mariazy adventista sy katôlika

21. simplex ( 04/09/2007 12:07)

sonwin,
ie d mikaly in-2 :P
fa ahoana ny fitsinjarana ny devis zao no tena danza satria le mariazy advantista poinsa tsisy hena-kisoa. Mety mahazo tombony le bandy kle :roll::D

Tsy mety nga ra mifindra finoana 1 hikambanana izy roa? samy tsy adavantista sy kato fa tsy haiko, maihol ohatra. Mitovitovy @ advantista kanefa somary suicidaire ihany koa :P
22. tsaramaso ( 04/09/2007 12:45)
Ny finoana dia sahala amin'ny akanjo : misy ny akanjo mariazy, ary misy ny anafiana ny ankizy !!! hahaha

Ary aiza ny advantista e ??!! nga tsy mba hiseho azy ho otran'zay koa ??!!!!

>>>> zizi : http://www.paratrooper.fr/images/calecon.jpg fa mahamenatra
23. ikaretsaka ( 04/09/2007 13:09)
somary mampiomehy mahamenatra ..saingy marina

ravakamalala:
za d manao an io! teneno ilay bandy hoe mandehana any am katôlika!
rehefa samy mangetaheta ihany, tsara kokoa ny misotro ny rano eny am loharano (na dia samy manala hetaheta aza ireo).
24. ari.malala ( 04/09/2007 13:15)
humm raha tena mpino ilay lehilahy de tsy miova finoana izany.
Sarotra be ny mitaona lhl adv hifindra finoana


Nefa teneniko anao ry diamondra fa nisy olona fantatro advantista izy talou, fa nifindra katolika izy taty aoriana satria katolika le vadiny, nianatra katesizy, natao batemy, natao komonio voalohany, natao konfirmasion! ts sarotr aio refa ny fitiavana an'Andriamanitra sy ilay olona tianao no mibahana, amiko alou e
25. ikaretsaka ( 04/09/2007 13:38)
Izay manko!
tsy hoe fitiavana irery ihany anefa rehefa tena halalinina fa mety misy fahatongavan-tsaina koa tao
26. sonwin ( 04/09/2007 13:58)
simplex> tsy misy idiran'ny devis ka, sady indray ihany no mikaly, tsotra fotsiny, azavaiko kokoa:
1- mankany amin'ny advantista aloha, maka tso-drano avy amin'ny fiangonan-drazazalahy (satria tsy sakramenta ny any)
2- mankany am-piangonana katolika avy eo mandray ny sakramentan'ny mariazy.
3- mandeha mikaly amizay, tsy olana ny tsy mihinan-kisoa ho fanajana ny ankilany, sady tsy milay koa ny mihinana an'ireny rehefa fety, ny vorona mbola tsara lavitra.

Ny dinika mariazy sy ny fiofanana kosa anefa dia tokony atao any amin'ny katolika ihany amin'ny maha-sakramenta azy. Tsy manakana ny fihaonana amin'ny Pasitera Adavantista anefa izany.

Fifandeferana kely sy fahavonona hikaroka vahaolana avy amin'ny fianakaviana roa tonta fotsiny dia milamina io.
27. mits ( 04/09/2007 19:35)
:-/
28. ravatorano ( 04/09/2007 19:41)
za manana zandry manambady advantista zandry vavy io an fa tsissy olana kah
samy manao izay mahahavotra ny fanahiny e sady izao aza hadino fa ny fanakaikezana ny rariny sy ny hitsiny,ny fahamarinana sy fahamasinana no tena tanjona fa tsy d hoe ny mivavaka sy miangona atsy sy aroa amiko.Tazomy ny finoanao d ataovy izay hampiroborobo azy ao amponao ka raha ny fitiavana no tena manjaka ao amin ireo hikasa hivady dia mahaiza manapa kevfitra tsara fa sao dia hiteraka korontana ao amin ilay tokatrano izany tsy fitoviam pinoana izany ka ho sahirana any aoriana any
29. Papoose ( 04/09/2007 21:40)
dia aiza no hi-orientena an'le zaza rehefa samy misabaka any @ fiangonany @zay?
indrindra le mbola kely be tsy manana hazon-damosina iny:?:
30. fijo ( 04/09/2007 21:41)
tywa an,ity le resaka hoe "mifanaraha aloha ianareo mpino"vao tsy mitovy ny anaram piangonana defa ,raikitra ny gidragidra."tsimaintsy zao e,"io tsimaintsy nareo kristianina io hialao fa io no manimba anareo eto an tany,ny eto aloha jerena vao izay tsy hita any

rehefa jet'aime de alefao ny fiarahan afa tsy hoe ity kato za jesosy mamonjy,ny zanaka mety ho silamo sanatria
31. majesty ( 05/09/2007 05:09)
Hoy cath:
ny ray aman-drenin'ilay sipa anefa mitsipaka ilay mariazy adventista satria hoe raha vao tsy ao antin'ny FFKM zany dé sekta @.


