misotroa fa aza manao mamo,minoa raha te hino fa aza manarak

1. fijo ( 04/09/2007 23:02)
misotroa fa aza manao mamo,minoa raha te hino ,fa aza manaraka be fahatany.amiko dia izay no metimety kokoa raha eto an tany.
novalian'i fijo ny 06/09/2007 20:44
2. lapino ( 04/09/2007 23:18)
mitovy hevitra moa ireo ?
misotro = mino :D

Vazivazy iny fa minoa an'i Jesosy, manaraha an'i Jesosy, fa aza minomino foana na manaraka ankoatra an'izay :wink:
3. ikaretsaka ( 04/09/2007 23:24)
tsy misy mahadiso ny manontany tena koa hoe fa maninona aho no nanaraka manaraka, hanaraka an'i Jesosy
ary tokony hatpetraka @ tena matetika na isan'andro aza tsy maninona, izay fanontaniana izay!
na finoana inona io na finoana inona..
fa tsy mionona @ le hoe satria za matahotra fa ho'zy pasitera hoe, na hozy mompera hoe na ho'zy ilay gourou hoe, na ho'zy ilay mpiandry hoe, na hoy ny baiboly hoe, na hoy ny coran hoe!
4. Jeankely ( 05/09/2007 02:30)
Manana namana avy Jerusalema aho ary gaga fa saika SILAMO avokoa ireo. Taloha aho nihevitra fa ny toerana nisy ny nahaterahan'i Jesosy dia resaka Christian avokoa. Raha mijery ireo olona hafa tsy manaraka an'i Jesosy aho aty "Asia" izay marobe tokoa dia manontany tena hoe marobe ve izany ny ho ao amin'ny afobe?
5. Solitikabe ( 05/09/2007 02:54)
Rajean an Hay ve moa nisy fitsipika hoe rehefa tsy manaraka an'i Jesosy dia any amin'ny afobe eh
6. Jeankely ( 05/09/2007 04:38)
Mifanarakaraka eto isiaka ry sikidy sikidy Solitikabe an. Tsy izaho no nametraka io fa ny Christian manoratra eto ary ny voasoratra anaty baiboly dia izy irery ihany no lalana mankany @'Andriamanitra Ray. Mety izaho angamba no tsy mahay mamaky teny. Jereo amin'ny sikidinao ra-Solitikabe.=))=))=))
7. majesty ( 05/09/2007 05:15)
fijo:
minoa raha te hino ,fa aza manaraka be fahatany.amiko dia izay no metimety kokoa raha eto an tany.


Fa ilàna fantarina mihitsy izay inoana fa tsy mety ilay manara-driandrano fotsiny,hoe efa io no nitaizana anay sy ny hoe efa io no narahan'ny razam-benay hatrizay sns sns
8. LazaDaddy ( 05/09/2007 05:23)
JeanKely:
Raha mijery ireo olona hafa tsy manaraka an'i Jesosy aho aty "Asia" izay marobe tokoa dia manontany tena hoe marobe ve izany ny ho ao amin'ny afobe?
Jesosy:
fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.
9. LazaDaddy ( 05/09/2007 05:28)
Jeankely:
Manana namana avy Jerusalema aho ary gaga fa saika SILAMO avokoa ireo.
Mahagaga anao ve izany ry Jeankely? Izaho manokana tsy gaga satria efa voambaran'ny faminaniana momba an'i Jerosalema io toe-javatra io. Sady faminaniana maro no milaza an'io ao amin'ny Baiboly fa tsy mba iray na roa na telo.
10. niryna ( 05/09/2007 06:23)
fijo:

misotroa fa aza manao mamo,minoa raha te hino ,fa aza manaraka be fahatany.amiko dia izay no metimety kokoa raha eto an tany.

Fantaro izay hinoana fa tsy manara-drenirano fahatany.

11. Jeankely ( 05/09/2007 06:59)
Dia misaotra anao Ra-lazaDaddy fa maro no lasa any @ fahaverezana. Ny teniko koa dia hoe aza manantena tsy misy koa raha ny fiananareo mahay baiboly rehetra sy ny ataonareo no jerevana. Mifankahita any amin'ny fahaverezana daholo=))=))=))
12. kalina80 ( 05/09/2007 07:03)
fijo:

misotroa fa aza manao mamo,minoa raha te hino ,fa aza manaraka be fahatany.amiko dia izay no metimety kokoa raha eto an tany.


Nataon'Atra eto antany isika mba hino sy hanompo Azy.Izany hoe izay tsy mino sy tsy manompo azy izany dia efa fantatra hoe ho aiza kouuuu!!!!!!
"Mahafinaritra ny fiainana eto antany fa mamiko loatra ny any an-danitra any."


13. Jeankely ( 05/09/2007 07:17)
Any andanitra any no fonenako oooooooo
14. nirinkosoa ( 05/09/2007 08:41)
raha ny fisotroana aloha tsy dia angadiko fa aleo any amin'ny finoana no alefa ny resaka, minoa na'i Jesoa fa izay no afany e! Za aloa mino e! asa nareo na ahoana?:lol:
15. mandrindra ( 05/09/2007 09:11)
ndana aza mody eee:wink:
16. tsaramaso ( 05/09/2007 09:17)
Jeankely:
Dia misaotra anao Ra-lazaDaddy fa maro no lasa any @ fahaverezana.
tsssssssssss
17. Jeankely ( 05/09/2007 11:56)
Inona no tsssssss ry voajobory e? an an an Tsaramaso kay=))=))=)). Any @ fahaverezana milalao voanjobory sy misotro taoka ary mifoka rongony.
18. booboo ( 05/09/2007 12:03)
Jeankely > misy namana mitondra pseudo "voanjobory" ato ...
19. bozyboleta ( 05/09/2007 12:58)
Fantaro, diniho, adihadio, fakafakao,alalino,... lay inoana zay vao afaka tena miteny hoe "Fantatro zay inoako"
20. Jeankely ( 05/09/2007 13:43)
Izaho mino fa namana tsara i bozyboleta
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1368