fitaizana zanaka

1. nirinkosoa ( 07/09/2007 07:21)
:roll:ahoana no mety atao raha te hanana zanaka hendry?
ahoana no tsara atao raha tiana ho to teny @ zanaka?
Inona avy ireo kilalao mety iarahan'ny RAD sy ny zanaka atao?8)
novalian'i miraymel ny 26/11/2007 05:46
2. xxx ( 07/09/2007 08:06)
omeo aloha ny famaritana ny hoe "HENDRY"
3. sipagasy ( 07/09/2007 08:07)
Ny fitaizana tsara indrindra, dia izay andrian'ny fonao sy ny fisainanao, tsy mety hisy fitaizana bambaray mety ho an'ny rehetra. Samy manana ny toetrany ny ankizy (sy ny lehibe), ka sarotra be ny hanome torohevitra itambarana. Io koa moa dia arakaraky ny taonan'ny zaza ihany e!
Fa ny azoko atoro anao fotsiny:
1) dia beazo @ tambitamby ny zaza, aza mampiaka-peo aminy akory raha sendra manafintohina anao ny ataony.
2) asehoy azy ny fitiavanao azy, tsy hoe akory @ fividianana izay tiany rehetra annn hihihi, fa na @ teny sy fihetsika atao fotsiny aza. Ohatra somary dokafana kely izy rehefa manao zavatra irery ka vitany soa aman-tsara izany tsy nisy ny fanampianao, ary ampaherezina izy raha toa ka tsy vita tsara ilay zavatra nataony fa tsy atao hoe, 'ty vendrana, tsy mahavita azy'...
3) beazo @ fiainana kristianina izy, na izay foto-pisainanao, na foto-pinoana ijoronao.
4) ny kilalao rehetra dia mety iarahana avokoa, ngaha moa tsy misy sombin'ankizy ato anatintsika lehibe? izaho aza mbola milalao saribakoly miaraka @ zanako rehefa antsoiny hiaraka hilalao aminy iny kouhh hihih...
5) ampianaro azy ny fanajana ny tontolo iainany, zava-maniry, sy ny manodidina azy.. sns e!!!
6) ampianaro azy ny fanajana ny hafa ihany koa, sy ny fandeferana eo @ fiainana...

Lava izay fa mba ny hafa koa no hanampy eo e!!!

Dia maroroa taiza e!!!!Tena asa fa tsy vadin'asa ny asa fitaizana ka mahereza.:-*;-)
4. Mimhie ( 07/09/2007 08:50)
za koa mitovy hevitra @ sipagasy, sady arakaraky ny taonan'ny zaza ny fomba hitaizana azy, rehefa tonga eo @ ilay sakanjaza izy de tena mandreraka be ny mitaiza azy fa ny fifanankalozan kevitra ihany no voalohany hisian'ny marimaritra hiraisana, ny zanako zao lahy efa lehibe be de lasa confidenteny za satria miezaka ny miresaka sy mananatra azy ny zavatra misy rehetra, de rehefa tonga avy miasa za de maka fotoana fohy hilalaovana miaraka aminy manao daomy na izay lalao hiraisana eo, miezaka hatrany manakaiky azy mba tsy hitadiavany fitia any @hafa
mahazotoa daholo ary e!
5. bossy ( 07/09/2007 09:38)
amiko alo de tsisy formule ny fitaizana zaza e! fa refa mifanaja fotsiny nareo de zay no izy. mifapiresaka tsara ao atrano, mifanakalo hevitra. ny lehibe tsy manao didin'ny be sandry ny zanaka ko tsy manao tsinotsinona ny lehibe.
refa misy ny communication entre les 2 de tsy maitsy milamina tsara ny ao atokatrano.
:D:D:D:D:D:D
6. mandrindra ( 07/09/2007 10:09)
miombokevitra amin'ny rehetra fa tsy formila mazika io. raha nisy izany fomba fitaizana lafatra izany dia efa nanoratana boky ary nampanakarena mihitsy.

tsy ny firesahana amin'ny zanaka ihany no fitaizana, fa ny fomba fihetsika, ny fomba firesahana amin'ny manodidina. izay rehetra ataon'ny RAR dia fitaizana daholo. na mihainao mozika aza ny RAR dia fitaizana izany.