Tsy midika ve izany fa eo amin'izy roa dia tsy misy ny olana fa ny ray aman-ndreny indray no mametraka sakana mialoha;mampieritreritra!

hoy sonwin:
1- mankany amin'ny advantista aloha, maka tso-drano avy amin'ny fiangonan-drazazalahy (satria tsy sakramenta ny any)
2- mankany am-piangonana katolika avy eo mandray ny sakramentan'ny mariazy.


Siora ve ianareo fa hanaiky hanamasina an'io ry Môpera!!!

Ny Andriamanitry ny Katôlika i "yahweh" ny an'ny Advantista "Jehovah" toa iray ihany ireo.
Ny katolika toa mivavaka amin'i "Zezo",ny Advantista koa toa manaiky an'"Jesosy" tsy mitovy ihany ve izany.
Fa ny mahatonga ny fahasamihafana angamba dia eo amin'ny fanarahana an'izay voalazan'ny soratra masina,ohatra hoe ilay finoana iray voalohany afaka mihinana an'izay tiany hohanina na inona io na inona satria efa nodiovin'Andriamanitra hono ny zavatra rehetra,ny iray ankilany kosa indray dia mitsipaka an'izay fa misy sakafo tokony hohanina dia misy ny tsy tokony hohanina.Amin'ny anankiray ny didin'Andriamanitra azo ovaina,ary tsy dia ilaina tandremana fa amin'ny anankiray izay voasoratra dia voasoratra ka tokony ho tandremana dia eo no miteraka olana ka nahatonga an'itsy farany tsy tafiditra ho mpikambana ao amin'ny FFKM.
Kanefa dia samy Kristiana ireo :wink:
32. niryna ( 05/09/2007 06:11)
Manahirana be ilay izy satria resaka fivavahana no tena olana.Mila samy mibebaka sy mifamela izy ireo.Raha Kristy no tena fototra hinoany na ny rar aza dia tsy tokony hitsipaka ny fiarahany saingy ilay finoana mihitsy no samy hafa dia hiteraka ady amin'ny farany.
Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Atra,fa fahadalaNa aminy izany sady tsy azony,satria araka ny Fanahy no amantarana izany. 1 kor 2:14

Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambana amin'ny tsy mino.Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy fahotana?Ary inona no iombonana'ny mazava sy maizina? Ary inona no ifanarahan'i kristy sy Beliala? Ary inona no irasian'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino? 2 Kor 6:14



33. tywa68 ( 05/09/2007 06:40)
fijo : :D mamaky aloha dia manome hevitra : tsy misy manana ny marina izany no azo hitenenana azy, nefa misy manondro hoe ny an'iretsy maizina sy diso, na manao an'izao sy zao !
Ka aiza no tsy hitatra lava eto ty !
Matoa misy samihafa dia misy olona samihafa, na eo aza ny fototra itambarana !

Toa milaza kristiana dhl nefa toa tsy misy fandeferana : ka dia mila mieritreritra raha mila izany hidirana fiangonana izany na tsia !

Ataovy mairie zany raha tena ilaina ilay mivady (sy te hanao fety).

majesty : misy resaka sakafo tsy ho hanina, ny fomba² fotsiny no maha-samy hafa, ary tsy misy didy 10 azo ovaina izany, na tsy d azo tandremana izany :-w sa zany no ataonao ? fijerinao io fa tsy midika hoe marina !

niryna : iza no tsy mino @ireo ? efa hoe samy kristiana, avy @ protestant anie ny advantista sa tsy izany ? zay tsy mahatafiditra azy ao @ FFKM no inona ? ny RAR samy mitsinjo ny zanany ary samy manana ny antony hangatahina an'ilay hoe ataovy aty amintsika sns...

Matoa nefa iretsy hiroso @ fanambadiana kristiana dia mba maniry ho hamasinina satria hitany ny tokatrano manodidina niditra fiangonana izany ...

