Hipoaka ny sarom-bilany
1. Fiffi
(
03/09/2007 08:12)
Nalaza tampoka tsy fidiny teo i Bahamas. Maro no efa nijery sarintany hoe aiza marina eto amin’ity planeta tany ity tokoa i Bahamas. Tsy vitsy ihany koa ireo manaiki-tanana fa very fihinanana sy vola. Izay foana no ilazana etoana fa tsara ny misoroka toy izay mitsabo.
Nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety voalohany ity orinasa milaza ho mahita asa aman’arivony hatolotra ny gasy kely ity. Tao sy niara-nipetraka tamin’ireo milaza azy ho tompon’andraikitr’izao fampandisoam-panantenana goavana izao mihitsy ny solontenan’ny ministeran’ny Asa eto Madagasikara, ka nandray fitenenana fa misy tokoa io asa any Bahamas io.
Nirohotra Ragasy kely be fivoarana fa 1 tapitrisa Ariary isam-bolana, hono, ny karama farany ambany any Bahamas. Filaharana sy fifanosehana no tazana teo Antsahavola. Nangina tsy nahenoam-peo ny ministera. Nilaharana ny tetsy Anosy. Samy mbola tsy taitra ny tompon’andraikitra isan-tokony. Nasaina nandoa vola Ramalagasy raha te ho tafiditra ao amin’ny sokajin’ireo mpiasa ambony. Izay vao taitra Rafanjakana fa tsy mifanaraka velively amin’ny lalàna velona eto Madagasikara ny fampandoavam-bola izay mitady asa. Dia ny tantara dia mbola mitohy….
Asa, ny filoha mihitsy angaha no andrasan’ny sasany hirotsaka an-tsehatra vao ho hita marina izay tena fandehan’ity tantara nahabe fanantenana ny mpiasa malagasy ity.
Be ny fanontaniana mipetraka, toy ny hoe : tsy efa tokony tany am-boalohany ve no nanadihady ny fisian’ity orinasa any Bahamas ity ?!!!
Koa aoka ary tsy ho gaga fa tsy ho ela dia hipoaka ny sarom-bilanin’ity tantara ity e !
Naivo kely Madagascar Tribune
novalian'i moi ny 04/09/2007 14:29
2. apache
(
03/09/2007 11:08)
(vazivazy an!!!!)
Ny anay izao efa vita veloma daholo ny havana rehetra! :^):^)
ny tenanay mihintsy mantsy no saika natao tale tany Bahamas, snif! snif!8)8)
zany ve dia mbola mampihomehy anareo ihany?!!:lol:
indrisy mantsy ry Bahamas; ndao rangah atao poeme io an :
Any ianao ry bahamasy
Nitady mpiasa malagasy
Na ampy bôsy na tsisy pasy
samy nanamboatra taratasy
Eny tokoa ry Bahamasy
(tohizo)

3. agoago
(
03/09/2007 14:20)
Satria ireo olona ireo efa niroso hono ry zareo ka tsy hihemotra intsony,tena lalina a! lazainy fa izay miteny izany ndray no mpanakorontana saim-bahoaka,dia tokony hahay hanazara roa ny saina ihany ry zareo "ho eny na tsia" na tsy afa-miaraka aza zany,hanonontena ry zareo raha tsy misy, tahaka ny nanandry zareo fanantenana mahagaga mihintsy.
Hoy lay fitenenana iray izay "manantena tsy misy no sarotra, mamoy azy mora foana"
Hoy lay fitenenana iray izay "manantena tsy misy no sarotra, mamoy azy mora foana"
4. moi
(
04/09/2007 14:29)
Dia asa tokoa izay ho tohin'izy ity fa ny fihevitro dia na
1°: fanandevozana maoderina ilay saika hatao, izany hoe hanondrana gasy any atao andevo ; ary mbola maro ny vonona handeha ka atoroko hevitra hoe hanontanio ny hevitr'ireo gasy lasa tany Liban ka nosokirina vao tafody.
2°: tsy misy mihitsy ilay asa fa fanangonam-bola fotsiny no natao = fisandohana.
Fa aza omena tsiny ny fanjakana fa izay filazana asa rehetra io ve hidirany ?! Raha tsy nisy ilay fandrotsaham-bola aza angamba mety efa ho maro no voaondrana.
Raha hiverenana fohy mantsy dia nisy aloha ny fialan'ny mpikarakara tao amin'ny ministera ity fandraisana mpiasa Bahamas ity ; dia nampahatsiahy indray ny Fanjakana taty aoriana kely fa tsy ara-dalàna ny fandoavam-bola fitadiavana asa ; dia nitohy tamin'ny fanadihadiana ny fisian'ny ilay orinasa mihitsy ; teo koa ny amin'ny Steve (tsy tadidiko ny anarany) izay voatsipaka ho mpisolo tena ilay Garment Textile moa ?
Fa ny lesona hafa ho ahy zaraiko aminareo dia ny hoe tsy rehefa mankany daholo ny maro dia mety na marina izay làlana izay.