ka na ho inn, na ho inn dia tsy ho afaka volavolaina toy ny tany manga ny ankizy. ny atao dia ny mampita fahalalana sy fomba fijery.
7. ftma ( 08/09/2007 14:22)
Ny ray aman-dreny, ny manodidina, ny namana hifaneraserana any ampianarana samy alain'ny zaza tahaka daholo ka na mitandrina aza ny RAR ao an-trano mahita toetra hafa foana ny zanaka. tsy hahendry zaza ny sazy isakarazany fa ny fanazavana ny toetra tsy mety ihany no hitako fomba hanintsiana azy ireny
8. ikaretsaka ( 10/09/2007 21:14)
ny voalohany aloha di any Ray aman-dreny no tokony ohatra voalohany eo @ fitaizana.
hanao ny zanakao ianao hoe ilaina ny mivavaka sns.. nefa nareo mivady aza tsy mivavaka alahady sy tsy hitany hoe mivavaka ao an-trano.. di aahoana ny hahazoany izay lazaina?

hanao ny zanakao ianao hoe aza misotro toaka fa ratsy io, nefa tonga ny sabotsy dia tonga aby ny akama dia miakatra ny pi... dia ahoana?

na hoe sady mifoka sigara ihany no manao hoe ratsy ny mifoka sigara...
9. nirinkosoa ( 11/09/2007 07:17)
Misaotra betsaka @ torohevitra!
Marina tokoa fa tsy misy formule magique ny fitaizana zanaka, fa ny manahirana kely ny saiko dia ity::?:
miasa aho ary mipetraka @ mpitaiza ny zanako kanefa naheno t@ télé aho hoe Izay olona ipetrahany foana no tena andrian'ny fony, koa inona no tokony atao fa somary marary kely ihany ny fo rehefa mandre izany. Ny fiainana anefa tsy vitan'ny olon-dray intsony ny miasa raha tsy hoe be karama angaha ilay iray miasa.
Manantena ny valiny avy aminareo indray;:)
10. aloalo ( 12/09/2007 07:03)
Inona avy ireo kilalao mety iarahan'ny RAD sy ny zanaka atao?


Efa voalaza etsy ambony ny tiako ambara.

Fa kosa ny resaka lalao dia tsara raha entina mivoaka foana izy, ary ampiseo azy fa mizara lalao aminy, vélo, foot, natation...
aza zarina lalao playstation mbola kely izy fa manjary variana irery ao fa kilalao iarahanareo toa ny jeux de société, na hirahira koa aza mahafaly azy, ny tantara madinika.

Ny ahy indray manao tablo (planning) zay aho, afficher ko ao @ chambre-ny :
- mianatra tsara
- miarahaba olon-dehibe
- tsy mamerina in-dro ny RAD efa misy ampanaovina azy
- manaja ora fifoazana sy fatoriana
- manao sport tsara (@ zay motivé izy @ activité extra scolaire
sns

dia asiko points ary efa faran'ny erin'andro dia mahazo récompense (boky ho vakiny ihany, @ zay izy tia mamaky boky na akanjo ho tafiny ihany d faly ery izy ary miezaka hatrany)

Ny ahy alou dia 6 taona sy tapany (CE1) fa matoa ny anao mbola tazaina dia mbola kely. Niasa à temps partiels za fa te hi profite azy, dia nalefako garderie hany ka plaisir b efa mifanena. Miaraka mihirahira fona. Tsy mahatoky reny oul mpitaiza any an-tranony ireny aho fa matahotra satria maro lotra ny pervers (ny entourage n'ilay oul)
11. tywa68 ( 12/09/2007 07:35)
Tena marina mihitsy io voalazan'i sipagasy eo ambony io !

Tsy mora ny mitaiza ary tsy vitanao irery satria miara-mitaiza @ manodidina enao. Mila fandeferana sy fitiavana dhl ny atao rehetra dia mandeha ho azy.:wink:

aloalo : tsy misoritra eny @ andrina tokoa hoa adala fa mila mailo !
12. nirinkosoa ( 12/09/2007 11:42)
tsaramaso:

nirin-kosoa:

:roll:ahoana no mety atao raha te hanana zanaka hendry?
ahoana no tsara atao raha tiana ho to teny @ zanaka?
Inona avy ireo kilalao mety iarahan'ny RAD sy ny zanaka atao?8)



nirin-kosoa mitady hanao lalan-kitan-kosoa !!!! hahahahaaa!!!!!