Tompo ô ! mangataka aminao izahay mba ho mendrika ny fitiavanao anay. Amen
34. sonwin ( 05/09/2007 08:40)
majesty> aza itarina be le koz' fa solution ho an'ilay olona manana olana atolotra
35. tsaramaso ( 05/09/2007 09:24)
niryna:
Mila samy mibebaka sy mifamela izy ireo.
Hahaha!! any zany !! fahotana ny katolika, de fahotana ny advantista !!!

Sô de mbô ny manao mariazy aza no fahotana ??!!!
36. majesty ( 06/09/2007 08:45)
Sonwin:tsy manitatra io fa mijery ny fototr'ilay olana,ka raha tian-ndry zareo ny hivady dia tsy maintsy misy anankiray milefitra amin'izy roa izany,na ho any amin'ny ankilany Katôlika na ho any amin'ny andaniny Advantista,satria raha eo ampovoany dia vao maika hitranga ny olana rehefa tonga ny zazakely.

tywa68:tsy hoe izaho no manao an'io fa jéréo amin'ny maso tsy miangatra fotsiny ny zavatra hitanao eo amin'ny fiainana andavan'andro dia fantatrao ny tiako ambara,tsy mila manatonga pasitora sy môpera akory io dia voavaly.
37. fijo ( 06/09/2007 21:16)
izay efa voalazan'i tywa izay mihintsy.samy milaza ho kristianian,ary samy milaza sy mino fa ny fandeferana no fototra,nefa dia io no tsy misy manaiky.ka ianareo aza manda ny inoanaeo????ahoan ano hilazanareo fa tsara le finoana izay arahanareo????
ny mpino amin'ny ankapobeany no laziko eto an.
38. cath ( 07/09/2007 06:17)
manaôna daôly!
tena mafnaritra be fa samy maneho ny hevitrareo daôly ianareo!
zao aloha an!marihiko eto fa samy mino an Kristy na katôlika na adventista,samy kristianina zany!
raha oe resaka mariage civil no atao dé mety zay oany ny avdentista satria tsodrano fotsiny no alaina any @pasitera avy eo fa saingy tsmety kosa zay ho an'ny katôlika satria sakramenta ny mariazy ka ra katôlika dia tsy tokony iaraka ipetraka @vadiny efanatao soratra sy vodiondry ra tsy efa vita mariazy tany anpengonana sinon lasa "manao tokatrano maso".zay no voalazan"i mopera!
ô ry reto a, sao dé za ary no efa tonkony ivadika adventista e?!?mandeha iahnay lé fotoana, ny taonanay mandroso ihany,izy tsy mety milefitra dé sahiran-tsaina be za.
nefa lé fomba iconvaincr an parents ako kou bola tatara be!
dé inona zany ny ataoko ry reto?
39. tywa68 ( 07/09/2007 17:36)
cath : sarotra fa rehefa tia d mahay mandefitra foana : zany hoe tsy maintsy eritreretina koa ny fomba hitondràna ny ankizy avy eo, dieny zao manomboka izao.

Izany hoe tsy vitan'ilay mariazy fa ilay fiainana miaraka sy ny zaza hitambarana koa mila eritreretina, dieny voalohany.

Ny RAR-nao moa ve tsy hanaraka ny choix-nao na eo aza ny faniriana hoe hamasinina @ fomba katolika :lol:

Makà toera-mangina dia mivavaha, fa hahazo ny valiny ianao ary tsy ankaterena fa ataovy ampifaliana sy ampitiavana ! Samy kristiana anie izany fa ny régime no somary ovaina kely e :-D:-D :-*
40. Veloo ( 07/09/2007 19:51)
Mpandefa : tywa68 [ Valio ] 07-09-2007 19:36:51
Lohateny : Re : mariazy adventista sy katôlika
cath : sarotra fa rehefa tia d mahay mandefitra foana : zany hoe tsy maintsy eritreretina koa ny fomba hitondràna ny ankizy avy eo, dieny zao manomboka izao.

Izany hoe tsy vitan'ilay mariazy fa ilay fiainana miaraka sy ny zaza hitambarana koa mila eritreretina, dieny voalohany.

Ny RAR-nao moa ve tsy hanaraka ny choix-nao na eo aza ny faniriana hoe hamasinina @ fomba katolika

Makà toera-mangina dia mivavaha, fa hahazo ny valiny ianao ary tsy ankaterena fa ataovy ampifaliana sy ampitiavana ! Samy kristiana anie izany fa ny régime no somary ovaina kely


tywa68 ====> tena manana fahendrena ianao :-*. cath io lazain'i tywa68 io arahina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084