Inona avy izany???

1. niryna ( 06/09/2007 07:59)
Ny mason'ny Tompo amin'izao rehetra izao.Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. Ny teny malemy dia hazoan'aina ;fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy Oh 15:3-4

Izao enina izao no halan'ny Tompo ,eny fito no ataony ho fahavetavetana.

Inona avy izany halan'i Tompo izany ? :roll:
novalian'i niryna ny 14/09/2007 23:08
2. cutie ( 06/09/2007 19:38)
za tsy mahay :lol:
3. ravakamalala ( 06/09/2007 20:28)
io ve tsy ilay "sept pechés capitaux" e?
4. niryna ( 07/09/2007 06:33)
Izao enina izao no halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana

- Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tànana mandatsa-dra marina,

- Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,

- Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy.

Ireo izany no halan'ny Tompo( Oha 6:16-19)
5. niryna ( 07/09/2007 06:34)
Ary nanatra Izy : Fampitandremana ny manao ratsy:fitaka sy tsy fahamarinana.Oha 6:20-26)

ANAKA, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.

Afatory amin'ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,

Raha mandeha hianao, dia hitari-dàlana anao ireo; Raha mandry hianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha hianao, dia hamelona eritreritra anao.

Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary làlan'aina ny anatra famaizana,

Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny janga. [Heb. lelam-bahiny]

Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodi-masony izy.

Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny aina soa.

Mahatondra afo ao an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?

Misy mahadia vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony?

Dia toy izany ízay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.

Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.

Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra.

Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin'ny andro hamaliany.

6. niryna ( 08/09/2007 01:22)
niryna:

Izao enina izao no halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana

- Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tànana mandatsa-dra marina,

- Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,

- Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy.

Ireo izany no halan'ny Tompo( Oha 6:16-19)




Eritreretina ho mora ilay izy kanefa dia mitaky finiavana mba hanantanterahana azy.
Eo amin'ny fiainana dia mila miezaka isika mba hampiseho taratra fa mpanara-dia an'i kristy.
Ny fiteny,fihetsika,fanoratra,mila mitandrina rehefa manoratra fa tsy handratra olona na manao teny izay mampa-tezitra na mampa-kivy ny namana izay mandray anjara eto.
Io no hitako lesoka be ato ary mba hiangaviana ny rehetra ny fihezahana.Maro ny ankizy mamaky ny forium sisa fa tsy mahazaka ilay olona manao angaredona sy manapoka ny marina.
Ny valin-teny moa dia manjavona eny am-panidinana rehefa mamaly ny sasany ary rehefa tsy dia tiana ilay fahamarinana dia misy tandindona mainty bbbbbe ny fara hafatra ka tsy afaka mamaly intsony ny namana.
7. ikaretsaka ( 08/09/2007 02:33)
Eritreretina ho mora ilay izy kanefa dia mitaky finiavana mba hanantanterahana azy.
Eo amin'ny fiainana dia mila miezaka isika mba hampiseho taratra fa mpanara-dia an'i kristy.
Ny fiteny,fihetsika,fanoratra,mila mitandrina rehefa manoratra fa tsy handratra olona na manao teny izay mampa-tezitra na mampa-kivy ny namana izay mandray anjara eto.izay mihitsy

ekena!
misy teny izay koa hoe "ny marina ihany no mandratra"
dia i jesoa koa t@ niteny t@ fariseo, naratra koa ireo rehefa "navantan'i Jesoa" ny resaka

.Maro ny ankizy mamaky ny forium sisa fa tsy mahazaka ilay olona manao angaredona sy manapoka ny marina.

