'ny finoana no anaovany izany.
Inona no mampiavaka antsika @ireo izay tsy mino raha mbola hiasa saina sy hijaly mafy ihany isika?

2. kalina80 ( 07/09/2007 13:43)
Matio 9:22 Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitranaanao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin'izay ora izay.

3. hery ( 07/09/2007 14:31)
Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin'ireo.

http://baiboly.katolika.org/boky/Korintiana%20I/13/13
4. kalina80 ( 07/09/2007 14:53)
hery:

Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin'ireo.

http://baiboly.katolika.org/boky/Korintiana%20I/13/13

marina izany, fa tsy maintsy miaraka ireo telo ireo.Fitiavana an'Atra tsy arahana finoana sy fanantenana dia tsy misy antony.
5. ikaretsaka ( 07/09/2007 18:10)
Finoana tsy arahin-asa koa maty momoka
http://baiboly.katolika.org/boky/Jakoba/2/20-26
6. niryna ( 08/09/2007 01:15)
kalina80:

:"Atra dia tsy manampy izay tsy manampy ny tenany."

Fitenenan'ny olona fotsiny io fa tsy ao anaty baiboly.
kanefa Atra dia manampy ireo izay tsy afaka manampy ny tenany intsony. Tsy vitan'ny herin'ny sainy sy ny fahalalany intsony dia iny izy fa mitodi-doha amin'Atra ary dia manampy tokoa izy.

Marina fa nomen'Atra saina ieritreretana sy vantana iasa isika fa tiako ampiataina fa Atra dia mbola manao fahagagana tsy takatry ny saina h@izao fa @ alalan'ny finoana no anaovany izany.
Inona no mampiavaka antsika @ireo izay tsy mino raha mbola hiasa saina sy hijaly mafy ihany isika?

mitovy hevitra.

7. ikaretsaka ( 08/09/2007 02:17)

Marina fa nomen'Atra saina ieritreretana sy vantana iasa isika fa tiako ampiataina fa Atra dia mbola manao fahagagana tsy takatry ny saina h@izao fa @ alalan'ny finoana no anaovany izany.
Inona no mampiavaka antsika @ireo izay tsy mino raha mbola hiasa saina sy hijaly mafy ihany isika?

mitovy hevitra.

ka tsy tenenina hoe fahagagana daholokoa ange izao rehetra izao e, dia misy ilay teny koa hoe "fantaro izay inoanao"

8. kalina80 ( 08/09/2007 12:46)
Ny tiako ampitaina eto dia ho anireo izay mino an'Atra nefa ao anaty olana mafy.Mety efa ela tsy mety tafavoaka @izany olana izany.Ampiasao ny finoanao fa na dia kely otrin'ny voatsinampy aza izany dia hahafindra tendrombohitra.

sarotra anefa indraindray @ maha olombelona izany hoe tsy hiady saina rehefa misy ny tena olana.Fa Atra dia miteny amintsika foana mba hametraka ny enta-mavesatra eo aminy fa Izy no hanome antsika fitsaharana.

petera 5:7 ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.
22 Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
9. ikaretsaka ( 09/09/2007 11:51)

jereo ilay tantaran'i mere Theresa nolazain'i Piste

10. ikaretsaka ( 09/09/2007 11:53)
http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m46db9f72df089
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3723