Inona no tena mba tena ilana anao ity ry tsaramaso a! toa tsy mba misy torohevitra omenao mihitsy fa toa 'ty vavanao fotsiny no mitsaontsaona sa tsy dia nandalina fianarana firy ka tsy dia manankevitra mba ho zaraina:lol::lol::lol:
13. nirinkosoa ( 12/09/2007 11:57)
Marina daholo izany ary misaotra n'i aloalo nifampizara hevitra;
Tena mbola kely tokoa ny ahy fa vao 16 mois fotsiny izy izao nefa tena mamapalahelo mihitsy ilay fijeriny rehefa tsy matory iny izy no miala ao an-trano ianao, tsy eritreretina fotsiny e! fa dia ezahana tsy alefa any ny saina rehefa aty am-piasana;:roll::roll:
14. ikaretsaka ( 12/09/2007 17:14)
azavao ny tian'i tsaramaso lazaina ary.. fa maninona izy no manao toetran-kisoa.. omeo ny antony hoe jerena?
izya anie no maha forum ny eto fa tsy miteny dia hahaha

Niry> dia ezahina hazavaina aminy tsikelikely dia mba miezaka mandany fotoana aminy koa ianao rehefa le libre iny ka.
Ny zana-drahalahiko koa izao ohatran'izany, Dada Pilote dia tsy eo lalandava, fa azavaina @ le zazakely ny antony dia rehefa tsy miasa i dada dia iny fa miaraka izy mianaka!
15. rapala ( 12/09/2007 20:39)
ikaretsaka: raha azoko ny fandehan'ilay resaka dia 16mois ny zanak'i nirinkosoa, dia @ fomba ahoana akia no fanazavana azy @ izany?
16. nirinkosoa ( 13/09/2007 07:59)
Zao e! tsy dia tiako loatra ny fomban'i tsaramaso ry melody a!:? tsy dia hoe te hanebatebaka azy aho fa manorisory ny vavany ilay login-ko no tsy tiany e! tsy fantany fa hoe nirina ho soa no natambatra nahazoana io nirinkosoa io fa tsisy ifandraisany @ kisoa mihitsy? Ka dia miala tsiny e!:?
ny hevitra anie no angatahana fa tsy mila olona te hananihany e!

17. sipagasy ( 13/09/2007 08:24)
i tysaramaso ve moa hahagaga akia annn,

ento mora ihany e!
a+
18. aloalo ( 13/09/2007 11:10)
Fantatro fa tsy mety ty hevitro ity, fa ny ahy alou t@ misaraka azy t@ izy 1 an hatramin'ny 2 ans iny dia efa alina asaiko matory eo amiko izy, tiko tsapany hoe plus kokoa noho ilay garderie. manao calins b @ maman. d efa matory b izy d bataiko any @ chambre ny. Fa matetika i leiry ny maraina miverina ao aminay.
fa ny loza d za indray no mitana azy mandra maraina :oops:. Tena fotoana somary délaissé ilay vadiko mais bon, ny zanaka amiko sarobidy noho ny vady (azafady @ zay choqué @zay e )
19. ftma ( 13/09/2007 18:48)
fitaizana zanaka ilay loha-hevitra sa isika lehibe indray no mila tazaina? lasa miova mantsy ilay hevitra.
20. ikaretsaka ( 14/09/2007 02:18)
rapala:

ikaretsaka: raha azoko ny fandehan'ilay resaka dia 16mois ny zanak'i nirinkosoa, dia @ fomba ahoana akia no fanazavana azy @ izany?


hainy tsara izany.. na tsy miteny aza ilay zaza .. dia rehefa milalao aminy ohatra dia resahina @ fomban-jaza ko
ohatra hoe maka boky misy sary na roplanina kilalao
hoe "lasa roplam an'i dada e, any paris zay dada e, iny dada fa tonda totola refa mody."
dia rehefa tonga le rainy dia miteny koa hoe nitondra loplam dada e.. ahoana ho'zy roplam dada?
fa azon'ny zaza izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2349