ka @ maha forum azy dia hevitra no miady, ary misy koa filaza hoe "ny marina tsy mipoitra raha tsy @ fampiadiana hevitra"
dia rehefa tratran'ny angaredona indrindra ianao no tokony hijery hoe ..inona moa no nolazaiko teo
8. niryna ( 08/09/2007 04:07)
ika a>Tsy afaka mamaly ny hafatra ao amin'ny Marie therese intsony aho fa nisy nanakana indray.
Too bad,ny tenin'Atra dia tsy maitsy voafafy foana na tsy eto aza no hamafy azy.
9. ikaretsaka ( 08/09/2007 04:11)
asa, mety i Mere theresa angamba no mivavaka any ambony any @ misy azy anydia henoin'Andriamanitra ny feony dia fantany ianao fa hanasoketa azy dia ....
Hevitro manokana io a
10. ikaretsaka ( 08/09/2007 04:15)
izao mantsy.. raha isaky ny mametraka ianao, ka raha olona @ maha olona azy fotsiny no manakana na mamafa azy, tsy hisy olona hahavita 7/7 sy 24/24 hoe vao mametraka sizet any i niryna de vofafa...

za aza manoratra fotsiny ato , sahirana ihany
11. niryna ( 14/09/2007 22:59)
ikaretsaka:

izao mantsy.. raha isaky ny mametraka ianao, ka raha olona @ maha olona azy fotsiny no manakana na mamafa azy, tsy hisy olona hahavita 7/7 sy 24/24 hoe vao mametraka sizet any i niryna de vofafa...

za aza manoratra fotsiny ato , sahirana ihany

Satria tsy ianao no sakanany ary tsy hisakana ny anao mihitsy koa izy.Azy sy Atra izany,izaho tsy kivy na tezitra an'izany fa an-dry zareo ny web-kou;-)
Halan'ny olona ianao hoy ny tompo noho ny anarako,ary tadidio fa amin'ny fotoana handraisanao an'i Kristy dia mitsangana daholo ny fahavalo ,mamotraka,manenjika,mankahala,mialona.You name it...
Efa nomena teny mialoha ny rehetra izay nanara-dia Azy ka tsy ataoko mankarary an-doha izany.Mifaly amin'izay mifaly,ary mila ory amin'izay malahelo.

12. niryna ( 14/09/2007 23:08)
ikaretsaka:


misy teny izay koa hoe "ny marina ihany no mandratra"
dia i jesoa koa t@ niteny t@ fariseo, naratra koa ireo rehefa "navantan'i Jesoa" ny resaka

marina izany ka,kanefa tsy azo hodina tsy hita,fa izay mandray tsara izay tsy mandray azy ho azy.Izay no hitoriana ny tenin'Atra mba hanitsina ny diantsika ,mba hianarana ny tenisoa mahafaly,mba hanadiovany ny fahotantsika,mba handresen-tsika lahatra fa misy tokoa izy,ary mba hananantsika fahatokisana aminy tokoa.

.Maro ny ankizy mamaky ny forium sisa fa tsy mahazaka ilay olona manao angaredona sy manapoka ny marina.
ikaretsaka:

ka @ maha forum azy dia hevitra no miady, ary misy koa filaza hoe "ny marina tsy mipoitra raha tsy @ fampiadiana hevitra"
dia rehefa tratran'ny angaredona indrindra ianao no tokony hijery hoe ..inona moa no nolazaiko teo

Ka ilay angaredona misy ekipa hoe raha i A no miteny indreo fa tonga daholo ny B mianakavy na dia diso izao aza ny zanaky ny b=))=))=)) Dia lasa mianatra vilana fa tsy mijery ny tenin'ny baiboly fa ilay b no jerena kanefa efa hita maso sy azo tsampain-tanana izao fa tsy manome teny ao anaty soratra masina mihitsy ilay b kely:-/:-/

Dia mbola misy ihany koa hoe halako bika tsy tiako tarehy kanefa anie tsy mahita ilay olona e,ary dia manaraka sy mamaky sujet foana fa rehefa tonga ny tariky B dia miditra izy rehefa misy teny tsy tian'ilay namana b kely =))=))=))
I always forgive them and that is the reason I am still here,in God's name.
Mila mamela heloka olona fa izany no maha kristiana ny kristiana,indraindray iny olona iny tsy mahafantatra izay teneniny fa ilay ao ambadiny no mampiasa azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2134